Fréquence Plus Antananarivo 92.8 FM

Fréquence Plus Antananarivo 92.8 FM Station radiophonique axée sur la tendance tropicale, elle est accessible à la fréquence 92.8 Mhz sur web radio https://voninahi.radioca.st/stream

Hitafa mivantana amin’ny vahoaka Malagasy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alahady 04 mey ho avy izao, amin’n...
02/05/2025

Hitafa mivantana amin’ny vahoaka Malagasy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alahady 04 mey ho avy izao, amin’ny 08 ora alina.
Inona no andrasanao amin'ny filoha mandritran'ity tafa ity❓

RAHARAHAM-PITSARANA SENDIKALISTATsy niova fa voaheloka 30 volana sazy miantona ny mpitarika Sendikaly Barson  Rakotomang...
02/05/2025

RAHARAHAM-PITSARANA SENDIKALISTA
Tsy niova fa voaheloka 30 volana sazy miantona ny mpitarika Sendikaly Barson Rakotomanga sy Pr Sammy Gregoire Ravelonirina araka ny didim-pitsarana nivoaka androany taorian’ny fampiakarana nataon’izy ireo.
Efa tamin’ny volana novambra 2023 ireto mpitarika sendikaly ireto no nanaovana fanadihadiana, ny volana febroary 2024 kosa no nivoaka ny didy teny anivon’ny Fitsarana manameloka azy ireo higadra 30 volana an-tranomaizina sazy mihantona. Loham-piapangana: fiantsoana miaramila hikomy talohan’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2023.
Tsy afa-po tamin’io didy io anefa ireto sendikalista ireto ka nampiakatra ny raharaha mba hanafahana azy ireo madiodio saingy tsy nisy fiovana fa mbola nanamafy an’io sazy io indray androany ny Fitsarana Ambony.
Nilaza ny mbola hanohy ny raharaha hatrany ka hanao fandravana moa ny voaheloka.

Contact rédaction 👇
☎️: 032 05 920 01/ 032 38 686 76 / 034 86 709 80
📧: [email protected]

FANITSIANA VIDIN-TSOLIKAAndrasana amin'ny faran'ny herinandro izao na ny fiandohan'io herinandro vaovao io indray ny fio...
02/05/2025

FANITSIANA VIDIN-TSOLIKA
Andrasana amin'ny faran'ny herinandro izao na ny fiandohan'io herinandro vaovao io indray ny fiovan'ny vidin-tsolika amin'ity volana mey ity.
Raha tsiahivina ny fanitsiana tamin'ny volana aprily farany teo: ny solika fandrehitra ihany no nahitana fiakarany raha toa ka tsy nihetsika ny vidin'ny gazoala sy ny lasantsy.

FATIN'OLONA 02 EFA TSY MISY MASO SY TSY MISY LOHANY NO HITA TAO TOLIARA Razan'olona roa no hita tamina toerana samihafa ...
28/03/2025

FATIN'OLONA 02 EFA TSY MISY MASO SY TSY MISY LOHANY NO HITA TAO TOLIARA

Razan'olona roa no hita tamina toerana samihafa tao Toliara izao maraina izao, ny iray tao Motombe ny vatany raha tany Amboriky no nahitana ny lohany izay efa tsy misy maso, ny razana iray hafa kosa tao Ambalanaombikamoa ambadiky EPP Petit Lycée.

📌 Bonhomme

MPAMBOLY SY MPIDOROKA ZAVA-MAHADOMELINA TRATRAN’NY POLISIMPIRENENA TENY AMBOHIMANGA ROVA.👉Ady amin’ny fidorohana sy fipa...
27/03/2025

MPAMBOLY SY MPIDOROKA ZAVA-MAHADOMELINA TRATRAN’NY POLISIMPIRENENA TENY AMBOHIMANGA ROVA.
👉Ady amin’ny fidorohana sy fipariahan’ny zava-mahadomelina
✅Olona miisa efatra ka vehivavy ny iray, no nosamborin’ny polisy misahana ny ady amin'ny fidorohana sy fipariahan'ny zava-mahadomelina ny faha 26 martsa 2025 hariva teny Ambohimanga Rova. Loharanom-baovao avy amina olona tsara sitrapo no nahafantarana ny fisian’ireto mpamboly rongony « skunk » ireto. Marihana fa tratra teo an-tanimboly, mbola mikarakara ireo rongony ireto farany.
🚔Mbola nahatratrarana fonosana « heroÏne » miisa telo ihany ko izy ireo.
Milanja 30g ny « skunk » tratra tao amin’ireto mpidoroka ireto ary fototra « skunk » 92 no hita teo an-tonotany ankoatran'ny fonosana héroïne miisa telo.
👮‍♂️Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy Anosy ireto farany hanaovana fanadihadiana.

Lehilahy iray efa tsy misy aina intsony no nitsirara  teo amin'ny toerana filalaovana tsipy kanety be manoloana ny lapan...
25/03/2025

Lehilahy iray efa tsy misy aina intsony no nitsirara teo amin'ny toerana filalaovana tsipy kanety be manoloana ny lapan'ny tananan'i Manakara izao maraina izao.
Voatsatok'antsy teo amin'ny faritra manodidina ny fony fa mbola tsy fantatra mazava hatreto no nahatonga ny loza.

📌 Faré de M/car

MPAMILY FIARA NAHAVOADONA ARY NAHAFATY MPITONDRA MOTO, NANDOSITRA FA TRATRA IHANYMpitondra moto iray no maty tsy tra-dra...
17/03/2025

MPAMILY FIARA NAHAVOADONA ARY NAHAFATY MPITONDRA MOTO, NANDOSITRA FA TRATRA IHANY
Mpitondra moto iray no maty tsy tra-drano rehefa nifandona tamina fiara iray teny By pass omaly tokony ho 5 ora sy 45 minitra hariva.
Nandositra avy hatrany ny mpamily Ilay fiara taorian'ny loza, saingy tratran'ny Polisy miasa ao Tanjombato ary voasambotra, tsy ampy ora iray taorian'ny loza akory.
Hita nandritr'izany moa fa nisotro toaka io mpamily fiara io nandritra ny familiana.
Contact rédaction 👇
☎️: 032 05 920 01/ 032 38 686 76 / 034 86 709 80
📧: [email protected]

𝐋𝐀 𝐋𝐈𝐒𝐓𝐄 𝐃𝐄𝐒 𝐁𝐀𝐑𝐄𝐀 - 𝗙𝗜𝗙𝗔 𝗪𝗢𝗥𝗟𝗗 𝗖𝗨𝗣 𝟮𝟬𝟮𝟲 𝗤𝗨𝗔𝗟𝗜𝗙𝗜𝗘𝗥𝗦
12/03/2025

𝐋𝐀 𝐋𝐈𝐒𝐓𝐄 𝐃𝐄𝐒 𝐁𝐀𝐑𝐄𝐀 - 𝗙𝗜𝗙𝗔 𝗪𝗢𝗥𝗟𝗗 𝗖𝗨𝗣 𝟮𝟬𝟮𝟲 𝗤𝗨𝗔𝗟𝗜𝗙𝗜𝗘𝗥𝗦

TANTARA MITOHY "NY TSININ'I NENY "Mandritra ity herinandro ity eto amin'ny Radio Fréquence Plus 92.8 fm  amin'ny 12 ora ...
10/03/2025

TANTARA MITOHY "NY TSININ'I NENY "
Mandritra ity herinandro ity eto amin'ny Radio Fréquence Plus 92.8 fm amin'ny 12 ora sy sasany atoandro famerenana kosa amin'ny 07 ora hariva .
Tandrignesa boka

Sazy miatra 20 taona antranomaizina sy onitra 23 tapitrisa ariary no azon'ilay Mpamily ny fiara fitanterana 154 izay nah...
03/03/2025

Sazy miatra 20 taona antranomaizina sy onitra 23 tapitrisa ariary no azon'ilay Mpamily ny fiara fitanterana 154 izay nahafaty an'i Mickael tetsy Mahamasina erin-taona lasa izay araka ny didy navoakan'ny Fitsarana androany ( Tsy accident tsotra fa Vono olona niniana natao no niseho )

Contact rédaction 👇
☎️: 032 05 920 01/ 032 38 686 76 / 034 86 709 80
📧: [email protected]
Source : Ny Vaovao Amitié

MPIASAN'NY JIRAMA MATIN'NY HERINARATRA TENY AMBONY ANDRINJIROMpiasan'ny orin'asa JIRAMA iray nanao asa fanarenana ny fam...
03/03/2025

MPIASAN'NY JIRAMA MATIN'NY HERINARATRA TENY AMBONY ANDRINJIRO
Mpiasan'ny orin'asa JIRAMA iray nanao asa fanarenana ny famatsiana jiro no namoy ny ainy teny ambony andrinjiro tany Ambohimaha avaratr'i Alakamisy Ambohimaha Fianarantsoa ny Sabotsy lasa Teo.
Niraikitra teny ambony andrinjiro ilay namoy ny ainy, rehefa nikasika ny tariby misy herinarantra mahery vaik, niezaka namonjy azy ihany ireo namany fa natsipin'ny herinaratra ihany koa ka nienjera avy eny ambony. Tsy tana moa ny ain'ilay niraikitra teny ambony, ny iray kosa nentina notsaboina eny amin'ny hopitaly.
Tsy mbola fantatra kosa ny antony mbola nisian'ny herinaratra tamin'ity toerana.
(Sary fanehoana):Claude Razafimahandry
Contact rédaction 👇
☎️: 032 05 920 01/ 032 38 686 76 / 034 86 709 80
📧: [email protected]

Nampatsiahy androany ny avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra fa voarara eto Antananarivo ny fampiasana ho...
27/02/2025

Nampatsiahy androany ny avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra fa voarara eto Antananarivo ny fampiasana ho fitaovam-pitaterana ny tricycle. Isan'izany koa ny cyclo-pousse sy ny bisikileta.
Efa nisy ireo nosaziana momba izany raha ny tatitra nataon’izy ireo.

Contact rédaction 👇
☎️: 032 05 920 01/ 032 38 686 76 / 034 86 709 80
📧: [email protected]

Address

Lot AI 4 Ter Mandrosoa Ilafy Immeuble ALCAZAR, 2ème étage
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 07:00 - 17:00
Tuesday 07:00 - 17:00
Wednesday 07:00 - 17:00
Thursday 07:00 - 17:00
Friday 07:00 - 17:00
Saturday 07:00 - 15:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fréquence Plus Antananarivo 92.8 FM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category

Station radiophonique axée sur la tendance tropicale.

Retrouvez ici tous les moyens de recevoir la Radio Fréquence Plus dans les meilleures conditions.

La réception hertzienne: 92.8 MHz

N'hésitez pas à partager, la liker et à vous abonner.

Nos sites Internet: http://frequenceplus.mg/