Ndao hiaraka

Ndao hiaraka 'Ndao hiaraka hijery zavatra mahafinaritra sy mahasoa manerana an'izao tontolo izao 🧭

09/09/2025

🥹 1 min fahanginana ho antsika mampindrana vola + frais d'envoi sy retrait nefa avy eo mandray vola "net" 🤌

🔥 MERCI BAREA🇲🇬 !! 🐂 ZARAO !!Ndao hiaraka
30/08/2025

🔥 MERCI BAREA🇲🇬 !!

🐂 ZARAO !!

Ndao hiaraka

20/08/2025

💔 Antony 1 tsy nitiavanao intsony @ ilay olona tena hoe naha "lasa adala" anao teo aloha ?

🔥 May ny tsenam-boankazo akaikin'ny mpivarotra akoho ao amin'ny tsena Sabotsy Antsirabe. Mihitatra faran'izay malaky be ...
21/07/2025

🔥 May ny tsenam-boankazo akaikin'ny mpivarotra akoho ao amin'ny tsena Sabotsy Antsirabe.
Mihitatra faran'izay malaky be ny afo 🔥 Efa manakaiky ireo andrin-jiro
Amin'izao ora izao. 18:20 🚨

Mbola tsy fantatra hatreto ny anton'ny firehetana. Mbola tsy tonga ireo mpamonjy voina. 🚒

❗ Fifaninanana maka sary ny Tour Redland 🏙️Labozia, savony ary papier hygiénique no loka natolotry ny Groupe Sipromad ny...
20/07/2025

❗ Fifaninanana maka sary ny Tour Redland 🏙️
Labozia, savony ary papier hygiénique no loka natolotry ny Groupe Sipromad ny mpandresy 😶

I Sedera Ramanitra moa no nibata ny laharana voalohany tamin'ity fifaninana ity taorin'ilay sary nalainy (jereo ao ambany ao 🥰).

😤 Marobe ny olona no naneho hevitra ka nilaza fa hita taratra amin'izao fanaovany tsinontsina ny artista Malagasy izao ny toetran'ny groupe Sipromad 💬

Nilaza tao amin'ny pejiny moa i Sedera Ramanitra ora vitsy taty aorian'ilay fanolorana loka fa hanolotra loka hafa indray ny Groupe Sipromad ho fankasitrahana kokoa ny sangan'asany. 🎁

Inona no nahatonga an'izy ireo niova hevitra indray izany ? 🤔

Ndao hiaraka

📷 Sedera Ramanitra

👑 I Opal Suchata Chuangsri avy any Thailand 🇹🇭 no misalotra satro-boninahitry ny Miss World 2025 natao tany Hyderabad, T...
31/05/2025

👑 I Opal Suchata Chuangsri avy any Thailand 🇹🇭 no misalotra satro-boninahitry ny Miss World 2025 natao tany Hyderabad, Telangana any Inde. Andiany faha 72 moa izao vita androany 31 May 2025 izao.

🎉 I Cyria Temagnombe solontenan'i Madgaasikara kosa dia anisan'ireo mbola naseho nandritra ity famaranana na dia tsy nandray anjara tamin'izany aza 🇲🇬

😱 Efa lasa alavitra i Madagasikara raha ny fiakaran'ny vidin'ny entona fandrehitra na ny gaz no jerena. 🔥📈 Nahitana fiak...
31/05/2025

😱 Efa lasa alavitra i Madagasikara raha ny fiakaran'ny vidin'ny entona fandrehitra na ny gaz no jerena. 🔥

📈 Nahitana fiakarana indray izany nanomboka ny 29 may 2025.

Ankehitriny dia lasa 116 000 Ar ny vidin'ny gaz 12 kg eto Madagasikara.

Jereo ao amin'ny sary kosa ny vidin'ny gaz any amin'ireo firenena manodidina antsika amin'izao fotoana izao. 🇸🇨🇲🇿🇲🇺

🪙 Voalaza fa ny fampiakaran'ny Fanjakana ny haba alaina amin'ny gaz butane ho lasa 10 %, izay 5% teo aloha, no anton'izao fiakarana izao. 🏛️🇲🇬

😢 Mimenomenona ireo mpampiasa entona fandrehitra noho izany. Ao ireo milaza fa tsy maintsy hiverina hampiasa arina fandrehitra (charbon) indray. 🍳

🤔 Misy fiantraikany mivantana amin'ny andavan'andronao ve izao fiakarana izao ? Ary amin'ny tontolo iainana ? 🌳♻️

👉 Araho ny pejintsika Ndao hiaraka

🚨 Tanàna iray tototra tao anatin'ny 40 segondra 🧊🇨🇭 Tanàna kely iray any Suisse antsoina hoe Blatten no rava tao anatin'...
29/05/2025

🚨 Tanàna iray tototra tao anatin'ny 40 segondra 🧊

🇨🇭 Tanàna kely iray any Suisse antsoina hoe Blatten no rava tao anatin'ny indray mipimaso. Vokatry ny fihotsahan'ny bolongandranomadry no nahatonga izao loza izao. Anaty lohasaha voadidina tendrombohitra moa no misy ity tanàna kely ity. 🏔️

⛑️ Tsy nisy kosa ny aina nafoy satria efa fantatry ny mpahay haibolantany "géologue" erin'andro maromaro mialoha ity fihotsahana ity. 🗓️

☀️ Vokatry ny fiovaovan'ny toetry ny andro moa no mahatonga ny fahalevonan'ny bolongandranomandry tahaka izao. Mapiseho izao loza izao fa efa an-dohalika ny ranom-bary noho ny fahapotehan'ny tontolo iainana. 🌱

🛡️ Isika eto Madagasikara ve efa tsara fiomanana amin'ny loza aterakin'ny fiovan'ny toetry ny andro tahak'izao sa tena mbola lavitra ezaka ? 🤔

Jereo eto amin'ny sary ny tanana teo aloha sy aorian'ny fihotsahana 😱 😢

💡 Manitsaka indray mandeha dia mahavita mampirehitra takamoa 10 mandritry ny 20 segondra 🕗Ireo mpandeha tongotra no asai...
17/05/2025

💡 Manitsaka indray mandeha dia mahavita mampirehitra takamoa 10 mandritry ny 20 segondra 🕗
Ireo mpandeha tongotra no asaina mamokatra ny herin’aratra ho an’ny tanàna🚶🏽‍➡

🇯🇵​ Tsy mitsahatra mivoatra i Japon satria any no ahitana an'ity teknolojia avo-lenta antsoina hoe "piézoélectricité " ity. ⚡​

♦ Miendrika toy ny 'dalle' maromaro ilay fitaovana ary apetaka eny amin'ny lalana be mpandeha tongotra. Rehefa misy manitsaka ilay izy dia ny hovitra azo avy amin'iny dia iny avy eo no miteraka herin'aratra. 👣

🧪 Mbola tetik'asa andrana moa izy ity hatreto ary ny vinavina andrasana aminy dia ny hahafahana mampandeha jiro sy karazana takelaka fampafahantarana eny amin'ny arabe. 🚦​​🪧​​

🏬 Mety eto amintsika ve ity karazan teknolojia vaovao ity sa atahorana hisy hangalatra ? ⛔

Lazao ao amin'ny commentaire ny hevitrao 🪶

😭🦷 Tsy te hanao solonify ? Vahaolana tsara be ity, raha.... 👨🏽‍🔬 Nahita fomba fampitsiriana indray ny nify efa banga noh...
03/04/2025

😭🦷 Tsy te hanao solonify ? Vahaolana tsara be ity, raha....

👨🏽‍🔬 Nahita fomba fampitsiriana indray ny nify efa banga noho ny aretina na niala ho azy ireo mpikaroka japoney ! 🇯🇵

✅ Mety tsy voatery hanao solonify na irony "implants dentaires" irony intsony izany ianao rehefa banga ! 🦷

👨🏻‍⚕️ Ny mpikaroka Dr Katsu Takahashi sy ny namany no nahita izao vaovao manome fanantenana be izao. Mba hamolavolana ny fanafody sy ahafahana manao andrana dia nanokatra ny ivo-toerana "Toregem BioPharma" izy ireo. 🏥

🤔 Ahoana ny hampety an'izany ? 🤔

👨‍👩‍👧‍👧 Raha ny fantatra dia in-droa isika olombelona no mitsiry nify, toy ny "mammifères" maro hafa. Rehefa miala ilay nifin-dronono dia misy an'ilay nify faharoa mitsiry. Hita nefa amin'izao fa misy nify mbola matory ao ambanin'ilay faharoa io. 🪥

🔭 Ny "protéine" antsoina hoe "USAG-1" no voalaza fa manakana an'io nify fahatelo io tsy hipoitra. Nahita "anticorps" àry ireto manam-pahaizana ireo mba hanakanana ny fiasan'io USAG-1 io. Vokany : lasa afaka mitsiry ilay nify fahatelo ! 😍

✨ Vahaolana lehibe ho an'ireo marary nify sy ireo banga noho ny fahanterana izy ity. Efa vita tamin'ny biby mitovy faniry nify amin-tsika olombelona ny andrana ary nety tokoa. 🐁

☺️ Nanomboka tamin'ny volana septambra 2024 ary hifarana amin'ny aogositra 2025 ny andrana atao amin'ny olombelona. Tsindrona iray monja fotsiny moa izy ity. 💉

👏🏻 Ity no fanafody voalohany hita ka hahafahana mampitsiry nify amin'ny fomba natoraly tanteraka. 💖

🥰 Vonona hisitraka azy ity ve ianao raha efa azo atao amin'ny rehetra izy ?

😉 Araho ny pejy dia Ndao hiaraka hijery zavatra mahavariana 🤩

27/03/2025

👅 Tsy nety nihinana ilay lelan'omby ilay zaza ato fa nivoaka avy tamin'ny vavana biby hono. Nanendasako atody izy 🥚😊

🔒 Gadanà maimbo faty androahana mpangalatra ! 💀☣️👃 Ary raha fofona indray no ampiasaina mba hanankanana ireo mpanao rats...
25/03/2025

🔒 Gadanà maimbo faty androahana mpangalatra ! 💀☣️

👃 Ary raha fofona indray no ampiasaina mba hanankanana ireo mpanao ratsy tsy hangalatra ny fanànanao ?🏃

⚰️ Eto dia fofon'olona maty anaty fahalovana mihitsy no natao amin'ity gadanà mahavariana ity. 🤮

👩‍🔬 I Aïko Leroux, vehivavy ingénieur momban'ny simia iray, no nahita ity hevitra hafa kely ity. Frantsay izy ary anisany tena nampalahelo be azy ny nahaverezan'ny bisikiletany izay nanan-danja be taminy satria fanomezana.

🚴‍♀️ Any Frantsa tokoa dia bisikileta 1 isa-minitra no very, ary mahatratra maherin'ny 580 000 izany isan-taona. 🚲

💡 Noho izany dia namorona ity gadanà misy fofom-paty ity izy. Molekiola antsoina hoe "putrescine" no nolalaovina ka nahazoana mitovy amin'ny fofon'ny vatan'olombelona rehefa mihà-lo. ☢️

🤔 Ahoana ny fomba fiasany ? 🤔

✅ Rehefa misy mpangalatra manatsofa na manapaka ity gadanà ity dia mivoaka ilay gaz maimbo be. Mahery loatra ilay fofona ka segondra vitsy monja dia lasa ilay mpangalatra satria tsy mahatanty. Miraikitra amin'ny ankanjony sy amin'ny volony koa ilay fofona. 👃👕

🌵 "CactUs" no anaran'ity fitaovana mahavariana ity. Irony raketa feno tsilo irony no tiana hatongavana amin'ilay anarana.Toy ny hoe izay mitady hanapitsoka izany dia voatsindrona. Voatsindron'ny fofona tena tsy zaka ! 🤮

🏠 Tsy natao hiarovana bisikileta ihany izy ity fa rehefa zavatra mila hidiana rehetra. 🧰

🇲🇬 Mety handaitra eto Madagasikara ve ity gadanà vaovao ity ? Hitsoaka fofom-paty mahery vaika ve raha jiolahy efa rain-dahiny na efa mpamaky fasana ? 🏃🏽‍♂️🪦

😊 Lazao anay ao amin'ny commentaires ny hevitrao ! 😊

👉🏽 Zarao fa sao dia mba hanampy ny hafa izy ity ! 💞

😉 Araho ny pejy dia Ndao hiaraka hijery zavatra mahavariana sy mahasoa !

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ndao hiaraka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category