27/02/2024
FANAMBOARANA FROMAGE AO AN-TRANO
:
- Ronono velona 1 litatra
- Présure 2 sotro kely "vidiana eny amin'ny pharmacie" (Araho ny torolàlana)
- Sira "Sel fin"
:
- Etape 1: Afanao ny ronono velona ary rehefa mafanafana manodidina ny 30°C dia ajanona; Miandry kely dia arotsaka amin'izay ilay Présure roa sotro kely. Ampifangaroana tsara. Fonosina lamba voaly ary apetraka amin'izay toerana misy hafanana antonony (Tsy mafana loatra nefa ny tsy mangatsiaka ihany koa "25 à 30°C") Ajanona ao mandritra ny 4h hatramin'ny 5h dia efa mety na mandritra ny alina tsy maninona.
- Etape 2: Rehefa vita izany dia tokony ho lasa mivaingambaingana ilay fangaro. Arotsaka ao anaty passoire misy lamba voile ilay mivaingambaingana iny ary rarahana sira kely varaventy dia avela hitsika ny ranony (izany hoe tatavanina). Apetraka amin'ny toerana mangatsiaka na frigo mandritra ny 24h eo ho eo.
- Etape 3: Rehefa vita izany dia potsepotserina sy fiazana tsara ao anatin'ilay lamba voile hialan'ny rano tavela any anatiny any.
- Etape 4: Arotsaka ao anatin'ny boite izay itiavanao ny endrikin'ny paozina na ho boribory na ho sary fo... dia apetraka amin'ny toerana mangatsiaka hatrany ary avadibadika sy rarahana sira kely varaveny isan'andro.
:
- Tokony sosoana isan'andro ilay lamba voile lafika iny indrindra rehefa mandomando be loatra.
- Araraka faran'izay kely varaventy ny sira sao lasa mangidy sira ilay fromage
- Ronono velona tsy mitapoka rano no ampiasaina amin'izany raha te hahazo vokatra tsara.
- Afaka 15 andro ianao dia mahazo fromage mafilotra tsara ary afaka mankafy sy mianoka ireo voka-tsoa entin’ny tsirony sy misitraka ny tombotsoa mihoampampana amin'izany ny vatanao
Ny faobe misy anao ato ity toro-hevitra ara-tsakafo mahasoa ity dia feno fitiavana fanetren-tena lehibe indrindra ary mahasoa olona maro dia maro.
__ Andriamanitra anie hitahy anao be dia be__