Lakroan'i Madagasikara

Lakroan'i Madagasikara Fondé en 1927, Lakroan’i Madagasikara est un hebdomadaire de la Conférence des évêques catholi

Fondé en 1927 par Monsieur Jean Baptiste Ramanamisata, l’hebdomadaire Lakroan’i Madagasikara est devenu propriété de la Conférence des évêques catholiques de Madagascar depuis 1965. La Compagnie de Jésus en assure l’administration, la gestion et l’animation de la rédaction avec la collaboration de l'Ecole Supérieure de la Communication et de l'Information (Samis-Esic) . Animé par une équipe plurid

isciplinaire, notre journal s’est fixé comme objectif l’éducation de tout homme et de tout l‘homme. Il vise ainsi à :
- Offrir à ses lecteurs des informations aussi complètes que possibles, neutres et objectives ;
- Mettre à la disposition des lecteurs des informations qui les aideront à comprendre le sens de l’actualité afin d’éclairer les prises de décision et leur engagement de citoyen.
- Soutenir le développement social, culturel et économique du pays ;
- Accompagner la construction d’une société plus juste et l’avènement de la démocratie. A l’exemple des nombreuses structures de l’Eglise catholiques, Lakroan’i Madagasikara s’adresse à tout homme et femme de bonne volonté (cadres, dirigeants, employés, enfants, jeunes et adultes) sans distinction. Avec les fidèles catholiques, les organismes et les ouvres de l’ECAR(Eglise Catholique Apostolique Romaine) touchent près de la moitié de la population de Madagascar. Lakroan’i Madagascar faire partie d’un vaste réseau et d’une communauté dynamique qui mettent en valeur l’engagement pour le développement de la personne et de la société . Le journal jouit également d’un large circuit de distribution lui assurant la couverture de tout Madagascar.

Arahabaina isika rehetra amin'izao Fanombohan'ny Taona litorjika vaovao izao - Taona A - Enga anie ho feno vavaka sy fio...
30/11/2025

Arahabaina isika rehetra amin'izao Fanombohan'ny Taona litorjika vaovao izao - Taona A -
Enga anie ho feno vavaka sy fiombonana ity vanim-potoanan'ny Fiaviana, anomanantsika ny fankalazana ny Nahaterahan'ny Mpamonjy ity.

14/11/2025

MBA HO FANOVANA MARINA SY TENA IZY

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara”
(Rm 12,9)

HAFATRY NY FIVONDRONAMBEN’NY EVEKAN’I MADAGASIKARA

Ho an’ny mpino kristianina katolika,
Ho an’ny mpitondra fanjakana,
Ho an’ny tanora malagasy tsy an-kanavaka,
Ho an’ny mpiray tanindrazana,
ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po,

Homba anareo anie ny fiadanana!

Nivory teto Antananarivo toy ny fanao isan-taona izahay Evekan’i Madagasikara Raiamandreninareo ny 4 hatramin’ny 14 novambra 2025 no manao izao hafatra manaraka izao ho antsika mianakavy.

01. Mbola ao anatin’ny ny Taon-jobilin’ny fanantenana hatrany isika; ary maro ireo fomba natao tany amin’ny diosezy maro ka nisongadina tamin’izany ny vavaka sy ny fivahiniana masina ary ny fibebahana. Teo amin’ny sehatra nasionaly dia nomarihan’ny fiainam-pinoantsika tamin’ny fanokanana an’i Madagasikara amin’i Fo Masin’i Jesoa nandritra ny fivahiniana masina tamin’ny 18 mey 2025 tany Itasy (Miarinarivo) izany. Tontosa soa aman-tsara koa ny fankalazana ny Andro nasionaly ho an’ny olon-dehibe izay natao tany Morondava (28 – 31 aogositra 2025) ary ny Andron’ny tanora tany amin’ny diosezy maromaro. Fanampin’ireo ny hafaliana avy amin’ny nahazoantsika ireo Mpiandry ondry ato amin’ny Eglizy katolika. Teo ny fametrahana an’i Monsenera Marek Ochlak ho Evekan’i Fenoarivo Atsinanana rehefa avy nohamasinina tany Pologne tanindrazany. Ny fanendrena sy ny fanamasinana ho Eveka mpanampy eto Antananarivo an’i Monsenera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana. Ary vao tsy ela koa no nanendren’ny Papa an’i Monsenera Jean Nicolas Rakotojaona ho Arseveka mpanampy sy ho mpandimby toerana (coadjuteur) ao amin’ny arsidiosezin’i Fianarantsoa. Ary indrindra ny famoahana ny dikan-teny vaovaon’ny Baiboly Masina Katolika na BMK tamin’ny 9 novambra 2025 izay tranga iray goavana nanamarika ny tantaran’ny Eglizintsika. Dikan-teny natao hanampy antsika hahazo bebe kokoa ny Hafatr’Andriamanitra izany. Mampirisika antsika àry hamaky sy hivelona hatrany ny Tenin’Andriamanitra. Isaorana Azy Tompo sy ankinina aminy hatrany ny fiainan’ny Eglizin’i Madagasikara noho izany fahasoavana rehetra izany.

02. Eo amin’ny fiainam-pirenena dia iarahantsika miaina amin’izao fotoana izao ny fanovana vokatry ny hetsi-bahoaka notarihin’ny tanora ka nijoroan’izao Fanjakana ho an’ny Fanovana ny Repoblikan’i Madagasikara izao. Ary izany indrindra no anton’ity hafatra alefa amintsika mianakavy ity.

Feno ny kapoaka, nitroatra ny vahoaka

03. Tsy azonay atao, amin’ny maha Raiamandreny anay, ny hangina manoloana iny krizy politika niainana teto amin’ny firenena vao tsy ela iny sady mbola iainantsika ankehitriny. Tsy tanan’ny vahoaka malagasy intsony ka niafara tamin’ny fidinana andalam-be ny fanehoany ny maharary azy dia ny tsy fisian-drano sy ny fahatapahan’ny jiro lavareny. Ny jiro sy rano izay tena filàna fototra tokoa. Nampitroatra ny tsy fahafaham-pon’ny maro koa ny fisian’ny kolikoly tsisy farany, ny fanamparam-pahefana, ny tsy fahaiza-mitondra sy mitantana ny fiainam-bahoaka nataon’ny mpitondra nametrahany fitokisana mba hiahy sy hiaro azy. Nitana anjara toerana lehibe tamin’ny hetsika rehetra ny tanora, tsy nahasakana ny tolona nataon’izy ireo ny famoretana nataon’ny mpitandro filaminana. Nisy moa ny naratra, nisy ny namoy ny ainy ary nisy koa ny rava fananana noho ny herisetra. Izany rehetra izany dia niafara tamin’ny firotsahan’ny miaramilan’ny Capsat nirotsaka an-tsehatra niaro ny vahoaka ka nahatonga azy ireo nandray ny fahefana koa. Mitondra am-bavaka hatrany an’ireo namoy ny ainy sy ny fianakaviana nilaozany isika; ary mankahery ireo mbola ao anatin’ny fitsaboana sy ireo eo am-panarenana ny fananana simba sy rava.

04. Midika ireo zava-nitranga ireo fa miandrandra fiovana marina eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny vahoaka maharary sy mangirifiry. Tadiaviny, araka izany, ny fiovana amin’ny fanaovana politikam-piaraha-monina miaro ny tombontsoa maharitra ho an’ny besinimaro fa tsy politika mivaona ka lasa politikan’ny mpanao afera sy ny tia tena izay tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoan’ny mpitondra sy ny mpiray petsapetsa aminy. Vao nanomboka ny hetsi-bahoaka dia nanao fanambaràna izahay Eveka tamin’ny 26 septambra 2025 nampahatsiaro ireo efa nolazainay taloha momba izay mankarary ny firenena. Ireo fototr’aretina ireo no novakian’ny tanora bantsilana teny an-kianja notohanan’ireo mpiara-mitolona.

Mila ovaina tanteraka ny fanaovana politika

05. Fanovana no tena notakiana sy nandrandrain’ny maro: fanovana toe-tsaina tsy ho tia tena, anisan’izany ny famokisana fotsiny ny namana amin’ny volam-bahoaka ka hizarana fotsiny toerana eny fa na dia olona tsy havanana amin’zany aza, fialàna amin’ny kolikoly ka hitodihana amin’ny tombontsoa iombonana. Mitranga sahady anefa ny ahiahy fandrao mivaona amin’ireo zavatra notakian’ny tanora sy ny vahoaka ny fizotran’ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena. Ahiana hiverina ireo olona efa teo sy ny fomba taloha nandentika ny fiainam-pirenena, indrindra eo amin’ny sehatra politika sy toe-karena. Mampanahy koa ny fisian’ireo olona voakarama mba hanakorontana ny fiainam-bahoaka sy hamandrika ny fanovana andrandrain’ny maro. Aoka samy ho mailo isika. Koa mampahatsiaro mandrakariva anareo mpitondra izahay ny amin’ ny hanaovanareo vaindohan-draharaha ireo fanovana notakian’ny vahoaka. Aoka hofongorina ireo fomba ratsy nentina nambotry ny firenena ka mahatonga izao fahantrana lalina iaraha-mizaka izao. Ny tena maharary ny vahoaka no aoka hojerena hatrany, fa tsy ny tombontsoan’olom-bitsy. Aoka tsy hatao tompony mangataka ny atiny intsony ny vahoaka malagasy, fa mba hisitraka kosa ny fampandrosoana marina sy maharitra.

06. Niharihary tamin’ny fitakiana nandritra ny hetsika natao ny herim-pon’ny tanora. Fa mifanindrandalana amin’izany ny tsy hanadinoana ny soatoavina maha malagasy antsika amin’ny fanehoana ny fitakiana (fiteny, fihetsika), indrindra ny fanajana ny Raiamandreny sy ny tompon’andraikitra. Tsy maintsy ekena koa fa mila fotoana ny fahatanterahan’ izay notakiana sy izay nampanantenaina. Mila manapa-kevitra hiala amin’ny fomba ratsy nahazatra teo aloha. Marihina eto fa tsy ho an’ny tanora ihany izany fa ho an’ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka. Hamafisinay fa tsy afaka hiara-dia amin’ny fampandrosoana ny herisetra sy ny valifaty, amin’ny endriny rehetra, ary tsy hitondra fitoniana sy filaminana na oviana na oviana. Lalana ho any amin’ny fampihavanana sy ny fiombonana ary ny fahamarinana sy ny famindram-po no tsy maintsy katsahina. Ny fampiharana ny rariny sy ny hitsiny kosa anefa dia tsy midika valifaty velively.

Ry mpitondra sy mpanao politika

07. Manoloana izao kihon-dalana vaovao atrehin’ny firenena izao dia tianay ny manamafy fa vinavinam-pampandrosoana mazava sy maharitra ary azo ampiharina avy hatrany no ilain’i Madagasikara. Tsy maintsy ovaina ny fomba fanaovana politika mba ho fanompoana vahoaka amin’ny alalan’ny fiahiana ny soa iombonana, “indrindra ao anatin’ny fotoan-tsarotra”, araka ny tena heviny marina . Ny fikaonan-doham-pirenena miainga avy any ifotony no hahafahana miroso amin’izany, ka hanomanana fanjakana marin-toerana sy matanjaka. Izay tena ilain’ny vahoaka tokoa no aoka hatao lohalaharana na amin’ny tombana fohy ezaka izany na amin’ny tombana lavitr’ezaka. Aoka hohajaina ny roa taona voalaza sy napetraka ho an’ny fitondrana tetezamita. Lesoka teo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara hatramin’izay ny tsy fahaizana mifampihaino sy mifampatoky ka aoka isika samy ho tonga saina amin’izay.

08. Raha iaingana izay notakian’ny vahoaka dia andrasana aminareo mpitondra izay ilainy maika: ny jiro, ny rano, ny lalana. Hatao laharam-pahamehana hatrany ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fitandrovana ny tontolo iainana sy ny fandriam-pahalemana izay miantoka ny fahafahan’ny vahoaka mamokatra. Tsy afa-misaraka amin’izany ny fitsitsiana izay narangaranga hatramin’ny fanombohan’izao fanjakana izao. Aoka ny mpitondra no hanome ohatra amin’izany : hampandefitra ny rendrarendra tsy ilaina sy ireo tombontsoa nilomanosan’ny mpitondra hatramin’izay, mba hahafahana manala ny vahoaka amin’ny fihafiana lavareny tsy fidiny.

09. Mivavaka ho anareo mpitondra mandrakariva izahay, araka ny hafatrafatry ny Soratra Masina (jer. 1Tm 2,2). Mpitondra manana toetran-dRaiamandreny sy matahotra an’Andriamanitra manko no ilain’izao androntsika izao, mpitondra mahatsapa izao fahorian’ny ny mpiray tanindrazana sy manana fo miara-mitempo aminy. Amin’izany no ahahafany manome ny tsara indrindra ho an’ny vahoaka, araka ny tenin’i Jesoa hoe: “Ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo” (Lk 11,13). Tompon’andraikitra sahy mijoro sy malina amin’ireo manodidina azy no ilain’ny vahoaka miandrandra fanovana. Ny afaka hitondra izany fanovana izany dia mpitondra mahay mizara andraikitra sy fahefana ary afaka mihaino ny hafa, mpitondra matoky ny mpiara-miasa aminy sy mitsinjo ny faritra samihafa eto amin’ny firenena. Tsy mbola nahasoa firenena mihitsy ny fivangongoan’ny fahefana sy ny fahaiza-manaon’ny olom-bitsy amin’ireo renivohitra ihany. Natao hiaro sy hitantana ny harena ara-drariny mba hahasoa ny besinimaro ny mpitondra, fa tsy ho mpitrandraka na mpanao azy ho tantely afa-drakotra. Aoka hofongorina ireo tambajotra mihevitra an’i Madagasikara ho fananany manokana; “ny vahoaka tsy ambakaina, ny maharitra tsy maintsy mahita ny farany”.

10. Manao antso avo aminareo mpanao politika hatrany izahay. Aoka izay ny politika mamotika firenena. Atsaharo ny politika fitadiavan-tseza sy fitsentsefana ny harem-pirenena. Aza hararaotinareo ny hafanam-pon’ny tanora sy ny vahoaka te hanarina sy hanova ny tantara. Adidinareo mpitondra fanjakana ny manokatra hatrany ny fanantenana ao amin’ny tanora amin’ny alalan’ny fanabeazana sy fandaharam-pianarana madio tsy mifangaro politika sy tombontsoa hafa mety hamandrika azy ireo. Anjaranareo koa ny mamoronana sy mampivelatra asa sy tetik’asa miantoka ny hoavin’izy ireo. Entanina hifarimbona amin’izany ny mpanabe vahoaka isan-tsokajiny eto amin’ny firenena: Fiangonana, sekoly, fikambanana, mpanan-kanto, mpanao gazety … Koa “mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9).

Ho antsika vahoaka

11. Mila manova toe-tsaina sy mibebaka ary manadio ny fo koa ny vahoaka. Tsy mety ny miandry sy miandrandra fotsiny izay ataon’ny mpitondra sy ny tompon’andraikitra; satria misy ny miankina amintsika sy azontsika atao. Samia isika mamantatra sy manatanteraka izay tandrify azy ho fiarovana ny soa iombonana.Tsy maintsy hifarimbonan’ny rehetra ny famongorana ny kolikoly izay efa manjary fomba fiainana manohitra ny feon’ny fieritreretana ka mamono azy. Mila mahasahy mijoro manohitra izany isika rehetra, indrindra isika izay nandray ny fampianaram-pinoana kristianina, mitonona ho mpianatr’i Kristy “Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” (Jo 14,6). Tadidio mandrakariva ny tenin’i Jesoa hoe: “ny marina (ihany) no hanafaka anareo” (Jo 8,32); ka aoka tsy hanaiky horebirebena, amin’ny lafiny rehetra.

Ry tanora

12. Miandrandra anareo hatrany i Madagasikara amin’ny fanovana mampangetaheta azy mafy. Na eo aza, andaniny, ny tahotra sy ahiahy amin’ny hoavinareo sy, ankilany, ny fijery miiba avy amin’ny fiaraha-monina anareo dia niteraka fomba fijery vaovao ny nataonareo ho an’ny firenena. Anananay fitokisana sy fanantenana ianareo nanomboka tamin’ iny hetsi-bahoaka notarihinareo iny. Mijoroa, ary miaraha mijoro hatramin’ny farany. Ianareo no antenaina hitondra fiainam-baovao ho an’ny fiaraha-monina sy ny firenena, araka ny efa natombokareo. Zatra manao lalan-dririnina amin’ny fanaovana politika sy fihariana izay tsy mitsinjo ny mpiray tanindrazana manko ny maro amin’ireo zokinareo ka izay no nahatonga ny firenena ho potika toy izao. Afaka hitondra rivo-baovao ho an’i Madagasikara ny fomba fijery vaovao ao aminareo. Aza matoky tena loatra anefa, fa maneke ho tanora mila mpiara-dia sy mpitarika hatrany eo amin’ny fiatrehana ny fiainana . Ianareo no hoavin’ny firenena ka aza miana-dratsy; mahaiza manavaka ny tena izy sy ny mena miraviravy. Mahaiza maka lesona amin’ny fiainana ary manàna tanjona mazava hitari-dalana, na amin’ny fiainanareo samirery izany na amin’ny fiombonanareo amin’ny hafa. Manam-pahaizana sy manam-piniavana ianareo, saingy ny toetry ny fon’ny olona no itarafana ny fahendreny: “Ny olona tsara fanahy, hoy i Jesoa, dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony” (Lk 6,45) .

Manan-kantenaina hatrany isika

13. Faharesen-dahatra nentin’ity Taon-jobily ity ho antsika Mpivahinin’ny fanantenana izany. Na mafy aza izay atrehintsika mianakavy, na mila fotoana sy fikirizana ary faharetana aza ny tena fanovana andrandraintsika dia manan-kantenaina hatrany isika. Fanantenana manentana antsika hijoro sy handray andraikitra hatrany izany, satria velomin’ny fitokisana an’ilay fototry ny fanantenana kristianina – dia i Jesoa Kristy maty fa velona mandrakizay ary manokatra lalam-baovao ho antsika. Koa “mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana ary mahareta amin’ny fivavahana” (Rm 12,12).

14. Mivavaka manokana ho anareo tanora izahay amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Andro maneran-tany faha-40 ho anareo izao, izay ankalazaina amin’ny alahadin’i Jesoa Kristy Mpanjakan’ny tany aman-danitra. Maniraka anareo amin’ny alalan’ny hafatr’ i Papa Léon faha-14, indray ny Eglizy manao hoe: “Ary ianareo koa hijoro ho vavolombelona hanambara Ahy satria miaraka amiko hatramin’ny voalohany ianareo” (Jo 15,27). Efa miomana sahady amin’ny JMJ MADA andiany faha-11 hatao any Toamasina amin’ny taona 2026 koa isika. Sehatra lehibe anabeazan’ny Eglizy ny tanora ireo hetsika roa sosona ireo, sady anamafisana ny fiombonana.

15. Iombonantsika sy asandratsika hatrany ny vavaka ho an’i Madagasikara tanindrazantsika, miaraka amin’i Masina Maria Mpanjakavavin’i Madagasikara, i Masindahy Josefa mpiaro ny Eglizy, ary ireo Olomasina sy Olontsambatry ny tanintsika. Tohizintsika miaraka amin’izy ireo ny fanankinana an’i Madagasikara amin’ny Fo Masin’i Jesoa Toky-fanantenana ho antsika. Enga anie tsy hivaona amin’izay sitra-pon’Andriamanitra ho an’ny tanindrazantsika izao fanovana irosoantsika mianakavy izao.

Mivavaka sy mitso-drano anareo izahay Eveka Raiamandreninareo.

Natao teto Antananarivo, ny 11 novambra 2025
Fetin’i Masindahy Martin, Evekan’i Tours

S.E. Mgr Marie Fabien Samuelin RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava, Filohan’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara
S.E. Mgr Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA, Evekan’Antsirabe, Filoha Lefitra
S.E. Mgr Jean Claude RAKOTOARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly
S.E. Mgr Désiré Kardinaly TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina
S.E. Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa
S.E. Mgr Nicolas RAKOTOJAONA, Arseveka Koajiteran’i Fianarantsoa
S.E. Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Arsevekan’Antananarivo
S.E. Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana
S.E. Mgr Gustavo BOMBIN ESPINO, Arsevekean’i Toliary
S.E. Mgr Gabriel RANDRIANANTENAINA, Evekan’i Tsiroanomandidy
S.E. Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Port-Bergé
S.E. Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Farafangana
S.E. Mgr Herivonjilalaina Orthasie Marcellin, Evekan’Ambatondrazaka
S.E. Mgr Marek Ochlak, Evekan’I Fenoarivo Antsinanana
S.E. Mgr Rosario VELLA, Evekan’i Moramanga
S.E. Mgr Jean Désiré RAZAFINIRINA, Evekan’i Morombe
S.E. Mgr Clément Herizo RAKOTOASIMBOLA, Evekan’i Maintirano,
S.E. Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra
S.E. Mgr José Alfredo CAIRES DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary,
S.E. Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy
S.E. Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Mahajanga
S.E. Mgr Donatien Francis RANDRIAMALALA, Evekan’Ambanja
S.E. Mgr Luc Olivier RAZAFITSIMIALONA, Evekan’i Tolagnaro
S.E. Mgr Mamiarisoa Modeste RANDRIANIFAHANANA, Eveka mpanampin’Antananarivo
S.E.. Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Eveka misotro rononon’i Tolagnaro
S.E. Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Eveka misotro rononon’i Miarinarivo
S.E. Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arseveka misotro rononon’Antananarivo
S.E. Mgr Fulgence RABEONY, Arseveka misotro rononon’iToliary
S.E. Mgr Gaetano DI PIERRO, Eveka misotro rononon’i Farafangana
S.E. Mgr Michel MALO, Arseveka misotro rononon’Antsiranana
S.E. Mgr Armand TOASY, Eveka misotro rononon’i Port-Bergé

Ho antsika administrateurs (trices) PAGE sy GROUPE ato amin'ny Eglizy katolika sy/na mitonona ho katolika (ny anaran'ila...
12/11/2025

Ho antsika administrateurs (trices) PAGE sy GROUPE ato amin'ny Eglizy katolika sy/na mitonona ho katolika (ny anaran'ilay page na ilay groupe) ity fanasana ity

FANASANA
Hafaliana ho an'i Monseigneur Clément Herizo RAKOTASIMBOLA, filohan'ny VAOMIERAN'NY EVEKA HO AN'NY FIFANDRAISAN'NY MPIARA-BELONA sy ny Ekipa mpandrindra ny vaomiera, ny manasa antsika rehetra MPITANTANA (administrateur) PAGE sy GROUPE MITONONA HO KATOLIKA (ny anaran'ilay page na ilay groupe), amin'ny fiarahana manolotra Sorona Masina sy fiaraha-midinika izay hatao ny SABOTSY 15 NOVAMBRA :
- 8 ora : Sorona Masina ao amin'ny Episcopat Antanimena
- 9 ora : Fiaraha-midinika ao amin'ny BUCAS Antanimena

28/10/2025

La situation actuelle de Madagascar a conduit l’auteure à prendre sa plume et s’inspirer du poème « Si… » de Rudyard Kipling.

Si Madagascar...

Si tu peux garder fière allure quand tout autour de toi chancelle,
Quand le vent de l’épreuve fouette tes belles étincelles,
Si tu sais dompter l’orage et braver la tourmente,
Sans jamais perdre l’espoir que ton cœur affronte.

Si tu peux croire en toi quand tous t’abandonnent,
Quand le bruit du silence et la peur t’emprisonnent,
Si tu écoutes la voix des anciens sous les étoiles,
Et que leur sagesse et courage guident tes pas sans égales.

Si tu peux, jeune île, entendre battre ton sang nouveau,
Quand ta jeunesse se lève, pure comme un flot,
Si tu sais reconnaître dans leurs voix qui s’élancent,
Le cri d’un peuple en marche, la force de l’espérance.

Si pour l’eau et la lumière leurs mots deviennent feu,
Et que la faim de justice éclaire leurs yeux,
Alors tu sauras qu’en eux renaît ta fierté,
Et que l’avenir s’écrit dans leur volonté.

Si tu peux, malgré les pleurs, garder ton âme fière,
Quand la peur et la force obscurcissent la lumière,
Si tu vois sans faiblir tes enfants affronter,
Le gaz, la b***e et la nuit sans reculer,

Si tu comprends que du sang jaillit la clarté,
Et que la foi du peuple ne peut être domptée,
Alors tu porteras sur ton sol meurtri,
L’espoir invaincu d’un pays rajeuni.

Si tu peux marcher noble sur cette terre rouge,
Respecter chaque fleur, chaque arbre qui bouge,
Si tu donnes aux enfants des rêves d’or et de paix,
Et sèmes le pardon où la haine se plaît.

Si tu sais excuser les erreurs du passé,
Construire avec patience un avenir apaisé,
Si tu peux tendre la main et pardonner sans faillir,
Sans pour autant oublier la justice, à juste titre punir,

Si tu rassembles enfin tous tes fils dispersés,
Pour que l’union et la force soient tes alliées.
Si dans ta diversité tu trouves ta richesse,
Et transformes tes peines en sublime noblesse,

Si tu protèges tes trésors, ton ciel, ton sol, ta mer,
Pour qu’éternelle soit enfin ta lumière si claire.
Si tu sais offrir la paix, ne pas laisser l’ombre s’étendre,
Tu sera un pays digne que ton peuple saura comprendre

Alors, ô Madagascar, île de mes passions,
Tu brilleras pour toujours, source d’inspiration,
Phare des courageux, cœur de générations entières,
Élevée vers l’espoir, ô terre fière et mère.

Razafy

Notendren’ny Papa Léon XIV ho « évêque coadjuteur » ho an’ny Diosezin’i Fianarantsoa i Monseigneur Jean Nicolas Rakotoja...
25/10/2025

Notendren’ny Papa Léon XIV ho « évêque coadjuteur » ho an’ny Diosezin’i Fianarantsoa i Monseigneur Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava ankehitriny.
Ato amin'ny Eglizy katolika ny « évêque coadjuteur », dia eveka manampy ilay eo amin'ny fitantanana ny diosezy ary handimby azy raha vao tonga ny fotoana handehanany misotro ronono na misy antony hafa tsy hahafahany miantsoroka io andraikitra io intsony.

Toy izao ny momba an’i Monseigneur Jean Nicolas Rakotojaona raha hotsiahivina amintsika :
Teraka ny 18 janoary 1973 tao Anosy Avaratra i Monseigneur Jean Nicolas Rakotojaona, zanak'i Rakotojaona Jean Pierre sy Razafinkaika Hélène.
Ny 4 aogositra 2001 izy no nohamasinina ho diakra, tao Ambohipo – Antananarivo.
Nohamasinina ho pretra kosa, ny 3 aogositra 2002 tao Faliarivo Ambanidia – Antananarivo.
Ny 2 jolay 2023 izy no nohamasinina ho eveka tao Morondava, rehefa notendren’ny Papa Fransoa ho eveka mpanampy tao amin’io diosezy io ny 19 mey 2023.

Ireto avy no zotram-pianarana sy fiofanana narahiny :
Tao amin’ny Kolejy Saint Louis de Gonzague Namehana sy tao amin’ny Madagascar School of Avaradrano izy no nanao ny fianarana fanabeazana fototra.
Tao amin’ny CEG Sabotsy Namehana sy ny Seminera zandriny Ambohipo no nanaraka ny fianarana ambaratonga faharoa
Ny taona 1992 izy no nahazo ny diplaoma Baccalauréat série A1
Ny fianarana ambaratonga ambony narahany dia :
- 1992-1994 : Seminera Propedetika Victoire Rasoamanarivo Ambohipo
- 1994-1997 : Seminera zokiny Saint Paul Apôtre Manantenasoa Antsirabe, Cycle philosophique
- 1998-2002 : Seminera zokiny Teolojia Sainte Thérèse de l’Enfant-Jésus Faliarivo Antananarivo. Nahazoany ny diplaoma Baccalauréat en Théologie izy.
- 2004-2006 : Université Catholique de Madagascar, Second Cycle de Philosophie. Nahazoany ny mari-pahaizana Maîtrise en Philosophie (Philosophie de la Religion) izy tamin’io.
- 2011-2017 : Université de Fribourg (Suisse). Io taona 207 io no nahazoany ny mari-pahaizana Doctorat en Théologie (Sciences des Religion)

Ireto ny traikefa pastoraly sy ny fampianarana nosahanin’i Monseigneur Jean Nicolas :
Ny taona 2002 hatramin’ny 2004 izy dia vikera tao amin’ny distrika’Ihazolava. Avy eo, ny taona 2004 hatramin’ny 2006 dia vicaire dominical tao amin’ny Paroasy Andohatapenaka sy Ampefiloha. Ny taona 2006 hatramin’ny 2009 dia izy no Rekteran’ny Seminera Propedetika Victoire Rasoamanarivo Amboara Ambohidratrimo (Diosezin’Antananarivo). Manaraka izany, ny taona 2006 hatramin’ny 2009 izy dia nampianatra Philosophie tao amin’ny Seminera Propedetika Victoire Rasoamanarivo Amboara Ambohidratrimo. Ny taona 2007 hatramin’ny 2011, nampianatra ny Doctrine Sociale de l’Église (Formation théologique, pastorale et biblique pour les laïcs ao Ambatoroka Antananarivo). Nandritra io fe-taona io ihany, dia nampianatra ny Liturgie eucharistique (Formation théologique, pastorale et biblique pour les laïcs à Ambatoroka Antananarivo). Ny taona 2009 hatramin’ny 2011, dia sady curé-n’ny Paroasy Ambanidia – Antananarivo izy, no nampianatra Philosophie tao amin’ny Seminera zandriny Sainte Famille Ambohipo Antananarivo.
Ny taona 2018 hatramin’ny taona 2023 izy dia Rekteran’ny Seminera zokiny filozofia Saint Paul Apôtre Manantenasoa Antsirabe sady nampianatra ny Philosophie malagasy tao amin’ny tao amin’io seminera io.
Ny taona 2019 hatramin’ny 2023 izy dia nampianatra ny Philosophie de la religion tao ihany koa sy tao amin’ny Seminera zokiny filozofia Saint Jean-Baptiste Vohitsoa ary ny Seminera zokiny filozofia Saint Jean-Marie Vianney Moramanga. Ankoatra izany dia nampianatra ny Théologie des religions Seminera zokiny teolojia Sainte Thérèse de l’Enfant Jésus Faliarivo Ambanidia, sy ny Morale chrétienne tao amin’ny Internoviciat des religieux ao Antsirabe Antsirabe. Ny taona 2022 hatramin’ny 202, nampianatra ny Dialogue interreligieux tao amin’ny CNFC Antanimena (Centre National de Formation Catéchétique).
Ny taona 2023, alohan’ny nanamasinana azy ho eveka dia nampianatra ny Anthropologie théologique tao amin’ny UCM Ambatoroka (Université Catholique de Madagascar) i Monseigneur Jean Nicolas Rakotojaona.
Izahay ekipan'ny Gazety Lakroan'i Madagasikara dia miarahaba an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona amin'izao iraka vaovao ampanaovin'ny Papa azy izao, mivavaka mba hotahian'Andriamanitra hatrany izy. Miarahaba ny Diosezin'i Fianarantsoa manontolo ihany koa.

17/10/2025

MAMPISY AINGAM-PANAHY ITY RAHARAHAM-PIRENENA ITY
ILAY BIDON JAUNE KELY NANOVA RAFITRA !

Asa raha tadidintsika fa iny bidon iny
Dia tsy resaka angano na kalo fahiny
Fa hevitr’i dada mpivaro-dronono
No tonga natavy sy maro mpanjono
Satria fanavotana vary tsy ho may
No niteraka hevi-tsy taingina kay

Dia bidon jaune hoenti-mantsaka
Fa ity tsy mba resaka trondro sy saka
Fa aina izy ity, hoy Rainimanonja
Ka samia mivimbina, samia mitondra
Sao kina mangentana koa Mandroseza
Na sarombilany no zary tsy hateza

Dia zary fiainana tao an-tanàna
Ilay bidon jaune mihanahana
Na anjoron-trano na an-dalam-be
Dia tsy nisy taitra fa odoy e
Kinanjo ela ny ela, fa nipoaka ihany
Fa very takotra indray ilay vilany

Hatreny amin’ny lanitry ny teleferika
Dia bidons jaunes no solontsika
Niteronterona, nisolantsolana
Nanandrakandrana namaha olana
Dia hevitra taingina sy tandrametaka
Fa ny vahoakany koa rainitetaka

Fa iny fanao efa zary nahazatra
Dia ilay bidon jaune zary nandatsa
No fanoitra sy baikon’ny tolona
Ka nampirongatra ny fokonolona
Nameno kianja sy an-dalambe
Nihorakoraka sady niomehy

Kay ‘ty bidon jaune ho’aho fiadiana
Tsy basy na vanja na koa baramina
Fa herim-bahoaka izay mitady rariny
Ireo Malagasy tsy misy fangarony
Fa olo-mahitsy mitaky ny zony
Notampena-maso sy nolakolakoiny

Dia nivadika ny andro sy alina koa
Indro nivava nikoa ny tamboho
Ka ilay andrarezina be mitatao
Nanjary kesika sy vakibao
Fa ‘lay bidon jaune mbola eny ihany
Mitomandavana mila tsy ho lany.

Ho ahy dia tsotra ny zava-mitranga
Nakako lesona toa ny an-dRavatomanga
Sao dia mitoky amin’ny herin’ny tena
Ka tsy hahazaka firy amy vola sy harena
Fa an’habakabaka no mitsingevana
An-tanin’olona indray ‘zao no tevana

Fa ilay bidon jaune teto an-tanàna
Mbola mitondra ilay rano tsy tiana
Na ranon’Ikopa io na ranon’i Mamba
Ny ahy rehefa misy, sasako ny lamba
Fa mila madio ‘zao ny eto an-tanàna
Mahazo mitsoaka raha toa tsy tamana

Fa izaho sy ilay bidon jaune kely
Na olo-maloto na zanak’anjely
Mbola hilahatra hameno paompy
Mbola hitolona na ho tsaky pôpy
Satria mila fiainana tena milamina
Satria na lalàna aza mila sivanina

Dia isaorako foana na Kle na Babà
Na Gen Z na ny tsy by tsy ba
Fa nanova rafitra ilay bidon jaune
Sy ny korana amin’ny telefaonina
Satria nampifoha taranaka maro
Nampifandray sady nampifangaro

Teny an-kianja no nanakoako
Ny hira faneva narahin-damako
Na dia tsy hira mety zakan’ny sofina
Fa henoy izany ry hazon-damosina
Ity bidon jaune ity manahirana
Satria miova lasy ilay volom-boahirana

Izany no tafa, izany no arira
Bidon jaune andoham-barira
No nanova rafitra, sy nampijoro
Ilay tanidrazana saika nikoro
Satria misy olona tsy dia tsara taiza
Fa nihinan-drery kanefa moa ho aiza ?

Ry Malagasy mpiray firenena
Anatra kely ambaran’ny tena
Bidon jaune izao no naresaka
Kanefa ny lanitra no indro nitresaka
Satria Zanahary mibanjina ambony
Mahita ny miafina be ao am-pony !

RILA

13/10/2025
Hafatra avy amin'ny FFKM, androany zoma 10 oktobra 2025
10/10/2025

Hafatra avy amin'ny FFKM, androany zoma 10 oktobra 2025

10/10/2025

VAVAKA HO AN’NY FIRENENA

Homba antsika mianakavy anie ny Tompo !
Araka ny fanentanan’ny Papa Ray Masina Léon faha-14 sy ho fanehoana fiombonana amin’ny Eglizy Katolika eto Madagasikara, dia antsoina isika Kristianina Katolika rehetra ato amin’ny Diosezin’i Ambanja mba HIFADY HANINA SY HIVAVAKA manokana ho an’ny Fandriam-pahalemana eto amin’ny Firenentsika, ny Sabotsy 11 oktobra 2025 ho avy izao. Ny isam-piangonana no manao ny fandaminana hanatanterahana izany, araka izay fotoana ifanarahana. Azo atao tsara ny manao procession mamakivaky ny tanana manao ny Raozery, miaraka amin’i Masina Maria amin’izao vanim-potoana misy antsika izao.
Zagnahary anie hitandregny ny vavaky iombonantsika !

+ Mgr Donatien Francis Randriamalala, Evekan’ny Diosezy Ambanja.

10/10/2025
10/10/2025

✝️VAVAKA sy FIFADIAN-KANINA, :

✅Araka ny teny fanentanana avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara (Hitantsika amin'ny sary eo ambany), dia miombona amin'ny Eglizy eto Madagasikara sy ny Papa Léon XIV koa isika eto amin'ny Diosezy Tôlagnaro amin'ny Sabotsy 11 oktobra izao hiara HIVAVAKA sy HIFADY HANINA MBA HOLAVITRY NY HERISETRA I MADAGASIKARA ka hiverina eto amintsika ny Fandriam-pahalemana.

🔸Arak'izany dia antsoina isika mianakavy, mpino rehetra ató anatin'ny Diosezy, Vikaria Androy sy Anôsy, mba hiara-miombona amin'izany fotoana lehibe hoan'ny fitondrana am-bavaka ny firenena izany.
▪️Ankinina amin'ny Pretra isaky ny Distrika sy ny Paroasy ny fanfaminana n'y fomba fanantanterahana izany.
Misaotra amin'ny fiombonam-bavaka.

✍️Mgr Luc Olivier RAZAFITSIMIALONA, evekan'ny Diosezy Tolagnaro.

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Lakroan'i Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Lakroan'i Madagasikara:

Share

Category