03/04/2024
🍒
Ry sakaiza ,
Eo amin’ny fiainana dia tsy voatery hitranga hatrany izay vokatra antenaintsika . Indraindray aza mety ny mifanohitra amin’izany no miseho .
Izany no nanjo ilay vehivavy anankiray tantaraina ao amin’ny Filazantsara . Narary nandritra ny roa ambin’ny folo taona izy ; nandany ny harenany tamin’ny fitsaboana samihafa , nefa tsy nety sitrana , fa vao mainka nihanarary kokoa aza . Marka 5 : 26 .
Mafy izany ! Kanefa tsy kivy ravehivavy . Tsy nitsara ny fiainany araka ny vokatra niseho izy ka niteny hoe : « Tsy misy hevitra intsony , fa efa izao no anjara ratsiko ! » Tsia , tsy nanao izany izy .
Tonga ny ora , nandre ny amin’ i Kristy izy . Nangoniny ny hany hery sisa tao aminy mba hahafahany manatona Ilay Mpanasitrana mahagaga . Tamin’ny finoana tsy nisy fisalasalana no nitenenany hoe : « Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko dia ho sitrana aho . » Marka 5 : 28 .
Ary niaraka tamin’izay dia ritra ny loharanon’aretiny . Marka 5 : 29 .
Ry sakaiza , aza kivy , mitrakà ! Fa na inona na inona zavatra mitranga eo amin’ny fiainanao , raha mbola mandre ianao fa mitempo ny fonao , dia mbola misy fanantenana . Raha mino ianao fa misy Andriamanitra , dia mbola misy ny azo atao . Mbola misy ny vahaolana . Izy no Vahaolana .
Ilay Andriamanitra Mpahary izao rehetra izao , dia mahay ny zavatra rehetra .
Matio 19 :26 . Maro isa lavitra noho ny fasika ny heviny . Salamo 139 : 18 . Amin’ireo dia manana ny hevitra mahasoa iheverany anao Izy . Jeremia 29 : 11 .
Mahereza ry sakaiza , tia anao ny Tompo . Mbola misy ny fanantenana.Matokia.
✍ Raoeliarijao
Nalaina tao amin'ny Pejy Malagasy de Madagascar
SSarobidy SambatraSSarobidy Sambatra