
25/09/2025
🇲🇬 Ry Malagasy havana,
Ny feontsika iray, amin’ny fitiavana ny Tanindrazana:
👉 Fandriampahalemana sy fahamarinana
👉 Famotsorana ireo voasambotra tsy amin’antony
👉 Fahafahana sy fanajana ny zon’ny olom-pirenena
👉 Fitiavana sy fiarovana ny Tanindrazana
Moa ve Mba ainareo mpanararaotra ireny hoe tsy hahavita anareo mandrakizay anie ireny fitaovana,sakafo,sns…. Nangalarinareo ireny eh
Moa ve zakanareo tsirairay ireny ny ranomaso Sy ny alaelo mahazo ny tompon’ireny zavatra nalainareo ireny sa hoe faly mahazo fotsiny dia izay???
Ataovy hoe ny fanananareo no ataon’olona anizany dia mba ahoana ozy Nareo ? Zakanareo tsirairay nibata zavatr’olona ireny ve ??
❎Tsy mety ilay manararaotra, mangalatra, manimba fananan’olona
TOKONY iray hina tanteraka Amin’ izao zava -mihatra izao isika Malagasy rehetra tsy hakanavaka .
Antsika Madagascar , manana adidy Sy andraikitra hoan’ity firenenantsika Ity isika tsirairay avy ka NDAO HIFANOHINA ❤️
AVOAY FITIAVANA MICKAËL fa tsy nisy ratsy nataony na iray monja ary fa nitaky ny zony am-pahendrena izy ary niaro ny namany ihany koa
« Ho an’ny Tanindrazana sy ny taranaka ho avy, miaraka amin’ny fo sy fanahy tsy mety ritra amin’ny firenena. »