Ny fahasalamana ny reny sy ny zazakely

Ny fahasalamana ny reny sy ny zazakely torohevitra momba ny zazakely

01/09/2022
29/08/2022
13/06/2022

Misotro jus pamplemousse iray vera isan'andro mandritry ny 1volana dia afaka hitsaboana ny aretin'ATY ntanteraka.
Izy io dia manadio ireo poizina sy loto ary manatsara ny fiasan'ny aty

13/06/2022

FANASITRANANA SY FISOROHANA NY LALAN-DRA TSY HO TAPAKA NA HO TSENTSINA SY FIAROVANA AMIN'NY FIAKARAN'NY TOSIDRA AMIN'NY FOMBA TSOTRA ARY NATORALY


- TONGOLO GASY "Ail" (4)
- SAKAMALAO LEHIBE IRAY "Gingembre" (4 cm).
- VOASARY MAKIRANA "Citrons" (4).
- RANO "Eau" (2 litres)


- Sasana madio tsara ny voasary makirana ary silahina zaraina efatra
- Voasana ny tongolo gasy sy ny sakamalao ary totoina ho potika tsara

- Manaraka izany dia arotsaka ao anaty vilany izany rehetra izany ary asiana rano roa litatra.
- Ampangotrahina mandritra ny 10 minitra
- Avy eo, avela hangatsiaka tsara ary esorina ny faikany dia azonao atao ao anaty tavoahangy ny ranony ary azo tehirizina ao anaty vata fampangatsiahana.


- Misotro iray vera alohan'ny sakafo maraina
- Tsara koa ny misotro izany adiny 2 ora alohan'ny hatory
NB: Misafidy izany ianao na hariva na maraina

Miaraka amin'izany, ny lalan-drànao dia ho toy ny vaovao ao anatin'ny fotoana fohy ary tsy hisy intsony ny menaka hivaingana manakana hanentsina azy ireo. Ankoatr'izay, ho tsikaritrao fa ny fikorian'ny rànao dia tsy miovaova ihany koa ny tosidra.

Aza adino ny mampifangaro tsara izany alohan'ny hisotroana azy io mba hankafy hisitraka ny vokatsoa maro azo avy amin'izany. Tsy ho olana ho anao intsony ny tosidrà ambony. Atombohy ny fanasitranana avy amin'ity fanafody natoraly ity fa hahatsapa ho vaovao indray ianao.

Ny faobe misy anao ato ity toro-hevitra ara-pahasalamana mahasoa ity dia feno fitiavana fanetren-tena lehibe indrindra ary mahavonjy aina maro dia maro.

Aza adino ny mi abonné ny pejy https://www.facebook.com/thetherapycare/
hahazoanao torohevitra isan karazany mahasoa

© Ny tsara

30/05/2022
Miarahaba ny Reny rehetra izay manaraka ny Page eHo hambinina sy ho salama lalandava anie ny Reny rehetraHo voatahy raha...
29/05/2022

Miarahaba ny Reny rehetra izay manaraka ny Page e
Ho hambinina sy ho salama lalandava anie ny Reny rehetra
Ho voatahy raha samy vehivavy anie
Ary mba ho Reny Mendrika hitondra sy hikarakara ny ankohonany

Manaova fety sambatra daholo

Alefaso ny 💛💙💜💟💗 ho an'ny Neny rehetra ariee

Bisous daholo

Mahereza daholo ry Reny Rehetra ô!💙💙💙💙💙

25/05/2022

Miarahaba antsika rehetra
Ho avy ny fandaharana manaraka
Resaka fahasalaman'ny Reny sy ny zaza
Araho tsy tapaka ny Page
Mirary torimaso sambatra ho antsika rehetra.

17/05/2022

MANALA NY SEPOTRA , KOAKA , REHOKA AO AMIN'NY TRATRA no atolotray eto amin'ny conseil et partage anio

Zavatra ilaina ( ingredients ) :

Ananas 1 ( mananasy ), 2 Jaunes d'oeufs ( tamavon'atody 2 ) , Un peu de sucre ( siramamykelikely 2 sotrokely ) ou miel ( tantely 2 sotrokely )

Fanaovana azy ( préparation ) :

- Sasana ilay ananas vao épluchéna ( voasana) ary tetehana rondelle (boribory ) atao daholo ny mananasy anakiray,

- avy eo rarahana sucre (siramamy ) nà miel ( tantely) 2 sotrokely mba hivoka ilay jus raha toa ka tsy misy mixeur ao aminao raha misy dia mixéo sans l'eau ( tsy asiana rano ) ,

- Rehefa vita zay dia hafangaroy ilay jaune d'oeuf ( tamavon'atody) dia avelao maka aina kely 10mn eo vao misotro 1 cuillère à café na cuillère à soupe ( sotrokely 1 na sotro fihinana 1 )

Fihinana azy ( Mode d'emploi ) :

- Raha zaza 4 mois à 3 ans dia 1 cuillère à café (sotrokely 1 ) Atao 3 fois par jour (intelo isan'andro ),matin, midi et soir

- Raha zaza 4 ans à 18 ans plus sy olon-dehibe dia 1 cuillère à soupe ( sotro fihinana ), atao 3 fois par jours ( intelo isan'andro )matin, midi et soir, pendant 3j

azo tehirizina 48h anaty frigo ny ambiny ataovy anaty lovia vera na bôcale

22/02/2022

🛑🛑La grossesse extra utérine 🛑🛑

✳️La grossesse extra-utérine (GEU) ou grossesse ectopique est la nidation de l’œuf en dehors de l’utérus. La présentation la plus fréquente est la grossesse tubaire avec une nidation qui débute dans la trompe .
✳️Les facteurs de risques:

Physiologiquement, la fécondation se fait dans le tiers distal de la trompe puis l’œuf migre dans la cavité utérine et entame sa nidation 7 jours après. Les facteurs de risque de GEU sont donc tous les facteurs altérant la motilité tubaire :

• les infections génitales hautes (IGH) ; les salpingites et les endométrites peuvent être des infections sexuellement transmissibles ; le risque relatif est à 6 et le germe le plus fréquemment en cause est Chlamydia trachomatis ;

• le tabac avec une relation effet-dose ; ce deuxième facteur de risque est accessible à la prévention primaire ;

• les antécédents de chirurgie tubaire mais aussi abdomino-pelvienne à risque d’adhérences ;

• les autres causes d’altération de la paroi tubaire : endométriose, tuberculose, bilharziose, malformation utérine ou tubaire ;

• l’âge maternel élevé ;

• certains types de contraception : la pilule microprogestative, le dispositif intra-utérin (risque relatif à 3) ;

• la fécondation in vitro : 4,5 % des FIV. Pour ces patientes, il faut penser aux grossesses hétérotopiques

05/02/2022

Le fer est un minéral essentiel qui permet aux globules rouges de capter l’oxygène et de le transporter dans tout l’organisme.

04/01/2022

Arahabaina.ny mpanaraka.ny.page.rehetra.nahatratra.ny.taona.vaovao.2022.....Mirary.soa.ho.antsika.eee

22/12/2021
02/12/2021

🏵️🏵️ SALAMA ISIKA REHETRA 🏵️🏵️

IZA NO MANANA TAREHY BE ? 😲😲
EFA NATAO NY ZAVATRA REHETRA FA TSY AFAKA ? 😳😳
BE BE IHANY KOA VE ? 😮😮
TSY METY ? 😟😟

NATOKANA ITY :

👉👉 SAVON 🍃🍃🍃
👉👉 VITA 😍😍
👉👉 TSY MISY SECONDAIRE 😮😮
👉👉 ERINANDRO DIA MAHITA 🥰🥰

Prix : 3.500ar

🏵️🏵️ 034.59.006.43🏵️🏵️

02/12/2021
19/11/2021

1. Hodi-tsaramaso iray fehi-tanana + rano 1 litre sy sasany sotroina maraina atoandro hariva ny ranony efa avy nampabgotrahina
2. Haricot verts + poireau+ vodina tongolo maints0 ampangotrahina
miaraka tsy asiana sira sotroina mandritran'ny 10 andro ajanona ary
averina afaka 7 andro
3. Ravina pibasy 7 isa + rano 1 litatra apangotrahina mandritran'ny 5
mn ary avadibadika tsara sotroina 1 vera maraina atoandro hariva
mandritran'ny 3 andro
4. Poireau tetehina madinika dia tanehina ao anaty rano 1 litatra ato
rano fisotro
5. Pasteque sy poire hanina amin'izao
6. Poireau+ haricot vert andrahoina miaraka ny poireau tahontny 5 sy
haricots verts 8 eo anaty rano 1 litatra atao rano fisotro mandritra ny
5 andro
7. Ravina poire 20 isa apangotrahina amin'ny rano 1 litatra sotroina
maraina atoandro hariva mandritran'ny 7 andro
Fadiana ny siramamy ,ny sakafo be amidon toy ny vary fotsy ny sakafo
any ambany tany toy ny vomanga mangahazo pomme de terre saonjo sy
izay mitovy amin'ireo, fadiana ny jus gaseuse mamy be, ny jus amidy
eny amoron-dalana tsy ara-pahasalamana ny chocolat biscuit mamy be
ny m**omamy isakarazany toy ny gateau m**o gasy menakely m**o baolina..ny patte reny dia tokony ferana ny fihinanan azy, ny alcool rehetra
Tsara hanina ny trondro izay misy omega 3, ny legume toy ny persil,cocombre, haricot vert ,sosety ,angivy, ny poireau, tongolo gros oignon ,ny anana isakarazany ny vary mena raha tsy maitsy hihinanana vary, ny pain complet raha tsy amintsy hihinanan m**o
Mazoto misotro rano manao fana tan-jahatena 30 mn farafahakeliny ao
anaty iray andro

👉🏻Manatona dokotera foana manao teste fa samy hafa ny "hypoglicémie"sy ny "hyperglicémie"

19/11/2021

Tsirilahy , mitazona ny hatanorana ?:

Rehefa mitady any anaty tranonkala any, dia marobe mihitsy ireo voalaza ho voka-tsoa entin'ny tsirilahy lahy eo amin'ny vehivavy. Ny ankamaroan'izy ireny anefa dia resa-be fotsiny, fa tsy voaporofo ara-tsiantifika akory. Ireto manaraka ireto kosa dia nanaovana fanadihadiana manokana mihitsy.

Miaro amin'ny “dépression”: Karazan'aretin-tsaina izy io, izay miseho amin'ny alahelo be, fahalainan-komana... ary mety ho tonga hatramin'ny famonoan-tena mihitsy rehefa tena henjana ny aretina. Araka ny tsikaritr'ireo manam-pahaizana avy ao amin'ny oniversiten'i Albanie anefa, dia tsy mora tratran'ny “depression” ny vehivavy rehefa manao firaisana tsy misy kapaoty, izany hoe : lasa any anaty vatany ilay tsirilahy.

Ireo tsiry mpanentana hita ao anatin'ny tsirilahy no heverina fa miaro ny vehivavy. Mampihemotra ny fahanterana: Ahitana ny singa antsoina hoe : “spermidine” ao anatin'ny tsirilahy. Ahitana azy io koa ao anaty fraomazy, ny soja, ny voankazo sy ny legioma sasantsasany. Fanandramana natao tamin'ny lalitra no nahitana fa tsy mora antitra ny sela ao anatin'izy ireo rehefa tratran'io singa io.

Tsy nanome izay vokatra izay kosa anefa ny fikarohana natao tamin'ny voalavo, izay manakaiky indrindra ny olombelona. Mbola mitohy ny fikarohana… Mampaniry ny volo: Mbola ny “spermidine” ihany no tompon'antoka amin'izany. Mbola mijanona ho andrana natao tany amin'ny labôratoara aloha izany hatreto. Sombina sela avy amin'ny hoditr’olombelona no nasiana io “spermidine” io, ka nahitana fa manosika ny fanirin'ny volo io singa fahita ao anaty tsirilahy io mimi

16/11/2021

Ny fivontosan’ny tongotra eo @ bevohoka…

Bonsoir aby! 😃
Tranga iray mampiahiahy foana ny tongotra mivonto rehefa bevohoka 😱.
Hazavaiko anao anio ny momba izany 👇

Mizara roa mazava ny fivontosan’ny tongotra ✌:
1⃣ Karazany voalohany:
Izy ity dia tranga tsy maneho aretina ary afaka hoazy rehefa teraka 😌.
Ireto ny antony:
🍂Voatsindrin’ny tranon-jaza ireo lalan-dra @ kibo ka tsy miverina tsara makany @ fo ny rà @ faritra ambanin’ny vatana
🍂 Vokatry ny hormone dia mitazona rano sy sodium (sira) bebe kokoa (retention hydrosodée) ny vatan’ny bevohoka.
Ny tongotra, ranjo, cheville no mivonto, mipotra miandalana ny fivontosana, ary tsy misy tranga hafa miaraka aminy.

☝Ny zavatra atao:
🌿 Aza mijoro na mipetraka ela ⏰
🌿Aza atao mitsororika ny tongotra rehefa maka aina fa ataovy ambony foana
🌿Miorirana avia rehefa matory mba tsy ho tery ny lalandrà
🌿 Mandeha tongotra na milomano matetika 🏊🏃
🌿Lomana rano mangatsiaka 💧🛀matetika ny tongotra (rehefa mafana dia vao maika mivonto )
🌿Ahena ny sira, caféine hoanina
🌿Misotro rano be 🍶
🌿Atao malalaka ny pataloa 👖
🌿Afaka mampiasa bas de contention ohatran’ny @ sary (eny @ farmasia)

2⃣ Karazany faharoa kosa dia tena aretina ary mila araha-maso akaiky na ny reny na ny zaza ao am-bohoka satria dia avy amin’ny fiakaran’ny tosi-drà ⚠🚫‼

Enjakenjana kokoa ny fisehony satria:
❇Tsy ny tongotra ihany fa h@ tarehy sy vatana dia mivonto. Ary tampoka be ilay fivontosana
❇Misy fambara hafa: marary andoa, manjavona ny maso, mandoa, marary atoka… 😪
🏩 Manantona hopital malaky ho zahana satria @ ity karazany ity dia sady ambony ny tosi-drà no misy albumine/proteine anaty p**i (hita @ analyse). Ary tsy maintsy fanafody no fanafany 💉💊

Aza kamokamo misafo reto a! 😊 Satria any no hitsapana tosi-drà sy ijerena ny fahasalamanareo 😘😘😘

13/11/2021

[TOROHEVITRA-MAHASOA]

©FOMBA TSOTRA NATORALY FANESORANA MONY AMIN'NY TAREHY TENA MAHOMBY©

Ny tarehy no voalohan-karena hoantsika vehivavy ka tsy maintsy kolokoloina matetika.

©ZAVATRA-ILAINA©

®Tantely(Miel)
®Clous de girofle

©FOMBA-FIKARAKARANA-AZY©

®Tsy maintsy totoina ho lasa vovoka aloha ireo Clous de girofle Indray tanana. Rehefa vita izay, dia araraka anaty boaty efa misy tantely maromaro. Ka avela mifangaro tsara izay vao afaka ampiasaina tompoko.

©FOMBA-FAMPIASANA-AZY©

®Tsy maintsy manasa tarehy aloha rehefa mifoha maraina. Rehefa vita izay, dia avela maina ny tarehy izay vao hosorana ilay akora natoraly teo. Ka avela eo mandritra ny 30 minitra, izay vao kobanina amin'ny rano matimaty ny tarehinao tompoko.

©FAHARETANY-TRAITEMENT©

®Mandritra ny 15 andro misesy fotsiny ny faharetany traitement dia afaka tanteraka ireo mony tompoko.

©Mba ho fanampianao ireo namanao tompoko dia PARTAGER AU MAXIMUM izao TOROHEVITRA-MAHASOA©

Zay mila d afaka mandefa mp
03/11/2021

Zay mila d afaka mandefa mp

27/10/2021

✅ . Raha ny eto Madagasikara aloha dia mbola maro no tsy mahalala izay aretina tadiavina amin'ireo analyse-na rà asain'ny Dokotera hatao.

💢Tsara ihany anefa no mba manana fahalalàna ankapobeany amin'izany.
______________________________________
Ireto ary ny ampahany amin'izy ireo :

1️⃣ na (numération formule sanguine)
👉dia hitiliana hoe ampy rà ve (raha latsaka ny hémoglobine dia tsy ampy rà ilay marary, izay lay anémie)
👉tafiakatra ambony be ve ny isan'ny sela fotsy (raha ambony ny globules blancs be dia manambara fa misy infection na homamoadany rà)
👉ampy ve ny isan'ny plaquettes (raha latsaka be dia mety ho antony hampande-rà)

2️⃣ (c-reactive protein)
👉raha mikatra dia manambara fa misy inflammation izay ilay marary (ny antony dia mety ho microbe tafiditra, na cancer, na aretina hafa). Ny analyse hafa no manampy be be kokoa hitadiavana hoe aiza ilay toerana misy io inflammation io.

3️⃣ sy (azotémie)
👉dia loto ao anaty rà (raha avo be izy io dia tsy miasa tsara ny voa, na hoe manao insuffisance rénale).
👉mety ho fiakarana mandalo miserana fotsiny, ka rehefa tsaboina ilay antony mampiakatra azy dia midina ho normal ihany (izay ilay insuffisance rénale aigue).
👉raha efa potika kosa ny voa, dia tsy hidina ho normale intsony io analyse io (izay ilay insuffisance rénale chronique).

4️⃣
👉hijerena hoe ampy Potassium tsara ve ilay marary, sa tafiakatra avo loatra (hyperkaliémie, izay mety hampijanona ny fò tampoka raha tsy voatsabo) sa latsaka ambany loatra (hypokaliémie, izay mampikorontana fidoboky ny fò, mahatonga faharera, crampes, sy maro hafa).
👉ampy sira tsara ve (Sodium sy Chlore). Raha tafiakatra avo loatra (hypernatŕémie, dia mety tsy ampy rano izay ilay olona, na déshydraté). Raha tafidina ambany indray dia na tena tsy ampy sira tokoa, na feno rano ny vatany ka mila alaina (hyponatrémie de dilution).

5️⃣ (transaminasémie)
👉hitiliana hoe misy sa tsisy fahavoazana ny aty
👉raha tafiakatra avo be, dia izay ilay antsoina hoe Cytolyse hépatique. Mety ho maro no antony, fa anisany amin'ireo ny Hépatite (virale, médicamenteuse, sns).

6️⃣
👉tahany siramamy ao anaty rà raha vao tsy nisakafo (tokony ho iva ny glycémie raha mbola tsy nisakafo ny olona iray).
👉raha tafiakatra avo dia mety ho Diabeta izay no antony, ka mila manao ilay Cycle glycémique (hijerena hoe miakatra foana ve maraina atoandro hariva? Sa miovaova? Hahafahana mametraka ny fitsaboana mifanaraka amin'izany)

7️⃣ (hémoglobine glyqué)
👉analyse hijerena hoe Diabetika sa tsia ny olona iray.
👉ampiasana ihany koa hanarahana ireo diabetika mihinana fanafody, hoe voatsabo tsara sa mihombo ny aretina.
👉isan-telo volana ny HbA1c no tokony ho jerena.
👉marihina fa areti-mandoza ny Diabeta, ary mamotika haingana ny Fo, ny Lalandrà, ny Voa raha tsy voatsabo tsara.

8️⃣
👉ny LDL-cholestérol, no antsoina hoe cholestérol ratsy (raha tafiakatra avo izy dia betsaka ny risque hanetsenany lalandrà).
👉ny HDL-cholestérol, no antsoina hoe cholestérol tsara (izy indray dia ilain'ny lalandrà, ka tsara raha tena avo ny valiny).
👉raha mikorontana izy ireo dia izay ilay antsoina hoe Dyslipidémie.

9️⃣
👉tavy any anaty rà izy io, ka mahatsentsina lalandrà raha avo be (sakafo be siramamy sy be menaka no mampiakatra azy)

➡️AFAKA MANAMPY IZAY MANANA HANAMPIANA.
➡️AFAKA MANINTSY IZAY MAHITA HAHITSY.

Loharano: DOCTEUR_RAKOTONOEL

20/10/2021

🍃Nahoana no mitomany ny zazakely ?
Ny fitomaniana no fomba fanehoana voalohany ary lehibe indrindra ho an'ny zazakelinao ! Rehefa mitomany izy izay dia tia hiteny zavatra aminao ... kanefa tsy fantatrao hoe inona no tiany ho lazaina ?
Noho izany, ahoana no fomba hamaritana ny fiteniny manokana ka hahafahana manome azy izay ilainy?
Happy Mama by Blédina dia manome anao ireo torohevitra mikasika izany ato amin'ity rohy ity : 👉
https://urlz.fr/gg4E

Ary ianao, inona avy ireo torohevitra kely mba hampanginana sy hampitony ny zazakely ? 😃👇

🍃Pourquoi bébé pleure-t-il ?
Les pleurs sont avant tout un moyen d’expression pour votre bébé ! Lorsqu’il pleure, il vous dit quelque chose… mais vous ne savez pas quoi ?
Alors, comment décrypter son langage si spécifique et lui apporter le réconfort dont il a besoin ?
Happy mama by Blédina vous dit tout dans cet article : 👉
https://urlz.fr/gg4E

Et vous, quelles sont vos petites astuces pour consoler et calmer bébé ? 😃👇

18/10/2021

Salama daholo o!👋
Ireto amin'ny sary manaraka ity ireo sakafo tokony hita ao anatin'ny sakafo marainan'ny zaza
Ny compote na dia 2 sotro kely aza ny maraina ho an'ny zaza 6 volana dia efa mahampy. Avy eo ampiakarina tsikelikely manaraka ny volana
Mazotoa zaza o!👶

Ho an ilay mitady sakafonjaza dia vakio sy araho ity
18/10/2021

Ho an ilay mitady sakafonjaza dia vakio sy araho ity

Salama o!👋
Ireto avy ireo zavatra Tokony hita anaty sakafon-jaza rehefa vita ireo fanandramana ireo legioma mandeha tsirairay sy tsiroroa.
Ireo Tokony hita ao anatin'ny sakafon-jaza manomboka 6 volana raha 5 volana nanomboka ny fampidirana sakafo. Raha 6 volana kosa, dia manomboka 6 volana sy tapany na 7 volana.
👉Purée legioma
👉Hena ( hen'omby, akoho, trondro)
👉Hanin-kotrana ( katsaka, koba akondro, ovy...), Vary, paty

*Miampy: 👉menaka colza 1 sotrokely
👉 Dessert compote
Mazotoa Zaza o!👶

18/10/2021

🧮 Karazana lalao mety ny zaza 3 hatramin'ny 5 taona ...

👄 Fampivelarana ny tontolon'ny teny
Ny fampivoarana ny voambolana sy ny fahaizan'ny zaza miteny bebe kokoa no tanjona eto. Fa ny iafarany dia lasa tia mamaky sy manoratra ny zaza.

Mizara maro ny ampianarina ny zaza :

✖ Mianatra mitia mamaky boky
Ampianarina ny zaza ny fomba fikajiana boky :
✔ Mila madio ny tanana rehefa hamaky boky.
✔ Mila mitandrina sao mandrovitra rehefa mamadika boky.
✔ Tsy hanoratana na hanaovana sary na lokoina ny boky.
✔ Ampirimina ny boky rehefa avy novakiana.

✖ Mifidy boky
☑ Tsy lava loatra nefa misy sary.
☑ Tsy misy sary mampitahotra.
☑ Lohahevitra mahaliana ny zaza : biby, fihetsehampo, ...
☑ Lohahevitra mahakasika ny mety iainan'ny zaza : hahazo zandry, hiditra ianatra, ...

✖ Mamaky boky amin'ny zaza
Vakio mialoha ny boky mba hahitanao ny hamakiana azy amin'ny zaza.
Raha misy mampitahotra ny tantara dia teneno mialoha ny zaza. Oh : Tsy misy ny trimobe fa noforonina anaty angano fotsiny.
Makà pauses eo anelanelan'ny tantara dia hanontanio ny fahitan'ny zaza ilay izy, hoe ahoana no eritreretiny hoe mety ho tohiny ...

✖ Manao kilalaon-teny
✔ Hirahira
Mianatra ny rima, mampitovy feo
Tsara raha ampiarahana fihetsika mba hitadidiny azy tsara.
✔ Poezia
✔ Mamorona tantara
Ianao no manomboka : Iza no ao amin'ilay tantara, dia avy eo hanontaniana ny zaza ny tohiny : mandeha aiza izy, inona no ataony, ...

✖ Ny alfabeta phonique
Rehefa mianatra alfabeta dia ny fomba fanononana azy no ampiasaina miaraka amin'ny fomba fanoratana azy fa tsy ny anarany. Ohatra : Ny B dia ianarana hoe "bu" fa tsy hoe "bé". Ny T dia ianarana hoe "tu" fa tsy hoe "té".
Amin'izay mba mahamora ny famakian'ny zaza azy hoe rehefa misy T eo dia tu no hamakiany azy dia atambany amin'ny tohiny. Ohatra : TA = "ta" fa tsy hoe "téa".

➰ Ny fomba fanoratana azy kosa dia ilay hoe miainga avy aty ambany ohatra dia miakatra ambony, manao oblique, dia avy eo midina ambany manao oblique hafa. Dia izay vao manao tsipika matory eo afovoany ny fanaovana A.
Raha mahavita manamboatra na afaka mividy dia tsara raha manana lettres rugueuses.
Izany hoe sady mianatra manoratra ny zaza no mianatra mamaky.

✔ Mila vilia misy sira mba hanoritan'ny zaza ny litera rehetra ianarany. Satria mora kokoa ny manoratra amin'ny sira sy tanana noho ny amin'ny taratasy sy penina.
✔ Sorito tanana ny litera A amin'ilay sira. Rehefa vita izay dia asaivo averin'ny zaza izany sady tsindrina hoe A io ataony io.
✔ Fafao ny sira. Dia sorito indray ny T. Atao tahaka ny teo aloha.
✔ Sorito ny A sy T dia asaivo tondroin'ny zaza ny A ary avy eo ny T. Dia asaivo averiny soritana ny litera tsirairay sady tononiny ny fanononana azy.
✔ Tondroy ny taratasy misy soratra A. Ary hanontanio ny zaza hoe inona io. Rehefa namaly ny zaza dia asaivo soritany amin'ny sira iny sady miteny ilay feo ataony. Avereno amin'ny T koa izay.

⚠ Litera 2 tsy mitovy fanoratra sy fanononana azy no miaraka ampianarina mba tsy hahavery ny zaza.

↗ Rehefa mahay an'ireo ny zaza dia ampianaro litera 2 hafa indray. Fa rehefa hainy ireo dia avereno ampahatsiahivina azy foana ny litera efa nianarany taloha mba tsy ho hadino.

🍆 Makà zavatra 2 na 3 manana anarana miantomboka amin'ny fanononana ny B : baolina, baoritra, baranjely. Ary atambaro amin'ny zavatra hafa 5 izay miantomboka amin'ny fomba fanononana hafa ankoatra ny B. Asaina tadiavin'ny zaza amin'ireo ny manana anarana miantomboka amin'ny fanononana ny B.
Raha sahirana ny zaza dia hanontaniana azy ny anaran'ny zavatra tsirairay. Dia hanontaniana azy raha manomboka amin'ny fanononana ny B.

✖ Mamantatra ny litera
✔ Soratana amin'ny taratasy ny litera 3 : A, L, V. Ary tapahana.
✔ Soratana amin'ny sira ny litera A. Dia asaina averin'ny zaza soritina amin'ny sira ilay izy. Ary asaina tadiavin'ny zaza hoe inona ilay izy amin'ny taratasy 3 samihafa misy an'ireo litera ireo.
✔ Fafao ny soritra. Ary mitadiavà litera samihafa fomba fanoratra 3 hafa indray. Dia avereno ny natao teo.
↪ Rehefa nahavita nanoritra litera 8 dia tapitra ny lalao.

↗ Rehefa mahay kokoa ny zaza dia ampitomboy ho 6 indray ny litera hisafidianana.

✖ Mampivady litera 2 mitovy
✔ Soratana amin'ny taratasy ny litera efa hain'ny zaza. Dia atao photocopie iny. Dia tapahana avy eo.
✔ Atao anaty harona 2 ny litera : ny harona faharoa no hijerena ny vadin'ilay litera ao amin'ny harona voalohany.
✔ Dia asaina ampiarahan'ny zaza eo an-databatra ny litera mitovy.

↗ Litera 3 aloha no ampiasaina amin'ny voalohany. Rehefa mahay kokoa ny zaza izay vao atao litera 6, ary litera 8.

🔤 Efa azonao atao koa ny mandamina ny alfabeta araka ny filaharany eo an-databatra. Dia anjaran'ny zaza ny mikaroka ny mitovy aminy ao anatin'ny harona.

✖ Manamboatra teny
✔ Misafidy zavatra iray mora soratana : 3 ihany ny litera ao anatiny. Oh : sac, bac, rat, ...
🇲🇬 Sarotra be io raha teny malagasy fa ny tenintsika lava be daholo 😅
✔ Asio sary mifanaraka amin'ny teny tsirairay.
✔ Soraty anatin'ny taratasy ny litera tsirairay ilaina mba hanoratana ny teny tsirairay avy (mitamberina in-3 ny litera A). Dia tapaho tsirairay avy ho ampiasaina.
✔ Aseho ny zaza ny sary. Ary hanontaniana ny zaza hoe manomboka amin'ny feo inona ilay teny ? Oh : sac, manomboka amin'ny feo "sss". Asaina tadiavin'ny zaza ny litera S amin'ilay taratasy. Ary apetrany eo ankavia.
⚠ Asaina tononon'ny zaza ilay teny mba hahalalany hoe inona no feo iantombohan'ilay teny.
✔ Hanontaniana hoe inona no feo ao aorian'ny S : A. Dia atao tahaka ny S fa eo akaikin'iny ny A. Dia faranana amin'ny C (manana feo "ku" fa tsy C ny famaky azy).
✔ Asaina vakian'ny zaza ny teny hoe sac, arakaraky ny nampianarana azy hoe ny feon'ny litera no hamakiana azy.

⚠ Mora kokoa ho an'ny zaza sasany ny mitady ny feo iatombohany sy iafaran'ny teny iray. Ka tsy maninona raha ny C no asaina tadiavin'ny zaza aorian'ny S. Fa asaina mamela malalaka ny zaza eo anelanelan'ireo litera 2 ireo mba hampidirana ny feo A.

👛 Rehefa vitan'ny zaza izay dia avereno amina teny hafa izay misy an'iny zanatsoratra nofidina iny ihany. Ny tena mora dia A : lac, sac, bar, ...

↗ Rehefa nahavita namorona teny 3 ny zaza dia hanontaniana raha mbola te hanao 1 fanampiny.

↗ Rehefa tapitra izay dia miditra zanatsoratra hafa indray : mety hoe I ohatra. Satria mbola vaovao aminy izay dia mila mijanona eo anilany ianao eo am-piandohana. Fa rehefa hita fa mihamahay ny zaza dia efa azo avela hianatra irery.

↗ Rehefa mahay kokoa ny zaza dia afaka miditra amin'ny teny manana litera 4 ao anatiny amin'izay.

✖ Mamaky teny sy sary
✔ Misafidianà teny 3 izay manana litera 3 ao anatiny : sac, bar, rat.
🇲🇬 Sarotra be io raha teny malagasy fa ny tenintsika lava be daholo 😅
✔ Asio sary mifanaraka amin'ny teny tsirairay. Ary soraty ao anaty taratasy ireo teny 3 ireo. Dia tapaho ilay anarana.
✔ Asaivo alahatry ny zaza eo an-databatra (eo ankavia) ny sary 3.
✔ Asaivo alahatry ny zaza eo an-databatra (eo an-kavanany) koa ny teny 3 misoratra amin'ny taratasy.
✔ Asaina vakian'ny zaza ny teny voalohany. Ary hanontaniana azy hoe manomboka amin'ny feo inona io teny io. Avy eo tadiavin'ny zaza hoe inona amin'ny sary no manana feo manomboka amin'iny feo iny. Dia ampivadiny.
✔ Atao tahaka izay daholo ny 2 manaraka.

↗ Atomboka amin'ny teny 3 aloha no ezahana atao. Rehefa mahay kokoa ny zaza vao ampitomboina ho 6.

⏲ Rehefa mahay kokoa ny zaza dia avelao izy irery no hanao azy. Mody lazaina izy hoe "hiverina eo aho afaka 5mn". Rehefa miverina ianao dia asaivo vakiany ilay teny.

👓 Raha misy diso dia iarahana mamaha : asaina vakiany tsara ny teny mba hahenoany ny tsy mety amin'ilay izy.

✖ Manambatra teny
Ny tanjona eto dia hanaovan'ny zaza fehezanteny. Oh : Mitomany ny zaza. Mandeha ny olona. Avy ny orana.
Matoanteny + ny + anarana. Fa mila mifandray ireo fa tsy hoe "mitomany ny orana" ohatra.

↗ Fehezanteny 3 ihany aloha no hanombohana azy.
Atomboy amin'ny anarana izay misy litera 3 sy mampiasa zanatsoratra A ihany ohatra. Oh : lac, bar, car, ...
🇲🇬 Sarotra be io raha teny malagasy fa ny tenintsika lava be daholo 😅

✔ Soraty anaty taratasy ny matoanteny sy ny anarana ary ny teny mety ampiasaina fanampin'ireo ("ny" ohatra). Tapaho ny teny tsirairay avy.
✔ Asio sary mifanaraka amin'ny anarana tsirairay avy.
✔ Asaina alahatry ny zaza eo anoloany ny sary.
✔ Alahatra ambony ambany koa ny matoanteny aloha, avy eo eo akaikiny ny teny fanampiny ("ny"), ary eo akaikiny ny anarana rehetra.
✔ Misafidy sary ny zaza. Dia ataony eo anoloany.
✔ Hanontaniana azy hoe inona ilay amin'ny sary. Dia asaina tadiaviny any amin'ny anarana (tondroinao) ilay fomba fanoratana azy. Apetraka eo ambanin'ny sary ilay anarany.
✔ Hanontaniana ny zaza ny zavatra afaka ataon'io zavatra nofidiny io. Oh : Orana : afaka "avy" na "mitsahatra", ...
✔ Aseho ny zaza ny misy matoanteny. Dia hanontaniana tsirairay hoe afaka ataon'ny orana ve io. Raha eny ny valiny dia alaina ilay matoanteny dia atao eo alohan'ilay anarana.
✔ Hazavao ny zaza fa ny anarana dia mila miaraka amin'ny "ny" raha zavatra ary "i" raha anaran'olona. Asaivo maka izay tokony mandeha eo alohan'ilay anarana ny zaza mba hamenoana ny fehezanteniny.

↗ Rehefa mahavita ireo fehezanteny 3 ireo ny zaza dia efa afaka miova zanatsoratra hafa indray.

🍜 Rehefa mahay kokoa ny zaza izay vao ampiasaina indray ny anarana misy litera 4 ao anatiny. Ohatra : pâte, rame, cane, ...

✖ Manao fehezanteny.
Tahaka ny teo aloha fa ampiana ny teny ao amin'ilay fehezanteny. Ohatra : Avy BE ny orana ANY IVELANY.

✔ Soraty ao anatin'ny taratasy ny adjectif tianao ampidirina. Ohatra : hangeza : kely na be. Dia tapahana.
✔ Hazavaina ny zaza hoe teny manoritsoritra (decrire) ny adjectif. Ary mandeha ao aorian'ny matoanteny.
✔ Soraty ao anatin'ny taratasy ny préposition. Ohatra : ao ambony, ao ambany, ... Dia tapahana.
✔ Hazavaina ny zaza hoe mampiseho hoe ahoana ny iavian'ny orana : any ivelany.

⚫ Rehefa tapitra ny fehezanteny dia asiana taratasy misy sary boribory mainty : teboka mba hamaranana azy.

✖ Manamboatra agenda
Angonona ao anatin'ny agenda daholo ny notsimponin'ny zaza nandritra iny andro iny, na ny sary nataony, ... Asina daty isaky ny pejy.

📘 Afaka hiverenana jerena ny pejy tany aoriana mba hianaran'ny zaza hoe mifampitohy ny andro : efa nandalovany daholo ireo jereny ireo.

✖ Manamboatra boky
Ny tanjona eto dia hahafahan'ny zaza mianatra manamboatra tantara.
Ny cycle de vie du papillon no ho tantaraina eto. Ka mila fantarin'ny zaza mialoha izany mba hahaizany mitantara azy.

🐛 Ny tena tsara ianarana dia ny mahita. Satria tsy afaka manao izany eto Madagasikara, dia na mijery vidéo na mamaky boky mampiseho ny sary.
Ny boky : "La chenille qui fait des trous" an'i Eric Carle izao miresaka momba an'io amin'ny fomba tsotra.
🌟 Ao amin'ny Ifm Madagascar misy an'io boky io raha mahaliana anao.

✔ Makà pejy iray amin'ny boky. Dia asio efajoro ngezangeza miisa 6.
✔ Asaina ataon'ny zaza sary isaky ny efajoro tsirairay ny dingana nolalovan'ilay fanday talohan'ny nivadihany ho lolo : atody eo ambonin'ny ravina - fanday kely - fanday be mihinana ravin-kazo - eo am-panamboarana ilay cocon ilay fanday (avy any ambany no hanombohany azy) - ilay cocon efa vita tsara - ilay cocon vaky dia misy lolo eo akaikiny.
✔ Asaina lokoin'ny zaza ny sary nataony.
✔ Afaka asian'ny zaza soratra ao ambanin'ny sary tsirairay manazava ny zava-mitranga.

Afaka atao amin'ny cycle de vie rehetra io :
➡ Cycle de vie du papillon
➡ Cycle de vie de la grenouille
➡ Cycle de vie de la poule
➡ Cycle de vie d'une fraise
🌟 Misy karazan'io cycle de vie d'une fraise io ao amin'ny Baby Thing : https://www.facebook.com/106943157355357/posts/506801330702869
➡ ...

✖ Manamboatra arbre généalogique
Mianatra ny lasa, ankehitriny, ary ho avy.
Mianatra ny fianakaviana rehetra.

✔ Hazavao ny zaza hoe hanao sarina hazo izay misampantsampana be izy : tahaka ny rohim-pianakaviana io.
✔ Asaivo manao sarina hazo ngeza be ny zaza.
✔ Mangalà sary tapaky ny fianakaviana akaiky : dadabe sy bebe avy amin'ny roa tonta, dada sy neny, mpiray tampo amin'ny dada sy neny, ary ny zanaka.
✔ Apetaka amin'ny lakôly avy amin'ny farany ambony ny dadabe sy bebe : fotony niandohany.
✔ Eo ambaniny i dada sy neny sy ny mpiray tampo aminy.
✔ Amin'ny fotony ny sarin'ilay zaza sy ny mpiray tampo aminy.

✖ Mamaky miaraka amin'ny zaza
Rehefa vitan'ny zaza ireo lalao ireo dia efa mahavita mamaky boky izy. Ka aleo atomboka amin'ny boky moramora : vitsivitsy teny izay vao miakatra amin'ny roman 😅

📙 Ny bokin'i Céline Alvarez no anisan'ny tsara raha hanomboka hamaky teny.
🌟 Tao amin'ny JeuxDecouvre nisy an'ireo boky ireo fa efa lany.

✔ Asaina vakian'ny zaza ny lohatenin'ny boky (raha hainy). Dia hazavaina azy ny tantara ho vakiany, avy amin'ny sary eo anoloan'ilay boky (couverture).
✔ Ampitoniana mialoha ny zaza : Ampahafantarina azy hoe efa misy teny efa hainy ao anatin'io boky io. Sokafana ilay izy ary avadibadika, mba hitadiavana ilay teny. Rehefa hita izay dia asaina vakiany.
✔ Atomboka amin'izay ny famakiana ny boky. Tondroy tsikelikely ny teny tsirairay dia asaina vakian'ny zaza tahaka ny natao tamin'ny fampianarana rehetra tatsy ambony.
✔ Rehefa zatra ny zaza dia tsy miakanakana be intsony.
✔ Raha misy teny vaovao tsy mahazatra azy dia iarahana vakiana ilay izy. Ho hain'ny zaza iny rehefa averimberiny vakiana foana.
✔ Afaka atao ny manamboatra fiches ianaran'ny zaza teny sasany izay tena sarotra ho an'ny zaza. Izay no antsoina hoe cartes nomenclatures.
🌟 Ao amin'ny groupe Cartes classifiées style "Montessori" no ahitanao an'ireo cartes nomenclatures ireo : https://facebook.com/groups/1667988743488250
✔ Tsara foana ny mampiaraka ny sary sy soratra. Izay no tena hahaizan'ny zaza. Satria tahaka ny sary ihany no handraisan'ny zaza ny soratra.
✔ Aza miohatra ny 10mn isaky ny mamaky. Aleo hajanona kely dia avela manontany ny tsy azony ny zaza na miady hevitra momba ny novakiany teo.
✔ Atao bravo ny zaza rehefa vita ny nataony : Ampahatsiahivina azy hoe avy taiza izy taloha (tsy mahay mamaky teny mihitsy) nefa izao mahavita mamaky boky.
✔ Aza misalasala mamerimberina mamaky ny boky iray efa famakin'ny zaza, na efa mankaleo anao aza. Rehefa tena hainy iny izay vao miova boky vaovao.
✔ Tadidio fa an'ny zaza ny boky. Ka na tsy mahaliana anao aza ilay izy nefa mahaliana ny zaza dia izay tiany no vakiany fa tsy izay tianao.

📗 Nalaina tao amin'ny boky : "Activités d'après la pedagogie Montessori. Pour accompagner le développement de votre enfant à partir de 3 ans", nosoratan'i Maja Pitamic. Natao ho an'ny zaza 3 hatramin'ny 5 taona.

⚠ Mazava ho azy : Samy manana ny fotoana hivoarany ny zaza tsirairay. Ka aza mampitaha na miankina be amin'ny taonany. Izay no antony tsy hisian'ny taona isaky ny lalao.
🌟 Ianaro ato ny lalao mety ny zaza latsaky ny 3 taona : https://www.facebook.com/100984206697995/posts/4225618364234538

🧮 Diniho ny zanakao dia mijery izay mahaliana azy sy hoe aiza ho aiza ny fivoharan'ny fihetsiny, dia araka izay ny lalao asaina ataony.

📌 Tageo ny reny fantatrao fa te hampivoatra kokoa ny fahaiza-mitenin'ny zanany.
💖 Ataovy j'aime 👍 sy araho ny pejy mba hahitanao torohevitra hafa momba ny fikarakarana zaza.
💌 Tonga dia apetraho ao amin'ny hafatra miafina (message, mp) ny fanontanianao. Aza atao amin'ny commentaire fa tsy hitako.

Address

45
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ny fahasalamana ny reny sy ny zazakely posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share


Other Antananarivo media companies

Show All

Comments

mila astuce kely ry maman a.
zaza nay ato otrny vakivaky zn tareany.d lasa ts manja tsony l mahafatifaty teo dia efa nasiko menaka ihany fa ts miala e.papa ihany mila aide kely.
izy dia mpitsabo ny areti-nono,ts nis izay ts sitrany ireo tonga nanantona azy
Bonsoir Maman , so d mba misy efa nitova cas tamin'ilay harenako nareo ato ?! Mangovitra be izy misy fotona nefa izy mamay be , tsy miafana mitsy lay hafanany efa nande Doc d nahazo fanafody , mando fona ... Merci
👉Baume Ravintsara 👈
Manala fanaintainana
Afaka anaovana massage
Afaka ampiasana ririnina izao
Prix :4000ar
20g
Saod mba misy mamboly na mahita fa tena ilaina haingana...Ravina zavoka, Ravina corrosol,ravina garana. Msaotra tompoko
🌹🌹🌹🌹🌹toraka vonikazo
Misaotra sy mankasitraka ny 🏩CHUMET(Centre hospitalier universitaire mere enfant tsaralalàna) sy ny🏥 croix rouge
Mahafapo daholo ny:
Dokotera rehetra
Paramed rehetra
Ny pharmacie
Ny mpandray sy ny ekipan'ny hopitaly rehetra
Misaotra betsaka fa sitrana ilay harenanay
💕
Salama , sao mba misy mahafantatra dr ORL HOMI azafady
Bonjour daholo saika anotany aôna kay ny atao ra kakeriny trambo? Maika b azafady. Merci ho any zay mamaly
Sod misy mitady an ty isika .mp raha liana merci.manana 2boite
Salama tompoko ; tsemboka be nefa tena mangovitry ny hatsika,mitafy bodofotsy be! Ahoana izany !!!😯😯😯😯
Salama tompoko, raha misy olona iray nohoaniny moka porteurs nefa mbola tsy maneho aretina lay olona dia inona tokony atao Man tsy hiseony lay aretina, mankasitraka tompoko
Mba mangataka hevitra ato azafady fa mirofotra be tarehiny band'keliko ato fa miasa loha be zahay 😢
Salama topoko. Mba mila fanampiana ré ry reny rehetra fa mijaly loatra, inona kay no mahatonga perte miverimberina fona ? Maria ko eto fa efa in 3 nanao traitement tanatiny 5moi nefa mivern fona sady mangidihid no mitarika vay mangirifiry. Mila fanampina.misaotra mialiha
salama daholo!mba mila fanampiana azafady,misaotra sahady hoan'izay mamaly.
Inona kay zavatra natoraly mampahazo aina n mampitombo hoan zaza 4taona?
Mirary soa antsika rehetra
Endrambolavo ahoana n fisehony