SIOKA SIOKA est un média indépendant de la Société Civile Malagasy

𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐒𝐎𝐒𝐎𝐍𝐀 𝐎𝐙𝐎𝐍✅Andraikitra lehibe amin'ny fiarovana ny zava-manan'aina eto ambonin'ny tany fiarovana ny sosona...
17/09/2026

𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐒𝐎𝐒𝐎𝐍𝐀 𝐎𝐙𝐎𝐍

✅Andraikitra lehibe amin'ny fiarovana ny zava-manan'aina eto ambonin'ny tany fiarovana ny sosona ozona hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana lovain-jafy andriamatoa Andriatsihala Nolave Luck Aristide. Izy io mantsy no manivana ireo taratra manimba hateraky ny masoandro. Aretina maro no hateraky ny fahasimban'ny sosona ozona raha ny fanazavana.

🔎Etsy an-kilany, misy fiantraikany lehibe amin’ny fahasalamam-bahoaka sy ny tontolo iainana ny fampiasana sy fikarakarana tsy araka ny tokony ho izy ireo fitaovana fampangatsiahana sy ny entona ampiasainy hoy ny avy amin'ny unions des frigoriste de Madagascar.

♦️Ireto farany arak'izany izay manamafy fa ilaina ny fampiofanana ireo frigoristes amin’ny fampiasana teknika sy fitaovana maoderina, mba hahafahana mitantana am-pitandremana ireo entona ireo.

📢Nanentana ny tokantrano sy ny mpampiasa fitaovana fampangatsiahana ihany koa ny fikambanana mba hiantso frigoriste matihanina rehefa misy fitaovana simba, fa tsy hanary izany avy hatrany.

♦️Efa miparitaka manerana ny faritra moa ny UFM, ary eo am-pananganana ny sehatra nomerika « UFM Madagascar » hanamorana ny fahafahan’ny be sy ny maro mahita sy manatona ireo frigoristes matihanina ny fikambanana. Nankalazaina omaly 16 Septembre moa ny andro maneran-tany hiarovana ny sosona ozona.

17/09/2026

𝐒𝐎𝐍𝐆𝐀𝐃𝐈𝐌-𝐁𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎 𝐀𝐋𝐀𝐊𝐀𝐌𝐈𝐒𝐘 𝟏𝟕 𝐒𝐄𝐏𝐓𝐄𝐌𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔

♦️ 18 septambra 2025-18 septambra 2026: heritaona rahampitso ny hetsika fitakiana nataon'ny tsy manaiky lembenana.

♦️ Tsy marina ny filazana fa misy fahatapahan-jiro maharitra 9 ora isan’andro, hoy ny o***asa Jirama.

♦️ Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny sosona ozôna sy ny tontolo iainana ireo frigoristes, hoy ny Union des Frigoristes de Madagascar.

♦️ Mihavery tsikelikely ny tena fomba amam-panao amin’ny fanatanterahana ny vodiondry ankehitriny, hoy RAHERINIRINA José François, talen’ny fampianarana kabary Ampinga.

𝐀𝐑𝐄𝐓𝐈𝐍𝐀 𝐓𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐎 𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀😞Olona 42 no matin’ny aretina izay tsy mbola fantatra, tao amin’ny kaominina miisa tel...
17/09/2026

𝐀𝐑𝐄𝐓𝐈𝐍𝐀 𝐓𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐎 𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀

😞Olona 42 no matin’ny aretina izay tsy mbola fantatra, tao amin’ny kaominina miisa telo ao Ifanadiana hoy ny solombavambahoaka ao an-toerana, HAJA Dinah. Olona 60 no Marary amin’izao ao amin’ny kaominina Fasitsara raha ny nambarany hatrany. Mbola tsy voafehy io valan’aretina io hatramin’izao hoy izy.

✅Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny fanjakana amin’ny fandraisana andraikitra eny an-toerana ka hatreto mbola miandry izany izy ireo, indrindra ny amin’ny fahafantarana ny aretina sy ny fanafody mifanaraka amin’izany.

😞Ankizy manodidina ny 16 taona no midina no tena voan’ity aretina tsy fantatra ity, saingy misy olon-dehibe ihany koa tratra ao anatin’izany hoy hatrany ny solombavambahoakan’ Ifanadiana.

📆Tao anatin’ny telo volana no nisian’ity aretina ity tany tao an-toerana raha ny nambarany hatrany. Dokotera miasa an-tsitrapo iray anefa ary tsy misy fanafody any an-toerana ka isany mampananosarotra ny fahafehezana ny valan’aretina izany.

📢Manao antso avo amin’ny tsy fitavozavozana ny fijerena ity trangan’aretina miparitaka any Ifanadiana ity ny solombavambahoaka HAJA Dinah raha ny nohamafisiny.

𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐋𝐀𝐌𝐄𝐍𝐀♦️Misy mpiasan’ny fadintseranana voasaringotra tamin’ilay raharaha fanondranana volamena m...
17/09/2026

𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐎𝐋𝐀𝐌𝐄𝐍𝐀
♦️Misy mpiasan’ny fadintseranana voasaringotra tamin’ilay raharaha fanondranana volamena milanja 5,75 kilao, sarona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny alahady 13 septambra 2026.

ℹ️Tsy miaro ny mpanao kolikoly sy ny mpanondrana an-tsokosoko harem-pirenena ny fadintseranana hoy ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana andriamatoa Antoine RAHAJARIZAFY.

✅Avelany malalaka hanao ny asany araka izany ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana amin’ireo mpiasany voarohirohy. Raha tsiahivina, dia efa tao anatin’ny fiaramanidina Ethiopian Airlines ity volamena ity no sarona, ary efa misokatra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

𝐅𝐈𝐕𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐒𝐘 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐎𝐓𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐄𝐍𝐈𝐌𝐈𝐄𝐑𝐀𝐌𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀♦️Hiompana tanteraka amin’ny fankatoavana ireo famatsiam-bola ho ...
17/09/2026

𝐅𝐈𝐕𝐎𝐑𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐒𝐘 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐎𝐓𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐓𝐄𝐋𝐎 𝐀𝐍𝐓𝐄𝐍𝐈𝐌𝐈𝐄𝐑𝐀𝐌𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀

♦️Hiompana tanteraka amin’ny fankatoavana ireo famatsiam-bola ho entina hampihenana ny fahasahiranan’ny vahoaka ireo volavolan-dalàna holaniana mandritra ity fivoriana tsy ara-potoana fahatelo ity, hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Atoa Siteny Randrianasoloniaiko.

♦️Hodinihina ao avokoa na ny lafiny sosialy na ny lafiny ara-toekarena ka antony maha zava-dehibe ity fivoriana ity.

𝗞𝗢𝗟𝗢𝗡𝗧𝗦𝗔𝗜𝗡𝗔❌Efa tsy mitana ny tena fomba amin’ny maha izy azy intsony ny VODIONDRY ankehitriny, hoy RAHERINIRINA José Fr...
17/09/2026

𝗞𝗢𝗟𝗢𝗡𝗧𝗦𝗔𝗜𝗡𝗔

❌Efa tsy mitana ny tena fomba amin’ny maha izy azy intsony ny VODIONDRY ankehitriny, hoy RAHERINIRINA José François, talen’ny fampianarana kabary Ampinga. Taloha, dinika tena lava ary maharitra telo andro raha any amin’ny faritra sasany izany VODIONDRY izany.

♦️Ankehitriny zara raha atsasakadiny ny faharetany raha n’y nambarany hatrany. Misy mihitsy aza no manao an-tsirambina izany dingana izany hoy hatrany n’y nambarany. Ny VODIONDRY anefa dia dinika handinihana ny firazanana, ny fifampizarana anatra ary ihany koa torohevitra amin’ny tokantrano.

ℹ️ Raha ny fombafomba Malagasy ihany koa dia zava-dehibe tsy maintsy dinihana ao anatin’izy io ny fahafahan’ny roa tonta mivady na tsia. Raha toa ka tsy afaka mivady izy roa kanefa misisika dia alana ondrana na adalana vao tanterahina ny vodiondry, hoy hatrany ity mampianatra kabary ity.

✅Ny dingana an-tanan-tohatra amin’ny fanomezan-tso-drano haha-mafy o***a ny tokantrano no tanjon’ny vodiondry hoy hatrany RAHERINIRINA José François. Ny any amin’ny tontolo ambanivohitra no tena Mbola mandala izany fombafomba izany fa ny eto an-drenivohitra dia efa manomboka very amin’izany raha ny nambarany.

𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀 𝐒𝐄𝐑𝐆𝐄𝐍𝐓 𝐍𝐈𝐓𝐈𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐘 𝐍𝐘 𝐑𝐀𝐅𝐎𝐙𝐀𝐌𝐁𝐀𝐕𝐈𝐍𝐘♦️Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay miaramila Serge...
17/09/2026

𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐌𝐈𝐋𝐀 𝐒𝐄𝐑𝐆𝐄𝐍𝐓 𝐍𝐈𝐓𝐈𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐓𝐘 𝐍𝐘 𝐑𝐀𝐅𝐎𝐙𝐀𝐌𝐁𝐀𝐕𝐈𝐍𝐘

♦️Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay miaramila Sergent nitifitra ka nahafaty ny rafozambaviny teny Tsiadana omaly, araka ny tatitry ny ny mpisolo Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratongavoalohanyeto Antananarivo, Andrianarivony Nirina. Alina tokony tamin'ny 10 ora no vita ny famotorana azy teo anivon'ny Mpitsara mpanao famotorana.

♦️Raha tsiahivina, nitolo-batana teny amin'ny manam-pahefana ilay miaramila Sergent rehefa avy nitifitra ka nahafaty ilay renim-pianakaviana. Namela malalaka ny fitsarana ny ao amin'ny Etamazaoron'ny tafika amin'ity raharaha ity, araka ny fanambarana navoakan'izy ireo.

𝟏𝟖 𝐒𝐄𝐏𝐓𝐀𝐌𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟏𝟓, 𝟏𝟖 𝐒𝐄𝐏𝐓𝐀𝐌𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔📆18 septambra 2015, 18 septambra 2026; eritaona rahampitso ny hetsika fitakiana nata...
17/09/2026

𝟏𝟖 𝐒𝐄𝐏𝐓𝐀𝐌𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟏𝟓, 𝟏𝟖 𝐒𝐄𝐏𝐓𝐀𝐌𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔

📆18 septambra 2015, 18 septambra 2026; eritaona rahampitso ny hetsika fitakiana nataon'ny tsy manaiky lembenana, izay notarihan'ireo mpanolotsaina ny tanànan'Antananarivo tamin'izany fotoana, Faniry Alban Rakotoarisoa, Clémence Raharinirina ary i Lili Rafalahy.

🔎Hetsika nanaovana fitakiana noho ny olan'ny jiro sy ny rano teto amin'ny firenena izay nitondra hatrany amin'ny hetsi-bahoaka ka nahatongavana amin'izao fitondrana fanavaozana izao. Tsy misy ny tonga lafatra, fa kosa nanao ny ezaka ny fitondrana amin'izao fotoana izao indrindra amin'ny famahana ny olan'ny herin'aratra hoy ramatoa Clémence Raharinirina, lehiben'ny faritra Analamanga mpisolo toerana.

♦️Zava-dehibe ny fahasahiana izay nataon'ny fitondrana ankehitriny, amin'ny fandraisan'ny fanjakana an-tanana ny fanafarana solika hoy kosa andriamatoa Baba Rakotoarisoa, tale jeneraly ny ACM. Ireo matanjaka mifehy io resaka solika io mantsy no tena miteraka olana ihany koa amin'ny lafiny herin'aratra.

📌Hisy ny tsiahy sy tamberina, fotoam-bavaka ary rindran-kira ara-pilazantsara izay ho atao rahampitso ao amin'ny lapan'ny Kolontsaina sy ny fanatanjahatena Mahamasina, ho fahatsiarovana datin'ny 18 septambra 2025. Mitohy amin'ny 25 septambra moa ny datin'ny fahatsiarovana ka hatramin'ny 14 ny volana oktobra 2026.

𝐅𝐀𝐇𝐀𝐓𝐀𝐏𝐀𝐇𝐀𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝟗 𝐎𝐑𝐀❌Tsy marina ny filazana fa misy fahatapahan-jiro maharitra 9 ora isan’andro, hoy ny Jira...
17/09/2026

𝐅𝐀𝐇𝐀𝐓𝐀𝐏𝐀𝐇𝐀𝐍-𝐉𝐈𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝟗 𝐎𝐑𝐀

❌Tsy marina ny filazana fa misy fahatapahan-jiro maharitra 9 ora isan’andro, hoy ny Jirama. Izy ireo izay mampilaza hatrany ny fahatapahana mifandimby.

ℹ️Ny fahasimban’ny milina roa an’ny AfriPower ao Mandroseza no anisan’ny mahatonga ny fikorontanan’ny famatsiana ankehitriny, indrindra amin’ny ora be filàna amin’ny hariva raha ny fanazavana.

♦️Eo ihany koa ireo asa fikojakojana sy fanatsarana ny tambajotra efa voalahatra. Anisan’ny fepetra raisin'ny Jirama ny fampandehanana ireo milina TAC 1 sy TAC 3 ao Ambohimanambola, ny fandrotsahana orana artifisialy, ny fampitomboana ny herinaratra azo avy amin’ny masoandro ary ny fanafarana milina vaovao, izay andrasana ho tonga amin’ny volana oktobra.

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀⛴️Nisokatra omaly amin'ny zotram-pitaterana an-dranomasina vaovao ny seranan-tsambon'i Toamasin...
17/09/2026

𝐅𝐈𝐓𝐀𝐓𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐍-𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀

⛴️Nisokatra omaly amin'ny zotram-pitaterana an-dranomasina vaovao ny seranan-tsambon'i Toamasina. Nigadona omaly alarobia 16 Septambra 2026 vao maraina tany an-toerana mantsy ny sambo 𝐔𝐀𝐅𝐋 𝐄𝐗𝐏𝐑𝐄𝐒𝐒, izay manamarika ny fisokafan’io fifandraisana an-dranomasina vaovao ho an’i Madagasikara io.

⛴️Ny 𝐔𝐀𝐅𝐋 (𝐔𝐧𝐢𝐭𝐞𝐝 𝐀𝐫𝐚𝐛 𝐅𝐫𝐞𝐢𝐠𝐡𝐭 𝐋𝐢𝐧𝐞), izay manana ny foibeny any Dubai ary manana traikefa mihoatra ny 25 taona, izay mampifandray ireo tsena ao amin’ny 𝐑𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐬𝐢𝐦𝐛𝐞 𝐈𝐧𝐝𝐢𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚, 𝐀𝐟𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚, 𝐌𝐨𝐲𝐞𝐧-𝐎𝐫𝐢𝐞𝐧𝐭, 𝐀𝐳𝐢𝐚 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 ary 𝐀𝐳𝐢𝐚. Manampy amin’ny fanamafisana ny fifandraisan’i Toamasina amin’ireo tsena iraisam-pirenena izany zotra vaovao izany ary hitondra ainga vao ho an’ny varotra sy ireo mpandraharaha ara-toekarena eto Madagasikara raha ny fampitam-baovao avy amin'ny SPAT ao Toamasina.

Address

VB 60 Rue RAMAHEFY
Antananarivu
101ANTANANARIVO

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SIOKA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category