Vaovao 24 Mg

Directions

Vaovao 24 Mg Malagasy🇲🇬

Tsindrio io J'AIME io ↘️⬇️↙️

🟢𝗡𝗼𝘀𝗮𝗺𝗯𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗶𝘁𝘆 𝗶𝗻𝗳𝗹𝘂𝗲𝗻𝗰𝗲𝘂𝗿 𝗺𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮 𝗮𝗼 𝗙𝗲𝗻𝗲𝗿𝗶𝘃𝗲 𝗘𝘀𝘁 𝗶𝘁𝘆Nosamborin'ny Polisy I Rodrick influenceur, malaza ao Fenoarivo A...
10/10/2026

🟢𝗡𝗼𝘀𝗮𝗺𝗯𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗶𝘁𝘆 𝗶𝗻𝗳𝗹𝘂𝗲𝗻𝗰𝗲𝘂𝗿 𝗺𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮 𝗮𝗼 𝗙𝗲𝗻𝗲𝗿𝗶𝘃𝗲 𝗘𝘀𝘁 𝗶𝘁𝘆

Nosamborin'ny Polisy I Rodrick influenceur, malaza ao Fenoarivo Atsinanana ity.

Raha tsiahivina, dia nanao publication heverina ho vetaveta tao amin’ny pejiny Facebook i Rodrick. Voalaza ihany koa fa nisy ny tsy fanajana ny soatoavina, indrindra tamin’ny alalan’ny fanevatevana ireo tovovavy voakasik’ilay publication fa izy hono mahay minono ka mandefasa Mp azy izay viavy tia nonoina. Ahiana ho isan’ny antony nahatonga ny fisamborana azy izany.

Efa nanao fifonana izy mikasika ilay publication nataony, saingy tsy nilefitra ny polisy fa niroso tamin’ny fisamborana azy.

🚨 MOROMBE : LEHILAHY NANOLANA ANKIZY VAVY TSY AMPY TAONA MANANA FAHASEMBANANA, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA👉 Ady amin'...
10/10/2026

🚨 MOROMBE : LEHILAHY NANOLANA ANKIZY VAVY TSY AMPY TAONA MANANA FAHASEMBANANA, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

👉 Ady amin'ny herisetra, fiarovana ireo olona marefo

📍Tovovavy manana fahasembanana vao 17 taona no naolan’ity lehilahy ity ny alarobia 07 oktobra 2026 tao amin’ny fokontany Ambohitre, Kaominina Morombe.

👮‍♂️Taorian’ny fikarohana dia nosamborina izy. Niaiky ny heloka nataony ity lehilahy ity nandritra ny famotorana.

🚔 Entanina hatrany ny mpiray Tanindrazana tsy hisalasala hitoroka ny herisetra hahafahana mandray fepetra momba izany.

🛑✝️ Nodimandry teo amin’ny faha-75 taonany i  , ilay endrika fantatra sy hita foana amin’ny "memes" amin'ny tambajotra s...
10/10/2026

🛑✝️ Nodimandry teo amin’ny faha-75 taonany i , ilay endrika fantatra sy hita foana amin’ny "memes" amin'ny tambajotra serasera.

🎬 Mpilalao sarimihetsika Indiana fanta-daza i , fantatra amin’ny hoe Nana Patekar. Efa nalaza tamin’ny talentany sy ny anjara toerana nolalaoviny izy vao mainka nampitombo be izany lazany izany ny fiparitahan'ny sariny tamin'ny tambajotra serasera (Facebook, Tiktok,...). Nampiasain'ny olona nanehoana fihetse-po na tranga sy toe-javatra mampihomehy na tranga tsy nampoizina mantsy ny sariny sy ilay ampahany kely tamin'ilay sarimihetsika "Welcome" nolalaoviny.

🕊️ Nodimandry ny alakamisy 8 oktobra 2026 teo amin’ny faha-75 izy ary fijanonan’ny fo tampoka no voalaza fa nahafaty azy. Namela ny marika teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika indiana izy.

🚨 MAHATAFAVOAKA OLONA MANDEHA DUBAÏ - SADY MISOLOKY RAMADAMA NO MANAO GRI-GRI 🚨   ⚖️ Nidoboka am-ponja miandry fitsarana...
10/10/2026

🚨 MAHATAFAVOAKA OLONA MANDEHA DUBAÏ - SADY MISOLOKY RAMADAMA NO MANAO GRI-GRI 🚨




⚖️ Nidoboka am-ponja miandry fitsarana ilay Ramatoa vehivavy milaza fa mahatafavoaka Malagasy te hiasa any an-dafy any .

📌 Lehilahy iray monina Talatamaty no nino sy nahatoky an'ilay Madama iray mpifankahalala aminy. (Samy bôka amy faritra moa kà ! Samy fiaviana raika).

✈️ Nilaza i fa vitany ny mampandefa olona hiasa any .
💰 Omena azy fotsiny ny vola dia izy no mikarakara ny sisa rehetra. Afaka roa herinandro dia Mandray eny Ivato no sisa atao miandry miaraka amin'ny valizy.

💸 Natolotra ary ny vola. Lany ny tapa-bolana. Tsy hita laolo. Tsy tratr'antso. Efa nisy olona telo mianadahy samy nahazoany Folo tapitrisa daholo ihany koa.

👮 Nitory teo amin'ny Zandarimaria ny voasoloky.
🚨 Natao ny fikarohana ka fantatra fa any Itaosy izy no mipetraka. Rehefa nozahana tao anefa dia tsy tratra tao an-trano izy fa tovolahy roa hafa avy any amin'ny faritra ihany koa no hita tao aminy.
🛌🏼 Matoritory ho any efa vonona ny entana.

⚠️ Hay izy roalahy miandry vasoka fotsiny fa Imenavolo efa niporitsaka tao.

👮 Nanohy ny fikarohana azy ny zandarimaria ka any Fenerive Est Faritra Analanjirôfo izy no matoritory anaty trano fandraisam-bahiny.

👮 Natao ny fiaraha-miasa amin'ny Zandarimaria any an-toerana ka voasambotra izy ary nalaina tany mba hody aty an-drenivohitra.

👹 Nahitana tapak'hazo sy vovok'ody ratsy natao sy sy tany aminy.
Misy sotroina in-9 dia misy ny safoina midina manara-batana. Misy ny ravahana sy iambozonana rehefa matory.

❌ Saingy tsy naharo azy izany rehetra izany fa:

⚖️ Natolotra ny fitsarana ny anao vavy rehefa vita ny famotorana azy ka notanana am-ponja eny Antanimora ny tenany (any Dubaï-n'ny mpanao ratsy).

👮👮👮👮👮👮👮👮👮👮👮👮

💥‼ #𝗦𝗜𝗡𝗢𝗔 𝗠𝗜𝗜𝗦𝗔 𝟭𝟭  #𝗩𝗢𝗔𝗙𝗢𝗡𝗝𝗔 𝗧𝗔𝗢 𝗔𝗩𝗔𝗥𝗔𝗗𝗥𝗔𝗡𝗢 𝗡𝗜𝗦𝗬 𝗡𝗔𝗠𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗧𝗦𝗬 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔Teratany   miisa 11 voafonja tao amin'ny fonjabe...
10/10/2026

💥‼ #𝗦𝗜𝗡𝗢𝗔 𝗠𝗜𝗜𝗦𝗔 𝟭𝟭 #𝗩𝗢𝗔𝗙𝗢𝗡𝗝𝗔 𝗧𝗔𝗢 𝗔𝗩𝗔𝗥𝗔𝗗𝗥𝗔𝗡𝗢 𝗡𝗜𝗦𝗬 𝗡𝗔𝗠𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗧𝗦𝗬 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔
Teratany miisa 11 voafonja tao amin'ny fonjaben'Avaradrano no nisy namoaka tsy ara-dalana raha ny vokatry ny nataon'ny teo anivon'ny fandraharahana ny fonja.
📌Anisan'ny fepetra noraisina ny fampiatoana ny lehiben'ny fonja sy fampitsaharana tamin'ny asany ireo olona hafa ahiana ho niray tsikombakomba tamin'ity raharaha ity. .
© Min Justice

🚨ANKADIFOTSY : FIARA HYUNDAI TUCSON NIFATRATRA TAMIN’NY POTÔ,,,⏩ Tokony ho tamin’ny 4 ora sy 58 minitra maraina teo no n...
10/10/2026

🚨ANKADIFOTSY : FIARA HYUNDAI TUCSON NIFATRATRA TAMIN’NY POTÔ,,,

⏩ Tokony ho tamin’ny 4 ora sy 58 minitra maraina teo no nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana teo akaikin’ny farmasia iray eny Ankadifotsy.

🚘 Fiara Hyundai Tucson iray no tra-doza. Zazalahy mbola tanora, izay tombanana ho tsy ampy taona, no voalaza fa tao anatiny. Araka ny fampitam-baovao, rendremana teo am-pamiliana izy ka nifatratra tamin’ny potô ilay fiara.

💥 Potika tanteraka ny fiara ary tapaka ihany koa ilay potô vokatry ny fifandonana.

🙏 Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity.

📷 Loharanom-baovao..

📌 Nogiazan'ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) ny vata fampangtsiahana roa nisy sakafo tany amin'ny Cantin...
09/10/2026

📌 Nogiazan'ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) ny vata fampangtsiahana roa nisy sakafo tany amin'ny Cantine Konecta Ambohimangakely.

Nohidiana tsy azo idirana ihany koa ny toeram-pikarakarana sakafo ho an’ny mpiasa.

📷MinCC

🔥❗ « RÉQUISITION » JIRAMA : AFAKA MIVIDY MIVANTANA IREO "GROUPE ÉLECTROGÈNE" NY ORINASA, HOY NY MPAHAY TOE-KARENA ❗️🔥 🚩 ...
09/10/2026

🔥❗ « RÉQUISITION » JIRAMA : AFAKA MIVIDY MIVANTANA IREO "GROUPE ÉLECTROGÈNE" NY ORINASA, HOY NY MPAHAY TOE-KARENA ❗️🔥

🚩 Araka ny fanazavan’ny mpahay toe-karena, ny « réquisition » natao tamin’ny JIRAMA dia mamela ny orinasa hanafaingana ny fividianana ireo groupe électrogène any Rosia, mba hamaliana haingana ny filàna ara-angovo.

🚩 Noho izany, tsy ny dingana mahazatra amin’ny alalan’ny "appel d’offres" intsony no arahina, fa afaka manatanteraka mivantana ny fividianana ny JIRAMA, araka ny fepetra napetraka.

🚩 Araka ny loharanom-baovao hafa dia tafiditra ao anatin’ny fepetra raisina noho ny hamehana ara-angovo izao fanapahan-kevitra izao. Manodidina ny 18 MW kosa ny tanjaka mitambatra antenaina avy amin’ireo "groupe électrogène" ireo.

🚩 Ny "Réseau interconnecté d’Antananarivo" (RIA) no kasaina hampiasana azy ireo, mba hanampiana ny famatsiana herinaratra ao anatin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo.




©️: Antsiva Radio 97.6 FM 📻


©️ BARIJAONA HOBINANDRIANINA

👉👕VFM SY ILAY HOE FORONGONY💥🗣️ NAMALY AN'I VPAN FIDEL RAZARA PIERRE I RAVANITIKA."Ô ry zokibe Honorable FIDEL RAZARA PIE...
09/10/2026

👉👕VFM SY ILAY HOE FORONGONY

💥🗣️ NAMALY AN'I VPAN FIDEL RAZARA PIERRE I RAVANITIKA.

"Ô ry zokibe Honorable FIDEL RAZARA PIERRE ooh.
TSISY NITENY MIHITSY angamba ny olona hoe tokony hifamono sy hifandrafy ny TSY MITOVY HEVITRA POLITIKA.

Ny fanomezana lanja FIHAVANANA sy FIARAHAMONINA no mampiavaka atsika Malagasy
Fa resaka ETIKA POLITIKA no resaka eto, zay tsisy idiran'nny fihavanana sy fiarahamonina na dia kely aza.

Toin.'ny FAMPIHARANANA LALÀNA ihany, na iza na iza, na mitovy hevitra politika na tsy mitovy dia hiaran' ny LALÀNA rehefa nanao FANDINAN- DALÀNA

Fa tsy hoe Mifamela sy Mihavana dia hoe : HIVADIKA hanohana anareo izahay dia hoe VFM tampoka eo. dia hoe Hiara- hiasa
Averiko farany : ETIKA POLITIKA NO RESAKA ETO.

ianareo ve tsy mba afaka mba Maminavina kely sy mametraka fanontaniana kely any antsai- nareo any hoe : HANIMBA NY SAIN'NY MALAGASY zany zavatra izany ary mety vao maika hampitombo ny TSY FAHATOKISANA ANAREO MPANAO POLITIKA MANDRAKIZAY ??.

Satria ny tsy hiarahana miosona ARA- POLITIKA amin'ireo VOLOM- BOASARY REHETRA izay NAMOTIKA FIRENENA teo no anisan'ny fitakian'ny vahoaka faharoa ankoatrin'ny JIRO SY RANO

Na ianareo zao mihitsy aza no nitatatata t @ MICRO teny @ 13 MAI hoe, MIALA I RAJOELINA SY NY FORONGONY

Mazava be ilay MIALA eto, fa MIALA ao anatin'ny sehatra POLITIKA fa tsy hoe MIALA @ sehatrin''ny FIHAVANANA SY NY FIARAHAMONINA Malagasy
Dia izao hainareo PANAO POLITIKA ireto ny mamadibadika ilay resaka.

Averiko foana ity resako ity hoe NY FANOHANANA dia maro ny fomba hanehoana azy raha hanohana ny fitondrana Fanavaozana, ( PROFIL BAS)
fa fanohanana MANIMBA SAIM- BAHOAKA tena tsy eritreretinareo mihitsy, fa IREO NAONGANA TEO indray ( VFM) no MOHOGAHOGA eran''ny tanana ALOHAN' NY VAHOAKA TENA NITOLONA

LOGIQUE VE ZANY AMINAREO....???"

FAHAPOZINANA ARA-TSAKAFO TENY IVANDRY: Tsy misy ahiana ny toe-pahasalaman’ireo marary hoy ny mpitsabo androany maraina.M...
09/10/2026

FAHAPOZINANA ARA-TSAKAFO TENY IVANDRY: Tsy misy ahiana ny toe-pahasalaman’ireo marary hoy ny mpitsabo androany maraina.

Misy ireo efa nalefa nody, rehefa nahazo fitsaboana sahaza.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vaovao 24 Mg posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share