Iray.mg

Iray.mg Unir la force à la douceur.

08/05/2025
08/05/2025
08/05/2025
08/05/2025
08/05/2025

Mirefarefa amin’ny tany ny fomba fanoherana ataon’andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, hoy Ramatoa Mara Donna, Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina.

Tsy misy soso-kevitra mankany amin’ny fampandrosoana akory ataon’ity lehiben'ny mpanohitra ity.

Azony atao ny manao ny fanoherana saingy ilaina mba ho fanoherana tompon’andraikitra.

« Ampidinin’i Siteny amin’ny farany ambany ny fanoherana eto Madagasikara » hoy ihany Ramatoa Volamiranty Mara Donna, Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, manoloana ny fanankianana nataon’ity lehiben'ny mpanohitra ity, an’ireo hetsika ataon’ny fitondrana sy ny filohan’ny repoblika.

08/05/2025

Ampidinin'i Siteny ambany ny fanoherana eto Madagasikara hoy Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady Mpitondra tenin'ny Governemanta, MARA Volamiranty Donna.

Nambarany tamin’izany fa fanehoan-kevitra feno faniratsirana sy fanohintohinana ny maha olona no nataon'io Solombavambahoaka io.

Tsy mendrika ny fanaovana politika eto Madagasikara izany. Ary manome ohatra ratsy ho an'ny fiarahamonina.

08/05/2025

Nandray ny fanapahan-kevitra aho ankehitriny fa hifandray mivantana aminao .

Satria manan-jo hahalala ny zava-misy marina rehetra ianao .
Satria ny fampandrosoana an’i Madagasikara dia adidy iombonana.
Satria ny fahamarinana sy ny mangarahara no fototry ny fitokisana .

Koa manomboka androany, ny fanapahan-kevitra ho raisina dia hohazavaina aminao , amin’ny fomba tsotra sy mazava.
Afaka maneho hevitra malalaka ao anatin’ny fifanajana ary ho isan’ny vahaolana ianareo.

Heverinao ve fa ilaina sy mahasoa ny fifandraisana mivantana toy izao?
Ampahafantaro ahy ary ny hevitrao.

08/05/2025

Hoy Mercedes RATSIRAHONANA, Talen'ny Serasera eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika:

"Mirefarefa amin’ny tany tanteraka ny fanoherana eto an-Tanindrazana.

Mivoana ny fanehoan-kevitra, tsy misy votoantiny sy « arguments » fa indrindra tsy misy fanajana.

Filoham-pirenena ve dia opaina sy tevatevaina toy izao?
Tafidina ambany dia ambany i Siteny Thierry Randrianasoloniaiko lazaina fa lehiben’ny Mpanohitra
(raha izaho aloha no mpanohitra tsy aiko raha izy no tiako hitarika ahy…)
Malahelo aho manembona sy mieritreritra ny antony nahatonga ahy voasarika tamin'ny Politika tamin'ny fotoana andro fanoheran’-dry RATSIRAHONANA, Herizo RAZAFIMAHALEO, Pasteur ANDRIAMANJATO…

TSY EKEKO - ARY MELOHIKO TANTERAKA NY FANEVATEVANA NY FILOHAN’NY REPOBLIKA.
ANDRIM-PANJAKANA NY FILOHAN’NY REPOBLIKA - TANDINDON’NY FIANDRIANAM-PIRENENA.''

Hafa avao Manakara miaraka amin'i Honorable Nadine Adriano.
06/03/2025

Hafa avao Manakara miaraka amin'i Honorable Nadine Adriano.

Address

Route Circulaire , III J
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Iray.mg posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share