Radio Vaovao Mahasoa

Radio Vaovao Mahasoa Manasa anao ary hanaraka ny pejy sy hiaraka hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra ! Mirary soa hatrany dia ho tahin’ny Tompo o !

Faly miarahaba anao tongasoa eto amin'ny Radio Vaovao mahasoa 106.8 FM
Azonao arahina ihany koa amin'ny : https://radio.rvm.mg/
https://www.mana-isanandro.fr/radio/radio-vaovao-mahasoa/
+261 33 20 663 06 Ny Radio Vaovao Mahasoa dia onjam-peo ara-pilazantsara mikendry ny hitarika ny Kristiana hiaina marina ny finoany an'i Jesoa Kristy irery ihany araka ny Soratra Masina. Ny vina sy iraka atrehinay

dia ny mitory ny filazantsara marina, mampianatra ny mpino hiaina ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny fiainany andavanandro, ary mitaona ny mpino hiombona sy handray anjara amin'ny fampandrosoana ny fanjakan'Andriamanitra.

🌿 “𝑽𝒐𝒂𝒈𝒆𝒋𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒐𝒅𝒊𝒅𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒉𝒂𝒚, 𝒏𝒆𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒕𝒆𝒓𝒚; 𝒗𝒆𝒓𝒚 𝒉𝒆𝒗𝒊𝒕𝒓𝒂, 𝒏𝒆𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒎𝒐𝒚 𝒇𝒐; 𝒆𝒏𝒋𝒆𝒉𝒊𝒏𝒂, 𝒏𝒆𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒏𝒂𝒇𝒐𝒚, 𝒑𝒐𝒕𝒓𝒂𝒌𝒂, 𝒏𝒆𝒇𝒂 𝒕𝒔...
29/07/2026

🌿 “𝑽𝒐𝒂𝒈𝒆𝒋𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒐𝒅𝒊𝒅𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒉𝒂𝒚, 𝒏𝒆𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒕𝒆𝒓𝒚; 𝒗𝒆𝒓𝒚 𝒉𝒆𝒗𝒊𝒕𝒓𝒂, 𝒏𝒆𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒎𝒐𝒚 𝒇𝒐; 𝒆𝒏𝒋𝒆𝒉𝒊𝒏𝒂, 𝒏𝒆𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒏𝒂𝒇𝒐𝒚, 𝒑𝒐𝒕𝒓𝒂𝒌𝒂, 𝒏𝒆𝒇𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒕𝒚. 2 Korintiana 4:8-9” 🕊️

Tsy ilaozan’ny fijaliana ny fiainana miaraka amin’ny Tompo. Mety ho fanerena, fahasahiranana, fanenjehana ary fahalavoana, sy ny maro hafa.Kanefa ny azontsika kristiana antoka dia izao : tsy maintsy mandresy isika ao Aminy.

Na inona na inona fahoriana hoetin’ny fiainana eo : na olana ara-bola, aretina, fahadisoam-panantenana, fahasahiranana ao an-tokantrano... Hoy ny Tenin'Andriamanitra: "tsy tery", "tsy mamoy fo", "tsy nafoy", "tsy maty."
Izany no mampiavaka ny fiainan'ny olona matoky an'Andriamanitra. Tsy hoe tsy misy tafio-drivotra, fa misy Tompo miaraka aminy ao anatin'ny tafio-drivotra. Misy tanana mamafa ranomaso sy mampahery ny fo reraka. Ary manafy hery sy mampitraka hatrany Izy.
Ny fahasoavan'Andriamanitra no teny farany.

Tranga lalovana mihitsy ilay reraka sy resy androany, fa tsy maintsy mandresy koa isika raha mbola mitohy mifikitra Aminy. Maro ny zavatra tsy takatry ny saintsika lalovantsika eo amin’ny fiainana, nefa afaka matoky fa tsy mahafoy antsika ny Tompo ary fitiavana no ambadika ireny rehetra ireny.

Koa aza avela hibahan-toerana eo amin’ny fiainanao ny fahatahorana, ny famoizam-po, ny eso-teny ataon’ny manodidina. Matokia mandrakariva fa mandalo ny toe-javatra lalovanao, ary eo amin’ny fanatrehan'Andriamanitra indrindra ianao ao anatin’io.

Ka mbola tokony hatahotra ve isika, ry sakaiza? Na enjehina, na hoetina tsaraina aiza isika, na atao an-tranomazina, na misedra aretina goavana, na very fananana…Tsy ho very mandrakizay ny fanantenana. Eo ny Tompontsika. Ilay Mpiaro antsika. Ilay mifehy izao tontolo izao. Satria tsy misy zavatra mitranga eo amin’ny fiainantsika raha tsy efa nekeny izany. Ary feno fahasoavana, fahendrena sy fitiavana Izy. ❤️

🙏"𝑲𝒐𝒂 𝒔𝒂𝒎𝒚 𝒉𝒂𝒎𝒑𝒂𝒎𝒐𝒂𝒉𝒊𝒏'𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒂𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒏𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒗𝒚 𝒊𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂." Romana 14 : 12 🌾Mora amintsika olombelona ind...
28/07/2026

🙏"𝑲𝒐𝒂 𝒔𝒂𝒎𝒚 𝒉𝒂𝒎𝒑𝒂𝒎𝒐𝒂𝒉𝒊𝒏'𝑨𝒏𝒅𝒓𝒊𝒂𝒎𝒂𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒕𝒆𝒏𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒗𝒚 𝒊𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂." Romana 14 : 12 🌾

Mora amintsika olombelona indraindray ny mandinika ny fahadisoan'ny hafa, mitsikera ny fiainan'ny olona, na mampitaha ny tenantsika amin'izay hitantsika manodidina.

Mampahatsiahy antsika ny Tompo anio fa samy tompon'andraikitra feno eo anatrehan'Andriamanitra momba ny tenany sy ny fiainany ny olona tsirairay.

Tsy hisy ray aman-dreny, vady, zanaka, mpitandrina, na fiangonana hijoro hamaly ny amin'ny toerantsika.
Samy hijoro irery isika, ary ny fiainantsika, ny safidintsika, ny tenintsika ary ny asa nataontsika no hampamoahina.

Andriamanitra irery tokoa no Mpitsara marina. Satria mahalala ny ao am-po sy ny anton'ny zavatra rehetra ataontsika Izy. Tsy misy azontsika hafenina Aminy na inona na inona, ry sakaiza. Ka amin'ny fahamarinana tanteraka no hitsarany antsika.

Tsy fantatsika ny andro sy ny ora hijoroantsika eo anatrehan'Andriamanitra. Raha toa mbola misy fahotana tsy nibebahanao, fotoana izao, rahavako. Aza mangataka fotoana intsony, fa mbola miantso anao ny Tompo anio. Miverena Aminy, raiso ho Tompo sy Mpamonjinao Jesoa. Hialao ny ratsy fanao hatramin'izay ary hatolory Azy ny fiainanao. Ataovy tarigetram-piainanao ilay mikatsaka mandrakariva ny hankasitrahany.

Ataovy azonao antoka dieny ety ny mandrakizainao. Ka raha ho avy ny fotoana hampamoahana anao, dia hilaza amintsika sy ianao ny Tompo hoe :
" 𝑇𝑠𝑎𝑟𝑎 𝑖𝑧𝑎𝑛𝑦, 𝑟𝑦 𝑚𝑝𝑎𝑛𝑜𝑚𝑝𝑜 𝑡𝑠𝑎𝑟𝑎 𝑠𝑎𝑑𝑦 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑡𝑜𝑘𝑦; 𝑚𝑖𝑑𝑖𝑟𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑓𝑎𝑙𝑖𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑡𝑜𝑚𝑝𝑜𝑛𝑎𝑜". Matio 25 : 23 ❤️

📢  FANASANA ❤️ Ao anatin'izao vanim-potoana andalovan'ny firenentsika izao, maro no manontany tena hoe: inona marina no ...
27/07/2026

📢 FANASANA ❤️

Ao anatin'izao vanim-potoana andalovan'ny firenentsika izao, maro no manontany tena hoe: inona marina no anjara toeran'ny finoana kristiana eo amin'ny fanarenana sy fampandrosoana an'i Madagasikara?

Izany indrindra no horesahina mandritra ny famelabelaran-kevitra izay hanasan'ny Association Hazon'ny Fahamarinana Nambolen'i JEHOVAH-Hfnj antsika am-pitiavana be, mitondra ny lohahevitra:

🇲🇬 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐌𝐁𝐀 𝐒𝐀 𝐌𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐓𝐒𝐈𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐕𝐀𝐕𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐊𝐑𝐈𝐒𝐓𝐈𝐀𝐍𝐀 ? 🙏
iarahantsika amin'i :
Solofonirina RAKOTOBE – Teolojiana sy Mpitandrina
Zoky Tiana FANANTENANA

📅 Sabotsy 01 Aogositra 2026
🕜 1 ora sy sasany tolakandro
📍 Motel Anosy

Fandaharam-potoantsika :
🎵 Fiderana
🙌 Fijoroana vavolombelona
❓Fanontaniana sy valiny
☕ Pause café

Laharana ahafahana mifandray
📞 034 10 646 88

Koa manasa anao indrindra ho avy, ry sakaiza.
Zava-dehibe ho antsika loatra ny fiainam-pinoana ary tsy afaka hatao tsinontsinona ihany koa ny ho avin'ny firenentsika.
Saram-pidirana: 30 000 Ar

✨ 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐋𝐀𝐙𝐀𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐈𝐁𝐎𝐋𝐘 ? ✨ Mbola hotohizantsika amin'ny fanomezana fitenenana ny mpanaraka ny fandaharana hatrany ...
27/07/2026

✨ 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐋𝐀𝐙𝐀𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐈𝐁𝐎𝐋𝐘 ? ✨

Mbola hotohizantsika amin'ny fanomezana fitenenana ny mpanaraka ny fandaharana hatrany ny anio.

🙏 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐍𝐓𝐀𝐍𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐕𝐀𝐋𝐈𝐍𝐘 - 𝐈𝐍𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐎 𝐋𝐀𝐙𝐀𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐁𝐀𝐈𝐁𝐎𝐋𝐘 𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐀 📜
📆 Alatsinainy 27 Jolay 2026
🕗 8ora sy fefany alina

Hiarahantsika eto amin'ny Radio Vaovao Mahasoa FM 106.8MHz (rohy ahazoanao ny RVM : rvm.mg) atolotr'i zoky Thonny Haja RAJAONARIVELO.
𝐕𝐚𝐡𝐢𝐧𝐲 :
Zoky Solofo RAHARIFERA
Pasteur Solofonirina RAKOTOBE
Zoky Faly RAPANOELINA
Pasteur Faly RAVOAHANGY

Koa manasa anao am-pitiavana feno hanjohy ny onjam-peontsika re 😊, hofantarintsika izay lazain'Andriamanitra sy ny famindra tokony horaisintsika.

Manome fotoana anao ary 🙏
Tahian'i Jesoa 😊

24/07/2026

🌿 Mianatra miaina tsara miaraka am olona manahirana 🌾

🇲🇬" 𝑹𝒂𝒉𝒂 𝒏𝒚 𝒐𝒍𝒐𝒌𝒐 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐𝒊𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒌𝒐 𝒉𝒐 𝒂𝒗𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒆𝒕𝒓𝒚 𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒌𝒂 𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒂𝒌𝒂 𝒔𝒚 𝒉𝒊𝒕𝒂𝒅𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒗𝒂𝒌𝒐 𝒂𝒓𝒚 𝒉𝒊𝒂𝒍𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒓...
24/07/2026

🇲🇬" 𝑹𝒂𝒉𝒂 𝒏𝒚 𝒐𝒍𝒐𝒌𝒐 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒏𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐𝒊𝒏𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒌𝒐 𝒉𝒐 𝒂𝒗𝒚 𝒉𝒂𝒏𝒆𝒕𝒓𝒚 𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒌𝒂 𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒂𝒌𝒂 𝒔𝒚 𝒉𝒊𝒕𝒂𝒅𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒗𝒂𝒌𝒐 𝒂𝒓𝒚 𝒉𝒊𝒂𝒍𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏'𝒏𝒚 𝒓𝒂𝒕𝒔𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒐𝒏𝒚, 𝒅𝒊𝒂 𝒉𝒊𝒉𝒂𝒊𝒏𝒐 𝒂𝒏𝒚 𝒂𝒏-𝒅𝒂𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂 𝑨𝒉𝒐 𝒌𝒂 𝒉𝒂𝒎𝒆𝒍𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒆𝒍𝒐𝒏𝒚 𝒂𝒓𝒚 𝒉𝒂𝒉𝒂𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒏𝒚." 2Tantara 7 : 14 🙏

Ao anatin'izay zava-mitranga eto amin'ny firenentsika izao,

Ny fikambanana mpiara-mamaky ny Baiboly eto Madagasikara, sy ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy Ary ny Mpiara-manomana ny Androm-bavaka ho an'ny firenena dia miantso antsika rehetra :
"𝐍𝐝𝐚𝐨 𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐢𝐭𝐨𝐝𝐢𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐢 𝐊𝐫𝐢𝐬𝐭𝐲 𝐈𝐥𝐚𝐲 𝐌𝐩𝐚𝐦𝐨𝐧𝐣𝐲" isika.

Andao hiara-hitady ny tavan'Andriamanitra isika
⛪Parvis Analakely
📆 Asabotsy 25 Jolay
⏰ 8 ora sy sasany hatramin'ny 4 ora tolakandro

Handray ny hafatry ny Tompo isika sy hiara-hivavaka, hotarihan'ireo mpanompon'Andriamanitra sy mpanankanto ara-pilazantsara samihafa.

24/07/2026

Ry kristiana Malagasy,
manoloana ny trangam-piaraha-monina mampihorohoro sy mampahory ankehitriny, miantso antsika sy ianao manokana ny Tompo :

"Ataontsika ahoana ny fijery ny loza hanjo ny firenentsika, Ary ataontsika ahoana no fijery ny fandringanana ny havantsika ?"
Izany Tenin'i Estera izany no iantsoan'ny Tompo antsika.

Notendren'ny fitondram-panjakana ho fisaonam-pirenena n'y andron'ny Zoma 24 jolay, koa andao hatokantsika kristiana Malagasy rehetra any amin'izay misy antsika any io andro io, ho andro hanaovantsika :

VAVAKA SY FIFADIAN-KANINA HO AN'NY FIRENENTSIKA
Ho an'ny havantsika na fantantrao akaiky na tsy fantatrao, niharan'ny fahoriana lalina.

Hitarika anao sy ny ankohonanao amin'izany ny eto amin'ny onjampeontsika.

📆 Zomà 24 Jolay 2026
⏰ 9 ora maraina - 4 ora tolakandro

Andao hifampitaona fa :
"Amin'ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena antsika" hoy ny Isaia 30: 15

"𝐾𝑜𝑎 𝑛𝑎 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑛𝑘𝑒ℎ𝑖𝑡𝑟𝑖𝑛𝑦 𝑎𝑧𝑎, ℎ𝑜𝑦 𝐽𝑒ℎ𝑜𝑣𝑎ℎ, 𝑚𝑖𝑣𝑒𝑟𝑒𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑘𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑛𝑎𝑟𝑒𝑜 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎 𝑎𝑟𝑦 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑓𝑎𝑑𝑖𝑎𝑛-𝑘𝑎𝑛𝑖𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑜𝑚𝑎𝑛𝑖𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑟𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑎𝑟𝑎𝑖𝑛𝑎𝑛𝑎. 𝐴𝑟𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑛𝑎𝑟𝑒𝑜 𝑛𝑜 𝑡𝑟𝑖𝑎𝑡𝑟𝑖𝑎𝑟𝑜, 𝑓𝑎 𝑎𝑧𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑎𝑓𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑒𝑜, 𝑎𝑟𝑦 𝑚𝑖𝑣𝑒𝑟𝑒𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑖 𝐽𝑒ℎ𝑜𝑣𝑎ℎ 𝐴𝑛𝑑𝑟𝑖𝑎𝑚𝑎𝑛𝑖𝑡𝑟𝑎𝑟𝑒𝑜; 𝐹𝑎 𝑚𝑎𝑚𝑖𝑛𝑑𝑟𝑎 𝑓𝑜 𝑠𝑦 𝑚𝑖𝑎𝑛𝑡𝑟𝑎 𝐼𝑧𝑦, 𝑚𝑎ℎ𝑎𝑟𝑖-𝑝𝑜 𝑠𝑎𝑑𝑦 𝑏𝑒 𝑓𝑎𝑚𝑖𝑛𝑑𝑟𝑎𝑚-𝑝𝑜 𝑎𝑟𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑒𝑛𝑖𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑙𝑜𝑧𝑎." Joela 2 : 12-13

Miara-mivavaka dia miara-mandresy 🙏

Indraindray dia ireo olona akaiky indrindra no mety ho loharanon'ny ratra sy fahasahiranana eo amin’ny fiainantsika.Kane...
23/07/2026

Indraindray dia ireo olona akaiky indrindra no mety ho loharanon'ny ratra sy fahasahiranana eo amin’ny fiainantsika.Kanefa isika Kristiana dia antsoina ho fahazavana sy fanasina eo amin’ny manodidina antsika. Mila fahendrena avy any ambony ny fihatrehana an’izany.
Koa, toy izao manaraka izao ny fandaharam-potoantsika :
📆 Zoma 24 Jolay 2026
⛪ IMH Ankasina 67 Ha
—--
🙏 𝐅𝐈𝐎𝐌𝐁𝐎𝐍𝐀𝐌-𝐁𝐀𝐕𝐀𝐊𝐀 𝐅𝐈𝐁𝐄𝐁𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 🇲🇬
⏰ 2 ora - 3 ora tolakandro

🌿 𝐌𝐈𝐀𝐍𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐇𝐈𝐑𝐀𝐍𝐀 🕊️
Zoky Tiana Fanantenana no hitondra ny fampianarana amintsika
⏰ 3 ora tolakandro

Tarigetram-piainantsika : "𝘼𝙩𝙖𝙤𝙠𝙤 𝙝𝙤 𝙫𝙤𝙣𝙞𝙣𝙖𝙝𝙞𝙩𝙧𝙤 𝙣𝙮 𝙖𝙣𝙠𝙖𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖𝙝𝙖𝙣'𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙖𝙣𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙖𝙝𝙮" 🕊️

Tongava soa indrindra rahavako 🥰
Tahian'i Jesoa ❤️

🌿“𝑲𝒐𝒂 𝒎𝒊𝒇𝒂𝒏𝒆𝒌𝒆 𝒉𝒆𝒍𝒐𝒌𝒂 𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐, 𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒊𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒂𝒗𝒂𝒉𝒂, 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒐 𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐. 𝑵𝒚 𝒇𝒊𝒂̀𝒔𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒗𝒂𝒗𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒅𝒊𝒂 𝒎𝒂𝒉𝒆𝒓𝒚 𝒊𝒏...
22/07/2026

🌿“𝑲𝒐𝒂 𝒎𝒊𝒇𝒂𝒏𝒆𝒌𝒆 𝒉𝒆𝒍𝒐𝒌𝒂 𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐, 𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒊𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒂𝒗𝒂𝒉𝒂, 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒐 𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒆𝒐. 𝑵𝒚 𝒇𝒊𝒂̀𝒔𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒗𝒂𝒗𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒅𝒊𝒂 𝒎𝒂𝒉𝒆𝒓𝒚 𝒊𝒏𝒅𝒓𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂.” Jakoba 5:16 🕊️

Tsy natao hitondra irery ny adin-tsaintsika sy ny vesatry ny fontsika isika.

Indraindray, mampahery antsika ny vavaky ny anadahy sy rahavavy iray izay miara-mitondra an’izany amintsika eo anatrehan'Andriamanitra.

🤍 Misy zavatra entinao am-bavaka manokana ve amin'izao fotoana izao?
Mety ho fahasalamana, fianakaviana, asa, fanadinana, fanapahan-kevitra, na fiadanam-po...

👉 Inona no tianao hoentina am-bavaka eo amin'ny fiainanao?

💬 Zarao ao amin'ny commentaire izany raha sitrakao, mba hahafahantsika mifampivavaka sy hifampahery.

Hiara-hivavaka isika, ary ho eo afovoany Jesoa Tompo. ❤️

Address

Lot VL 23 Ambatovinaky
Antananarivo
101

Telephone

+261347374463

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Radio Vaovao Mahasoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Radio Vaovao Mahasoa:

Shortcuts

Share