Aty Ankadikely Ilafy - Avaradrano

Aty Ankadikely Ilafy - Avaradrano Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Aty Ankadikely Ilafy - Avaradrano, Media/News Company, Ankadikely Ilafy, Antananarivo.

๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ ANKADIKELY/BELANITRA/ILAFY
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌMANAZARY/AMBOHIPANJA/AMBOHITRAINA
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌANDAFIAVARATRA /ANDRANOVELONA/MANDROSOA
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌMASINANDRIANA/ANTSAHAMAROFOZA/MANJAKA
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌANTANANDRANO/ANTSAPANDRANO/AMBOHIBE
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌAMBOHITRARAHABA/ANTANETIBE/ANDRONONOBE

๐Ÿ“Œ๐Ÿ˜‰๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐—”๐— ๐—•๐—ข๐—”๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ง๐—ฅ๐—”๐—ก๐—ข ๐—œ๐—ฅ๐—”๐—ฌ ๐—ก๐—ข ๐—ก๐—œ๐—”๐—ก๐—๐—˜๐—ฅ๐—” ๐—ž๐—” ๐—ก๐—ข๐—ง๐—”๐—ง๐—”๐—ญ๐—”๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—ฉ๐—ฌ (๐—™๐—˜๐—ฅ ๐Ÿญ๐Ÿฎ ๐— ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—™๐—ฌ ๐Ÿฒ๐Ÿณ ๐—–๐—บ) Lehilahy iray mpanao trano nianjera avy a...
22/09/2025

๐Ÿ“Œ๐Ÿ˜‰๐— ๐—ฃ๐—”๐—ก๐—”๐— ๐—•๐—ข๐—”๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ง๐—ฅ๐—”๐—ก๐—ข ๐—œ๐—ฅ๐—”๐—ฌ ๐—ก๐—ข ๐—ก๐—œ๐—”๐—ก๐—๐—˜๐—ฅ๐—” ๐—ž๐—” ๐—ก๐—ข๐—ง๐—”๐—ง๐—”๐—ญ๐—”๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—ฉ๐—ฌ (๐—™๐—˜๐—ฅ ๐Ÿญ๐Ÿฎ ๐— ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—™๐—ฌ ๐Ÿฒ๐Ÿณ ๐—–๐—บ)

Lehilahy iray mpanao trano nianjera avy any ambony ary notatazan'ny Fer 12 avy any amin'ny lavabodiny ka hatrany amin'ny tratrany. Nifamonjena ny ainy izay tsy nahatsiaro tena intsony nohentina tany amin'ny Hopitaly. Rovidrovitra ny tsinay sy avokavoka nandalovan'ity Fer 12 ity ! Akory anefa ny fahagagana fa tsy maty ilay ralehilahy fa avotra soa amantsara, na dia nandany fotoana lava dia lava ny mpitsabo nitsabo sy namonjy ny ainy .

Tsy nahandry ny Alakamisy 25 Septambra : nihetsika Ankadikely Ilafy noho ny fahatapahan-jiro sy rano lavareny.
20/09/2025

Tsy nahandry ny Alakamisy 25 Septambra : nihetsika Ankadikely Ilafy noho ny fahatapahan-jiro sy rano lavareny.

ยซ Veloma ry Faneva. Tiako foana ianao na dia ireny no nataonao. Taizao tsara ny zanantsika. Veloma ry havako. Mbola mame...
19/09/2025

ยซ Veloma ry Faneva. Tiako foana ianao na dia ireny no nataonao. Taizao tsara ny zanantsika. Veloma ry havako. Mbola mamerina ny fifonako aminao ry Faneva. JTM. 033 05 593 35 / 038 50 307 77 ยป.

Hita tany amin'ity lehilahy ity io taratasy io, androany, teny Ampasika.

Nitsoraka tao ambany fiaran'olona nandalo teo Ampasika izy io.

Efa naterin'ireo olona any amin'ny HJRA izy, koa ilazร na izay havany.

N.B. : Ho esorina ny sary rehefa hita ny havany

Skispass Atm - Franttina Ronik

๐—”๐—ก๐—ž๐—”๐——๐—œ๐—ž๐—˜๐—Ÿ๐—ฌ ๐—œ๐—Ÿ๐—”๐—™๐—ฌ: ๐Ÿ”ฅ๐—ฅ๐—”๐—œ๐—ž๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—›๐—˜๐—ง๐—ฆ๐—œ๐—ž๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—ข๐—ก๐—œ๐—ก๐—” ๐—ก๐—ข๐—›๐—ข ๐—ก๐—ฌ ๐—ง๐—ฆ๐—ฌ ๐—™๐—œ๐—ฆ๐—œ๐—”๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—ฅ๐—”๐—ก๐—ข ๐—ฆ๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—›๐—”๐—ง๐—”๐—ฃ๐—”๐—›๐—”๐—ก-๐—๐—œ๐—ฅ๐—ข โ™ฆ๏ธ1500Ar- 2000Ar ny ...
14/09/2025

๐—”๐—ก๐—ž๐—”๐——๐—œ๐—ž๐—˜๐—Ÿ๐—ฌ ๐—œ๐—Ÿ๐—”๐—™๐—ฌ: ๐Ÿ”ฅ๐—ฅ๐—”๐—œ๐—ž๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—›๐—˜๐—ง๐—ฆ๐—œ๐—ž๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—ข๐—ก๐—œ๐—ก๐—” ๐—ก๐—ข๐—›๐—ข ๐—ก๐—ฌ ๐—ง๐—ฆ๐—ฌ ๐—™๐—œ๐—ฆ๐—œ๐—”๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—ฅ๐—”๐—ก๐—ข ๐—ฆ๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—›๐—”๐—ง๐—”๐—ฃ๐—”๐—›๐—”๐—ก-๐—๐—œ๐—ฅ๐—ข

โ™ฆ๏ธ1500Ar- 2000Ar ny vidin'ny iray bidon tonga eny an-tokantrano.

โŒHatramin'ny mpatsaka mitaraina noho ny halavirana an-kilometatra vao mahita rano.

โš ๏ธ2 taona mahery no tsy nisy rano mihitsy teny an-toerana hoy ny mponina.

๐Ÿšฟ๐ŸšฟNampandeferina ny fahadiovana fa ny rano fisotro no tena atao laharam-pahamehana hoy hatrany ireo mponina.

๐Ÿ‘‰Ny jiro ihany koa an-kilany, saika ny tapak'andro hariva no tapaka.

๐Ÿ“ฃMiantso ny tomponandraikitra hamaha ny olana ny mponina.

๐Ÿ“ทIBC

๐Ÿ“Œ๐‡๐ˆ๐“๐€ ๐“๐€๐๐˜ ๐‡๐Ž ๐€๐๐˜ ๐Ÿ˜‚...
13/09/2025

๐Ÿ“Œ๐‡๐ˆ๐“๐€ ๐“๐€๐๐˜ ๐‡๐Ž ๐€๐๐˜ ๐Ÿ˜‚...

๐Ÿ“Œ๐‹๐Ž๐™๐€๐€         Mรฉcanicien iray no maty tsy tra-drano teo amperin'asa omaly 09 septambra 2025 tany LIKASI RDC ๐Ÿ˜ช
10/09/2025

๐Ÿ“Œ๐‹๐Ž๐™๐€๐€

Mรฉcanicien iray no maty tsy tra-drano teo amperin'asa omaly 09 septambra 2025 tany LIKASI RDC ๐Ÿ˜ช

๐Ÿ“Œ๐๐๐ซ๐ข๐ข๐ข๐Ÿ˜ช "๐€๐‘๐Ž๐•๐˜ ๐๐˜ ๐“๐„๐๐€๐Š๐Ž ๐“๐’๐˜ ๐‡๐Ž ๐€๐‚๐‚๐ˆ๐ƒ๐„๐๐“ ๐…๐€ ๐๐˜ ๐ƒ๐Ž๐Š๐Ž๐“๐„๐‘๐€ ๐“๐’๐˜ ๐Œ๐€๐‡๐€๐‹๐€๐‹๐€ ๐“๐’๐˜ ๐Œ๐ˆ๐’๐˜...๐Ž๐Šโ‰๏ธ"
10/09/2025

๐Ÿ“Œ๐๐๐ซ๐ข๐ข๐ข๐Ÿ˜ช

"๐€๐‘๐Ž๐•๐˜ ๐๐˜ ๐“๐„๐๐€๐Š๐Ž ๐“๐’๐˜ ๐‡๐Ž ๐€๐‚๐‚๐ˆ๐ƒ๐„๐๐“ ๐…๐€ ๐๐˜ ๐ƒ๐Ž๐Š๐Ž๐“๐„๐‘๐€ ๐“๐’๐˜ ๐Œ๐€๐‡๐€๐‹๐€๐‹๐€ ๐“๐’๐˜ ๐Œ๐ˆ๐’๐˜...๐Ž๐Šโ‰๏ธ"


๐Œ๐ˆ๐“๐€๐๐ƒ๐‘๐„๐Œ๐€ ๐‘๐˜ ๐™๐€๐‘๐„๐Ž ๐€โ€ผ๏ธ       ๐Ÿ“ŒEfa lokoin'ny olona  "๐•๐ˆ๐ƒ๐€๐๐†๐„ " indray ny kisoa  vazaha amin'izao , amin'izay lasa ohatri...
07/09/2025

๐Œ๐ˆ๐“๐€๐๐ƒ๐‘๐„๐Œ๐€ ๐‘๐˜ ๐™๐€๐‘๐„๐Ž ๐€โ€ผ๏ธ

๐Ÿ“ŒEfa lokoin'ny olona "๐•๐ˆ๐ƒ๐€๐๐†๐„ " indray ny kisoa vazaha amin'izao , amin'izay lasa ohatriny Kisoa gasy dia lafolafo kokoa ny vidiny...๐Ÿค”

๐Ÿ“Œ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—™๐—œ๐—›๐—”๐—ก-๐—๐—œ๐—ข๐—Ÿ๐—”๐—›๐—ฌ ๐—œ๐—Ÿ๐—”๐—™๐—ฌโ€ผ๏ธ๐Ÿ˜ฒ...       ๐“๐จ๐ค๐š๐ง๐ญ๐ซ๐š๐ง๐จ ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ง๐จ ๐ง๐จ๐ญ๐š๐Ÿ๐ข๐ก๐š๐ง'๐ง๐ฒ ๐ฃ๐ข๐จ๐ฅ๐š๐ก๐ฒ ๐ง๐ข๐ซ๐จ๐ง๐ ๐จ ๐›๐š๐ฌ๐ฒ, ๐ง๐ฒ ๐š๐ฅ๐š๐ญ๐ฌ๐ข๐ง๐š๐ข๐ง๐ฒ ๐ก๐ข๐Ÿ๐จ๐ก๐š ๐ญ๐š๐ฅ๐š๐ญ๐š ...
05/09/2025

๐Ÿ“Œ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—™๐—œ๐—›๐—”๐—ก-๐—๐—œ๐—ข๐—Ÿ๐—”๐—›๐—ฌ ๐—œ๐—Ÿ๐—”๐—™๐—ฌโ€ผ๏ธ๐Ÿ˜ฒ...

๐“๐จ๐ค๐š๐ง๐ญ๐ซ๐š๐ง๐จ ๐ข๐ซ๐š๐ฒ ๐ง๐จ ๐ง๐จ๐ญ๐š๐Ÿ๐ข๐ก๐š๐ง'๐ง๐ฒ ๐ฃ๐ข๐จ๐ฅ๐š๐ก๐ฒ ๐ง๐ข๐ซ๐จ๐ง๐ ๐จ ๐›๐š๐ฌ๐ฒ, ๐ง๐ฒ ๐š๐ฅ๐š๐ญ๐ฌ๐ข๐ง๐š๐ข๐ง๐ฒ ๐ก๐ข๐Ÿ๐จ๐ก๐š ๐ญ๐š๐ฅ๐š๐ญ๐š ๐ฅ๐š๐ฌ๐š ๐ญ๐ž๐จ.
Tafatsoafaka ireo 3 mianaka tompon-trano, saingy entana maro be no lasan'ireo jiolahy izay nanara-po tanteraka.

โ€ผ๏ธIzay mahalala ireo jiolahy ireo, iangaviana hampandre ny mpitandro filaminana.




๐€๐๐ƒ๐€๐Ž ๐‡๐ˆ๐“๐’๐„๐๐€ ๐€๐'๐ˆ ๐“๐จ๐ค๐ฒ ๐๐š๐ซ๐ž๐š ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌโ€ผ๏ธ        Ho fankasitrahantsika an'i Toky Niaina RAKOKONDRAIBE dia mikarakara  Carnaval ...
01/09/2025

๐€๐๐ƒ๐€๐Ž ๐‡๐ˆ๐“๐’๐„๐๐€ ๐€๐'๐ˆ ๐“๐จ๐ค๐ฒ ๐๐š๐ซ๐ž๐š ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌโ€ผ๏ธ
Ho fankasitrahantsika an'i Toky Niaina RAKOKONDRAIBE dia mikarakara Carnaval fitsenana azy ny Kaominina an'Ankadikely Ilafy ๐Ÿ˜ Izay miainga eo ANDROHIBE manomboka amin'ny 13:30 , mandalo Narta, Ambohitrarahaba, Ankadikely, Belanitra โ€ผ๏ธ TONGAVA MARO ๐Ÿ˜Ndao hanohana ny antsika e๐Ÿคฉ

Hita tany ho any ๐Ÿค”...
30/08/2025

Hita tany ho any ๐Ÿค”...

๐Ÿ“Œ๐—ง๐—˜ ๐—›๐—”๐—ก๐—”๐—ก-๐—ž๐—”๐—ฅ๐—˜๐—ก๐—” ๐—ง๐—”๐— ๐—ฃ๐—ข๐—ž๐—” ...๐—Ÿ๐—”๐—ฆ๐—” ๐— ๐—ฃ๐—”๐— ๐—ข๐—ฆ๐—”๐—ฉ๐—ฌ ๐—”๐—›๐—ข๐Ÿ˜ช๐Ÿ˜ณ...       ๐๐ฒ ๐š๐ฅ๐ข๐ค๐š ๐ก๐จ๐ง๐จ ๐ฃ๐š๐ฆ๐›๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐ญ๐š๐จ๐ฅ๐š๐ง๐š ๐Ÿ๐š ๐ง๐ฒ ๐จ๐ฅ๐จ๐ฆ๐›๐ž๐ฅ๐จ๐ง๐š ๐ง๐จ ๐ฃ๐š๐ฆ๐›๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ...
28/08/2025

๐Ÿ“Œ๐—ง๐—˜ ๐—›๐—”๐—ก๐—”๐—ก-๐—ž๐—”๐—ฅ๐—˜๐—ก๐—” ๐—ง๐—”๐— ๐—ฃ๐—ข๐—ž๐—” ...๐—Ÿ๐—”๐—ฆ๐—” ๐— ๐—ฃ๐—”๐— ๐—ข๐—ฆ๐—”๐—ฉ๐—ฌ ๐—”๐—›๐—ข๐Ÿ˜ช๐Ÿ˜ณ...

๐๐ฒ ๐š๐ฅ๐ข๐ค๐š ๐ก๐จ๐ง๐จ ๐ฃ๐š๐ฆ๐›๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐ญ๐š๐จ๐ฅ๐š๐ง๐š ๐Ÿ๐š ๐ง๐ฒ ๐จ๐ฅ๐จ๐ฆ๐›๐ž๐ฅ๐จ๐ง๐š ๐ง๐จ ๐ฃ๐š๐ฆ๐›๐š๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐ฏ๐จ๐ฅ๐š โ€ฆ ๐Œ๐›๐จ๐ฅ๐š ๐ญ๐š๐ง๐จ๐ซ๐š ๐Ÿ๐š๐ง๐š๐ก๐ฒ ๐ฅ๐จ๐š๐ญ๐ซ๐š ๐š๐ง๐ ๐š๐ฆ๐›๐š ๐ญ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ข๐ณ๐š๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐จ๐ญ๐จ๐š๐ง๐š ๐ฌ๐š๐ญ๐ซ๐ข๐š ๐ง๐ข๐ก๐ž๐ฏ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐Ÿ๐š ๐ซ๐š๐ฏ๐จ๐ฅ๐š ๐ง๐จ ๐ฆ๐š๐ก๐š๐ฌ๐š๐ฆ๐›๐š๐ญ๐ซ๐š. ๐‡๐จ ๐š๐ก๐ฒ ๐ฆ๐š๐ง๐จ๐ค๐š๐ง๐š, ๐ฌ๐š๐๐ฒ ๐ฃ๐š๐ฆ๐›๐š๐ง'๐ง๐ฒ ๐ฏ๐จ๐ฅ๐š ๐š๐ก๐จ ๐ง๐จ ๐ฃ๐š๐ฆ๐›๐š๐ง'๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ฌ๐ž๐ก๐จ๐ฌ๐ž๐ก๐จ๐š๐ง๐š, ๐ก๐š๐ง๐ฒ ๐ค๐š ๐ง๐š๐ง๐š๐จ๐ง๐š๐จ ๐Ÿ๐จ๐š๐ง๐š. ๐Ÿฅน

๐Ž๐ƒ๐˜ ๐…๐ˆ๐“๐ˆ๐€
7 mianadahy izahay no iray tampoa. Zaza fahatelo aho. Azo lazaina hoe fianakaviana manana ny ampy ihany izahay. Mbola tsy nandry fotsy mantsy izahay hatraminโ€™izay nahatsiarovako saina. Nony maty kosa nefa i dada dia nitotongana ny fiainanay. Nahavita nampianatra anay ihany nefa i neny, satria tena nanampy azy ireo zokiko roalahy. Nony afaka bakalorea aho no tsy maintsy nijanona taminโ€™ny fianarana. Nanao varobarotra kely teny aho. Afaka nanampy anโ€™i neny tsara. Nandeha ny fotoana ka tsy naharitra intsony aho. Kely loatra ny fidiram-bolako sady mahamenatra ireo mpiara-nianatra tamiko ity asa keliko. Hitako ny hevitra : hanambady lehilahy mpanakarena, ka tsy hampaninona intsony na hitsotsotra fotsiny aza isanโ€™andro.
Rehefa mivarotra mandehandeha iny aho, mahatsikaritra tovolahy raitra fitafy mitondra fiara tsara tarehy. Nataoko izay ahalalana ny mombamomba azy rehetra. Talenโ€™orinasany manokana ilay ranamana. Nikaroka hevitra mahomby aho ahazoana ny fony, ka nanatona mpitaiza, nahazoako ody fitia. Nanaikitra ny trondro satria tsy ampy 3 volana dia naroso ny raharahanay. Tsy norarahiany intsony ilay tovovavy niaraka taminy, na dia nilaza aza fa mitondra vohoka.
Ny ody fitia nalaiko moa dia ny mba tsy ahitan'ny vadiko vehivavy ankoatra ahy. Malemy tanteraka izy amin'ny alina mba tsy hahatsikaritra ny tsy maha-eo ankaikiny ahy.
๐“๐„๐๐€ ๐…๐ˆ๐“๐ˆ๐€
Ny harivanโ€™ny mariazinay no toa tonga saina hafahafa rangahy vadiko. Nivaloarika ny endriny sady nahateny izy hoe tena nentin-javatra aho โ€ฆ Natahotra mafy aho sao nahay naminavina ny zavatra nataoko azy izy. Toy ny nofy ihany ny minitra vitsy nahakaodikaody azy. Nizotra tsara ny alinโ€™ny volatantely sy ny fitsangatsanganana mandritra ny herinandro teo ho eo. Azo lazaina fa nifanaraka tsara izahay. Ny vola rahateo moa tena nanananay ka tsy nisy nahaory na sakafo, na akanjo, na firavaka na fiara.
Teo amin'ny faha-telo taonan'ny mariazinay, nanan'anaka aho saingy tsy maintsy natao sorona teo amin'ny fahatelo volan'ny kiboko. Mazava ho azy fa tsy fantatry ny vadiko ny tena marina. Ny hany fantany dia hoe "afa-jaza aho noho ny harerahana be loatra". Nanomboka nikorontana ny tokantranonay. Asa raha nihena ny herinโ€™ny odiko fa nankahala ahy tsikelikely ny vadiko. Tsy nitsahatra namerina tamiko izy fa tsy tia ahy. Mbola tsy azony mihitsy hono ny antony nangatahany ahy ho vadiny. Koa satria niala lavitra ny renivohitra ny trano fonenanay, azoko antoka fa tsy nifanerasera taminโ€™ilay renin-janany intsony izy.
Sendra niakatra ny renivohitra aho, sady namangy ny reniko, no nahatsikaritra toe-javatra hafahafa. Nandalo ny fiangonana teo an-tanana aho no nahatsikaritra fa misy vehivavy miaraka aminโ€™ny zazakely mandohalika mivavaka. Na dia tsy hitako tsara aza ny endriny, azoko antoka fa ilay olon-tian'ny vadiko taloha ilay tazako. Lasa ny saiko hoe tena ny herin'ny vavaka ataon'io vehivavy io ve no antony mampihena ny herin'ny odiko. Naka aina nisotro ranom-boankazo teo amin'ny mpivarotra iray aho no nantoniny. Nojereny tsara ny masoko sady niteny izy hoe "Tsy hainao marina ny manjo ny vehivavy mpandrava ny anjaran'ny hafa. Ho tanteraka foana ny planin'Andriamanitra na ho ela na ho aingana, na dia ninianao nogafiana aza". Tsy nahateny aho sady tsy nahahetsika. Toy ny nisy nanindrona tamin'ny lefona ny foko. Rehefa nanadihady ny manodidina aho dia fantatro tamin'izany fa tsy mitsahatra mivavaka ao am-piangonana io vehivavy io isa-maraina.
Nony tafody aho, nalemy tanteraka vao niditra ny tokonam-baravarana. Akory ny hagagako fa mandoro zavatra ny vadiko : hay ireo odiko rehetra no tratrany tao amin'ilay tranokely miafina fiantsoako ny masina. Vao nahita ahy izy dia nahateny hoe "hay ody gasy no nitazomanao ahy sy namotehanao ny fiainako nandritra izay taona maro izay ... Tapitra hatreto ny asa ratsinao ... Sady nanonona tonom-bavaka maro izy." Tsy nahateny aho. Efa minitra maro taorian'ny nahamay ny odiko rehetra aho vao tafatsangana. Toy ny tsy tompon'ny tenako intsony aho. Nanome rano mangatsiaka ho sotroiko ihany ny vadiko. Avy eo aho dia noroahiny aho handeha hiala ny tokantranonay. Nametraka fepetra maro moa izy, ary nanambara fa raha dikaiko ireo dia holazainy amin'ny fokonolona ny asa ratsiko. Valizy iray nisy ny akanjoko ihany no navelany nentiko, sady nampiany vola kely ataoko saran-dalana hono. Nanasonia taratasy ihany koa aho, ho fanekena mialoha ny amin'ny fisaraham-panambadianay.
๐“๐Ž๐ƒ๐ˆ๐Œ-๐๐ˆ๐“๐ˆ๐€
ยซ Raha todim-paty aza manody fa raha todim-pitia manodiava ยป : tanteraka tamiko io ohabolana io. Ankehitriny, vato boribory aho : sady tsy vady no tsy zanaka. Ny fianakaviana rahateo efa tsy misy te hifanerasera amiko intsony. Dimy taona mahery kely izay no nipetrahako irery. Miha-reraka ny vatako satria tsy maintsy mivoaka mamosavy aho isakโ€™alina. Ny sakafo nefa tsizarizary. Na hanorina fiainam-baovao aza aho tsy afaka hiteraka intsony satria voatery nesorina ny tranon-janako taorian'izaho nanala ilay zaza natao sorona. Tsy mety afaka aminโ€™ny fomba ratsiko aho satria efa nanao fanekena taminโ€™ny maizina. Efa nanandrana nivavaka aho saingy saika naningotra ny aiko izany. Raha vao manatrika na manatanteraka fombafombam-pivavahana mantsy aho dia tezitra mafy ny fanahy ato anatiko.
Ny hany azoko natao dia ny nangataka famelana tamin'ny vadiko teo aloha sy ilay renin-janany. Ingahirainy tsy nanaiky nihaona tamiko mihitsy. Izaho sy ilay vehivavy no niresaka nandritra ny ora maro. Nananatra ahy teo izy sady nitsotra fa nandrava ny herin'ny ody gasiko isan'andro isan'alina. Nitso-drano izy avy eo mba hahita izay tena anjarako aho sady ho afaka amin'ny geja izay namatorako ny tenako ihany. Menatra ny tenako aho satria vehivavy tsotra sady be fitiavana no nosomparako. Nizaka tondro-molotry ny fiaraha-monina izy sady kamboty velon-dray nandritra ny telo taona mahery ny zanany.

Tahakโ€™izay aho mba nahay nihafy taminโ€™izay kely nananako. Tahakโ€™izay tsy nanimba ny tena fifankatiavanโ€™ny hafa noho ny fitiavan-tenako. Rehefa miala ny fofonโ€™aiko, mbola hotsenainโ€™ny lelafonโ€™ny afobe aho handray ny valinโ€™asako. Mbola misy fanantenana ve handovako paradisa ?

ยฉ Moov.mg

Address

Ankadikely Ilafy
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Aty Ankadikely Ilafy - Avaradrano posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share