Vaovao Farany - Fil d'Infos - Ofisialy

Vaovao Farany - Fil d'Infos - Ofisialy Actualité à Madagascar et dans le monde

20/11/2025

📍 Hovatsiana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro ny ankamaroan'ireo fonja vaovao eto Madagasikara.

Loharano: PRRM

📍Vita hatramin'ny 80% ny asa fanamboarana ny "village artisanal" Tsarasaotra - Ivato.⭕ Ity village artisanal ity dia ham...
20/11/2025

📍Vita hatramin'ny 80% ny asa fanamboarana ny "village artisanal" Tsarasaotra - Ivato.

⭕ Ity village artisanal ity dia hametraka "guichet unique" iray hanangonana ny sampan-draharaha rehetra ilain’ny mpanao asa tanana sy ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny asa tanana.

📍 Voatendry ho tale Jeneralin'ny ORTM na ny Office de la Radio et la Télévision Publique de Madagascar i Lemana Elisée.
20/11/2025

📍 Voatendry ho tale Jeneralin'ny ORTM na ny Office de la Radio et la Télévision Publique de Madagascar i Lemana Elisée.

📍 Sambany misy Malagasy miaro ny voninahi-pirenena any amin'ny fiadiana ny tompondakan'ny Afrika amin'ny hazakazaka am-b...
20/11/2025

📍 Sambany misy Malagasy miaro ny voninahi-pirenena any amin'ny fiadiana ny tompondakan'ny Afrika amin'ny hazakazaka am-bisikileta izay atao any Kwale, Kenya.

⭕ Solotenan'i Madagasikara amin'izany i Houlder Fitahiantsoa Amédé Dino Mohamed avy ao amin'ny klioban'ny COSPN.

📍 Firenena maro any ivelany any no efa mampiasa ny "revêtement hydrophobe" hialana amin'ireo mi-pipi amin'ny rindrina.⭕ ...
20/11/2025

📍 Firenena maro any ivelany any no efa mampiasa ny "revêtement hydrophobe" hialana amin'ireo mi-pipi amin'ny rindrina.

⭕ Karazan-doko tsy dia tia rano ny "revêtement hydrophobe" ka rehefa mi-pipi eo ny lehilahy dia mifiritika ny maloto ary miverina amin'ny tena.

RANDRIANIAINA Miorahasina Lorah no voatendry ho talen'ny Televiziona Malagasy araka ny tatitry ny filankevitry ny minisi...
20/11/2025

RANDRIANIAINA Miorahasina Lorah no voatendry ho talen'ny Televiziona Malagasy araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra.

📍 Tafita any amin'ny Coupe du Monde 2026 ny ekipam-pirenen'i Curaçao, nosy kely ao ambonin'i Venezuela.⭕ 150 000 fotsiny...
20/11/2025

📍 Tafita any amin'ny Coupe du Monde 2026 ny ekipam-pirenen'i Curaçao, nosy kely ao ambonin'i Venezuela.

⭕ 150 000 fotsiny ny mponina any amin'ity firenena ity ary sambany izy ireo hiatrika ny Mondial.

📍 Hanao andrana ao amin'ny klioban'i Nantes FC any Frantsa i Bono Rabearivelo, mpilalaon'ny Disciple FC ary nandrafitra ...
19/11/2025

📍 Hanao andrana ao amin'ny klioban'i Nantes FC any Frantsa i Bono Rabearivelo, mpilalaon'ny Disciple FC ary nandrafitra ny Barea tamin'ny CHAN 2024.

🎧 DJ, MUSIC PRODUCER, sy DJ-PRODUCER : ny maha-samihafa azy ireo izay mbola tsy fantatry ny ankabeazan'ny olona.🔻 Ny DJ ...
19/11/2025

🎧 DJ, MUSIC PRODUCER, sy DJ-PRODUCER : ny maha-samihafa azy ireo izay mbola tsy fantatry ny ankabeazan'ny olona.

🔻 Ny DJ (Disc Jockey)
• Ny DJ dia ilay milalao sy mampifandimby mozika amin’ny live, any amin’ny club, soirée, na événement.
• Mampiasa platines na contrôleur izy mba hi-mixéna ny hira na hanaovana mashup (matetika hira noforonin’olona hafa).
• Asany : mandinika ny ambiance, manao transitions tsara, mampandihy olona.
⚠️ Tsy voatery mamorona mozika izy.

🔻 Ny Music Producer (Producteur de musique)
• Ny producer kosa dia mamorona mozika de A à Z ao amin’ny studio na ao an-tranony (bedroom producer).
• Ny asany dia manao ny : mélodies, beats, arrangements, structure (intro, drop, break…), sound design, mixage (tsy voatery hanao mastering).
• Mampiasa logiciel (DAW) izy mba hamoronany ny feon-kirany, toy ny FL Studio, Ableton Live, Pro Tools, Cubase.
⚠️ Izy no mamorona ny mozika, fa tsy voatery manao performance live.

🔻 Ny DJ-Producer 🔻
• Arak'ilay anarany dia izy no fitambaran’ireo roa ireo: sady music producer mamorona ny hirany izy, no sady DJ milalao ny mozikany eny an-tsehatra ihany koa.
• Manao mashup sy mi-mixer ny hirany miaraka amin'ny hiran'olona hafa ihany koa izy ireny matetika rehefa manao live.
• Maro amin’ireo artistes EDM malaza no toy izany toa an'i Martin Garrix, Marshmello, David Guetta, sns.. Maro ihany koa ny DJ-producer Malagasy toa an'i Avrno, NyTo, Mbints, CYEMCI, UN7OLD, DJ Natoo, sns.

Loharano: Mr AHF

📍 Nahavelom-bolo ny voka-pifaninanana tany amin'ny FIA World Cup Karting – Arrive & Drive 2025 ho an'i Madagasikara.⭕ Ta...
19/11/2025

📍 Nahavelom-bolo ny voka-pifaninanana tany amin'ny FIA World Cup Karting – Arrive & Drive 2025 ho an'i Madagasikara.

⭕ Tanatin'ireo mpanamory an-jatony avy amin'ny firenena maro dia teo amin'ny laharana faha-15 sy 17 no nisy an'i David-Ivan Andrianjafy sy Matheo Rajomarison tamin'ny sokajy OK-Junior; laharana faha-14 kosa no nisy an'i Matthew Andriambelo tamin'ny sokajy OK-N Senior.

📍 Fiara iray mpitatitra entana avy any amin’ny faritra atsimo no nahatratrarana rongony 30 gony tao Mandaniresaka Antsir...
19/11/2025

📍 Fiara iray mpitatitra entana avy any amin’ny faritra atsimo no nahatratrarana rongony 30 gony tao Mandaniresaka Antsirabe.

⭕ Loharanom-baovao avy amin'ny olon-tsotra no nahazoana izao vokatra izao.

19/11/2025

📍 Mitohy izao hariva izao ny fitokonana ataon'ireo mponina eny Ankasina eny ary mandeha ny sakan-dalana.

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Vaovao Farany - Fil d'Infos - Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Vaovao Farany - Fil d'Infos - Ofisialy:

Share

TAUX DE CHANGE

27 JUILLET 2020