Amin'ny anaran'I Jesoa

Amin'ny anaran'I Jesoa Fizarana Masina momban'ny fiainana ny Evanjelin'i Jesoa Kristy eo amin'ny fiainana andavanandro

10/05/2024

Ny Fahatsorana

« Tamin'izany andro izany, dia hoy indray Jesoa: Misaotra anao aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy be saina hianao, ary nanambara azy tamin'ny tso-po kosa »

Matio 11:25

Ry Namana, Ralahy sy Ranabavy isany,Tongasoa eto amin'ny Pejy! Ny Pejy Amin'ny anaran'I Jesoa dia niforona hizarana amin...
09/05/2024

Ry Namana, Ralahy sy Ranabavy isany,

Tongasoa eto amin'ny Pejy!

Ny Pejy Amin'ny anaran'I Jesoa dia niforona hizarana amin-tsika mianakavy ireo eritritritra sy aingam-panahy kristianina vokatra avy amin'ny fahitanam-baovao (découvertes) ary haingam-panahy hita anaty vaky teny Masina isan-karazany sy fandinihana.

Noezahina natao amin'ny teny malagasy rano iray ny fizarana, na an-tsoratra na an-tsary. Hialana tsiny ny tsipelina diso. Ny mpanomponareo izay mizara dia manao irery izao asa izao ary mihezaka mitana tsiambaratelo ny momba azy manotolo. I Kristy, zanak'Andriamanitra, sady Andriamanitra no haroso manoloana ny olona sy ao am-pon'ny olona fa tsy ny mpanomponareo manao izao fizarana akory. Mety hisy hiany anefa ny teny baiko eny atsefatsefany eny, nohon'ny antony ara-teknika amin'ny fampiharana ka azahoana antoka fa azon'ny namana mihaino tsara ny fizarana kasaina atao, raha sitrapon'Andriamanitra.

Tsy misolo-tena Fiangonana na miteny amin'ny anaram-piangonana na antokom-pinoana manokana ny pejy. Fizarana hiany no atao ary raha misy fahadisoana dia aoka hoan'ny mpanomponareo irery izany. Raha misy kosa ny mahasoa sy ventiny entiniareo eo amin'ny fiainana andavanandro ka afahanareo tia be be kokoa an'I Kristy sy ny namanareo, dia ho voninahitr'Andriamanitra irery anie izany. Izy no miteny ao am-po, ny sisa kosa, ny pejy indrindra indrindra, dia fitaovana tsy tonga lafatra sy marefo hiany.

Tsy hanao mpianatra no tanjon'ny fizarana fa raha sitrak'I Kristy, raha sitrakareo, dia ny hampanjaka ny fitiavana ao amin'ny tsirairay sy eo amin'ny tsirairay.

Hoan'Andriamanitra: Ray - Zanaka - Fanahy Masina irery hiany anie ny voninahitra, anio sy amin'ny taona rehetra mandrakizay.

Sary nindramina mitondra ny anarana hoe "Jésus de Nazareth" noforonin'ny mpanakanto Heinrich Hofmann.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Amin'ny anaran'I Jesoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category