05/08/2026
Perte de poids … suite ( de 66kg à 50kg)
Ilay hoe tsy mihinam-bary anie misy tsy mahazo mihitsy ee! Misy mihevitra fa hoe tsy mihinan-kanina ilay izy …
Tsy mihinam-bary ilay izy fa tsy hoe vary sy laoka. Mihinan-daoka aho tamin’ny nanao ny régime perte de poids-ko
Dia tsy mihina paty sy siramamy koa…
Raha misotro jus ny olona dia ny ahy rano na thé vert , na jus sans sucre
Za moa tsy pour an’ilay régime vinaigre salady salady marikivy be mampiferotra aina ireny, tsy eken’ny saiko ireny e!
Ny ahy mila ankafiziko ilay sakafo donc na manao régime ary za dia mila maheno hoe matsiro izy izany fa tsy fatipatina salady vinaigrette fotsiny dia hoe vita. Azafady… Tsy namany aho 😝
Sady za mampinono foana fa tsy hoe najanono ny allaitement, mbola tsy misara-nono ny zaza hatramin’izao.
Tsy nanokana budget be fa izay laoka eo no laokako na mamorona recettes amzay zavatra misy eo ihany.
Ilay vary izany soloiko: avoine, vomanga, saonjo, fruit à pain , ovy ,graines ….
Tsy nisy coach nanaraka na plat strict fa asiko proteine, légumes , céréales fotsiny ny plat dia miampy fruit.
Tsy niditra salle de sport koa aho ( tena mbola miferotr’aina amlay hibatabata fonjam-by… mba nanandrana nandeha salle une fois fa saika torana tao 😆 2023 no niditra salle farany donko azonao tsara ilay fijaliako tao tamin’ilay mba nitetika hanao comme back en force )
Pilates no tiako hatao izao raha mba manana bon plan ianareo ? Raha misy Coach vonona hiala hiasa moa vao maika raisiko an-tanandroa😍
RDV dans 3 mois hoan’ny silhouette mirafitra tsara indray ! Hisy raha eto niany 🔥