11/01/2025
FANAMBARANA
MIKASIKA NY FIFIDIANANA KAOMINALY SY MONISIPALY
ASABOTSY 11 JANOARY 2025
Manoloana ny zava-misy sy ireo fanehoan-kevitra maro miseho ankehitriny, mikasika ny Fifidianana Ben’ny Tanàna sy Mpanolo-tsaina izay natao ny 11 desambra 2024 lasa teo,
Izahay Kandida natolotrin’ireo Antoko mivondrona ao amin’ny Vondron’Antoko Politika Firaisankina dia manao izao fanambarana manaraka izao :
Zotram-pifidianana feno tsy fanarahan-dalàna ary Fifidianana feno hosoka sy hala-bato no nisy tamin’ny Kaominina maro manerana ny Nosy
- Fanakanana tamin’ny fomba samihafa ny filatsahan-kofidin’ny Kandida maro
- Fampiasana ny Fahefam-panjakana, ny Volam-panjakana, ny Mpiasam-panjakana ary ny fananam-panjakana nanaovana fampielezan-kevitra nanohanana ireo Kandida natolotra amin’ny anaran’ny Antokon’ny Fitondrana. Nisy mihintsy aza moa ireo Kandida nilaza am-pahibemaso fa izy ireo no Kandidam-panjakana
- Fanokafana indray tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny lisitry ny Mpifidy ka nampidirana tamin’ny alalan’ny hosoka ireo anaran’olona aman’aliny tao anaty lisitra
- Fanararaotana ny fahantran’ny Vahoaka ka nividianana ny safidiny tamin’ny fomba maro samihafa
- Fandikan-dalàna sy amboletra maro nitranga nandritra ny andron’ny latsa-bato toy ny fampiasana ireo bulletins pré-cochés sy ny fitaterana olona maro avy any amin’ny Kaominina hafa hifidy an-keriny ary im-betsaka tany amin’ny Birao fandatsaham-bato maro samihafa
- Tsy fahafahana nanao ny fampitahana na ny confrontation nohon’ny famoahan’ny CENI an-kamehana mialohan’ny fotoana ny vokam-pifidianana vonjimaika
Teo anatrehan’ireo fandikan-dalàna sy hosoka ary fanaparam-pahefana maro samihafa ireo anefa dia tsy nisy ny fandraisan’andraikitra nataon’ny CENI izay rafitra mahaleotena napetraka hiantoka ny fahamarinan’ny Fifidianana
Raha tokony tsy hiandany ary hanao ny fomba rehetra hahitana ny marina sy hanala ny ahiahin’ny maro no nataon’ny CENI dia ny mifanohitra amin’izany no miseho :
- Fihazakazahana namoaka haingana ny vokam-pifidianana vonjimaika mialohan’ny fotoana voalazan’ny Lalàna ka tsy nanan’ireo Kandida sy ny Mpifidy ary ny Antoko politika fotoana nametrahana fitoriana sy nanaovana fampitahana
- Fanaovana fanambarana miaro sy misolo-vava ary miezaka manaporofo ny fahamarinan’ny Fifidianana sy ny fandresen’ny Kandida natolotrin’ny Fitondrana
Raha ny voalazan’ny Lalàna dia mifarana eo amin’ny famoahana vonjimaika ny vokam-pifidianana ny anjara andraikitrin’ny CENI.
Noho izany, ny fanaovana fanambarana nataon’ny CENI niaro sy nanamarina ny fahalanian’ny Kandidam-panjakana tamin’ny talata 07 janoary lasa teo iny dia fitsabahana amin’ny raharahan’ny Fitsarana sy fanerena an-kolaka ny Mpitsara amin’ny fanapahan-kevitra izay ho raisiny manoloana ireo fitoriana maro izay tonga eny am-pelatanany
Samy efa nanao fanambarana nilaza sy nanamarina ny tsy fahalavorarian’iny Fifidianana iny avokoa ireo Firaisamonim-pirenena sy Fikambanana mpanara-maso ny Fifidianana maro samihafa.
Fehiny, dia tsy Fifidianana no nisy nanerana ny Kaominina maro fa fandrobaham-pahefana an-keriny tamin’ny alalan’ny fandrobana sy Barofo ara-pifidianana no natao ary tsy nahavita ny andraikitra napetrakin’ny Lalàna sy ny nantenain’ny Mpifidy taminy ny CENI
Koa satria tsy misy zotram-pifidianana notanterahina tao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna ka hamoaka vokam-pifidianana marina sy mifanaraka amin’ny safidim-bahoaka, dia ambaranay amin’ny fomba ofisialy fa tsy hankato sy tsy hanaiky izay vokam-pifidianana azo tamin’ny alalan’ny halatra sy hosoka tamin’ny Kaominina maro izahay ary tsy maintsy hijoro sy handray andraikitra ary hitady ny fomba rehetra hamoahana ny tena safidim-bahoaka marina.
Takinay ny famoahana ny solotenanay teny anivon’ny CENI, Andriamatoa Randriamihoatra Jean Luce, izay nosamborina ary any am-ponja ankehitriny nohon’ny antony izay ambaranay fa tsy mitombona
Tsy azo ekena ny fanitsakitsahana ny Lalàna velona sy ny fanaovana tsinintsinona ny safidim-bahoaka ary tena fihantsiana ny Mpifidy Malagasy
Raha izao zava-misy izao dia tandidomin-doza ny demokrasia sy ny sata repoblikanina eto Madagasikara, ary miroso mankany amin’ny Fanjakan’olon-tokana sy ny Fitondrana tsy refesi-mandidy ireo nampindramin’ny Vahoaka Fahefana mitondra an’i Madagasikara ankehitriny
Noho izany dia miantso ny Kandida, ny Mpifidy ary ny Antoko politika sy ireo Fikambanana rehetra voakasik’izao raharaham-pifidianana izao izahay, hitsangana, hifanantona ary hanambatra ny Hery hiatrehana izao famotehana ny Demokrasia sy ny ho avin’ny Firenena izao.