Ndao hiaraka

Ndao hiaraka 'Ndao hiaraka hijery zavatra mahafinaritra sy mahasoa manerana an'izao tontolo izao 🧭

17/03/2026

🚜 Nohajariana ho toerana fambolena varimbazaha ny desert 🌾

🗓️ Tao anatin'ny erintaona monja no namadihan'ny Sinoa ny tany efitr'i Taklamakan ao Chine ho lasa toerana fambolena mamokatra 🇨🇳

546 hektara no totalin'ny tany efitra lasa nambolena varimbazaha ary any amin'ny faritra mizakatenan'i Xinjiang no ahitana azy 🏜️

Inona no manaka antsika tsy hamboly an'ireo tany midadasika sady mamokatra bediabe eto Madagasikara ? 🤔

Jereo ao amin'ny video ny fiovana 🤩

🐼 Miasa mihinankanina no ataon'ny Panda ao anatin'ny 15 ora 🍴1️⃣6️⃣ Anio no andro maneran-tany ho an'ny Panda, izay biby...
16/03/2026

🐼 Miasa mihinankanina no ataon'ny Panda ao anatin'ny 15 ora 🍴

1️⃣6️⃣ Anio no andro maneran-tany ho an'ny Panda, izay biby tsy hita raha tsy ao Chine na koa hoe "endémique" 🇨🇳

🐻 Karazana Ours ny Panda, ary any amin'ny toerana avo toy ny tendrombohitra no fonenany.

🥩 Ny tena mahagaga amin'ity biby ity dia izy "carnivore" kanefa 99% ny sakafo haniny dia bambou avokoa ary mahalany hatramin'ny 35kg isan'andro izy 🎍

🤔 Inona koa no zavatra fantratrao momba ny Panda ?
Soraty ao amin'ny commentaires mba fo fantatry ny hafa 💬

Ndao hiaraka

🪿 Nosoloina GISA ireo alika mpiambina ny manodidina 🪿🇧🇷 Nanapakevitra ny fonjan'i São Pedro de Alcântara, ao amin'ny fan...
08/01/2026

🪿 Nosoloina GISA ireo alika mpiambina ny manodidina 🪿

🇧🇷 Nanapakevitra ny fonjan'i São Pedro de Alcântara, ao amin'ny fanjakan'i Santa Catarina, ao Brésil ny hampiasa gisa hanao ny fisafoana ny tokotanin'ny fonja nanomboka tamin'ny 2009.🐕‍🦺 Alika moa ny niandraikitra io toerana io teo aloha fa nosoloina ireto karazana vorona ireo.

🚨 Ny toetra hananan'ny gisa izay mailo sady mitabataba no manenjika raha misy olona mijabaka amin'ny faritra misy azy moa no antony nisafidianana ireto biby ireto. 🪿

Agent mihintsy moa no toerana misy azy ireo. 👮🏽‍♂️

Mety mbola ho tafatsoaka ihany ve ny voafonja raha enjehin'ireto gisa iretro ? ⛓️‍💥

Tagueo ao amin'ny commentaire ireo namao efa nenjehin'ny gisa 💬😂

🚧 Toetry ny lalana any amin'ny firenena Afrikana hafa 🌍Tsy hoe rehefa aty Afrika akory dia ratsy sy kitoatoa daholo ny l...
12/12/2025

🚧 Toetry ny lalana any amin'ny firenena Afrikana hafa 🌍

Tsy hoe rehefa aty Afrika akory dia ratsy sy kitoatoa daholo ny lalana. 🧩
Betsaka ireo firenena Afrikana izay tena sangany sy azo alain-tahaka amin'ny hatsaran'ny lalana, mihoatran'ireo firenen-dehibe sasany mihintsy aza. 🗺️

'Ndao ary hojerentsika ireo firenena Afrikana mitana ny laharana 5 voalohany amin'ny kalitaon'ny lalana 🛣️

1- Namibie 🇳🇦
Voasokajy ho manana lalana vita tara tsara indrindra eto Afrika tao anatin'ny 9 taona mifanesy.

Inona no antony ?
Tsy miandry simba sy feno lavadavaka izy ireo vao mandray andraikitra. Vao misy tresaka kely fotsiny ny lalana dia amboarina avy hatrany ary entitra ny fanaraha-maso 🔍

2- Egypte 🇪🇬
Mampiasa karazana tara nohatsaraina ka mahazaka tsara ny filana ao antoerana amin'ny fitanterana mavesatra sy ny hafanana be

3- Afrique du Sud 🇿🇦
Fampiasana tara nohatsaraina mifanaraka amin'ny toe-tany

4- Maroc 🇲🇦
Ny fanomezan-danja ny tatatra fivarinan'ny rano mba hialana amin'ny fahasimbana aterak'izany

5- Rwanda 🇷🇼
Fampiasa "couche de fondation" mafy tsara mba hiala amin'ny fivoiboitry ny tara rehefa ampiasana ela

Anisan'ny tena mampikaikaika ny mpampiasa lalam-pirenena ny endriky ny lalana eto amintsika amin'izao fotoana.
Rahoviana anefa vao hanana lalana tsara toy izao isika ? 🤔

Aiza daholo no lalana mila fanamboarana maika amin'izao ? 👷Alefaso ao amin'ny commentaire ny sary sy ny toerana ho hitan'ireo tompon'andraikitra. 'Ndao koa hozaraina ity ho fanentanana ! 💬

'Ndao indray ary Hiaraka hilalao kely e 😁Fantatrao ve ny anaran'ireto tanàna/toerana ireto amin'ny teny malagasy ? 🇲🇬1- ...
01/12/2025

'Ndao indray ary Hiaraka hilalao kely e 😁

Fantatrao ve ny anaran'ireto tanàna/toerana ireto amin'ny teny malagasy ? 🇲🇬

1- Fort-Dauphin (isa 5)
2- Nosy Sainte-Marie (isa 5)
3- Brickaville (isa 10)
4- Foulpointe (isa 10)
5- Port-Bergé (isa 20)

Soraty ao amin'ny commentaire ary hoe firy ny ISA azonao ? 💬

🩸 Ra be mikoriana toy ny riandrano !?😵‍💫🌍 Ahitana zavatra mahavariana ity tany onenantsika ity, anisan'izany ity antsoin...
24/11/2025

🩸 Ra be mikoriana toy ny riandrano !?😵‍💫

🌍 Ahitana zavatra mahavariana ity tany onenantsika ity, anisan'izany ity antsoina hoe "Cascade de sang" ity. Any Antarctique no ahitana azy ary tena miendrika toy ny ra mikoriana ilay riandrano. 🇦🇶

Fa tena ra tokoa ve izy io ary avy aiza ? 🤔

🧊Tsia ! Misy ranomamy ketoka efa ho 1,5 tapitrisa taona ao anatin'ilay bolongandranomandry, ary feno "Fer" io rano io. Rehefa mivoaka ety ivelany ilay rano ka mifangaro amin'ny Oxygene dia mivadika mena toy ny ra ny lokony. 🫨

😍 Efa fantatrao ve ny fisian'ity "Cascade de sang" ity ? 💬

Raha mahaliana anao ny hahafantatra zavatra maro dia aza adino ny manaraka ny pejy ary zarao ihany koa mba ho fantatry ny ny hafa . ✅

🚨🚨 Tena lafo loatra marina ve ny vidin’ny Accès Internet eto amintsika ? 💰Bediabe ny olona no milaza hoe :“Normal io rah...
23/11/2025

🚨🚨 Tena lafo loatra marina ve ny vidin’ny Accès Internet eto amintsika ? 💰

Bediabe ny olona no milaza hoe :
“Normal io raha lafo, firenena mahantra isika, mandany vola ny fotodrafitr'asa ara-pifandraisana, sns” 📝

Saingy rehefa jerena ny any amin'ny firenena mitovitovy toerana amintsika (mponina, fivoarana, arikarena) dia hita fa latsaka ambany lavitra noho ny vidiny eto antoerana izany. Jereo ny sary. 🆚

Noho izany ny valin'ny fanontaniana etsy ambony dia ENY, lafo tena lafo ny vidin'ny connexion internet eto amintsika, ary any amin'ireo firenena ireo aza moa dia mbola misy tsara ny tolotra ho an'ny tambazotran-tserasera, izay nofoanana ny teto amintsika ka nosoloina "internet feno amin'ny vidiny midangana". ⛓️‍💥

Ka inona ary izany no tena olana mahatonga ilay vidiny lafo ? 🤫

Soraty ao @ commentaire ny mety ho antony raha ny hevitrao 💬

09/09/2025

🥹 1 min fahanginana ho antsika mampindrana vola + frais d'envoi sy retrait nefa avy eo mandray vola "net" 🤌

🔥 MERCI BAREA🇲🇬 !! 🐂 ZARAO !!Ndao hiaraka
30/08/2025

🔥 MERCI BAREA🇲🇬 !!

🐂 ZARAO !!

Ndao hiaraka

20/08/2025

💔 Antony 1 tsy nitiavanao intsony @ ilay olona tena hoe naha "lasa adala" anao teo aloha ?

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ndao hiaraka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category