Matokia an'i Jéhovah

Matokia an'i Jéhovah Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany

25/08/2025

🩵 𝔸𝕟𝕕𝕣𝕠 𝕧𝕒𝕠𝕧𝕒𝕠, 𝕙𝕖𝕣𝕚𝕟𝕒𝕟𝕕𝕣𝕠 𝕧𝕒𝕠𝕧𝕒𝕠, 𝕗𝕒𝕟𝕒𝕟𝕥𝕖𝕟𝕒𝕟𝕒 𝕧𝕒𝕠𝕧𝕒𝕠 ❤️

Ho tanteraka aminareo anie ny tso-drano izay ho tononina amin'ny anaran'ny Tompo 😘

"𝙁𝙞𝙖𝙙𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙞𝙚 𝙝𝙤 𝙖𝙣𝙖𝙤, 𝙖𝙧𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙙𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣'𝙣𝙮 𝙖𝙣𝙠𝙤𝙝𝙤𝙣𝙖𝙣𝙖𝙤, 𝙖𝙧𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙙𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣'𝙞𝙯𝙖𝙮 𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙧𝙚𝙝𝙚𝙩𝙧𝙖" (I Samoela 25 : 6)

Amen 🙏

15/08/2025
13/03/2025

Mombà anay, ry Tompo
Am-pandehanana :
Ny kely sakeleho,
Ny lehibe zahao,
Ka ny Anaranao
No entinay miainga!
Ry Jeso ô, ambino
Ny handrosoanay!

03/10/2024

Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben’ny famindram-ponao izahay.

30/09/2024

Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin’ny zava-tsoa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

18/07/2024

Fihirana FFPM, 473

1.
Mombà anay, ry Jeso Tompo ô !
Fa maizina ny alina aty;
Tsy misy vonjy raha tsy aminao;
Mpamonjy tia ô ! Mombà anay !

2.
Mandalo koa ny andronay ety ,
Ka mihalò ny fifalianay;
Miovaovao izao rehetra izao;
Ry tsy miova ô ! Mombà anay.

3.
Aza mba mivahiny aminay,
Aza mihevitra ny helokay;
Aoka ho be ny famindranao fo;
Ry Jeso Tompo ô ! Mombà anay.

4.
Tsy mahaleo tena izahay,
Fa mora resy, mora kivy koa;
Ry Jeso Tompo ! Aoka honenanao
Ety an-dasin'ny mpanomponao.

5.
Ny teninao no fifalianay;
Ny masonao mitari-dalana;
Ary ny herinao no tanjakay;
Sakaiza tsara ô ! mombà anay.

6.
Izay ombanao afa-tahotra,
Tsy mety kivy na mamoy fo ;
Tsy misy fahoriana izay
Haninona ny fo arovanao.

7.
Rehefa tonga ny fotoana
Hitànay ilay ony maizina,
Aoka ny tavanao hazava ao,
Amin'izany re mombà anay.

10/05/2024

Misy ny marary mafy amin'izao, misy ny maty, fa ianao salama tsara, matanjaka velon'aina Misaora ny tompo

25/04/2024

Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. — Jaona 14 : 27

18/04/2024

Diovy mandrakariva ny fo, mba ho toerana mendrika ho an'i Jesoa

Address

Antananarivo

Telephone

+261341174339

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Matokia an'i Jéhovah posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Matokia an'i Jéhovah:

Share