21/08/2025
🚨‼️Bus 150 misy mpanendaka / mpangaro-poketra! Nisy nanendaka tao anaty bus 150 za t@ maraina. Ataoko ity mba hitandreman’izany mpandeha amn’io ligne io. Ny ahy tafaverina daholo tsisy lasa tany, za tsy naninona!
Tonga dia misy kitapo mandona sy manakona maso tampoka zany , ny solomasoko nipitika nivaralila ( nefa za aty am sisiny am vitre tokony tsy tonga aty amiko raha olona hoe manambotra place ) ilay olona teo akaikiko olona ngeza , madio tsara , mitovy amin’ny olona handeha hamonjy asa rehetra ireny e!
Mailo be za hay efa nisokatra ny poketrako , tonga dia notsapaiko hoe ao ve ny téléphone-ko.
Tonga dia nivazavaza be za hoe inona zany ataonareo zany ?
Tonga de niala tampoka le kitapo natao anelengelenana ny tarehiko, dia iny ny téléphone-ko anakiray manidina ( miverina milatsaka anaty poketrako )
Zay hoe za sady miteny no miverifier hoe ao ny téléphone-ko, no en même temps manidina miverina milatsaka anaty poketra ny téléphone ray, ny solomaso mivilana tsy rarahiko.
Bon , ao daholo zany ny téléphone anakiroa.
Le ramose (ngeza) eo akaikiko amzay niteny hoe azafady madame fa vodona ny solomasonao.
Teo ah dia gaga hoe inona no anaovany azafady eo, ( tampoka teo tsy hitako tao anaty bus tsony le razoky nibahana kitapo ana, tokony hoe eo @ strapontin mahitsy ana manko izy )
Noverifie-ko ndray ny poketra hay tsy ao ny portefeuille -ko
Tonga de niteny mafy ndray za
efa lasa an’le tsy vanona iny hoa ny portefeuille-ko !
Le razoky eo akaikiko amzay niteny hoe everiko fa za nie le novazavazainao teo e!
Le olona teo hoa, zao lasa le portefeuille.
Tampoka eo izy ihany no niteny hoe misy zavatra latsaka ao ambany ao fa za fotsiny tsy niteny anao teo …
Aiza hoa zany? ( ny tongotro efa mikarakarokaroka tao ambany, )
avy eo niondrika za no niteny hoe tsisy anzany hoa ato !
Andraso ozizy refa ary am mazava ary ( arrêt manaraka zany)
Non hoa , sady nikaroka za! Inona hoy nareo fa io ny portefeuille-ko.
Vo tonga teo am arrêt dia niala le razoky ngeza…!
Zay ny ray bus vao niteny hoe iny mintsy madama no nisava poketra-nao teo!
Izy ihany kay zany no nandatsaka anle portefeuille tao ambany dia niteny hoe misy zavatra latsaka ao!
Bref, tafaverina daholo ny rehetra tsisy azony na ray. Moa izaho tsy naninona ☺️
Entre Soarano sy Behoririka no nitranga izany rehetra izany, fraction de secondes fotsiny.
Ilay receveur ny bus 150 noteneniko hoe aona hoa zany bus nao misy mpanendaka zany , de hoe izy hoe tsy ampoizina. Za anefa mino fa efa hitany sy fantany tsara reo olona reo !