Tv7foi Informations

Tv7foi Informations Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tv7foi Informations, News & Media Website, Anosizato Est, Antananarivo.

FOTOAM-BAVAKA LEHIBE SABATA 03 JANOARY 2026 Palais des Sports Mahamasina"ZAY KELY HERY, IHIAKA HOE MAHERY AHO"▪️Hitondra...
09/12/2025

FOTOAM-BAVAKA LEHIBE
SABATA 03 JANOARY 2026
Palais des Sports Mahamasina

"ZAY KELY HERY, IHIAKA HOE MAHERY AHO"

▪️Hitondra ambavaka ny firenena isika
▪️Hitondra ambavaka ny Ankohonana
▪️Htondra ambavaka ny fiainana manontolo.

🚨 Tsy misy fanahy afaka miala amin'Andriamanitra izany fa tsy maintsy mila Andriamanitra ny fanahy raha te ho velona, raha te ho mpandresy sy te hahomby amin'ny atao rehetra.

👉 Ho anao mahatsiaro hoe efa kely hery, latsaka ny finoana, kivy, reraka...sns

📖 Hoy Jesosy "Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be." saia 40:29

🎖️ Fotoana fanovozan-kery lehibe io hanasana antsika rehetra izay mitady famonjena sy te hametraka ny taona vaovao eo anatrehan'i Jehovah

⏰ Ny Sabata 03 Janoary 2026 ao amin'ny PALAIS DES SPORTS Mahamasina manomboka amin'ny 9ora maraina.

Tianao Jesosy.
TV7FOI VIDEO DIRECT Tv7foi Informations





Mampihaiky ny fitiavan'izy ireo ny fanompoana an'Andriamanitra ❣️
21/11/2025

Mampihaiky ny fitiavan'izy ireo ny fanompoana an'Andriamanitra ❣️

08/11/2025

FAMANGIANA FMFOI EUROPE "1.0"
FIHAONAMBE Sabata 15 Nov 2025 "ILE DE FRANCE"

🏙 Tsy tonga dia nisy teto Europe! Tsia
Nisy dingana maro, ezaka sy fikirizana ary indrindra fahafoizantena vao tonga amin'izao fotoana izao.

🚔🚲🛵🚙 Ny Apostoly_Benjamina dia nanao izay fomba rehetra hahatonga ny filazantsaran'ny Fahamarinana ho tonga hatrany ampitandranomasina ary tsy mijanona izy ireo raha tsy tratra izay tanjona izay.

🏆 Ny ezaka atao tokoa no mitondra vokatra omban'ny herin'ny Fanahy Masina miasa sy manamarina ary mitondra famantarana, ity fihaonambe eto ity dia fotoana iray hanaovana tombokasea fa nivoaka avy amin'ny Nosy Madagasikara ilay fahamarinana nomena azy teto ka miely manerantany.

Tv7foi Informations TV7FOI Madagascar





02/11/2025
MARIAZY MIARA-MIZOTRA Voaloham-bolana 23 Oktobra 2025 🔰Ny fanambadiana dia lalana iray hahitana fitia sy fitahiana eo an...
30/10/2025

MARIAZY MIARA-MIZOTRA
Voaloham-bolana 23 Oktobra 2025

🔰Ny fanambadiana dia lalana iray hahitana fitia sy fitahiana eo anatrehan'Andriamanitra, tamin'ny fiandohan'ny zavatra rehetra dia nambara fa Jesosy no Fitiavana ka nahariana ny lanitra sy ny tany, napetrak'Andriamanitra tao amin'ny olombelona Ilay tena Fitiavana mba hahafahan'ny olona manapaka ny zavatra rehetra.

⚜️ Ny fiangonana FMFOI dia mampianatra ny olona hanamasina ny fanambadiana ka hanorina tokantrano ankasitrahana eo imason'ny olona sy Jehovah Tompo.

⚜️ Notanterahana teto Ambohiboahangy ny fanamasinana ny fanambadiana araky ny Soratra Masina dia lehilahy sy vehivavy nifanaiky fa hitondra ny fitiavany ho hamasinina eo anatrehan'i Jehovah.

🤩 Mirary soa ireo nanorina tokantrano araky ny Soratra Masina.
📸 Santionany an-tsary nandritra ny fotoam-bavaka TV7FOI Madagascar Tv7foi Informations





28/10/2025
APOSTOLY BENJAMINA MIVADY Mamangy eto   (Paris) 🇲🇬🇫🇷 Nigadona eto  -France ny   mivady hamangy ireo zanany ara-panahy et...
23/10/2025

APOSTOLY BENJAMINA MIVADY
Mamangy eto (Paris)

🇲🇬🇫🇷 Nigadona eto -France ny mivady hamangy ireo zanany ara-panahy eto an-toerana.

⚜️ Famangiana lehibe ity ataon'izy mivady ity satriailay Filazantsara izay niainga tao ambany lakaly fony vitsy dia efa tonga hatrany ampitandranomsina izy izao. Betsaka ny mpino eto France ary ireo rehetra ireo dia hivory hiaraka hivavaka amin'ny mivady , handray ihany koa ny hosotry ny Fanany Masina izay raisina amin'ny alalan'ny fametrahan-tanana.

🔰 Ity fahatongavan'ny Apostoly sy ny Mpaminany ity dia hanisy tombokase ofisialy ny fisokafan'ny fitoriana "Filazantsara amin'ireo Hafa firenena ary manamarina fa nivoaka avy amin'ny Nosy Madagasikara tokoa ny fahamarinana satria tonga any ivelany ary mandresy lahatra hafa firenena.

💟 Mirary soa hatrany ny mivady tsy mitsahatra mitety ny vazan-tany rehetra hitory ny filazantsaran'ny famonjena.

📸 Sary mivady sy ny zanany nigadona eto TV7FOI Madagascar

Isaia 51:4-5
Ho arahintsika eto ny akon'ity famangiana lehibe eto ity






Jehovah anie hanisy soa eto Madagasikara !!!🇲🇬🇲🇬🇲🇬Homba ny Malagasy rehetra anie Jehovah ka hahita soa sy fiadanana anie...
22/10/2025

Jehovah anie hanisy soa eto Madagasikara !!!🇲🇬🇲🇬🇲🇬
Homba ny Malagasy rehetra anie Jehovah ka hahita soa sy fiadanana anie ny firenena.

⚜️ FMFOI mpitory ny fahamrinana eto amin'ny , ndao hiara-hivavaka ho an'ny firenena rahampitso Voaloham-bolana 23 Oktobra 2025 manerana ny Fiangonana FMFOI rehetra izay misokatra.

Tena tianao Jesosy.

21/10/2025

FANDAHARANA "Fianarana ho an'ny Mino"

🎉Hikendry ny hananan'ireo fahendrena sy fanabeazana ho tonga olom-banona.

⚜️ Ny tanora no antoky ny ho avy, izy ihany koa anefa no antoky ny ho aviny, mila torolalana, mila fampianarana ary mila fahendrena ihany koa izany indrindra indrindra izay no tena tanjona isian'ny fandaharana izay mandeha ao amin'ny 107.4FM

🥇 Ho fankalazana ny faha-1 taonan'ity fandaharana ity dia hisy ny hetsika izay atao ao amin'ny Lapa Foibe FMFOI Ambohimamory ny Alahady 26 Oktobra 2025 izao, ary eo ihany koa ny famaranana ny lalao "IZAHO SY NY ANKOHONAKO".

📽 Mitondra fanazavana ny mpanabe tanora no sady mpiandraikitra ny fandaharana : Ainasoa Ramanampison izay eo ambany fitantanan'ny Mpampianatra Florentin. R






"IZAHO SY NY ANKOHONAKO" Sampana AVANA FMFOI 🎉Fankalazana ny faha-heritaona ny fandaharana izay karakaran'ny Sampana Ava...
20/10/2025

"IZAHO SY NY ANKOHONAKO"
Sampana AVANA FMFOI

🎉Fankalazana ny faha-heritaona ny fandaharana izay karakaran'ny Sampana Avana.

🎊 Ny Alahady 26 Oktobra 2025 izao no tanterahina eny amin'ny FMFOI Ambohimamory ny "Lalao Famaranana" lehibe, lalao ara-baiboly izay handrain'ireo ankohonana samy ankohonanan anjara.

⚜️ Ny tanjona ao anatin'izao dia ny hampifandraisana tsara ny fifankatiavana eo amin'ny ankohonana ary koa hampiorenana ny tanora eo amin'ny fahamarinana sy ny lalana tokony hizorana eo amin'ny fiainany.

🏆 Manasa antsika Sampana Avana eto amin'ny FMFOI izay eo ambany fitarihan'ny Mpampianatra Florentin. R ho avy hifanome voninahitra sy hanatrika ity fankalazana ity. Betsaka ny seho ho hita amin'io ary maro ihany ny fifaliana hiarahana mizara.

🎥 Ho arahinao mivantana eto amin'ny Pejy TV7FOI Madagascar ny fizotran'io lalao io






Address

Anosizato Est
Antananarivo
110

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tv7foi Informations posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share