Tafan'Iarivo Katôlika

Tafan'Iarivo Katôlika Miezaka ny hiditra isan'ankohonana ho fampielezana ny Vaovao Mahafaly. Fiombonana vokatry ny :
1. Manaja ny hafa.

Tsotra ary mazava ny tanjontsika mihaona eto amin'ity sehatra ity : "Mandrary Fiombonana". FIFANAJANA : Manaja ny tenanao amin'ny fiteny (fanoratra) sy izay mety ho zarainao eto. Ary indrindra manaja ireo Raiamandreny mety ho voatonona anarana eto. Farany ezaka tsy maintsy ataontsika ihany koa ny fanajana ny teny Malagasy.
2. FIFAMPIZARANA : Mizara ny soa mety hampivoatra ny hafa. Ary mandray am-pitiavana sy amim-pahatsorana izay atolotry ny hafa.

21/09/2025
20/09/2025

Alahady 21 Septambra 2025

Alahady Fahadimy amby roapolo tsotra Mandavan-taona - Taona D

" ALEO VERY TSIKALAKALAM-BOLA TOY IZAY VERY TSIKALAKALAM-PIHAVANANA"

Fanambaràna ny Tenin'Andriamanitra
**************************************

Bokin’i Amôsy Mpaminany 8, 4-7.

"Aza vidîna vola ny fadiranovana."

Mihainoa izao, ianareo mihinana ny mahantra, sy mitady hamongotra ny mavomavo amin’ny tany, manao hoe: “Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana; mba hahazoantsika mivarotra vary; ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary, ka ny efaha hakelezina; ny sikla hampitomboina; ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana. Dia hovidintsika vola ny fadiranovana, ary ny mahantra, noho ny amin’ny kapa iray lomisy, sady hivarotantsika ny vary loha-kororoka?” Efa nianiana tamin’ny reharehan’i Jakôba ny Tompo nanao hoe: “Tsy hohadinoiko mandra-piavin’ny farany, izay rehetra nataon’izy ireo”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

******************************

Fandraisana ny Tenin'Andriamanitra
--------------------------------------------------------

Salamo 112, 1-2. 4-6. 7-8.

Fiv.: Derao ny Tompo, Ilay manandratra ny mahantra avy ao an-jezika.

Miderà, ry mpanompon’ny Tompo: derao ny Anaran’ny Tompo: Ny Anaran’ny Tompo anie hisaorana hatrizao ka ho mandrakizay!

Ambonin’ny firenena rehetra ny Tompo; ambonin’ny lanitra ny voninahiny. Iza no tahaka ny Tompo Andriamanitray, Ilay mipetraka ambony dia ambony, nefa miondrika mba hitazana ny any an-danitra sy ny ety an-tany?

Izy ilay manala ny ory amin’ny vovoka, manandratra ny mahantra eo an-jezika mba hampitoerina anilan’andriana, dia ny andriandahin’ny vahoakany.

******************************

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte 2, 1-8.

"Izany no tsara sy ankasitrahina eo imason’Andriamanitra, Ilay tia ny hahavonjy ny olona rehetra,"

Ny angatahiko voalohany indrindra, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka sy ho an’ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an’Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka. Izany no tsara sy ankasitrahina eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika, izay tia ny hahavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina. Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona, izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany, ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly ary ho mpampianatra ny Jentily amin’ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho, fa tsy mandainga. Koa ny lehilahy, tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

******************************

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 16, 1-13. (lava) na 10-13. (fohy)

"Tsy afaka manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny mpianany: “Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy fa nandany ny fananany. Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: ‘Ahoana izany fandrenesako anao izany? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao’. Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakam-po hoe: ‘Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho ity. Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy. Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony rehefa eso***a amin’ny raharahako aho’. Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony, ka hoy izy tamin’ny voalohany: ‘Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?’. Namaly io hoe: ‘Diloilo injaton’ny barika’. Dia hoy ny mpitandrina taminy: ‘Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo’. Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray: ‘Hoatrinona kosa ny trosa aminao?’. Namaly kosa io hoe: ‘Vary injaton’ny famarana’. Dia hoy ilay mpitandrina: ‘Raiso ny taratasinao dia soraty valopolo’. Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina, satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana. Ka hoy Aho aminareo: Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo”.

[Eto no manomboka raha ny fohy no atao, ka izao no anombohana azy:]

(Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe:)

“Izay mahatoky amin’ny kely, dia mahatoky amin’ny lehibe, ary izay tsy marina amin’ny kely, dia tsy marina koa amin’ny lehibe. Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

20/09/2025
20/09/2025

Ny Evanjely Anio

Sabotsy 20 Septambra 2025

Herinandro Fahaefatra amby roapolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 8, 4-15.

"Ireo latsaka amin’ny tany tsara no izay mitandrina ny teny ka mamoa amin’ny faharetana."

Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka betsaka tafavory avy amin’ny tanàna maro hanatona an’i Jesoa, dia nanao fanoharana Izy hoe: “Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka no notsindrohin’ny voro-manidina; ny sasany latsaka tamin’ny vato ka nalaky nitsimoka, nefa nalazo satria tsy nisy mando; ny sasany latsaka tamin’ny tsilo ka niara-naniry tamin’ny tsilo, dia voagejany; ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny.” Rahefa nilaza izany Izy dia niantso hoe: “Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.” Nanontanian’ny mpianany Azy izay hevitr’izany fanoharana izany, ka izao no navaliny azy: “Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra. Ka izao àry no hevitr’izany fanoharana izany: Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra. Ireo teny an-dalam-be no izay nandre, fa avy ny demony ka nanesotra ny teny ao am-pony, sao mino izy ka ho voavonjy. Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana, fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy. Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa. Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

19/09/2025

Ny Evanjely Anio

Zoma 19 Septambra 2025

Herinandro Fahaefatra amby roapolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 8, 1-3.

"Nanaraka Azy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny aretiny."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra, nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra. Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito, i Joàna vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda, ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin’ny fananany.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

17/09/2025

Ny Evanjely Anio

Alakamisy 18 Septambra 2025

Herinandro Fahaefatra amby roapolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 7, 36-50.

"Voavela ny heloka betsaka vitany satria be fitiavana izy."

Tamin’izany andro izany, nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy, ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana. Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany ka kotsan’ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra. Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: “Raha mpaminany Izy dia ho nahalala ny toetran’itý vehivavy mikasika Azy, fa hoe mpanota io.” Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe: “Ry Simôna, misy zavatra holazaiko aminao.” Dia hoy izy: “Lazao, ry Mpampianatra.” Ary hoy i Jesoa: “Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa, ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo. Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa, dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy. Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?” Dia hoy i Simôna namaly Azy: “Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa.” Ary hoy Izy taminy: “Marina ny anao.” Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao hoe: “Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho, fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra, izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany. Ianao tsy nanoroka Ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako. Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako, izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro. Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy; fa izay amelana kely no kely fitiavana.” Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: “Voavela ny helokao.” Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe: “Iza moa itý no mamela na dia ny heloka aza?” Fa hoy Izy tamin-dravehivavy: “Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

16/09/2025

Ny Evanjely Anio

Alarobia 17 Septambra 2025

Herinandro Fahaefatra amby roapolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 7, 31-35.

"Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Hohariko amin’iza re ny olona amin’itý taranaka itý, ary tahaka an’iza izy? Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: ‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’ Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana m**o na nisotro divay, lazainareo hoe: ‘Azon’ny demony izy.’ Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: ‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’ Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

15/09/2025

Ny Evanjely Anio

Talata 16 Septambra 2025

Herinandro Fahaefatra amby roapolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 7, 11-17.

"Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy. Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak’olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy. Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: “Aza mitomany.” Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa: “Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.” Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny, ary nomen’i Jesoa an-dreniny. Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: “Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony.” Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana izany.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

15/09/2025

Ny Evanjely Anio

Alatsinainy 15 Septambra 2025

MASINA MARIA VONTON'ALAHELO

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 7, 1-10.

"Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin’ny vahoaka, dia niditra tao Kafarnaôma. Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty. Nony nandre ny amin’i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon’ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny. Ary rahefa tonga tany amin’i Jesoa izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: “Mendrika hanaovanao izany izy, fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza.” Dia niara-nandeha tamin’izy ireo i Jesoa. Fa nony mby teo akaikin’ny trano Izy dia nampaniraka ny sasantsasany tamin’ny sakaizany ilay kapiteny hilaza aminy hoe: “Tompo ô, aza dia misahirana toy izao re, fa tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafontranoko akory aho; ary na dia ny tenako aza dia noheveriko ho tsy mendrika hanatona Anao akory, fa manonòna teny iray monja, dia ho sitrana ny ankiziko. Fa izaho olona manan-dehibe mba mifehy miaramila koa, ka ny anankiray ilazako hoe: “Mandehana”, dia mandeha; ny anankiray ataoko hoe: “Avia”, dia avy; ary ny mpanompoko koa hoe: “Ataovy izany”, dia manao izy.” Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka nitodika ny vahoaka nanaraka Azy nanao hoe: “Lazaiko marina aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’i Israely aza.” Ary nony tafaverina tao an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka, dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

14/09/2025
14/09/2025

Alahady 14 Septambra 2025

FANKALAZANA NY NANANDRATANA NY HAZOFIJALIANA

Fanambaràna ny Tenin'Andriamanitra
**************************************

Boky Fanisana 21, 4b-9.

"Izay voakaikitra ka mijery ny bibilava varahina dia ho velona aina."

Tamin’izany andro izany, dia nanomboka ho tofoky ny lalana sy ny asa ny vahoaka, ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy nanao hoe: “Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty aty an’efitra? Ny m**o tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.” Ary Andriamanitra tamin’izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka: nokaikerin’ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’i Israely. Nankeo amin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe: “Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy ianao. Mivavaha amin’Andriamanitra mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo.” Dia nivavaka ho an’ny vahoaka i Môizy, ka hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: “Manaova ianao bibilava mahamay ka apetraho amin’ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany.” Dia nanao bibilava varahina i Môizy, ka napetrany teo amin’ny tsato-kazo anankiray, ary raha nisy voakaikitry ny bibilava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

******************************

Fandraisana ny Tenin'Andriamanitra
--------------------------------------------------------

Salamo 77, 1-2. 34-35. 36-37. 38.

Fiv.: Tsy hanadino ny asan’ilay Mahery aho.

Henoy ny lalàko, ry oloko; ny tenin’ny vavako anongilano sofina: hiloa-bava Aho hilaza fanoharana, hanonona zava-miafina hatry ny ela.

Fa raha novonoiny izy dia nitady Azy, mba niverina nikatsaka Azy ihany; mba tsaroany fa Izy Tompo no Vatolampiny, ilay Avo indrindra no Mpanavotra azy.

Kanjo fitaka no teo am-bavany, lainga no tamin’ny lelany; ny fony tsy nio***a tamin’ny Tompo, ny faneken’ny Tompo tsy airaiketany.

Izy Tompo anefa, noho ny indrafony namela hadisoana ka tsy nandringana, tsy mba nanarana hatezerana, tsy sasatra nampody havinirana.

*****************************

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy 2, 6-11.

"Nilatsa-Tenany ho ambany Izy; ho valin’izany kosa dia nasandratr’Andriamanitra Izy."

I Kristy Jesoa na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-Tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.

Izany àry ny Tenin'ny Tompo!

*****************************

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany 3, 13-17.

"Tsy maintsy asandratra ny Zanak’Olona."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe: “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra, no tsy maintsy anandratana ny Zanak’olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

13/09/2025

Ny Evanjely Anio

Sabotsy 13 Septambra 2025

Herinandro Fahatelo amby roapolo tsotra Mandavan-taona

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka 6, 43-49.

"Nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko; nefa tsy manao izay lazaiko."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo, na voaloboka amin’ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany. Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy: tahaka ny olona anankiray manao trano izy, izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy, ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany, nefa tsy nampihontsona azy akory izany, satria tsara o***a tambony vatolampy izy. Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka, dia tahaka ny olona anankiray nano***a ny tranony eo ambonin’ny tany tsy àry fototra, ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay, ary loza ny faharavan’izany trano izany.”

Izany àry ny Tenin’ny Tompo!

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tafan'Iarivo Katôlika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Tafan'Iarivo Katôlika:

Share