Madagascar 24

Madagascar 24 Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Madagascar 24, Media/News Company, Antananarivo.
(1)

⚠️ Madagascar 24 miato vonjimaikaNoho ny tranga tsy nampoizina nahakasika ny fitantanana ny pejinay, dia voatery atsahat...
10/06/2026

⚠️ Madagascar 24 miato vonjimaika

Noho ny tranga tsy nampoizina nahakasika ny fitantanana ny pejinay, dia voatery atsahatra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny famoaham-baovao sy ny asa rehetra ataon'ny Madagascar 24.

Misaotra anareo rehetra tamin'ny fanohanana sy ny fahatokisana. Hiverina izahay rehefa tafaverina amin'ny laoniny ny toe-draharaha.

"Tsy mangina izahay fa manomana ny fiverenana." ❤️

Ny Ekipa Madagascar 24.

📌𝗚𝗔𝗕𝗢𝗡 𝗘𝗠𝗘𝗥𝗚𝗘𝗡𝗧 : 𝗥𝗘𝗛𝗘𝗙𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗩𝗜𝗡𝗔𝗩𝗜𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔𝗙𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗼 𝗮𝗿𝘆 𝗳𝗮 tamin'ny taona 2009, nametraka vina lehibe ...
08/06/2026

📌𝗚𝗔𝗕𝗢𝗡 𝗘𝗠𝗘𝗥𝗚𝗘𝗡𝗧 : 𝗥𝗘𝗛𝗘𝗙𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗩𝗜𝗡𝗔𝗩𝗜𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔

𝗙𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗼 𝗮𝗿𝘆 𝗳𝗮 tamin'ny taona 2009, nametraka vina lehibe antsoina hoe "Gabon Émergent" ny fitondrana gaboney. Ny tanjona dia ny hanova an'i Gabon ho firenena matanjaka ara-toekarena sy afaka mifaninana amin'ireo firenena mandroso kokoa aty Afrika sy eran-tany.

Talohan'izany, ny ankamaroan'ny vola niditra tao amin'ny firenena dia niankina tamin'ny solitany. Nahatsapa anefa ny mpitondra fa mety ho loza izany raha mihena ny tahirin-tsolika na midina ny vidiny eo amin'ny tsena iraisam-pirenena.

Noho izany dia napetraka ny paikady hampivelarana sehatra hafa toy ny fambolena, ny indostria, ny fizahantany, ny fanodinana harena voajanahary ary ny fotodrafitrasa. Natao ihany koa ny ezaka hamoronana asa ho an'ny tanora sy hanatsarana ny fari-piainan'ny mponina.

Na dia mbola misy aza ny fanamby sy ny adihevitra momba ny vokatra azo hatramin'izao, dia lasa ohatra iray amin'ireo firenena afrikanina niezaka nametraka vina maharitra sy drafitra stratejika mazava ho an'ny fampandrosoana i Gabon.

Ny lesona lehibe azo raisina dia izao: sarotra ny mampandroso firenena iray raha tsy manana vina mazava, tanjona maharitra ary politika mifantoka amin'ny famokarana sy ny famoronana harena.

Madagascar 24 – Mampahafantatra, manazava, mampieritreritra. 🇲🇬🌍

🇲🇬 📢 #𝗡𝗘𝗪𝗦 : 𝗔𝗡𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗥𝗜𝗩𝗢 – 𝗠𝗜𝗧𝗢𝗛𝗬 𝗡𝗬 𝗔𝗦𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗗𝗜𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔, 𝗡𝗘𝗦𝗢𝗥𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗩𝗔𝗥𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡-𝗗𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗦𝗬 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔Mitohy ny asa ...
08/06/2026

🇲🇬 📢 #𝗡𝗘𝗪𝗦 : 𝗔𝗡𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗥𝗜𝗩𝗢 – 𝗠𝗜𝗧𝗢𝗛𝗬 𝗡𝗬 𝗔𝗦𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗗𝗜𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔, 𝗡𝗘𝗦𝗢𝗥𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗩𝗔𝗥𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡-𝗗𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗦𝗬 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔

Mitohy ny asa fanadiovana an'Antananarivo Renivohitra. Nesorina avokoa ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalana sy sarety mibahan-dalana tetsy Ambodivona. Manohy ny asa fanadiovana sy fanentanana ny olona amin'ny fanarahan-dalana ny Kaominina Antananarivo, izay mikendry ny tanàna madio sy voalamina ho an'ny rehetra.

🔴Retrouvez Madagascar24TV en continu, 24h/24 sur :

Chaîne WhatsApp 🔰 : https://whatsapp.com/channel/0029VbCAFPE60eBcAYz3MX2x
📺📡 Telegram 📑 : www.t.me/mgactu24
Twitch 📩 : www.twitch.tv/madagascar24tv
(X) Twitter 👩🏽‍💻 : https://x.com/Madagascar24i
Instagram 🌻 : www.instagram.com/madagascar24.actu/
Linkedin 📲 : www.linkedin.com/in/madagascar24tv/
Threads 🌾 : https://www.threads.com/.actu
Tiktok 📺: www.tiktok.com/.tv

🇲🇬 📢 #𝗡𝗘𝗪𝗦 : 𝗣𝗔𝗧𝗥𝗜𝗖𝗞 𝗕𝗥𝗨𝗘𝗟 𝗩𝗢𝗔𝗧𝗔𝗭𝗢𝗡'𝗡𝗬 𝗣𝗢𝗟𝗜𝗦𝗬 𝗔𝗢 𝗙𝗥𝗔𝗡𝗧𝗦𝗔 𝗡𝗢𝗛𝗢 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗬 𝗛𝗘𝗥𝗜𝗦𝗘𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗡𝗢𝗙𝗢Noho ny fitor...
08/06/2026

🇲🇬 📢 #𝗡𝗘𝗪𝗦 : 𝗣𝗔𝗧𝗥𝗜𝗖𝗞 𝗕𝗥𝗨𝗘𝗟 𝗩𝗢𝗔𝗧𝗔𝗭𝗢𝗡'𝗡𝗬 𝗣𝗢𝗟𝗜𝗦𝗬 𝗔𝗢 𝗙𝗥𝗔𝗡𝗧𝗦𝗔 𝗡𝗢𝗛𝗢 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗟𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗬 𝗛𝗘𝗥𝗜𝗦𝗘𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗡𝗢𝗙𝗢

Noho ny fitoriana resaka fanolanana sy herisetra ara-nofo, voatazon'ny Polisy ao Frantsa ary atao fanadihadiana i Patrick Bruel. Miisa 13 ny fitoriana azy ary mifandraika amin'ny fanolanana sy herisetra ara-nofo avokoa. Ny raharaha dia mbola eo amin'ny dingana voalohany, ka miandry ny fivoaran'ny fitsarana sy ny fanadihadiana ny rehetra. Mpihira frantsay malaza tamin'ny taona 80–90 sady mpilalao sarimihetsika i Patrick Bruel.

🔴Retrouvez Madagascar24TV en continu, 24h/24 sur :

Chaîne WhatsApp 🔰 : https://whatsapp.com/channel/0029VbCAFPE60eBcAYz3MX2x
📺📡 Telegram 📑 : www.t.me/mgactu24
Twitch 📩 : www.twitch.tv/madagascar24tv
(X) Twitter 👩🏽‍💻 : https://x.com/Madagascar24i
Instagram 🌻 : www.instagram.com/madagascar24.actu/
Linkedin 📲 : www.linkedin.com/in/madagascar24tv/
Threads 🌾 : https://www.threads.com/.actu
Tiktok 📺: www.tiktok.com/.tv

🇲🇬 📢 #𝗡𝗘𝗪𝗦 : 𝗗𝗘𝗣𝗜𝗢𝗧𝗘 𝗥𝗔𝗝𝗘𝗥𝗜𝗦𝗢𝗡 𝗔𝗡𝗧𝗢𝗜𝗡𝗘 : 𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗕𝗢𝗟𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗗𝗔𝗟𝗢 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗘𝗦𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗜𝗠𝗠𝗨𝗡𝗜𝗧É 𝗣𝗔𝗥𝗟𝗘𝗠𝗘𝗡𝗧𝗔𝗜𝗥𝗘Hoy ny Depiote FIDEL R...
08/06/2026

🇲🇬 📢 #𝗡𝗘𝗪𝗦 : 𝗗𝗘𝗣𝗜𝗢𝗧𝗘 𝗥𝗔𝗝𝗘𝗥𝗜𝗦𝗢𝗡 𝗔𝗡𝗧𝗢𝗜𝗡𝗘 : 𝗧𝗦𝗬 𝗠𝗕𝗢𝗟𝗔 𝗡𝗔𝗡𝗗𝗔𝗟𝗢 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗘𝗦𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗜𝗠𝗠𝗨𝗡𝗜𝗧É 𝗣𝗔𝗥𝗟𝗘𝗠𝗘𝗡𝗧𝗔𝗜𝗥𝗘

Hoy ny Depiote FIDEL RAZARA PIERRE, Filoha lefitry ny antenimierampirenena - Toamasina, fa tsy mbola nandalo tao amin'ny birao maharitra ny fanesorana ny "immunité parlementaire" an'i depiote Rajerison Antoine. Na izany aza, hita fa mahana amin'ny ataony ihany izy, raha nanontany momba izany satria tsy nahomby ny nataony tany amin'ny HCC. Raha hanala an'izany "immunité" izany izahay dia azo atao tsara izany, fa tsy mbola nandalo teo ambany masoko aloha izany taratasy atao sonia izany.

🔴Retrouvez Madagascar24TV en continu, 24h/24 sur :

Chaîne WhatsApp 🔰 : https://whatsapp.com/channel/0029VbCAFPE60eBcAYz3MX2x
📺📡 Telegram 📑 : www.t.me/mgactu24
Twitch 📩 : www.twitch.tv/madagascar24tv
(X) Twitter 👩🏽‍💻 : https://x.com/Madagascar24i
Instagram 🌻 : www.instagram.com/madagascar24.actu/
Linkedin 📲 : www.linkedin.com/in/madagascar24tv/
Threads 🌾 : https://www.threads.com/.actu
Tiktok 📺: www.tiktok.com/.tv

08/06/2026

Havana raha misy patsa. Henoy ange e !

Spartane

🇲🇬 📢 #𝗡𝗘𝗪𝗦 : 𝗧𝗢𝗩𝗢𝗩𝗔𝗩𝗬 𝗠𝗔𝗟𝗔𝗚𝗔𝗦𝗬 𝗦𝗔𝗜𝗞𝗔 𝗡𝗔𝗢𝗟𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗘𝗡𝗗𝗔𝗞𝗔 𝗡𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗬 𝗧𝗔𝗢 𝗭𝗜𝗟𝗠𝗔𝗝𝗗𝗢𝗨 𝗞𝗢𝗠𝗔𝗢𝗥𝗢Tovovavy malagasy iray (me...
08/06/2026

🇲🇬 📢 #𝗡𝗘𝗪𝗦 : 𝗧𝗢𝗩𝗢𝗩𝗔𝗩𝗬 𝗠𝗔𝗟𝗔𝗚𝗔𝗦𝗬 𝗦𝗔𝗜𝗞𝗔 𝗡𝗔𝗢𝗟𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗘𝗡𝗗𝗔𝗞𝗔 𝗡𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗬 𝗧𝗔𝗢 𝗭𝗜𝗟𝗠𝗔𝗝𝗗𝗢𝗨 𝗞𝗢𝗠𝗔𝗢𝗥𝗢

Tovovavy malagasy iray (metisy gasy-kaomoriana) saika naolan'ny mpanendaka nitondra antsy ny sabotsy hariva teo, tao Zilmadjou (Komores). Vokany, naratra sy mangana izy, ka nentina haingana any amin'ny toeram-pitsaboana hitsaboana. Ny mpitandro filaminana ao Komores dia efa tonga nanao ny fanadihadiana momba ity herisetra ity.

🔴Retrouvez Madagascar24TV en continu, 24h/24 sur :

Chaîne WhatsApp 🔰 : https://whatsapp.com/channel/0029VbCAFPE60eBcAYz3MX2x
📺📡 Telegram 📑 : www.t.me/mgactu24
Twitch 📩 : www.twitch.tv/madagascar24tv
(X) Twitter 👩🏽‍💻 : https://x.com/Madagascar24i
Instagram 🌻 : www.instagram.com/madagascar24.actu/
Linkedin 📲 : www.linkedin.com/in/madagascar24tv/
Threads 🌾 : https://www.threads.com/.actu
Tiktok 📺: www.tiktok.com/.tv

🇲🇬 📢 #𝗡𝗘𝗪𝗦 : 𝗟𝗢𝗭𝗔 𝗘𝗡𝗬 @ 𝗥𝗡1 – 𝗠𝗣𝗜𝗧𝗔𝗧𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗡𝗬 𝗦𝗢𝗔𝗩𝗜𝗡𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗜𝗛𝗔𝗥𝗔𝗡-𝗗𝗢𝗭𝗔, 𝗠𝗔𝗥𝗢 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗡𝗔𝗥𝗔𝗧𝗥𝗔Nisehoana loza mahatsirav...
08/06/2026

🇲🇬 📢 #𝗡𝗘𝗪𝗦 : 𝗟𝗢𝗭𝗔 𝗘𝗡𝗬 @ 𝗥𝗡1 – 𝗠𝗣𝗜𝗧𝗔𝗧𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗡𝗬 𝗦𝗢𝗔𝗩𝗜𝗡𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗜𝗛𝗔𝗥𝗔𝗡-𝗗𝗢𝗭𝗔, 𝗠𝗔𝗥𝗢 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗡𝗔𝗥𝗔𝗧𝗥𝗔

Nisehoana loza mahatsiravina tamin’ny lalam-pirenena RN1 androany maraina, niharan-doza fiara mpitatitra olona avy any Soavinandriana nihazo Antananarivo. Araka ny vaovao voaray, maro ireo mpandeha naratra tao anatin’ilay fiara, izay nentina haingana nihazo toeram-pitsaboana. Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny antony nahatonga ny loza, ary ny mpitandro filaminana sy ny mpamonjy voina dia efa tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana sy ny fanampiana.

🔴Retrouvez Madagascar24TV en continu, 24h/24 sur :

Chaîne WhatsApp 🔰 : https://whatsapp.com/channel/0029VbCAFPE60eBcAYz3MX2x
📺📡 Telegram 📑 : www.t.me/mgactu24
Twitch 📩 : www.twitch.tv/madagascar24tv
(X) Twitter 👩🏽‍💻 : https://x.com/Madagascar24i
Instagram 🌻 : www.instagram.com/madagascar24.actu/
Linkedin 📲 : www.linkedin.com/in/madagascar24tv/
Threads 🌾 : https://www.threads.com/.actu
Tiktok 📺: www.tiktok.com/.tv

🇲🇬 📢 #𝗡𝗘𝗪𝗦 : 𝗛𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗡𝗢𝗙𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗚𝗔𝗧𝗦𝗜𝗔𝗞𝗔𝗡’𝗜 𝗝𝗢𝗛𝗡 𝗧𝗔𝗢 𝗠𝗔𝗥𝗢𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗧𝗥𝗔Hita izao tolakandro izao ny nofo mangatsiakan’i John, cam...
08/06/2026

🇲🇬 📢 #𝗡𝗘𝗪𝗦 : 𝗛𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗡𝗢𝗙𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗚𝗔𝗧𝗦𝗜𝗔𝗞𝗔𝗡’𝗜 𝗝𝗢𝗛𝗡 𝗧𝗔𝗢 𝗠𝗔𝗥𝗢𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗧𝗥𝗔

Hita izao tolakandro izao ny nofo mangatsiakan’i John, cameraman niasa naka sary ny hetsika Morengy, izay isan’ireo tsy hita taorian’ilay loza an-dranomasina teo akaikin’i Nosy Mangabe, Maroantsetra, omaly maraina. Niteraka alahelo sy fahoriana teo amin’ny fianakaviana, ny mpiara-miasa ary ireo rehetra nanaraka ny fikarohana ny fahafatesany. Mitohy kosa ny fanadihadiana sy ny fanadihadiana eny an-toerana momba ny zava-nitranga.

🔴Retrouvez Madagascar24TV en continu, 24h/24 sur :

Chaîne WhatsApp 🔰 : https://whatsapp.com/channel/0029VbCAFPE60eBcAYz3MX2x
📺📡 Telegram 📑 : www.t.me/mgactu24
Twitch 📩 : www.twitch.tv/madagascar24tv
(X) Twitter 👩🏽‍💻 : https://x.com/Madagascar24i
Instagram 🌻 : www.instagram.com/madagascar24.actu/
Linkedin 📲 : www.linkedin.com/in/madagascar24tv/
Threads 🌾 : https://www.threads.com/.actu
Tiktok 📺: www.tiktok.com/.tv

Zao sisa no fika afaka andehanana amin'izao.Mick'aricature
08/06/2026

Zao sisa no fika afaka andehanana amin'izao.

Mick'aricature

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Madagascar 24 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share