π‡πšπ’π§π π¨ 𝐏𝐚𝐬𝐀

π‡πšπ’π§π π¨ 𝐏𝐚𝐬𝐀 BAIBOLY AZO HOHANINA
BAIBOLY IAINANA

A vendre EXPANDER IPAD AIRIPAD AIR   Ios 12.5.7   16 Go   Batterie 100%HousseEtat : Bon Etat GeneralInterfaceApplication...
20/10/2024

A vendre EXPANDER IPAD AIR

IPAD AIR
Ios 12.5.7
16 Go
Batterie 100%
Housse
Etat : Bon Etat General
Interface
Application :
Blue3 (Orgue)
Drum Beats+
Korg M1
Garage band
Korg Module Pro
Pocket Organ
Quick Drummer
Sample tank
CΓ’ble chargeur
Prix : 500.000Ar

Contact : 034 53 383 30

VAVAKA FIKASANARy Andriamanitra o! tahio,Zay FIKASANA rehetra rehetra,Raha sitrakao re mba ampio,Tariho, hombao ts'isy f...
20/10/2024

VAVAKA FIKASANA

Ry Andriamanitra o! tahio,
Zay FIKASANA rehetra rehetra,
Raha sitrakao re mba ampio,
Tariho, hombao ts'isy fetra.

Ny ho enti-manana amin'izany,
Dia apetraka eo an-tΓ nanao,
Izahay mino sy matoky hatrany,
Fa tsy misy tsy hainao atao.

Tezao izahay hisaotra hatrany,
Izay valim-bavaka atolotrao,
Fantatrao fa mahasoa anay izany,
Matoa izay no tanterahanao.

Ampianaro hanetry tena toa Anao,
Rehefa injay fa tΓ² ny FIKASANA,
Tsy avy aminay zany fa avy Aminao,
Ka alaviro anatinay ny fireharehana

AMENA
(rp - 19/10/24 - 21:10).

Jak.5:16Mifaneke heloka isika,Ary mifampivavaha mba ho sitrana,Fa ny fiasan'ny fivavaky ny marina,dia mahery indrindra.T...
14/10/2024

Jak.5:16

Mifaneke heloka isika,
Ary mifampivavaha mba ho sitrana,
Fa ny fiasan'ny fivavaky ny marina,
dia mahery indrindra.

Tsy maintsy mandalo fitsapana,
Isika kristiana,
Tsy maintsy miaina fisedrana,
Isika kristiana.

Saingy na lavo aza isika,
Ny Tompo no manarina,
Saingy na marary aza isika,
Ny Tompo no manasitrana,
Saingy na resy azy isika,
Ny Tompo no mampandresy.

Tsy manary ny mpanompony izany,
Ilay Jesoa be fitiavana,
Tsy manary ny zanany izany,
Ilay Jesoa mpanasitrana,
Ny hany andrasana amintsika,
Dia mino, matoky, manantena Azy.

(r.p.)

Fiadanana e!Ho antsika ety amin'ny faritra Ambohimanarina sy ny manodidina,hitory ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy amin'n...
11/05/2024

Fiadanana e!

Ho antsika ety amin'ny faritra Ambohimanarina sy ny manodidina,
hitory ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy amin'ny alalan'ny karazan-kira "Negro Spiritual" indray ny FEO DIMY, ao amin'ny FJKM AMBODIMITA Betela Firaisana, amin'ny Alahady 12 May 2024 manomboka amin'ny 5ora hariva.
izany dia karakarain'ny Sampana VOKOVOKO MANGA ao an-toerana.
Hanafaka antsika amin'izay rehetra endrika fangejana ataon'ny satana ny HIRAM-PANAFAHANA izay voizinay.
Faly izahay mifanatri-tava aminareo hifampizara FIFALIANA miaraka amin'ny Tompo.

21/04/2024

"Na zovy na zovy no tsy mitondra ny HAZO FIJALIANA ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy" (Lio.14:27)

Aza kivy, mahereza na dia mandalo ady sarotra aza hianao eo amin'ny fiainana e!
Atolotra ho antsika rehetra ity hira ity ho Fampaherezana fa mila miatrika fanadinana (examen) isika mba ho afaka fanadinana, izany hoe izay mandalo fanadinana (fitsapana, fisedrana) ihany no afaka sy manantena ny ho afaka sy handray ilay famonjen'i Jesoa Kristy.

HAZO FIJALIANA

RY TOMPO O ! NAHOANA NO AMPITONDRAINAO
KAPOAKA MANGIDY, ITY MPANOMPONAO
RAHA METY IANAO, ESORY AMIKO
FA TENA MAFAITRA, AMPIO AHO FA TSY TANTIKO

SAKAMBINO AHO, RY TOMPO TSITOHA
AZA MIALA ETO ANILAKO
AZA MANDAO, NA OVIANA NA OVIANA
HAMPAHERY AHY, HILANJA NY HAZO FIJALIANA

KANEFA RY TOMPO, IZAY SITRAKAO
NA MAFY AZA IZANY, NO AOKA HATAO
FA ZAKA MATOA NATAONAO IZANY
DIA EKEKO FOANA, NA DIA MAMPITOMANY

SAKAMBINO AHO, RY TOMPO TSITOHA,…

A/C : Rahaingomahefa Pascal
Mpihira : A.P.F.
(Amboaram-Peon'ny Fahazavana - FJKM Ambohibao Antehiroka)
Inona avy ny HAZO FIJALIANTSIKA ?

"Tsy ato izy fa efa nitsangana" (Mat.28:6a).ANTSA AN-KIRA : Jesoa sy ny fijaliany ary ny fitsangananymiaraka amin'ny Ant...
17/04/2024

"Tsy ato izy fa efa nitsangana" (Mat.28:6a).

ANTSA AN-KIRA : Jesoa sy ny fijaliany ary ny fitsanganany
miaraka amin'ny Antoko Mpihira A.P.F. (FJKM Ambohibao).
Alahady 21 Avrily 2024 @ 3ora tolakandro
ao amin'ny FJKM Ambohibao Antehiroka
Rakitra no tatazana
Handray anjara amin'izany ny :
- AFIAF (FJKM Ambohijanahary)
- TAMIFI (EEM Ankadindravola)

15/04/2024

Shalom e!

Tononina ho anao sy ny ankohonanao isan'andro ny :
- FIADANANA
- sy FAHASOAVANA
- ary FITAHIANA
avy amin'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Haleloia, Amena.

Address

Lot 002-B Ambohibao Antehiroka
Antananarivo
105

Telephone

+261345338330

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when π‡πšπ’π§π π¨ 𝐏𝐚𝐬𝐀 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to π‡πšπ’π§π π¨ 𝐏𝐚𝐬𝐀:

Share