08/09/2026
📌 Niray fo tamin'ny mpino kristiana tao amin'ny Fiombonan'ny Kristiana Malagasy any Dubaï ny iraka Neny Volana sy ny ekipa mpiandry sy mpiara-manompo niaraka taminy. Isan'ireo delegasiona 🇲🇬 nandeha tany i Mbola Rajaonah, izay naharay ny antson'ny Tompo Jesosy, ary nanolo-tena hanao ny asany.
Nanao alim-bavaka, fotoam-bavaka narahina fandraisana fanasan'ny Tompo, fampiofanana ary dinika manokana niaraka tamin'ireo mpino rehetra.
✨️Ianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? — Matio 5 : 13a✨️
Isan'ny teny notorian'i Neny Volana ny fahazavana, ny fahatsarana, ny fitiavana, ary indrindra ny maha zava-dehibe ny fibebahana.
Tonga maro koa ireo kristianina Malagasy 🇲🇬 tany an-toerana.
Rédaction ©️ Chasse-info
📷 FKM Dubaï