O_Natoraly

O_Natoraly Pejy natao hifampizarana izay rehetra momba ny natiora ! Mahaliana anao ny zava-boary ? Tongasoa

13/06/2026
11/06/2026

⛔️ ANTSO HO AN’NY TANORA ETO ANALAMANGA ⛔️

Miarahaba antsika rehetra,

Ao anatin’ny vatsim-piofanana (bourse de formation) omen’ny alliance aika sy Miarakap, dia manana fahafahana ho lasa mpanofana (formatrice) momba ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetr’andro ny admin (mpikambana ao TERRA NOVA MADA)😊

Mba hahafahako manamarina sy mamita izany fiofanana izany, dia mitady tanora mazoto handray anjara maimaim-poana amin’ny atrikasa fanentanana sy fifanakalozan-kevitra momba ireo lohahevitra mahakasika antsika rehetra ireo aho.

Raha liana ianao, na mahafantatra tanora ao anatin’ny fikambanana na fiarahamonim-pirenena (association / société civile) eto amin’ny faritra Analamanga izay mety ho liana ihany koa, dia aza misalasala mandefa hafatra manokana (message privé) na mametraka hevitra eto ambany.

Andao hiara-hiasa ho amin’ny hoavy maharitra kokoa sy ho amin’ny Madagasikara tsaratsara kokoa! 🌱🇲🇬
.....

⛔️APPEL AUX JEUNES D’ANALAMANGA⛔️

Bonjour à toutes et à tous, Dans le cadre d’une bourse de formation offerte par l'alliance Aika et Miarakap, l'admin de cette page a l’opportunité de devenir formatrice sur les thématiques liées à l’environnement et au changement climatique.

Pour valider cette formation, je recherche des jeunes motivés souhaitant participer gratuitement à une session de sensibilisation et d’échange sur ces sujets qui nous concernent tous.

Si vous êtes intéressés ou si vous connaissez des jeunes appartenant à une association ou une société civile quelconque de la région d'Analamanga qui pourraient l’être, n’hésitez pas à me contacter en message privé ou à laisser un commentaire.

Ensemble, agissons pour un avenir plus durable et plus meilleur pour notre pays !

Mihofahofa eny antampon’ilay tendrombohitra avo indrindra eto an-tany na ilay antsoina hoe "tafon'izao tontolo izao" (to...
26/05/2026

Mihofahofa eny antampon’ilay tendrombohitra avo indrindra eto an-tany na ilay antsoina hoe "tafon'izao tontolo izao" (toit du monde) ny 𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗠𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 🇲🇬🇲🇬🇲🇬.

Ny fianakaviana 3 mianaka no nahatontosa izany. Efa nofinofin’ireto fianakaviana ireto efa ela izany ary efa nanandrana in-dray ry zareo fa tsy tonga teny amin'ilay tendrony moa. Namerina izany ry zareo tamin'ity volana may ity ka izao tody soamatsara izao. Ankasitrahana ry zareo nitondra avo ny saina malagasy any .

“De Madagascar à l'Everest” io ny pejin-dry zareo.

Ny tendrombohitra Everest dia manana haavo 8.848 metatra.

Ny zoma 29 mey ho avy izao no higadona eto Madagasikara izy telo mianaka. Hisy ny fitsenana manetriketrika hatao eo amin’ny Parvis Analakely manomboka amin’ny 5 ora hariva hiarahana amin'ny mpanakanto maro. Tsy misy vidim-pidirana koa manasa anao ho tonga.

(sary fanehoana indrana)

30/04/2026

Version zafindraony ❤️

06/04/2026
😭😭😭
14/09/2025

😭😭😭

Lalana eto MadagasikaraSource 📸🎬🎞 : PAYS : MADAGASCAR
01/08/2025

Lalana eto Madagasikara

Source 📸🎬🎞 : PAYS : MADAGASCAR

Tsara ho fantatra ...✅AZA AFANGARO ,  DATURA 1 misy voany sy ditiny fotsy, DATURA 2 Sady Tsisy voany no Tsisy ditiny fa ...
26/07/2025

Tsara ho fantatra ...
✅AZA AFANGARO , DATURA 1 misy voany sy ditiny fotsy, DATURA 2 Sady Tsisy voany no Tsisy ditiny fa rano
👉 Ilay sary voalohany : datura herbe du diable = poison (MAHAFATY).
👉 Ilay sary faharoa : datura voninkazo , io ilay natao kilalao tamin'ny mbola kely sy ikosehana trano ciment raha nianatra tamin'ny EPP ianao taloha (TSY MAHAFATY)
✅ Ny mampitovy azy ny felany fa ny anakiray tsy mety ngeza fa ny anakiray mety ho ngeza be
✅ Ny Maha samy hafa azy ny fofony sy ny halehiben'ny raviny.
Jereo Ilay sary fa tsy mitovy.

Source :

Salama o Ity no atao hoe APANGA, TSIPANGA, BOREKA,  ANANDROFIA, KATSAKATSATOLOHA...sns... samy anarany daholo. Betsaka n...
17/04/2025

Salama o

Ity no atao hoe APANGA, TSIPANGA, BOREKA, ANANDROFIA, KATSAKATSATOLOHA...sns... samy anarany daholo.

Betsaka ny mety ampiasana azy toy ny ody fery anaty sy ivelany, sakafo (ny laingony) ary ny fitehirizan-tsakafo toy ny hena.

Taloha ihany koa dia natao solon'ny formol izy ity.

Any ambanivohitra any ihany koa dia ny vodin'ny tsipanga no amatorana ny sahona anjonoana ny foza sy orana.

Ary ianareo ve mahafantatra azy ? Inona no ampiasainareo na efa nampiasainareo ity zava-maniry ity ?

Mirary soa hatrany o. Arovy ny tontolo iainatsika ❤️

📷📸 sary indrana

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when O_Natoraly posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share