
19/09/2025
Mbola faly ve Ra Malagasy na andevoizina sy ambakaina
Atao miasa tsy omena vola nefa koa tsy atao makaina
Asiana fianarana be dia be fa tsy hita mitondra makaiza
Mivaro body no niafaranao nefa mba oe nanao "commerce"
Tsy asina jiro nefa ianao efa maizin-tsaina
Ampiakarina ny vidim-bary dia mody eo samy miferotraina
Izay atao eto mody atao dia mody oe manarapenitra
Ny marary any amin'ny hopitaly nefa efa maty sepotra
Tsisy mikofokofoka raha tsy fampihelezan-kevitra
Lazaina soatoavina hono ilay oe Gasy tia mandefitra
Ny mpamily ny sambo mihitsy no mitondra atsika iletika
Vao kizitina kely ialahy dia lazain'ny olona tsy ampy lesta
Miezaka mandray lesona amin'ity saina efa valaka
Miantoka ambony telepherique ny hoavin'ny taranaka
Raha tsy andray vahiny tsy madio ny tanana
Rehefa mangataka misy mapaka ny tanan'ialahy
Extrait mbola zaka ve ? Netyk x Idealy