Songadina Madagasikara sy any Ivelany

Songadina Madagasikara sy any Ivelany Ity pejy ity natao hanehoana ireo tranga, songadina eto Madagasikara sy any ivelany.

Hitokona hono ny tambabe iombonan'ny mpiasa rehetra ao amin'ny Jirama, efa zatra gaboraraka, zatra mangalatra volam-baho...
08/07/2025

Hitokona hono ny tambabe iombonan'ny mpiasa rehetra ao amin'ny Jirama, efa zatra gaboraraka, zatra mangalatra volam-bahoaka, rahampitso ?

𝙏𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙞𝙣𝙩𝙨𝙮 𝙖𝙩𝙖𝙤 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙙𝙞𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙧𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙅𝙞𝙧𝙖𝙢𝙖 𝙨𝙖𝙩𝙧𝙞𝙖 𝙩𝙤𝙢𝙗𝙤𝙣𝙩𝙨𝙤𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙫𝙖𝙝𝙤𝙖𝙠𝙖 𝙣𝙤 𝙡𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙢-𝙥𝙖𝙝𝙖𝙢𝙚𝙝𝙖𝙣𝙖, 𝙛𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙩𝙤𝙢𝙗𝙤𝙣𝙩𝙨𝙤𝙖𝙣’𝙤𝙡𝙤𝙢-𝙗𝙞𝙩𝙨𝙮. 𝙈𝙚𝙩𝙮 𝙝𝙤 𝙨𝙖𝙠𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙤𝙖𝙣'𝙣𝙮 𝙨𝙖𝙨𝙖𝙣𝙮 𝙞𝙩𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙙𝙞𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙞𝙩𝙮 𝙨𝙖𝙩𝙧𝙞𝙖 𝙣𝙖𝙝𝙞𝙩𝙖 𝙩𝙤𝙢𝙗𝙤𝙣𝙩𝙨𝙤𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣'𝙣𝙮 𝙧𝙖𝙛𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙤𝙣𝙩𝙖 𝙨𝙮 𝙢𝙖𝙡𝙤𝙩𝙤 𝙛𝙖 𝙠𝙤𝙨𝙖 𝙢𝙖𝙝𝙖𝙨𝙤𝙖 𝙣𝙮 𝙧𝙚𝙝𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙩𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖𝙠𝙖 𝙖𝙤 𝙖𝙧𝙞𝙖𝙣𝙖.

Zatra zavatra tsy manjary, zatra mangalatra volam-bahoaka, zatra tanana lavalava, zatra mangalatra solika, zatra ratsy ao amin'ny jirama rehefa misy ny fanatsarana sy fanavaozana ao anatiny dia tsy mety hono izany fa tsy maintsy hitokona hono zareo, loza.

Aoka hazava fa izahay vahoaka no mizaka mavesatra noho ataonareo mpiasa ao amin'ny jirama ka ts ekenay intsony izany fanambaniana anay izany noho ny fitiavantena nataonareo hatramin'izay ka tsy mitsinjo afatsy nareo ao ihany. Ianareo ao amin'ny jirama Sady efa tsy mandoa Jiro sy rano no Mbola mandray karama no Mbola mizarazara herinaratra isantokantrano, ka izay no tsy hanekenareo fanatsarana ao ka tsy mety aminay vahoaka izany. Aleo andeha ny fanatsarana raha tena olomarina ianareo.

Tsara ny mampatsiahy fa ny sata mifehy ny jirama ankehitriny dia efa sata tamin’ny taona 1975, ka tsy mifanaraka intsony amin’ny zava-misy amin’ny taona 2025 izao. Tsy nisy fanavaozana natao niaraka tamin’ny fitomboan’ny olona sy ny mpanjifa, tsy fanarenana ny rafitra ao anatiny.

Mahitsy be, tsy tombontsoan'olom-bitsy no jerena fa hoan'ny vahoaka Malagasy. Maro ireo mpiasa ao koa efa mamoaka vava noho ny olana goavana misy ao mila ovaina manaraka ny toetrandro.

Ny fanarenana no hany lalana tokana hanatsarana sy hamafa ny trosa misavovona sy hampitsahatra ny krizy iainanan’ny Jirama. Hanala ny olan'ny jirama ny fitondrana.

FIRIPOLOTAONA NIANDRASANA VAHAOLANA SY ASA TSARA AVY AMIN'NY MPIASAN'NY JIRAMA NY VAHOAKA SY NY FANJAKANA TSY NAHITA KA REHEFA NAHITA FANOVANA SATA HIVAHAN'NY OLANA NY FANJAKANA VAO HITOKONA IANAREO??? SAO MIAPANGA TENA E???????

BAKALOREA 2025
08/07/2025

BAKALOREA 2025

08/07/2025

𝐁𝐔𝐒 𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐑𝐈𝐕𝐎: 𝗡𝗔𝗧𝗔𝗢 𝗛𝗔𝗡𝗔𝗠𝗢𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗩𝗘𝗭𝗜𝗩𝗘𝗭𝗘𝗡'𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗢𝗡𝗜𝗡𝗔
𝘐𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘪𝘻𝘢𝘰 𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘭𝘢 𝘦𝘰 𝘉𝘺𝘱𝘢𝘴𝘴 𝘬𝘢 𝘩𝘪𝘩𝘢𝘻𝘰 𝘢𝘯' 𝘈𝘯𝘬𝘰𝘳𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘯𝘰 𝘥𝘪𝘢 𝘪𝘯𝘰𝘯𝘢 𝘯𝘰 𝘉𝘶𝘴 𝘢𝘯𝘥𝘦𝘩𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘰 !?
Raha amin'izao fotoana izao dia mbola tsy misy izay. Voatery mandeha bus maromaro ka mandany eo amin'ny 1h30 hatramin'ny 2h00 eo vao mahavita io elanalena io.

Izay indrindra no antony hanokafan'ny fitondram-panjakana ilay antsoina hoe " 𝗭𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗙𝗶𝘁𝗮𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮" ka ampiasaina amin'izany ireo Bus vaovao vao nohafarana sy vao ho tonga ato ato.
Hiainga eo Amoronakona izy io ary hifarana eo Ankorondrano, izany hoe mihazo an'iny Rocade Iarivo sy Marais Masay iny.

Hisy fiantsonana na " arrêts" miisa 22 mandroso sy miverina.
Araho ato anatin'ity fanadihadiana ity anie hoe manao ahoana ny fiainan'ireo olona mipetraka eny amin'ny manodidina ireo toerana ireo amin'izao e! Dia ahoana ihany koa ny fahitany ity zotra vaovao, " Zotra Fitaratra" ity.

𝗙𝗜𝗙𝗔𝗡𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗖𝗛𝗔𝗡  - 𝗛𝗜𝗩𝗔𝗡𝗧𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗩𝗠 𝗡𝗬 𝟮 𝗛𝗔𝗧𝗥𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝟯𝟬 𝗔𝗢𝗚𝗢𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟱Handraisan'ny Ekipam-pirenena Malagasy anj...
08/07/2025

𝗙𝗜𝗙𝗔𝗡𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗖𝗛𝗔𝗡 - 𝗛𝗜𝗩𝗔𝗡𝗧𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗩𝗠 𝗡𝗬 𝟮 𝗛𝗔𝗧𝗥𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝟯𝟬 𝗔𝗢𝗚𝗢𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔 𝟮𝟬𝟮𝟱

Handraisan'ny Ekipam-pirenena Malagasy anjara. Ny Alahady 3 Aogositra 2025 ao amin'ny Benjamin Mkapa Stadium Dar-es-Salaam, Tanzania no lalao voalohany ataon'i Madagasikara hifanandrina amin'i Mauritanie (Groupe B).

𝐓𝐄𝐓𝐄𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐀𝐌𝐏𝐎𝐍𝐉𝐈𝐍𝐀 : 𝐈𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐃𝐑𝐀𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀𝐒𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍’𝐈 𝐅𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀Anisan’ny asa lehibe tantera...
08/07/2025

𝐓𝐄𝐓𝐄𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐓𝐀𝐌𝐏𝐎𝐍𝐉𝐈𝐍𝐀 : 𝐈𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐃𝐑𝐀𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀𝐒𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍’𝐈 𝐅𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀

Anisan’ny asa lehibe tanterahin’ny fitondrampanjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy amin’ny fikojakojana ny lalana ao amin'ny Faritra Matsiatra Ambony ny fanarenana sy fanatsarana ny tetezana Antamponjina ao an-tanànan’i Fianarantsoa. Tetezana mirefy 20 metatra izay nasondrotra 1,50 m ary novaina ho 9 metatra ny fanokafana, mba hahazaka tsara ny fandehanan’ny rano sy ny fivezivezen’ny fiara.

Manamora ny fifandraisana eo amin’ny seranam-piaramanidina Fianarantsoa sy ny cité des profs, tena ilaina amin’ny fitaterana sy ny fiainan’ny mponina andavanandro ity fotodrafitrasa ity. Ny Fonds Routier no namatsy vola, ho fanatanterahana asa maharitra sy mahomby.

𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗔𝗟𝗔𝗡𝗝𝗜𝗥𝗢𝗙𝗢 - 𝗙𝗜𝗗𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗙𝗢𝗧𝗢𝗡𝗬 Hisy fidinana ifotony ho tanterahan'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andr...
08/07/2025

𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗔𝗟𝗔𝗡𝗝𝗜𝗥𝗢𝗙𝗢 - 𝗙𝗜𝗗𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗙𝗢𝗧𝗢𝗡𝗬

Hisy fidinana ifotony ho tanterahan'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina any amin'ny Distrikan'i Sainte Marie, faritra Analanjirofo, ny Alakamisy 10 sy zoma 11 Jolay 2025.

Any an-toerana no hanatanterahana ny filan-kevitry ny Minisitra ny 10 jolay 2025 izay hatrehan'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ao an-toerana.

Ny 11 jolay 2025 dia asa maro no ho tokanana sy ho tsidihan'ny Filoha ary mahazo toerana manokana asa sosialy entina hanampiana sy hanohanana ireo tokantrano marefo. Amin'ny 11 Jolay 2025 ihany koa no hanombohana ny hetsika ara-koltoraly Carnaval "Festival des Baleines".

𝗠𝗜𝗥𝗢𝗦𝗢 𝗛𝗔𝗧𝗥𝗔𝗡𝗬 𝗜𝗦𝗜𝗞𝗔 𝗛𝗢 𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗡'𝗜 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔

04/07/2025
FAHASALAM-BAHOAKA - AMBOHIMAHASOA - ALAKAMISY ITENINATsy diso anjara eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny faritra Matsi...
04/07/2025

FAHASALAM-BAHOAKA - AMBOHIMAHASOA - ALAKAMISY ITENINA

Tsy diso anjara eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny faritra Matsiatra Ambony amin’ny alalan’ireo hopitaly miisa roa natolotra ny vahoakan'Alakamisy Itenina, distrikan'i Vohibato sy tao Ambohimahasoa.

Tsy mila miakatra any Fianarantsoa intsony ireo olona sendra tsy fahasalamana fa vita ao an-toerana avokoa ny fitsaboana rehetra hatramin’ny fandraisana an-tanana vonjy taitra hatramin’ny fandidiana. Arifomba sy hika farany avokoa ny fitaovana ampiasana eo anivon’ireo hopitaly ireo.

Fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny hanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ny vahoaka malagasy ka izao tanteraka ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony izao.

04/07/2025

🚜RN7 : LAHARAM-PAHAMEHANA NY FANAMBOARANA AZY🚜

🟢Hamboarina ny lalampirenena Faha 7, asiam-panamboarana ihany koa ny ankamaroan'ny ireo lalana ao an_tampon-tanana an'i Fianarantsoa.

🟢Hojerena ny resaka fahadiovan'ny tanana sy ny momba ny rano fisotro madio.

🟢Ireo no nivoitra tao anatin'ny kabarin'ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fizarana vatsy ho an'olona 6600 tao Fianarantsoa renivohitra androany .

HIPOKA OLONA NY COLISEUM ETO FIANARANTSOA . . . Nitondra ny teny fisaorana ireo mpanakanto amin’ny fanomezana sehatra ma...
04/07/2025

HIPOKA OLONA NY COLISEUM ETO FIANARANTSOA . . .

Nitondra ny teny fisaorana ireo mpanakanto amin’ny fanomezana sehatra manapenitra ho azy ireo. Goavana ity foto-drafitrasa ity hidadasika mitovy aminy ihany koa ny hakanton’ny hetsika ara-javakanto ho entiny sy hiseho ato. Mahazo sehatra ny artista ao amin’ny faritra fa indrindra afaka handray artista sy mpanakanto maro ivelan’ny faritra amin’ny endrika matihanina kokoa.

FIANARANTSOA - SEHATRA VAOVAO HO AN'NY KOLONTSAINA SY HETSIKA ARA-JAVAKANTO - COLISEUM Notokanan'ny Filohan'ny Repoblika...
04/07/2025

FIANARANTSOA - SEHATRA VAOVAO HO AN'NY KOLONTSAINA SY HETSIKA ARA-JAVAKANTO - COLISEUM

Notokanan'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina tamin'ny fomba ofisialy androany 04 jolay 2025 ny Coliseum vaovao eto Fianarantsoa, fotodrafitrasa manara-penitra izay hanokatra varavarana ho an’ny kolontsaina, hetsika maro lafy toy ny sosialy, zavakanto, fanabeazana.

Izao foto-drafitr'asa izao dia hanome sehatra ho an’ny tanora sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny. Hampiseho ny talenta izay ananan'ny vahoaka aty Fianarantsoa. Hampisokatra bebe kokoa ny sehatra ara-kolontsaina.

“Ny Coliséum vaovao eto Fianarantsoa dia an’ny vahoaka. Aoka izy ho toerana hitambaran’ny firaisankina, fitiavana tanindrazana ary firoboroboan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Malagasy.” hoy ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Songadina Madagasikara sy any Ivelany posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category