Radio FMFOI 107.4MHz

Radio FMFOI 107.4MHz Salut Éternel Pour Tous

Feo Maherin'ny Finoana 107.4MHz

Antananarivo - Antsirabe - Ambositra - Fianarantsoa -Toliara - Maevatanàna - Mahajanga - Marovoay - Toamasina - Moramanga - Ambatondrazaka - Tanambe - Antsiranana - Bealanana - Vatomandry - Nosy Be Hell Ville

❇ 05 jolay 1996 - 05 jolay 2025 🎆 🎆       🎉🎊 AZA MISY HADINOINA NY FITAHIANY REHETRAHo an'i JEHOVAH ANDRIAMANITRA irery ...
02/07/2025

❇ 05 jolay 1996 - 05 jolay 2025 🎆 🎆


🎉🎊 AZA MISY HADINOINA NY FITAHIANY REHETRA
Ho an'i JEHOVAH ANDRIAMANITRA irery ihany ny Voninahitra, ny Laza, ny Dera ary ny Saotra mandrakizay noho ny fanombany nandritry izay 29 taona izay:

➡ 29 taona niainana sy nizarana ny filazantsaran'ny fahamarinana tamin'ny nofo rehetra;
➡ 29 taona niainana sy nanambarana ny fitiavan'i JESOSY manerantany;
➡ 29 taona niainana sy nitoriana ny Fahagagan'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao;
➡ ...

« Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ...» (Isaia 58:1)

👉 Manasa anao hanjohy mandrakariva ny izay tsy manafina aminao ny làlana hahafahanao handova ny Fiainana Mandrakizay amin'ny alalan'i . Maro ireo fandaharana sy fijoroana vavolombelona hifampizarantsika mandritra ny fotoana maro.

CONTACT :
📳 +261 34 17 897 77 / +261 33 71 517 37
📧 [email protected]
🌐 www.fmfoi-apostolic.com

© 2025

25/06/2025

🔁 Famerenana eto amin'ny tambazotra FACEBOOK
📖 Matio 24:6-8 : Fanazavana manokana mahakasika ny ADY MISEHO ANKEHITRINY

Tsy naharaka ny fandaharana A.M.M. tao amin'ny onjam-peo ianao tamin'ny marainan'ny alahady 22 jona 2025 teo?

Ity misy fahafahana handrenesanao fanazavana manokana mahakasika ny ady misy eo amin'ny vs ankehitriny.
🎙 Fantaro ny andro iainantsika, misy ifandraisan'ny andro farany sy ny fihavian'i JESOSY KRISTY ve io ady ankehitriny izao io?

📍 Araho ny eto FMFOI 107.4 MHz

Famerenana manokana - Aza adino ity fahasoavana ity!

📜 "Aoka tsy hisy hamitaka anareo na amin'inona na amin'inona..." - 2 Tes. 2:3

© 2025

VOALOHAM-BOLAN'I JEHOVAH :Voaloham-bolana, andro voatendrin'Andriamanitra.✅️ Hanomezana fahefana,✅️ Handravana ny ratsy ...
25/06/2025

VOALOHAM-BOLAN'I JEHOVAH :
Voaloham-bolana, andro voatendrin'Andriamanitra.
✅️ Hanomezana fahefana,
✅️ Handravana ny ratsy rehetra eo amin'ny fiainanao
✅️ Hitsaboany ny fiainanao manontolo
✅️ Hananganana indray ny faherezanao

📖 « ... Ary teny andaniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro. » (Apokalypsy 22:2)

VOALOHAM-BOLANA VOATENDRIN'I JEHOVAH :

📆 Rahampitso amin'ny 9 ora maraina no fotoana omen'i JESOSY KRISTY anao.
📍 Manerana ny ivo-toerana FMFOI izay voalahatra misokatra eto Madagasikara sy any ampitan-dranomasina.

CONTACT :
📳 +261 34 17 897 77
📧 [email protected]
🌐 www.fmfoi-apostolic.com

© 2025

22/06/2025

📖AMM :
🎙 📻Mpanolotra :
✅ Mpampianatra Rina RAHARISON
✅ Loholona Hyacinthe LAHADI
✅ Diakona Tsihoarana ROUSSEL
✅ Diakona Harinjaka RAMAMONJISOA
✅ Diakona Mickael RAKOTOZAFY
💎 Arahanao isaky ny Alahady eto amin’ny RADIO FMFOI
CONTACT :
📳 : 034 17 897 77 / 033 71 517 37
📧: [email protected]
🌐 : fmfoi-apostolic.com
© 2024

NY HOSOTRA & FANOMEZAM-PAHASOAVANA, MAMPANDOSITRA ny tromba👩‍🦰 Marline, vehivavy iray mipetraka any Nosy-be Hell ville n...
19/06/2025

NY HOSOTRA & FANOMEZAM-PAHASOAVANA, MAMPANDOSITRA ny tromba

👩‍🦰 Marline, vehivavy iray mipetraka any Nosy-be Hell ville no hitantara ny ady natrehiny & fidiran'Andriamanitra an-tsehatra tamin'izany.

🔹Nokorontanin'ny tromba
nandritra ny enim-bolana ravehivavy, ary vokatr'izany dia misy zavatra nihetsiketsika foana tao anatin'ny vatany, manomboka ao an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany, izay tsy nampatory azy mihitsy isaky ny alina.
Tao anatin'izany fotoana izany dia efa betsaka ny karazana fivavahana noteteziko, hoy Marline, saingy tsy nisy nahitako vahaolana.

📌 Vao haingana no nisy onjam-peo 📻 FMFOI 107.4 Mhz teto Nosy-be Hellville. Voasarika hihaino izany mari-drefy izany aho satria fitoriana filazantsara no norenesiko; ary fantatro tamin'ny alalan'izany fa misy trano fivavahana Fmfoi teo an-toerana, izay mitory ao amin'io onjam-peo io. Akaiky ny fankalazana ny P***a tamin'izany, ka nanapa-kevitra aho mba hanatrika sy hitrandrina izany P***a ara-baiboly izany, ny 12 Avril 2025 ilay fotoana.

📌 Nony tonga tao amin'ilay ivo-toerana aho ny andro Sabotsy dia nandray ahy ny olom-boahosotra, ary natolotra ireo sampana mpitondra fiadiana ny tenako. Nisy ireo lalam-panahy narahina izay mety atao amin'ny olona voafatotry ny fanahy maloto tahaka ahy, satria mpitsabo am-panahy no asan'ireo mpitondra fiadina. Afaka fotoana lavalava no tsaroako niha-maivana ny tenako sady tsapako fa nisy zavatra niala avy ao anatiko. Nangoron'entana ny tromba ary nandao ahy tanteraka!

🔹Resilahatra ity rahavavy ity fa ny herin'i Jesosy, Ilay maty P***a ho antsika no namonjy sy nanafaka azy. Koa raha misy aminareo mpamaky no voageja toa ahy, hoy Marline: aoka izy hanetry tena ka hanantona an'i Jesosy amin'ny finoana, fa Izy Ilay antsoina hoe: "Mpanafaka lehibe"; ary tsy miova izany Anarany izany na oviana na oviana.

📖 "Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe : Ianao no Zanak'Andriamanitra." (Marka 3:11)

© 2025

18/06/2025

🔁 Famerenana eto amin'ny tambazotra FACEBOOK
📖 2 Tesaloniana 2:1-12: Fanazavana manokana mahakasika ny FIKOMIANA FARANY

Tsy naharaka ny fandaharana A.M.M. tao amin'ny onjam-peo ianao tamin'ny marainan'ny alahady 15 jona 2025 teo?
Ity misy fahafahana handrenesanao fanambarana lalina momba ny misterin’ny faharatsiana, ny lehilahin'ota, ary ny fihemorana mialoha ny fiverenan’i Jesosy Kristy Tompontsika amim-boninahitra.

🎙 Fantaro ny andro iainantsika, ary nahoana no zava-dehibe kokoa noho ny hatramin’izay ny fanarahana sy fankatoavana ny fahamarinana.

📍 Araho ny eto FMFOI 107.4 MHz
Famerenana manokana - Aza adino ity fahasoavana ity!

📜 "Aoka tsy hisy hamitaka anareo na amin'inona na amin'inona..." - 2 Tes. 2:3

© 2025

NY HERIN'NY SABATA, MANASITRANA NY CANCER📌 Remia Claude, raim-pianakaviana iray nanana aretina nitaiza efa ho herintaona...
13/06/2025

NY HERIN'NY SABATA, MANASITRANA NY CANCER

📌 Remia Claude, raim-pianakaviana iray nanana aretina nitaiza efa ho herintaona mahery. Rehefa nizaha fahasalamana sy nanao fitiliana maro izy, dia fantatra fa homamiadana (cancer) no nahazo azy. Nisy fivontosana teo ambany heliny, izay tena naharary azy sady namoaka fofona ratsy.

🎙️Tsy misy fanafana intsony, hoy ny dokotera. Fahakiviana lalina sy fahadisoam-panantenana no nandraisan'izy mivady ireo izany vaovao ratsy izany; ary tsy nisy azon'izy ireo natao afa-tsy ny namonjy fodiana.
Satria efa afa-nenina tanteraka ny mpitsabo, tsy hita intsony izay antenaina. Teo ralehilahy no nanapa-kevitra hitodika amin'Andriamanitra, nitady famonjena farany.

🎙️Remia moa dia mpihaino sady sakaizan’ny onja-peo mpitory filazantsara 107.4 Mhz. Raha vao nandre ny tenany fa misy vavaka sy fotoam-pivavahana iarahana amin'ny fiangonana Fmfoi isaky ny Sabotsy, dia tsy nisalasala izy ny andeha hanatrika izany. Fotoana fiomanana sady fidirana tamin’ny P***a ara-baiboly 2025 farany teo tamin'izany.
Mby tonga tany amin'ny trano fivavahana izy ny Sabata dia nanantona sy niresaka tamin’ny olom-boahosotra, ary nahazo toro-lalam-panahy avy hatrany. Akory ny hagagana! fa ny Sabata voalohany natrehin’i Remia, dia niasa tamin'ny ny Fanahin'ny fanasitranana. Nitsahatra ny fanaintainany ka tsy tsaroany narary intsony ny tenany. Hafaliana tsy misy toa izany sitrana ilay cancer; eny, tsy takatry ny saina ny zava-niseho.

📌 Nanehoan’Andriamanitra ny voninahiny ity rahalahy ity satria nino izy, dia nanantona an’i Jesosy. Fa Jehovah tsy mamela irery ny zanany, satria mpamaly soa izay rehetra mazoto mitady Azy Marina. (Hebreo 11:6)
💌 Ho anao mpamaky: mitady famonjena sy fitsaharana, ary fiadanana avy amin’i Jehovah? Fantaro fa tsy miova Izy mandrakizay; eny, mbola tsy rava ny Sabatan'i Jehovah ary mbola misy ny Fanahy Masina, izay mitondra fanomezana ao amin'ireo andro masina voatendry.

© 2025

11/06/2025

🔸FIANARANA HOAN'NY MINO 🔸
"EMISSION 24"
👉 Lohahevitra : Tanora sy Ny Fitiavana(tohiny)
Inona no mahatonga ny tanora tafiditra amin'ny fitiavana tsy marina?

👉 Zaraiko Aminao : "Nomena avy any ampitan-dranomasina hiresaka mahakasika ny vokatry ny fitiavana marina "

👉 Fahaiza-miaina : Miresaka ny fahaiza-miaina amin'ny tena izay Misy vokatra amin'ny manodidina
📻 ERadio FMFOI 107.4MHz7.4MHz📻

Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.
1Timoty 4:12

CONTACT :
📳 : 034 17 897 77 / 033 71 5Ainasoa Ramanampisonnampison fans

TSY HAVELAN'I JESOSY KAMBOTY FAHASALAMANA 📌 Catherine, narary tongotra tao anatin'ny volana maromaro ary tsy afaka nande...
10/06/2025

TSY HAVELAN'I JESOSY KAMBOTY FAHASALAMANA

📌 Catherine, narary tongotra tao anatin'ny volana maromaro ary tsy afaka nandeha mihitsy vokatr'izany.

🎙Rehefa nitandrina ny P***a alina niaraka tamin'ny FMFOI ity farany no nisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra. Iray amin'ireo lalam-panahy tsy maintsy tanterahin'ny fiangonana amin'ny fitandremana izany ny fanasan-tongotra; koa tamin'ny finoana sy fitiavana no nandraisan'i Catherine ireo teny fikasana rehetra, izay voatonona hoazy tamin'izany.

🎙️ Nony vita ny fifanasan-tongotra dia sitrana avy hatrany ilay tongotra narary; eny, nahazo anjara tsara tao amin'i Jesosy tahaka ireo mpianatra fahiny koa i Catherine (📖 Jaona 13:8). Indro, efa afaka mandeha soa aman-tsara aho ankehitriny ary hafaliana lehibe ho ahy ny nandray izany fanasitranana izany; ary lazaiko fa tsy mbola niaina P***a toy iny aho, satria niavaka tanteraka.

💌 Raha hitady famonjena eo amin'ny fiainana ianao, na inona na inona mahazo anao dia manantona an'i JESOSY, fa ao Aminy no azo antoka ahitanao izany! hoy ny antso farany nataon'i Catherine ho antsika tsirairay.

© 2025

09/06/2025

# Ny Vetson'ny Kanto ✍️📖
[🇲🇬] Hanandratana ny asa soratra Malagasy [🇲🇬] ✍️ 📖
isaky ny alatsinainy amin'ny 1ora sy sasany Atoandro ⏰[🇲🇬]
CONTACT :
📳 : 034 17 897 77 / 033 71 517 37
📧 : [email protected]
🌐 : fmfoi-apostolic.com
© 2024

Niainga tamin'ny fitoriana filazantsara ankalamanjana sy isan-tokantrano ny fiezahan'ny Rahalahy   hampita ny fahamarina...
06/06/2025

Niainga tamin'ny fitoriana filazantsara ankalamanjana sy isan-tokantrano ny fiezahan'ny Rahalahy hampita ny fahamarinana izay noraisiny tamin'Andriamanitra mba ho fanazavana ny làlan'ireo izay resy lahatra hanaraka azy tamin'ny fampianarana tsy misy kilema.

Niezaka mafy nanangana ireo fampianarana izay efa rava ela (Sabata fahamarinana, Voaloham-bolana, P***a ara-baiboly ... sns) nanomboka teo amin'ny nandraisany ny antso izay namonjena azy.
Tafatsangana ireo efa rava ela ary niampita ka tonga fototra lehibe hiorenan'ny Fiangonana FMFOI izany izay tonga hatrany ampitan-dranomasina ho an'ireo hafa firenena sy ny samy hafa fiteny.

Ny 7 Jona 1997 no nandray ny Hosotra Pasteur i Rahalahy Benjamina ary nitohy hatrany tamin'ny fananganana ny fahamarinana izay rava teo amin'ny tontolo ara-pivavahana. Nitondra vokatra lehibe ho an'ny Fiangonana Fmfoi izany fikirizany izany ary nanova ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny, izay nanolotra ny tenany ho an'Andriamanitra ka hatao batisa, ireo Fampianarana rehetra notoriany ireo.

Porofo lehibe ihany koa ny Hosotry ny Fanahy Masina izay nanamarina izany tamin'ny fahagagana sy ny fanomezam-pahasoavana maro. Ny fanekeny ny antson'ny Tompo no nanokatra làlana hamonjena olona maro sy nampisandrahaka ny fahamarinana manerana ny nosy ary hatramin'ireo hafa firenena.

🔷 Izahay Sampana Velona rehetra dia faly miarahaba ny Raiamandreny Apostoly Benjamina Mivady nahatratra izao fankalazana ny faha 28 taona (06 Jona 1997 - 06 Jona 2025) nazahoana ny Hosotra Pasteur izao, hananganana hatrany ny fahamarinana rehetra.

👉 Ho anao ihany koa raha misy firariantsoa dia azonao atao ny mandefa izany eto amin'ny .

© 2025

06/06/2025

ARAHABAINA ISIKA REHETRA
HOSOTRA PASTEUR
HOSOTRA VOALOHANY
28 TAONA...

Address

Antananarivo
<<NOT-APPLICABLE>>

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio FMFOI 107.4MHz posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Radio FMFOI 107.4MHz:

Share

Category

Salut Éternel Pour Tous

Faisant écho à la vérité et la justice retracées dans la bible, la Radio FMFOI est une station de radio évangélique instrumentalisée par Dieu pour que sa Gloire se répande dans la vie de tous. Grâce à des émissions spécialement dédiées à des prières ferventes, d’innombrables personnes ont été exaucées : des maladies incurables guéries, des problèmes de justice résolus, des foyers plongés dans des troubles qui ont trouvé la paix, l’avenir édifié.

CONTACT : 📳 +261 20 26 400 99 / +261 33 71 517 37 📧 [email protected] 🌐 www.fmfoi-apostolic.com