12/09/2026
Nanao izay ho afany ny mpitsabo, saingy tsy tana ny ain'ilay vehivavy naratra mafy, rakotra dian-java-maranitra, hita androany vao maraina, tamin'ny 5 ora latsaka, teny amin'ny Lalamaty Ambodinisotry.
Mbola eo am-panadihadiana ny zava-nanjò azy ny Polisim-pirenena. Ny manodidina kosa nilaza fa ahiana ho voaendaka izy.
Mbola nisy aina izy tamin'ny fotoana nahatongavan'ny mpamonjy voina izay nitondra azy haingana tany amin'ny HJRA.
Tokony tamin'ny 9 ora mahery kely no fantatra fa tsy tana ny ainy. Mbola tsy nisy fianakaviana tonga ihany koa hatramin'io ora io.
Skispass Atm