RADIO DON BOSCO - FM 93.4 MHz

RADIO DON BOSCO - FM 93.4 MHz Radio Don Bosco est une radio libre, éducative, d'inspiration Catholique, et sans but lucratif ni politique.

 Lohahevitra anio Zoma 25 Jolay 2025 amin’ ny 5 ora hariva👉👉👉 " CATARACTE "Iarahana amin’ i Dr RAMANANA Solo JoséeAfaka ...
25/07/2025



Lohahevitra anio Zoma 25 Jolay 2025 amin’ ny 5 ora hariva

👉👉👉 " CATARACTE "

Iarahana amin’ i Dr RAMANANA Solo Josée

Afaka miantso mivantana amin’ ny laharana 020 22 443 90 / 020 22 442 09

Na mandefa SMS amin’ny finday 033 08 850 02

  25 Jolay — Masindahy Jacob na Jacques zokiny dia zanak’i Zebede sy Salôme, rahalahin’i Joany Evanjelista. Nantsoina ho...
24/07/2025



25 Jolay — Masindahy Jacob na Jacques zokiny dia zanak’i Zebede sy Salôme, rahalahin’i Joany Evanjelista. Nantsoina hoe zokiny Izy mba hiavahany amin’ilay Apôstôly mitovy anarana aminy. Eveka tao Galilea Izy, ary zokin’i Jesoa 12 taona ihany koa. Mpanjono sy mpanarato ny asan’Izy sy ireo rahalahiny.

Teo ampiomanana ny aratony Izy no nantsoin’i Jesoa hanaraka azy. Nilaozany ny Rainy sy ireo rahalahiny ka lasa nanara-dia an’i Jesoa Izy ka tonga Apôstôly. Rehefa nirahana nizarazara ireo Apôstôly, dia tonga tany Espagne i Jacques. Voatetiny ny tanàna, tsy nitandro hasasarana Izy nefa dia vitsy monja ireo nanara-dia azy, satria 9 moja Izy ireo. Tsy kivy nefa Izy fa noheveriny fa vokatra tsara izany.

I Jacques no niangavian’i Maria virijiny mba hanangana chapelle iray hanajana azy ary hiarovana an’i Espagne. Niverina tany Jerosalema Izy taty aoriana. Indray andro ra nitoriteny Izy dia nisy antokon’olona mpanohitra azy. Nentina teo anoloan’i Heroda Izy ka mendrika ho faty, ary notapahana ny lohany.

Nentina niverina tany Espagne ary ny vatana mangatsikany satria noheverina fa toerana niasany sy nitoriany ny vaovao mahafaly. Izy no mpiaro an’i Espagne tamin’ny fifanoherana ireo Sarasin. Lasa toerana fanaovana fivahinianana masina malaza tao Espagne ny toerana ilevenan’i Masindahy Jacques.

Ny hoe Jacques na Jacob dia avy amin’ny teny Hebrio hoe “yea Hagog” midika hoe miaro Andriamanitra.

  17-07-2025👉👉Sehatr’asam-pamokarana ataon’ ny tanoraVahiny :  -Fikambanana Soa Mitsinjo (Antanetibe Mahazeaza)-RI FAR-A...
24/07/2025

17-07-2025

👉👉Sehatr’asam-pamokarana ataon’ ny tanora

Vahiny :

-Fikambanana Soa Mitsinjo (Antanetibe Mahazeaza)

-RI FAR

-Atoa RAKOTONDRASOA Tolojanahary

Manasa anao hanaraka izany amin' ny 6 ora sy sasany hariva

Mpanentana : JAMES Daniel

  24-07-2025👋Manome fotoana antsika indray ny fandaharana "EVA" (Fibeazana miaina sy mitia), ato amin'ny RADIO DON BOSCO...
24/07/2025

24-07-2025

👋Manome fotoana antsika indray ny fandaharana "EVA" (Fibeazana miaina sy mitia), ato amin'ny RADIO DON BOSCO - FM 93.4 MHz, anio alakamisy 24 Jolay, amin'ny 10 ora.

👉 « Ny maha izaho ahy sy ny vatako sarobidy »

Vahiny : Tanora AHAPPY
RAJERISON Fetra Lalaina
RAHARIMALALA Miarantsoa Tanyah

Mpanentana :
RAHANTAMALALA Veromanitra

Azonao atao ny miditra mivantana sy maneho hevitra :

👉 Antso: 020 22 443 90 / 020 22 442 09

SMS ( 033 08 850 02)

  24 Jolay — Masindahy Charbel Makhlouf dia teraka tamin’ny 8 Mai 1828 tao Liban Avaratra. Mpitokamonina Maraunit Izy. N...
23/07/2025



24 Jolay — Masindahy Charbel Makhlouf dia teraka tamin’ny 8 Mai 1828 tao Liban Avaratra. Mpitokamonina Maraunit Izy.

Nobeazina tao anatin’ny fitiavambavaka, ary izay no naha tonga azy hirona ao anatin’ny fiainambavaka. Nanara-dia an’i reo dadatoany roa mpitokamonina tany amin’ny trano antsoina hoe Saint Antoine Cosaya Izy, ary nanokatena tao. Ny taona 1851 Izy no nandao ny tanàna nisy ny fianankaviany i Charbel.

Ny 1 Novambra no nanonona ny vohady voalohany tao amin’ny fikambanana Izy, ary nanohy ny fianarany Teôlôjia. Ny 23 Jolay 1859 Izy no nohamasinina ho Pretra. Nandritra ny 16 taona no niainany tao amin’ny trano fitokanamonina. Ny taona 1875 Izy no nifindra toerana fitokanamonina afa atsoina hoe Saint Paul et Pièrre.

Ny vavaka sy ny fitsahoana ny Eokaristia no tena nandaniany ny fotoanany tamin’izany ka lasa ohatra hoan’ireo namany mpitokamonina ny fiainany tamin’izany. Mahalana Izy ra ny handao ny toerana nisy azy io tao anatin’ny 23 taona niainany tao.

Ny 16 Desambra 1898 ra teo ampanaovana ny sorona masina Izy no tratran’ny lefakozatra, ary niady aina nandritran’ ny 8 andro. Nodimandry ny 24 Jolay 1898. Taoriany fahafatesany. Voamarika fa nisy ra nitsika avy tamin’ny vantany, ary maro ny olona nahita fa nisy hazavana nivoaka avy tamin’ny fasany.

Taty aoriana dia lasa toerana fanaovana fivahinianana masina io fasan’i Charbell io.

  23-07-2025👉Miaraka amin'i P. RABENIRINA Joseph sy P. RASOLOFONIAINA OlivierAnio amin' ny 8ora sy sasany alinaAfaka mia...
23/07/2025

23-07-2025

👉Miaraka amin'i P. RABENIRINA Joseph sy P. RASOLOFONIAINA Olivier

Anio amin' ny 8ora sy sasany alina

Afaka miantso mivantana amin’ ny laharana 020 22 443 90 / 020 22 442 09
Na mandefa SMS amin’ny finday 033 08 850 02

  23-07-2025“NY FANABEAZANA NY OLOM-PIRENENA MBA HO VANONA"Miaraka amin'i Jeneraly RAMAKAVELO Désiré Mpanabe.Mpanentana:...
23/07/2025

23-07-2025

“NY FANABEAZANA NY OLOM-PIRENENA MBA HO VANONA"

Miaraka amin'i Jeneraly RAMAKAVELO Désiré Mpanabe.

Mpanentana: Jules TSILAVINA

Anio Alarobia 23 Jolay 2025, amin’ny 10 ora

Afaka miantso mivantana
amin’ ny laharana
020 22 443 90 / 020 22 442 09
Na mandefa SMS amin’ny finday 033 08 850 02

  23 Jolay — Niaina tany amin’ny taonjato faha-14 i Masimbavy Brigitte. Vao 14 taona Izy dia efa nanambady an’i Ulf Gudm...
22/07/2025



23 Jolay — Niaina tany amin’ny taonjato faha-14 i Masimbavy Brigitte. Vao 14 taona Izy dia efa nanambady an’i Ulf Gudmarsson.

Andriana sady Governora tao Suede izy io, ary niterahany valo mianadahy. Ny taona 1335 Izy no nalefa tao amin’ny lapa mba hanampy ny mpanjaka vavy. Ny fahatongavan’i Brigitte tao dia nisy fiatraikany lehibe. Nanala azy tamin’ny fifikirana amin’ny rendrarendra, ny fiainan’izao tontolo izao, indrindra fa noho ny asa fiantrana nataony tamin’ireo olona sahirana.

Niaraka tamin’ny vadiny nanao fivahinianana masina tany Saint Jean de Compostèl i Brigitte, ary rehefa niverina avy any izy ireo dia nandeha nitokamonina tany amin’ireo Sistersianina i Ulf vadiny, ary nodimandry tany ny taona 1344. Ny taona 1363 dia nanorina fikambanana Relijiozy i Brigitte. Natokany ho amin’ny famolahan-tena sy ny fibanjinana moa ny fiainany tao amin’ny fikambanana.

Marihina fa tamin’ny taona 1350 i Brigitte dia nahita an’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana nihetsika, ary nanambara taminy ny vavaka 15 atao isan’andro mandritran’ny heritaona, mba hatsiarovana sy hanajana ny kapoka miisa 5480 nahazo an’i Jesoa nandritra ny fampijaliana azy.

Nakany Roma Izy mba handray ny fankatoavana avy amin’ny Papa, ary tany i Brigitte no nodimandry ny taona 1373. Masimbavy Brigitte dia mpiaro ireo olona mpandeha voyage.

Ny hoe Brigitte dia avy amin’ny fiteny Selte hoe” Brig” izy io ary midika hoe hery.

  🎼🎹🥁🎸🪕🎺🎷🪇🪘🎻JAZZ GROOVES FOR BASSAnio Talata 22 Jolay 2025, amin’ ny 9 ora alina miaraka amin’ i Bruno RAKOTOMALALA
22/07/2025

🎼🎹🥁🎸🪕🎺🎷🪇🪘🎻

JAZZ GROOVES FOR BASS

Anio Talata 22 Jolay 2025, amin’ ny 9 ora alina miaraka amin’ i Bruno RAKOTOMALALA

  🙋😁🤪🥰🤣 Salama aby isikaAnkizy vao hiditra fialan-tsakana!Inona avy no tsara ho fantatra mahakasika azy ity?
22/07/2025

🙋😁🤪🥰🤣 Salama aby isika

Ankizy vao hiditra fialan-tsakana!
Inona avy no tsara ho fantatra mahakasika azy ity?

  21-07-2025👉👉AVELAO NY ZANAKAO HANORINA      NY FIAINANYAnio Talata amin’ ny 10 ora maraina,Vahiny :  Rtoa Aliette Abra...
22/07/2025

21-07-2025

👉👉AVELAO NY ZANAKAO HANORINA NY FIAINANY

Anio Talata amin’ ny 10 ora maraina,

Vahiny : Rtoa Aliette Abrahama

Mpanentana: HANJARILIVA

Famerenana ny Sabotsy amin’ ny 8 ora sy sasany alina

Afaka miantso mivantana amin’ ny laharana 22 443 90 / 22 442 09

Na mandefa SMS amin’ny finday 033 08 850 02

   22 Jolay — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany I Masimbavy Marie Madeleine. Rahavavin’i Marthe anabavin’i Lazar Iz...
21/07/2025



22 Jolay — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany I Masimbavy Marie Madeleine. Rahavavin’i Marthe anabavin’i Lazar Izy.

Nanank’atao tokoa ny Ray aman-dReniny ary nandova trano be tao Magdala Galile izy ireo. Izany no anarambositra an’i Marie hoe Madeleine. Izany hoe avy ao Magdala. Niaina tao anatin’ny filibana Izy ka voalaza hoe ilay vehivavy mpanota. Araka ny voalazan’ny Evanjelin’i Masindahy Luc, dia i Marie Madeleine ilay nanaraka an’i Jesoa hatrany amin’ny Kalvery sy nahita voalohany azy nitsangako velona.

I Masindahy Joany ihany koa no nilaza fa i Marie Madeleine sy Masina Maria Renin’i Jesoa no niaraka nijoro teo antongon’i Jesoa nandritra Izy nofatsihana tamin’ny hazo fijaliana.Izy ihany koa no nitondra zava manitra nahositra tamin’ny fatin’i Jesoa. Voalazan’i Masindahy Hyppolite fa i Marie Madeleine no Apôstôlin’ny Apôstôly satria Izy no nahita ny fasan’i Jesoa nivoha voalohany sy nampandre voalohany an’ireo Apôstôly.

Ny hoe Marie dia avy amin’ny teny Hebrio midika hoe Miriam, ary ny hoe Madeleine dia avy amin’ilay tanàna hoe Magdala

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:30
Tuesday 08:00 - 17:30
Wednesday 08:00 - 17:30
Thursday 08:00 - 17:30
Friday 08:00 - 17:30
Saturday 08:00 - 12:00
Sunday 08:00 - 12:00

Telephone

+261202244387

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when RADIO DON BOSCO - FM 93.4 MHz posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to RADIO DON BOSCO - FM 93.4 MHz:

Share