01/07/2025
𝐍𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐣𝐚𝐡𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐳𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐤𝐢𝐳𝐲.
Isaky ny volana jona dia mankalaza ny iray volan'ny ankizy isika eto Madagasikara. Ankehitriny anefa dia mbola ankizy an-tapitrisany no mbola voahitsakitsaka ny zony fototra : tsy misitraka fanabeazana, tsy voaaro amin’ny herisetra sy fanararaotana, ary mbola ampiasaina amin’ny asa mety hampidi-doza.
Ny 12 jona teo isika dia nankalaza ihany koa ny andro iraisampirenena ho an'ny ady amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Mbola maro ny sehatra ahitana fampiasana ankizy ankehitriny toy ny : toeram-pitrandrahana vato, toeram-pambolena, asa an-tokantrano na eny an-dalambe ; izay amin’ny fepetra tsy mifanaraka amin’ny taonan’izy ireo, miteraka voka-dratsy amin’ny fahasalamany, ny fivelarany ara-tsaina, ary amin’ny fianarana.
Amin’ity taona ity, ao anatin’ny tetikasa JOFA ACTE, miara-miasa ny ONG Terre des Hommes sy ny Reako Consulting hiadiana amin'ny fampiharana ny zon'ny ankizy indrindra ny ady amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Manomana hetsika maro izy ireo ary hiaraha-miasa amin'ireo mpanao fanatanjahantena maro.
Tanjon’ny hetsika ny hanaitra ny sain’ny vahoaka amin’ny alalan’ny lalao ara-panatanjahantena sy ny fanentanana ataon’ireo atleta malaza mba hanohitra ny fampiasana zaza tsy ampy taona, indrindra amin’ny fitrandrahana mica.
Ireo atleta hiaraka amin'izany :
- Christiane Jaofera sy Hajaniriana Muriel, mpilalao ao amin’ny ekipam-pirenena Basket-ball vehivavy "Ankoay"
- Tojo Andriatsitohaina, tompondakan’i Madagasikara amin’ny haltérophilie
- Raboanaritompo Jessica Soary, mpanao karaté
- Holy Antsa Rabejaona, mpilomano matihanina
- Rakotoasimbola Zakanirina (Nina), mpilalao baolina matihanina
Ankoatra ireo atleta ireo dia handray anjara amin'ity hetsika ity ihany koa i Seth Seven ( mpanao slam ), izay hampiasa ny teniny sy sorany ho fampitana hafatra. Hiaraka amin'izy ireo ihany koa ilay mpanentana malaza Kenny Regnanatsy , izay hanampy amin’ny fanaparitahana ny hafatra amin’ny vahoaka any amin’ny faritra Anosy.
Hafatra ho entina amin'izany :
Ireo mpanakanto sy atleta ireo dia mitambatra hanambara amin’ny feo iray fa azo ovaina ny hoavin’ny ankizy malagasy : ho avy iray feno fanantenana, fahasambarana, fianarana ary fahamendrehana.