18/09/2025
๐ฅSรFERA NAMONO OLONA
Vehivavy iray, 35 taona, maty nofaohan'ny fiara mpitatitr'entana, omaly tamin'ny 5 ora maraina, teo Volavia Manjakandriana, RN2.
Nirimorimo fatratra ilay fourgon avy any Toamasina ary nanitsy tany amin'io ramatoa io sy ny vadiny ary ny zokin'ity farany mivady.
Handeha ho any an-tanimbary vao maraina izy 4 ary nizotra tamin'ny sisin-dalana, saingy mbola voafaoka ihany.
Tsy nijanona ilay Sprinter. Nahetsika ny zandary
Namaky "barrage" anefa izy raha nasaina hijanona teo Nandihizana Carion. Teny Ambohimalaza vao tapi-dalan-kaleha.
27 taona ilay mpamily. Avy any Ankazondandy. Noentina hatao famotorana any Manjakandriana, noho ny vono olona tsy niniana, fandosirana sy famakiana sakan'ny zandarimaria. Efa nantsoina ny mpampiasa azy.
Pempo vokatry ny fandonana ny lohan'ny fiara ary mitriatra ny fitaratra anoloana.
Nahazo fitsaboana sahaza ireo 3 naratra, raha namoy ny ainy teny an-dalana hihazo ny hopitaly CHRD ny faha-4.
Hiakatra fampanoavana anio ny raharaha.
๐ Skispass Atm