08/05/2025
Tonon-kira tena manampy❤️
Tena lalina!
🎙️ Fitsapana!
Tsy nomenao safidy Aho,
Voatery nanaraka tsy satry.
Tamin'izay nitondranao ahy,
Na tsara io na ratsy.
Mba manana ny tiako anie Aho,
Te halalaka amin'izany,
Saingy Ianao hatrany, no toa mifehy izany,
Ny faniriako anie, ny mba ho sambatra,
Sy ho tafita , mandroso ambony, Mahatonga ahy mihezaka.
Masiaka loatra ianao, hentitra fitondra,
Tsy niantra ahy akory,
Manahy foana aho hoe tena misy ianao,
Aiza ianao mitazana ahy,
Toa tsy te hino anao aho.
Ref1:
Fony Aho, tsy nahalala anao,
Mora lavon'ny hakiviana ,
Marefo ara-panahy ,s
Saron'ny lomotry ny haratsiana,
Hilaozan'ny hazavana aho,
Tsitako ny natao,
Satria aho tsy voaharo,
Dia izao aho Mila anao.
Fitiavana sy fitsapana mba tsy hivoana ianao,
Ny fotoana hamaliako anao anie efa ao,
Ianao nitodika aty amiko toy izao,
Nendrasako hatrin'ela fa manginaa,
Hanefy hery anao aho izao dia izao , Ahatanteraka izay rehetra kinasanao, Fandresena aharitra no omeko anao,
Ny faharetana no fihazonako anao
Sy hanonerako izay tsy takatrao,
Fa mendrika anao izany.
Masiaka loatra aho, satria tsy ho takatrao Raha ny fiheverako anao,
Efa voasoratro araka ny vavakao sy ny hezaka izay atao ka mihorena ianao.
Ref 2:
Mifona aho tsy hanome anao tsiny Ary
Tsy hitaraina intsony aho
Mahatoky anao ambony,
Efa manoratra ny làlako
Tsy ho tafin-tohina,
Hisesy ny fahombiazako,
Ny ratsy lasa rehetra
Honeranao ilay fandresena.
Fandresena aharitra no omenao,
Tambin'ny fiharetako
Misaotra anao aho ray
Nitazona ahy ho ao aminao.
Ref 3
Tsy nomenao safidy aho ri Ray,
Satria tsy ho takatry ny saiko
Ny fitiavanao ahy,
Raha mitoky tena loatra aho,
Dia tsy ahatsiaro anao,
Ny fiafiko no fitazomanao ahy,
Mifona aho Ray, mifona aho Ray,
Handala anao aho, Hatoky anao aho.
Mavesatra ny hafatra ❣️