MJA Région Analamanga 3

MJA Région Analamanga 3 JA Distrika:
"Androndra - Andramasina - Antsahasoa - Ambohijanaka - Masindray - Tanjonandriana"

Araho tsy tapaka ny vaovao eto amin’ny pejy 😊😊
29/07/2025

Araho tsy tapaka ny vaovao eto amin’ny pejy 😊😊

🛑🛑🛑𝐅𝐈𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐀𝐍𝐉𝐀

✈️Hitsena ny 𝑷𝒂𝒔𝒕𝒆𝒖𝒓 𝑩𝒖𝒔𝒊 𝑲𝒉𝒖𝒎𝒂𝒍𝒐 𝒏𝒂 𝑪𝒉𝒆𝒇 𝑩𝒖𝒇𝒇𝒂𝒍𝒐 𝑭𝒆𝒓𝒎𝒆, 𝑭𝒊𝒍𝒐𝒉𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝑴𝑱𝑨 𝒎𝒂𝒏𝒆𝒓𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒏𝒚, isika Tanora Advantista rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina

📅Daty : Alarobia 13 aogositra 2025 eny IVATO

🕝 Ora : Holazaina ao aoriana kely

🚌 Aoka hanao fandaminana dieny izao ny Distrika sy Faritra tsirairay hanomana fitaterana ho an'ireo tanora rehetra tsy ankanavaka mba ho marobe isika no ho avy eny amin'ny Aéroport International Ivato.

✅ 𝐑𝐚𝐡𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐞𝐡𝐨 𝐝𝐫𝐢𝐥𝐥 𝐬𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐢𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐡𝐢𝐧𝐢𝐧𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐝𝐢𝐚 𝐚𝐨𝐤𝐚 𝐡𝐢𝐥𝐚𝐳𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚 𝐝𝐢𝐞𝐧𝐲 𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐧𝐲 𝐂𝐑.

🎯Ampitao sy zarao e!


‼️ Filazana ho an'ny tanora eto amin’ny Region Analamanga 3 ‼️Antsoina ireo rehetra manana talenta amin'ny resaka tao-tr...
24/07/2025

‼️ Filazana ho an'ny tanora eto amin’ny Region Analamanga 3 ‼️

Antsoina ireo rehetra manana talenta amin'ny resaka tao-trano (maçon/manoeuvre) sy ireo tanora rehetra afaka manampy mba hanatanteraka ny fananganana ny Complexe Sportif any Mantasoa ny Alarobia 30 Jolay 2025.

Ho fandaminana izany dia asaina isika rehetra mba hisoratra anarana farafahatarany amin'ny Alahady 27 Jolay izao. Ny fisoratana anarana dia atao mivantana any amin'ny CR amin'ny telephone 034 60 293 60. Io ihany koa no anntsoina raha misy fanontaniana na fanazavana tiantsika ho fantatra.

Entanina ny fahazotoantsika rehetra ho voninahit'Andriamanitra.

18/07/2025
Efa fantatra ve ireo Mpandahan-teny mandritra ny "Feon'ny Tanora" amin'ny volana Aogositra ao amin'ny fiangonana misy an...
17/07/2025

Efa fantatra ve ireo Mpandahan-teny mandritra ny "Feon'ny Tanora" amin'ny volana Aogositra ao amin'ny fiangonana misy an'ise???
Tsy mbola tara akory raha manendry ireo Mpandahan-teny 2 ireo ny fiangonana rehetra amin'ny Sabata ho avy izao.
Ny Alahady 20 Jolay 2025 kosa dia antsoina ireo Mpandahan-tenin'ny Feon'ny Tanora rehetra manerana ny FMC (2 isam-piangonana) hiofana ao amin'ny SDA Mandrosoa Ambohijatovo manomboka amin'ny 8:30 maraina hatramin'ny 4 ora hariva. (Aoka samy hiomana amin'ny sakafo atoandro)
Aoka mba samy ho tonga avokoa ny rehetra satria io ihany no fotoana handraisatsika fiofanana sy toromarika miaraka an.


🚨📣 F I L A Z A N A   M A I K A   S Y   M A N A N - D A N J A 📣🚨HO AN’NY TANORA SY NY MPITARIKA REHETRA!Antsoina ireto vo...
11/07/2025

🚨📣 F I L A Z A N A M A I K A S Y M A N A N - D A N J A 📣🚨

HO AN’NY TANORA SY NY MPITARIKA REHETRA!

Antsoina ireto voalaza eto ambany ireto mba ho avy amin’ny fivoriana manokana sy tena manan-danja izay hatao ny:

🗓️ Alahady 13 Jolay
⏰ Manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 10 ora
📍 Ao amin’ny Fiangonana Tanjonandriana

Voakasika manokana:

🔹 Ireo tanora handeha amin’ny Camporee IOUC any Mantasoa
🔹 Ireo tanora maniry mbola hamonjy ny Camporee IOUC any Mantasoa
🔹 Ny Chefs Guides rehetra isam-piangonana
🔹 Ireo Mpitarika Tanora rehetra isam-piangonana



Fanamarihana Manan-danja:

✔️ Manao fanamiana Classe B
⏱️ Aoka hajaina ny ora — ny fahatongavana ara-potoana dia mariky ny fahamatorana sy ny fanajana!



👉 Hisy vaovao sy toromarika manan-danja amin’ny fanomanana ny Camporee amin’io fivoriana io, koa samia tonga daholo.

🙏 Ampitapitao amin’ny rehetra, zarao any amin’ny groupe-n’ny fiangonana sy distrika misy antsika, lazao amin’ny filazan-draharaha any am-piangonana amin’ny sabata 😊🥰

‼️🚨🔔 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 🔔🚨‼️Ilazana isika tanora rehetra maniry hanatrika ny 𝗖𝗮𝗺𝗽𝗼𝗿𝗲𝗲 𝗜𝗢𝗨𝗖 𝟮𝟬𝟮𝟱 izay hatao any 𝗠𝗮𝗻𝘁𝗮𝘀𝗼𝗮 ny 𝟴 - 𝟭𝟳 ...
27/06/2025

‼️🚨🔔 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 🔔🚨‼️

Ilazana isika tanora rehetra maniry hanatrika ny 𝗖𝗮𝗺𝗽𝗼𝗿𝗲𝗲 𝗜𝗢𝗨𝗖 𝟮𝟬𝟮𝟱 izay hatao any 𝗠𝗮𝗻𝘁𝗮𝘀𝗼𝗮 ny 𝟴 - 𝟭𝟳 𝗔𝗼𝗴𝗼𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 ho avy izao, fa amin’ny Alahady faha 𝟯𝟬 𝗝𝗼𝗻𝗮 no farany fandraisana ny fisoratana anarana, izany hoe amin’ny alahady ho avy izao.

Koa manatòna haingana ny chef sy cheftaine an’ny mpisavalalana ao amin’ny fiangonana misy anao misoratra anarana.

Zarazarao any amin’ny namana rehetra any, sy any amin’ny groupe-n’ny fiangonantsika any 😊 ary hasao izy ireo hi-s’abonner amin’ity pejy ity mba haharaka ny vaovao rehetra momba ny hetsiky ny tanora eto amin’ny Région Analamanga 3

Izay fa dia mirary soa eee, mazotoa amin’ny fanomanana ny sabata 😊

Aza tara ary ee 😊😊

HAFATRA MAIKA AVY AMIN’NY CR Miarahaba antsika rehetra tratr'izao Sabata izao ! Mila Chef Guide 10 indray avy aty amin’n...
20/06/2025

HAFATRA MAIKA AVY AMIN’NY CR

Miarahaba antsika rehetra tratr'izao Sabata izao !

Mila Chef Guide 10 indray avy aty amin’ny faritra Analamanga 3 rahampitso handray manam-pahefana. Ho fandraisana ny fandaminana dia mila tonga amin’ny 7 ora sasany maraina.

Izay afaka tonga dia mamonjy io fotoana rapitso maraina io. Manantena ny fahavononantsika.

PS: Tenue classe A

Ampitapitao 😊😊😊

Salama daholo ny JA rehetra eto amin’ny faritra Analamanga 3Efa nisoratra anarana ve ianao? Raha ENY dia tsara be izany,...
20/06/2025

Salama daholo ny JA rehetra eto amin’ny faritra Analamanga 3

Efa nisoratra anarana ve ianao?
Raha ENY dia tsara be izany, mino aho fa efa mafotaka ny fanomanana ny tentes sy ny sakafo ary ny kojakoja ilaina rehetra any an-dasy e?

Raha TSIA dia tsy maninona fa mbola tsy tara ianao. Saingy efa kely sisa ny fe-potoana afaka isoratana anarana an 😊😊 Mbola afaka misoratra anarana tsara hatramin’ny 29 Jona ho avy izao. Haingana ary fa 9 andro sisa eee 😊😁

Mirary soa anysika rehetra eo am-piomanana ho amin’ny Sabata 😊🥰

Miarahaba antsika mpiara-manompo rehetra eto amin’ny faritra Alanamabga 3Vaovao farany momba an'ny fiaraha-miasa amin'ny...
10/06/2025

Miarahaba antsika mpiara-manompo rehetra eto amin’ny faritra Alanamabga 3

Vaovao farany momba an'ny fiaraha-miasa amin'ny département de la santé FMC :
• Datin'ilay foire de la santé : 18 sy 19 Juin 2025
• Toerana : kianja Barea
• Chefs guide ilaina: 10 isaky ny région eto Analamanga ihany. Tsy ovaovaina ilay olona.
• Izy 60 no ilaina isanandro anatin'ilay 2 andro
• Sakafo atoandro sy rano no hanohanana azy ireo amin'ny asa fanompoana hataony
• Amin'ny 7h maraina no fahatongavana eny amin'ny kianja Barea dia amin'ny 3h folakandro ny firavana eny.
• Manao fanamiana ara-dalana anatin'io 2 andro io.
• Hisy fampivondronana azy 60 reo amin'ny Alahady 15 Juin zao amin'ny 8h - 9h maraina ao amin'ny grande salle FMC sady hahafantaran'izy ireo izay tsara ho fantatra rehetra.

*Ireo informations ireo dia avy amin'ny Talen'ny Departemanta Fahasalamana FMC, Dr Amboara.

Mankasitraka ny fiaraha-mientana ataon' ireo chefs guide 10 hanolo-tena hahatanteraka ny anjara fanompoantsika ho voninahitr'Andriamanitra izay niantso antsika !

"Faly miarahaba ny mpisantatra rehetra eto anivon'ny région Analamanga 3 tratry ity andro manerantany ity. Ny faniriana ...
17/05/2025

"Faly miarahaba ny mpisantatra rehetra eto anivon'ny région Analamanga 3 tratry ity andro manerantany ity.
Ny faniriana tsara indrindra dia samy handeha am-pinoana ny mpisantatra , ny mpitarika, ny ray aman-dreny. Ary ho todisoa any amin'ilay destination finale dia ny fiainana mandrakizay.
Isaorana etoana ny mpitarika rehetra manao ny ainy tsy ho zavatra ho fikarakarana ireo ondry kely ireo. Ny Tompo anie hamaly fitia . Fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina. "
Ny CR Analamanga 3

" Faly miarahaba ny mpisantatra rehetra eto anivon'ny région Analamanga 3 tratry ity andro manerantany ity. Ny faniriana...
17/05/2025

" Faly miarahaba ny mpisantatra rehetra eto anivon'ny région Analamanga 3 tratry ity andro manerantany ity.
Ny faniriana tsara indrindra dia samy handeha am-pinoana ny mpisantatra , ny mpitarika, ny ray aman-dreny. Ary ho todisoa any amin'ilay destination finale dia ny fiainana mandrakizay.
Isaorana etoana ny mpitarika rehetra manao ny ainy tsy ho zavatra ho fikarakarana ireo ondry kely ireo. Ny Tompo anie hamaly fitia . Fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina. "

Ny CR Analamanga 3

🔥DIABEN'NY FIAINANA MISY FIANTRAIKANY 🎯Daty : Sabata 05 avrily 2025⚠️Toerana hiaingana : ✅EPP Ankadilalana✅Toby Ratsiman...
27/03/2025

🔥DIABEN'NY FIAINANA MISY FIANTRAIKANY

🎯Daty : Sabata 05 avrily 2025

⚠️Toerana hiaingana :
✅EPP Ankadilalana
✅Toby Ratsimandrava Andrefan'Ambohijanahary
✅Mpivarotra voninkazo Anosibe
✅Arret bus Ambohijatovo ambony
✅ Radio Nasionaly Anosy

🕢Ora : 7h30

⚠️Toerana hahatongavana :
✅Kianja Mitafo Mahamasina

🕣Ora : 8h30

🚨Samy afaka manatona ny toerana akaiky azy ny tanora rehetra

🛑Tsara kosa raha mifanantona ny distrika sy faritra.





Address

Antananarivo
102

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MJA Région Analamanga 3 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share