TV Presse Mada

TV Presse Mada TVPresse Madagascar, le journal de proximité

07/11/2025

SENDIKAN'NY MPAMPIANATRA VMM: Hiroso amin'ny fampianarana amin'ny Alatsinainy ho avy izao. Efa niravona ny disadisa nisy teo amin'izy ireo sy ny minisitera tompon'andraikitry ny fanabeazam-pirenena.

07/11/2025

GEN Z: Hiverina ho eny andalam-be indray raha tsy voahaja ireo teboka nifanarahana tamin'ny tolona natao? Nisy ny fanambarana izay nataon'ireto farany androany manoloana ny tsy fizoran'ny tolona amin'ny fanovana tena izy izay takian'izy ireo.

07/11/2025

VOVONANA MAHITSY FIJERY: Fanovana ve sa Fanavaozana fa manjavozavo ny zava-misy amin'izao?. Na ireo samy mpitolona aza tsy mahalala hoe, izao ve ilay nitolomana. Ny lalàm-panorenana natao ho hampatoriana no nanaovana fianianana.

Mila atao mazava ny tondrozotra handehanana mankany amin’ny fanovan-drafitra notakian’ny Malagasy, izay handehanana any amin’ny Repoblika Fahadimy.

07/11/2025

KAOMININA ANOSIZATO ANDREFANA: Raikitra ny sakoroka sy daroka ary tora-bato ho an'ny mpomba ny ben'ny tanàna Elidiot sy ny tsy mankasitraka ny tenany.

07/11/2025

FANAMBARAN'IREO FOKO MARO SAMIHAFA AO AMIN'NY KAOMININA AMBAHIKILY, Distrikan'i MOROMBE, faritra TOLIARY.

Misy mantsy ny fandrangitana adim-poko aty an-toerana amin'izao ka mitsipaka izany tanteraka izahay ireto. Ireo firongony niaraka tamin'ny fitondrana teo aloha amin'izao no mitady hifikirana fatratra amin'ny toerany ka manao izay fomba hampiadiana ny vahoaka.

06/11/2025

Mamy RAVATOMANGA: Tsy nampidirina "cellule" Policier indray noho ny toe-pahasalamany. Nampidirina Hopitaly ao amin'ny Hopitaly Coronary Care Unit Jeetoo ny tenany ary arahi-maso akaiky noho ny aretim-po mahazo azy. Lasa natosika tamin'ny "fauteuil roulant" tampoka ny tenany taorian'ny didin'ny fitsarana ny hampidirana cellule azy.

Sary DefiMedia.

06/11/2025

VAOVAO Benjamin: Tsy nahavita ny asa nampiandraiketana azy ireo lohoholona hoy ity loholon'i Madagasikara teo aloha ity. Ny fikaonan-doham-pirenena no hamaritra na ho ravàna na tsia io Antenimiera io.

06/11/2025

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗕𝗔𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗦𝗦𝗢𝗖𝗜𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗗𝗘𝗦 𝗠𝗔𝗜𝗥𝗘𝗦 𝗗𝗜𝗦𝗧𝗥𝗜𝗖𝗧 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬
Taorian'ny fanalana ireo Chef de Région na ny Governora rehetra, dia managataka ny fametrahana an'Atoa FRIDOLIN Caleb ho Governora vaovao faritra VATOVAVY ny Association des Maires aty amin'ny Distrikan'i Mananjary.

Député Haja Mananjary.

Mamy RAVATOMANGA: Tsy naverina any amin'ny hopitaly intsony fa nampidirina cellule an'ny polisy ao Maorisy. Fanapahan-ke...
06/11/2025

Mamy RAVATOMANGA: Tsy naverina any amin'ny hopitaly intsony fa nampidirina cellule an'ny polisy ao Maorisy. Fanapahan-kevitry ny tribonaly tao Port Louis izany raha ny vaovao navoakan'ny gazety Maorisianina DefiMedia.

06/11/2025

Fandaharana "Harena Sarobidy ny Fahasalamana" TV Presse.
Vahiny/Dr. Mamy/Clinicien TANJOMBATO.

Maninona no miovaova ny vidin'ny SCANNER ho an'ny marary?
Inonoa avy no afaka hanaovana SCANNER?
Manasa anao hanaraka hatramin'ny farany ny fandaharana.

Mpanao Gazety/Mamitiana RASOLONIRINA.

06/11/2025

LERCIA BULLDOZER: Ravao io Antenimierampirenena io, toy izany koa ny HCC, ity farany izay nanaiky ny "Nationalité" ny filoha teo aloha kanefa nitsipaka izany indray amin'izao.

FIADIDIANA NY PRIMATIORA: Voatendry ho Talen'ny Serasera Andriamatoa Rakotoarison Ranaivo Frédéric. Nandritra ny filanke...
05/11/2025

FIADIDIANA NY PRIMATIORA: Voatendry ho Talen'ny Serasera Andriamatoa Rakotoarison Ranaivo Frédéric. Nandritra ny filankevitry ny minisitra notontosaina teny IAVOLOHA androany.

Address

MAHAMASINA
Antananarivo
TANA101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TV Presse Mada posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to TV Presse Mada:

Share

Category