Radio Vaovao Mahasoa

Radio Vaovao Mahasoa Manasa anao ary hanaraka ny pejy sy hiaraka hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra ! Mirary soa hatrany dia ho tahin’ny Tompo o !

Faly miarahaba anao tongasoa eto amin'ny Radio Vaovao mahasoa 106.8 FM
Azonao arahina ihany koa amin'ny : https://radio.rvm.mg/
https://www.mana-isanandro.fr/radio/radio-vaovao-mahasoa/ Ny Radio Vaovao Mahasoa dia onjam-peo ara-pilazantsara mikendry ny hitarika ny Kristiana hiaina marina ny finoany an'i Jesoa Kristy irery ihany araka ny Soratra Masina. Ny vina sy iraka atrehinay dia ny mitory ny

filazantsara marina, mampianatra ny mpino hiaina ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny fiainany andavanandro, ary mitaona ny mpino hiombona sy handray anjara amin'ny fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra.

✨ 🔔 ANIO  ilay hetsika MARIKA KRISTIANA, ry sakaiza an ! 🔥🚩 Efa MISOKATRA ao koa ny tranohevan’ny Radio Vaovao Mahasoa.T...
29/11/2025

✨ 🔔 ANIO ilay hetsika MARIKA KRISTIANA, ry sakaiza an ! 🔥

🚩 Efa MISOKATRA ao koa ny tranohevan’ny Radio Vaovao Mahasoa.
Tongava hitsidika fa miandry anareo ao :
🎧 Raki-peo sy tantara avy amin’ny fandaharana samihafa
🤝 Fihaonana mivantana amin’ny mpanolotra sy mpanentana
🛍️ Vokatra kristiana manampy ny finoana
📚 Fitaovana fanorenana sy fanentanana ara-panahy

Tongava hanohana ny asa fitoriana, sy hihaona amin’ireo mpikatroka sy talenta kristiana maro.
Mitondrà namana an ! 🥰

📍 Ankasina 67ha – IMH
⏰ Anio: hatramin'ny 6ora hariva
🎟️ Fidirana maimaim-poana

Tahian'i Jesoa hatrany 😊

Efa nomeny antsika avokoa ny zavatra rehetra ilaintsika hivelomana sy hitomboana amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanit...
27/11/2025

Efa nomeny antsika avokoa ny zavatra rehetra ilaintsika hivelomana sy hitomboana amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Mandeha amin’ny heriny, amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany isika.

✨𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐒𝐎𝐀𝐕𝐀𝐍'𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀𝐊𝐎 𝐅𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐊𝐀𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐘 🌾
I zoky Edouard Ramiarinjatovo no hitondra izany amintsika rahampitso tolakandro :
📅 Zoma 28 Novambra 2025 @ 2 ora sy sasany
🏫 IMH Ankasina 67 Ha

Tarigetram-piainantsika : "𝙑𝙖𝙫𝙤𝙡𝙤𝙢𝙗𝙚𝙡𝙤𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙩𝙨𝙖𝙧𝙖𝙣'𝙣𝙮 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙖𝙣𝙞𝙩𝙧𝙤 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙞𝙣𝙖𝙠𝙤" 🥰

Manome fotoana anao indray ary e 😊🙏
Tahian'i Jesoa ❤

✨" 𝑬𝒇𝒂 𝒏𝒊𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂𝒐 𝑨𝒉𝒐, 𝑨𝒉𝒚 𝒉𝒊𝒂𝒏𝒂𝒐." Isaia 43:1✨Misy hevitra lalina ao ambadiky ny hoe "Ahy ianao"…Tenin’Andriam...
26/11/2025

✨" 𝑬𝒇𝒂 𝒏𝒊𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂𝒐 𝑨𝒉𝒐, 𝑨𝒉𝒚 𝒉𝒊𝒂𝒏𝒂𝒐." Isaia 43:1✨

Misy hevitra lalina ao ambadiky ny hoe "Ahy ianao"…
Tenin’Andriamanitra manambara fitiavana lalim-paka, miaro, ary tsy miova. 🤍

Tsy olona sendra mandalo eto an-tany ianao. Tsy zavaboahary sendra nateraka fotsiny.

Noforoniny ianao, fantany ianao, tiany ianao — hatramin’ny ela be, talohan’ny nahaterahanao aza. Fantany ny alahelonao, ny ratram-po afeninao, ny nofinao, ary ny tantaranao rehetra.

Anaranao no nantsoiny. Tsy hoe “ry olona”, tsy hoe “ry zanak’olombelona”, fa ianao, amin’ny anaranao manokana.
Andriamanitra no mandray ny tananao, milaza am-pitiavana hoe :
“Aza matahotra… eto Aho. Ahy ianao.” ❤️

Koa rehefa mandalo fotoan-tsarotra ianao, dia tadidio ity:
👉 “Ahy ianao.”
Midika izany fa misy fiarovana ho anao.
Misy fitarihana ho anao.
Misy drafitra ho anao.
Ary misy Fitiavana tsy azo fafana mitahiry anao.

Mandehana amin-kery, amin’ny herin’ny Tompo, amin’ny fahatokiana,
satria ny Ray lehibe indrindra amin’izao tontolo izao dia mitana mafy anao amin’ny tanany. 🙏🤍🔥

Tian’Andriamanitra ianao.

✨ TOURNÉE 𝐌𝐀𝐔𝐑𝐈𝐂𝐄 - ho antsika any 𝐑𝐨𝐬𝐞 𝐇𝐢𝐥𝐥 sy ny 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐝𝐢𝐝𝐢𝐧𝐚 ✨Mitana anjara toerana lehibe ny vehivavy na eo anivon'ny ...
25/11/2025

✨ TOURNÉE 𝐌𝐀𝐔𝐑𝐈𝐂𝐄 - ho antsika any 𝐑𝐨𝐬𝐞 𝐇𝐢𝐥𝐥 sy ny 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐝𝐢𝐝𝐢𝐧𝐚 ✨

Mitana anjara toerana lehibe ny vehivavy na eo anivon'ny ankohonana na eo anivon'ny fiaraha-monina. Ny vehivavy manko no antoka voalohany amin'ny fanabeazana ho olom-banona ny olona tsirairay mandrafitra ny firenena iray manontolo.
Ny Fiangonana EPM Fahazavana Maurice dia faly manasa antsika amin'ny 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝑽𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚, miaraka amin'i Tiana Fanantenana.

Toy izao manaraka izao ny fandaharam-potoana ary, ahafahanao miomana sahady :
🌿 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐌𝐈𝐓𝐀𝐑𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐊𝐎𝐇𝐎𝐍𝐀𝐍𝐘 𝐓𝐒𝐘 𝐇𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐆𝐄𝐉𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐊𝐍𝐎𝐋𝐎𝐉𝐈𝐀🌾
📆 Alakamisy 27 Novambra 2025
⏰ 10ora- 1ora tolakandro
🏫 Eglise Saint André, Rose Hill

🌿 𝐕𝐄𝐇𝐈𝐕𝐀𝐕𝐘 𝐌𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐀𝐎 𝐀𝐍𝐀𝐓𝐘 𝐅𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎
📆 Alakamisy 04 Desambra 2025
⏰ 10ora- 1ora tolakandro
🏫 Eglise Saint André, Rose Hill

📹 Azonao arahina 𝐦𝐢𝐯𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 eto amin'ny Pejy FB Radio Vaovao Mahasoa

Manantena indrindra ny hahatongavanao 😊

Tahian'i Jesoa hatrany 🥰🙏

✨ 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐋𝐀𝐙𝐀𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐈𝐁𝐎𝐋𝐘 ? ✨Amin’izao vanim-potoana feno feo sy hevitra maro izao, tsy afaka miala amin’ny zava-misy...
24/11/2025

✨ 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐋𝐀𝐙𝐀𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐈𝐁𝐎𝐋𝐘 ? ✨

Amin’izao vanim-potoana feno feo sy hevitra maro izao, tsy afaka miala amin’ny zava-misy ny Kristiana. Tsy antsoina hiditra amin’ny adihevitra mampisaraka isika, fa ho fahazavana sy fanasina ao anatin’ny fiarahamonina misy politika, fitsarana, tsy rariny ary fanapahan-kevitra isan’andro.

💪 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐓𝐈𝐊𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐊𝐑𝐈𝐒𝐓𝐈𝐀𝐍𝐀 🙏
indray no lohahevitra hodinihintsika anio alina :
📆 Alatsinainy 24 Novambra 2025
🕗 8ora sy fefany alina

Hiarahantsika eto amin'ny Radio Vaovao Mahasoa FM 106.8MHz (rohy ahazoanao ny RVM : rvm.mg) atolotr'i zoky Thonny Haja RAJAONARIVELO.
𝐕𝐚𝐡𝐢𝐧𝐲 : Solofo RAHARIFERA

Koa manasa anao am-pitiavana feno hanjohy ny onjam-peontsika re 😊, hofantarintsika ny sitrapon'Andriamanitra sy ny famindra tokony horaisintsika.

Manome fotoana anao ary 🙏
Tahian'i Jesoa 😊

Ny kristiana tena mahery dia tsy ilay tsy mijaly, fa ilay mijoro rehefa manaintaina ny fiainana. Ao anatin’ny ranomasim-...
20/11/2025

Ny kristiana tena mahery dia tsy ilay tsy mijaly, fa ilay mijoro rehefa manaintaina ny fiainana. Ao anatin’ny ranomasim-pahoriana mihitsy manko no anehoan’Andriamanitra ny heriny, ary ao anatin’ny aloka no anaporofoany fa Tsy manary ny Azy Izy, fa manefy ary mampandresy ny olony.

🙏𝐌𝐏𝐈𝐍𝐎 𝐌𝐈𝐉𝐎𝐑𝐎 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐒𝐘 𝐀𝐎 𝐀𝐍𝐀𝐓𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 🌿
I zoky Edouard Ramiarinjatovo no hitondra izany amintsika rahampitso tolakandro :
📅 Zoma 21 Novambra 2025 @ 2 ora sy sasany
🏫 IMH Ankasina 67 Ha

Tarigetram-piainantsika : "𝙑𝙖𝙫𝙤𝙡𝙤𝙢𝙗𝙚𝙡𝙤𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙩𝙨𝙖𝙧𝙖𝙣'𝙣𝙮 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙖𝙣𝙞𝙩𝙧𝙤 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙞𝙣𝙖𝙠𝙤" 🥰

Miandry fatratra anao, ry sakaiza 😊🙏
Tahian'i Jesoa ❤

✨*𝑴𝒊𝒔𝒂𝒐𝒓𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒛𝒂𝒗𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂; 𝒇𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒏𝒐 𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒑𝒐𝒏’𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒂𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒊 𝑲𝒓𝒊𝒔𝒕𝒚 𝑱𝒆𝒔𝒐𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐." I Tesaloniana 5...
19/11/2025

✨*𝑴𝒊𝒔𝒂𝒐𝒓𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒛𝒂𝒗𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂; 𝒇𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒏𝒐 𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒑𝒐𝒏’𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒂𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒂𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒊 𝑲𝒓𝒊𝒔𝒕𝒚 𝑱𝒆𝒔𝒐𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐." I Tesaloniana 5:18 🌿

Mampahatsiahy antsika i Paoly anio fa tsy miaina araka ny toe-javatra isika kristiana, fa araka ny fo sy toe-panahy nentin’i Kristy niaina teto an-tany.

Fantatry ny Tompo tsara manko fa ny fahaizana mankasitraka dia tsy toetra mendrika fotsiny, fa hery ara-panahy, ara-tsaina ary ara-piainana manova ny olona sy ny fiainany.
Tombontsoa lehibe maro no azontsika avy amin’izany :

🔥 Manamafy ny finoana sy fahatokiana amin’Andriamanitra
Rehefa misaotra, na dia amin’ny sarotra aza, ianao dia mampiseho fa matoky ny Tompo.
* Mino ny fitarihany
* Manaiky ny drafiny ary mahatoky fa tsy mivoana izany
* Mahatsiaro fa ny fiainana rehetra dia eo ambanin’ny fitiavany
* Manao ny sitrapony ao amin’i Kristy Jesoa

😌Mampitony ny adin-tsaina sy manatsara ny fahasalamana
Ny fankasitrahana dia voaporofo ara-tsiansa fa :
- mampidina adin-tsaina
- mampihena tosidra
- manatsara torimaso
- manatsara toe-tsaina sy hery ara-batana
Tsy ara-panahy ihany, fa ara-batana mihitsy.

💖 Manome fiadanam-po sy fandriampahalemana
Rehefa mahay misaotra isika dia mihena ny fitarainana, ny tebiteby, ary ny fahakiviana. Manjary mifantoka amin’ny soa ny fo fa tsy amin’ny ratsy.

☀️ Mampitombo hafaliana
Rehefa miala amin’ny fitarainana ny saina dia misokatra ka mora mahita na dia zavatra kely tsara aza amin’ny andavanandro ary mitondra amin’ny fifaliana.

🩹 Manasitrana ny ratram-po sy manamaivana enta-mavesatra
Ny olona mahay mankasitraka dia mifantoka amin'ny tsara, ka tsy mora tezitra ary
mahavita mamela haingana kokoa, satria toy ny fitsaboana voajanahary ho an’ny fo izany ka manamaivana ny tahotra sy alahelo.

🧑‍💼 Mampitombo fahafahana (fahafaha-manao : opportunité)
Ny olona mahay misaotra dia :
- mora mahita varavarana misokatra, vahaolana. Satria manokatra saina hahita izay tsy hitan’ny olona mpitaraina ny fankasitrahana.
- mora ifampiraharahana, mahay mankasitraka ny hafa ary manamora ny fihavanana sy fanajana ary fiombonana izany

🙏 Mampiorina toetra matotra sy mahatoky
Ny olona mahay misaotra dia mahazo toetra :
- miorina
- mihaino
- mahay mandefitra
- mahay misaina lavitra
- tsy mora solafaka
Ny fankasitrahana dia mampitombo fahendrena sy faharetana.

🌾 Mampaka-tahaka an’i Kristy
Jesoa dia nisaotra foana, na teo amin'ny fizarana m**o na teo amin'ny fasana aza.
Rehefa mahay mankasitraka ianao dia:
👉 manahaka ny fon’i Kristy
👉 mampiseho Azy ao anatinao
Izany no “toetry ny mpianatra marina”.

✨ Mampitombo fahasoavana
Andriamanitra manisy fitahiana manokana ny olona mahay misaotra:
“𝐹𝑎 𝑖𝑧𝑎𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑜 ℎ𝑜𝑚𝑒𝑛𝑎, 𝑘𝑎 ℎ𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑏𝑒 𝑑𝑖𝑎 𝑏𝑒 𝑖𝑧𝑦” Matio 13:12a
Rehefa mahay misaotra ianao dia misokatra amin'ny fitahiana bebe kokoa.

Araka izany, ry sakaiza, ny fankasitrahana dia hery manova fiainana.
Ny olona mahay mankasitraka dia tsy manana fiainana tonga lafatra —indrindra fa isika kristianina, izay tsy ilaozan'ny fijaliana sy fisedrana.
Fa fahasoavana tsy lany no manaraka antsika, ao Aminy.
"𝐴𝑟𝑦 𝐴𝑛𝑑𝑟𝑖𝑎𝑚𝑎𝑛𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑦 𝑚𝑎𝑚𝑝𝑖𝑡𝑜𝑚𝑏𝑜 𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑠𝑜𝑎𝑣𝑎𝑛𝑎 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛𝑎𝑟𝑒𝑜, 𝑚𝑏𝑎 ℎ𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎𝑟𝑒𝑜 𝑛𝑦 𝑜𝑛𝑜𝑛𝑦 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎 𝑚𝑎𝑛𝑑𝑟𝑎𝑘𝑎𝑟𝑖𝑣𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑧𝑎𝑣𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎, 𝑘𝑎 ℎ𝑖𝑡𝑜𝑚𝑏𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑎𝑠𝑎 𝑡𝑠𝑎𝑟𝑎 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎." 2Korintiana 9:8🙏✨

🔥"𝑯𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐 𝒏𝒐 𝒏𝒊𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒉𝒂𝒏𝒊𝒔𝒚 𝒓𝒂𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒉𝒚; 𝒇𝒂 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒂𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒌𝒐𝒔𝒂 𝒏𝒊𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒐 𝒔𝒐𝒂, 𝒉𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒉𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒊𝒛𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒊𝒐 𝒊𝒛𝒂𝒐,...
18/11/2025

🔥"𝑯𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐 𝒏𝒐 𝒏𝒊𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒉𝒂𝒏𝒊𝒔𝒚 𝒓𝒂𝒕𝒔𝒚 𝒂𝒉𝒚; 𝒇𝒂 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒂𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒌𝒐𝒔𝒂 𝒏𝒊𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 𝒉𝒐 𝒔𝒐𝒂, 𝒉𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒕𝒂𝒉𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒊𝒛𝒂𝒐 𝒂𝒏𝒊𝒐 𝒊𝒛𝒂𝒐, 𝒉𝒂𝒎𝒆𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒃𝒆𝒕𝒔𝒂𝒌𝒂." Genesisy 50:20🌾

Ry malala,
Manindrona mafy ao am-ponao io ratra lalina navelan’ny teny mampahory vao norenesinao io, ny fitondrana tsy rariny, ny lainga nafafy anao, ny fanitsakitsahana... 😔💔

Fa henoy ange :
👉 Andriamanitra tsy mamela ny fijaliana hamotika anao
👉 Tsy misy mahagaga Azy ny nataon’ny olona taminao
💖Ny zavatra natao hampijaliana anao dia efa navadiny ho fikasana SOA, ary ho lasa hery hampandroso anao.🔥

Toy an’i Josefa, izay notadiavina hovonoina, naiditra am-ponja, nefa noentin’Andriamanitra niakatra ambony kokoa noho ny noeritreretiny.🌤️

Andriamanitra tsy mampitondra ratra tsy misy antony.
Ny zavatra tsapanao anio: tsy fahaverezan-kery akory, tsy fahapotehana, tsy fiafarana
🌿✨ Fa fampiofanana amin’ny tanjaka, fanamasinana, fampidirana amin’ny toko vaovao amin’ny fiainanao.

Raha mbola miaina ianao ANIO…
dia midika izany fa tsy tapitra ny tantaran’ny fahasoavany aminao. 🙏❤️
Nahoana?
Satria mbola mitohy ny asa ataon’Andriamanitra ao aminao— asa tsy ho resy na hajanona velively.

Ary indray andro, hanao jery todika ianao, ka hilaza tahaka an'i Josefa hoe:
✨ “Tsy loza iny tsy akory… fa fanomanana ahy ho amin’izao toerana misy ahy anio izao.”

Ary ny soa indrindra, fantatrao ve ry malala ?
🌱 Ny ratranao omaly, izay zavatra namaky hatrany anatinao sy nampitomany anao dia ho fitaovana hanampianao sy hampaherezanao olona hafa manana ratra mitovy amin’ny anao. 🙌🔥

Tsara ny Tompontsika 🌾💛

14/11/2025

🌾Fiainampiangonana manandratra ny voninahitr'Andriamanitra🌿

✨"𝑬𝒏𝒚, 𝒛𝒂𝒗𝒂-𝒅𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆 𝒏𝒐 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐𝒏’𝒊 𝑱𝒆𝒉𝒐𝒗𝒂𝒉 𝒉𝒐 𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂, 𝑲𝒂 𝒅𝒊𝒂 𝒇𝒂𝒍𝒚 𝒊𝒔𝒊𝒌𝒂." Salamo 126:3 ✨🙏 Tompo ô,Amin’izao fankalazana ny ...
14/11/2025

✨"𝑬𝒏𝒚, 𝒛𝒂𝒗𝒂-𝒅𝒆𝒉𝒊𝒃𝒆 𝒏𝒐 𝒏𝒂𝒕𝒂𝒐𝒏’𝒊 𝑱𝒆𝒉𝒐𝒗𝒂𝒉 𝒉𝒐 𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂, 𝑲𝒂 𝒅𝒊𝒂 𝒇𝒂𝒍𝒚 𝒊𝒔𝒊𝒌𝒂." Salamo 126:3 ✨

🙏 Tompo ô,
Amin’izao fankalazana ny faha-28 taona niorenan’ny Radio Vaovao Mahasoa izao dia miondrika aminao izahay amin-kafaliana sy fankasitrahana lalina. Ianao no Andriamanitra tsy miova, Izay niaro sy nitantana anay andro aman’alina, ary nitarika ity onjam-peo ity ho fitaovana hitondra hafatra, fanantenana ary famonjena ho an'ny olonao.

Tompo ô, misaotra Anao izahay,
— 🙌 Noho ny hatsaram-ponao tsy mety ritra tao anatin’ny taona maro;
— 💪 Noho ny herinao sy ny fahendrenao izay natafinao ireo mpiasa, ny mpanentana ary ny mpanao fandaharana;
— ❤️ Noho ny fon’ny olona rehetra nokasihanao tamin’ny alalan’ny hafatra niely tamin’ny onjam-peo;
— 🌟 Ary indrindra noho ny voninahitrao izay napetrakao teo ambonin’ity asa masina ity.

Fa ny asa sy ny fandrosoana rehetra, Tompo, dia avy Aminao.
Ny tananao no nitantana nandritra izay 28 taona izay, ary raha tsy Ianao dia tsy ho nisy ny fitahiana rehetra hitanay.

✨ Ho Anao irery anie ny voninahitra, ny hery ary ny haja mandrakizay.
Amen. 🙏

Zava-dehibe indrindra ny fiainam-piangonana feno ny fanatrehan’i Kristy.Ny fiangonana manandratra Azy dia ilay miaina am...
13/11/2025

Zava-dehibe indrindra ny fiainam-piangonana feno ny fanatrehan’i Kristy.
Ny fiangonana manandratra Azy dia ilay miaina amin’ny fitiavana, fanetren-tena ary asa mivaingana manambara ny herin’ny Filazantsara.
Ao no ahitana olona tsy mitady laza, fa mitady hanandratra ny Tompo irery ihany.

✨ “𝑁𝑎 𝑖𝑛𝑜𝑛𝑎 𝑎𝑡𝑎𝑜𝑛𝑎𝑟𝑒𝑜, 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑡𝑎𝑜𝑣𝑦 ℎ𝑜 𝑣𝑜𝑛𝑖𝑛𝑎ℎ𝑖𝑡𝑟'𝐴𝑛𝑑𝑟𝑖𝑎𝑚𝑎𝑛𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑖𝑧𝑎𝑛𝑦 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎 𝑖𝑧𝑎𝑛𝑦.” — 1 Korintiana 10:31 ✨

🙏𝐅𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐀𝐍𝐆𝐎𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀𝐇𝐈𝐓𝐑'𝐈 𝐊𝐑𝐈𝐒𝐓𝐘🌿
I zoky Tiana Fanantenana no hitondra izany amintsika rahampitso tolakandro :
📅 Zoma 14 Novambra 2025 @ 2 ora sy sasany
🏫 IMH Ankasina 67 Ha

Tarigetram-piainantsika : "𝙑𝙖𝙫𝙤𝙡𝙤𝙢𝙗𝙚𝙡𝙤𝙣'𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙩𝙨𝙖𝙧𝙖𝙣'𝙣𝙮 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙖𝙣𝙞𝙩𝙧𝙤 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙞𝙣𝙖𝙠𝙤" 🥰

Manasa anao am-pitiavana be ho avy ary e😊🙏
Tahian'i Jesoa ❤

✨ "𝑯𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒔𝒐 𝒆𝒐 𝒂𝒍𝒐𝒉𝒂𝒏𝒂𝒐 𝑨𝒉𝒐 𝑨𝒓𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒗𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒎𝒊𝒌𝒊𝒕𝒐𝒂𝒏𝒕𝒐𝒂𝒏𝒂".  Isaia 45:2a🌿💕 Indraindray tafa-hanontany tena tahaka izao...
12/11/2025

✨ "𝑯𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒔𝒐 𝒆𝒐 𝒂𝒍𝒐𝒉𝒂𝒏𝒂𝒐 𝑨𝒉𝒐 𝑨𝒓𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒅𝒓𝒂𝒗𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒎𝒊𝒌𝒊𝒕𝒐𝒂𝒏𝒕𝒐𝒂𝒏𝒂". Isaia 45:2a🌿

💕 Indraindray tafa-hanontany tena tahaka izao isika : “Nahoana no dia sarotra loatra ohatr'izao ny fiainana?” manoloana ny fahasarotana. 😢
Toa mihitsoka, tsy misy làlan-kaleha fa sakana hatrany no manoloana, na mitodika havia na havanana. Ny lanitra rahateo rakotra rahona matevina sy mainty.

Fa andao ho tsaroantsika mandrakariva, ry sakaiza fa ny Tompontsika ilay antsoina hoe "Dieu de l'impossible". 💪✨
🕊️ Na toa inona hatevin'io ny rindrina mijoalajoala hitanao io anio, hainy atao ny mametraka varavarana ho anao. ❤️
Andriamanitr'i Abrahama, Isaka, Jakoba, Mosesy ary rain'i Jesoa Kristy no Andriamanintsika. Fahagagagana tsy takatry ny saina no efa nataony aman'arivo taona lasa izay. Anio Izy dia mbola miandry anao, miandry ny hitokisanao Aminy sy hiantsoanao Azy. 💭

Inona tokoa moa no tokony hanahiantsika ? Tsy efa nampanantena ve Izy fa handeha eo anoloantsika? Homba antsika ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao?

Fikiro sy tazomy ny tanany, ry sakaiza. Avelao Izy hitondra anao. 💗🌾

🕊️ 💭 Tsy ilaintsika akory ny mahita ny lalana na hahatakatra izay drafitra nosoritany vao handeha isika. — Efa azontsika antoka loatra fa hainy ny manitsy ny lalana rehetra, manova ny fon’ny olona, manala sakana, ary mametraka fitahiana amin’ny toerana sy fotoana tsy ampoizinao akory.
Fa tsara ny Tompo ary feno fitiavana anao Izy. 🥰✨


Address

Lot IVP 13
Antananarivo
101

Telephone

+261347374463

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio Vaovao Mahasoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Radio Vaovao Mahasoa:

Share