LeDéfi.Mg

LeDéfi.Mg Presse en ligne et WebTv (https://ledefi.mg )
(1)

27/07/2025

🔴𝐙𝐀𝐏 𝐀𝐓𝐒𝐈𝐌𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎 : 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐍𝐀𝐇𝐀𝐕𝐈𝐓𝐀 𝐁𝐄 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’ 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐇𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀

Nisy ny fankasitrahana ireo nahavita be tamin’ny sehatry ny fanabeazana ao anatin’ny faripiadidiam-pampianarana Atsimondrano. Isan’izany ny lehiben’ny Cisco Atsimondrano ary koa ireo mpiantsehatra miisa 12 mianadahy. Tamin’ny alalan’ny hetsika maro no nanamarihan’ny fianakaviamben’ny Cisco Atsimondrano izany, ary mifandraika indrindra amin’ny faha-10 taona nitantanan-dRAMANANJATOVO Arsène ny Cisco Atsimondrano na ny Faripiadidiam-pampianarana Antananarivo Atsimondrano izany. « Betsaka ny ezaka vita noentiny tato amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano. Rariny sy hitsiny raha marihana amin’ny fomba mendrika tahaka izao izany. Miara-dalana amin’izany koa ny fankasitrahana ireo mpisehatra amin’ny fampianarana ato anatin’ity fari-piadidiam-pampianarana ity », hoy RANDRIAMANGA Jean Aimée – Pdt Chef Zap Atsimondrano.


Tetsy amin’ny Espace iray etsy By Bass moa no nanatontosana ny fanamarihana izany ny zoma teo. Fotoana iray nanatontosan’ny Chef Zap Atsimondrano hetsika ara-tsosialy ihany koa io fotoana io. Manarak’izany dia notanterahana tamin’io fotoana io ihany koa ny fankasitrahana ireo mpisehatra nahavita be tamin’ny sehatry ny fampianarana – ka miisa 12 mianadahy no nahazo mariboninahi-pirenena tamin’izany : ny 4 nakarina ho Officier de l’Ordre National ary ny 8 nahazo ny Chevalier de l’Ordre national. Tonga nanotrona izany ny Solombavambahoaka Atsimondrano, ny Chef Distrika izay nizara ny mariboninahitra, ireo mpikambana eo anivon’ny Zap Atsimondrano ary ireo mpiantsehatra rehetra anatin’ny sehatry ny fampianarana ao Antananarivo Atsimondrano.

📩Et l'information continue sur la presse en ligne LeDefi.mg

🧰𝗜𝗦𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗡𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔 𝗙𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗢𝗛𝗢 𝗡𝗬 𝗧𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗛𝗢𝗣𝗜𝗧𝗔𝗟𝗬 𝗦𝗔𝗛𝗔𝗭𝗔 𝗡𝗬 𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗜 𝗠𝗔𝗥𝗢𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗧𝗥𝗔 Ny 18 novambra 1961 no nano...
27/07/2025

🧰𝗜𝗦𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗡𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔 𝗙𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗢𝗛𝗢 𝗡𝗬 𝗧𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗛𝗢𝗣𝗜𝗧𝗔𝗟𝗬 𝗦𝗔𝗛𝗔𝗭𝗔 𝗡𝗬 𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗜 𝗠𝗔𝗥𝗢𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗧𝗥𝗔

Ny 18 novambra 1961 no nanorenana ny hopitalibe - ary tao anatin’ny 65 taona aty aoriana, tsy misy hopitaly sahaza ny vahoaka intsony nahorina. Raha vinaniana 10.000 eo ny isan’ny mponina tamin’izany fotoana izany, ankehitriny efa latsaka kelin’ny 500.000 ny isan’ny vahoaka ao Maroantsetra, izany hoe, 50 avo heny ny isan’ny mponina tamin’ny 65 taona lasa.
Ary isan’ny nitondra faisana avy amin’ny fitokana-monina ny tsy fisian’ny hopitaly sahaza ny vahoaka amin’ity toerana ity.

Ankehitriny anefa nahazo hopitaly manarapenitra - manana générateur d' oxygène - mamaly ny filan'ny vahoaka i Maroantsetra - Faritra 𝗔𝗺𝗯𝗮𝘁𝗼𝘀𝗼𝗮. " Izao fotodrafitrasa izao dia isan’ny mahafaly ahy satria tena cadeau tsara omena ny vahoakan’i Maroantsetra, satria itsabo, anasitrana, ary anasoa ho an’ny vahoakan’i Maroantsetra iray manontolo", hoy ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fitokanana ity hopitaly manara-penitra ity.
Hopitaly manana izy ity - izay no maha manara-penitra azy. Afaka mi- d’oxygene dia mandefa any amin'izay tsy manana. Noho izany ity fitaovana ity afaka mamokatra oxygene ankoatra ny filana ato amin’ny hopitaly dia afaka mandefa any Mananara , na Antalaha, na Sambava.

📩Et l'information continue sur la presse en ligne LeDefi.mg

🧰𝙉𝙊𝙅𝘼𝙋𝙄𝘼𝙉’ 𝙄 𝙈𝘼𝙍𝘾 𝙍𝘼𝙑𝘼𝙇𝙊𝙈𝘼𝙉𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙈𝙄𝙉’ 𝙉𝙔 𝙍𝙀𝙎𝘼𝙆𝘼 𝙋𝙊𝙇𝙄𝙏𝙄𝙆𝘼 𝙄𝙇𝘼𝙔 𝙍𝘼𝙃𝘼𝙍𝘼𝙃𝘼𝙍𝘼 𝘼𝙈𝘽𝙊𝙃𝙄𝙈𝘼𝙇𝘼𝙕𝘼Tsy ela amin’ny zavatra hainy ny mpa...
26/07/2025

🧰𝙉𝙊𝙅𝘼𝙋𝙄𝘼𝙉’ 𝙄 𝙈𝘼𝙍𝘾 𝙍𝘼𝙑𝘼𝙇𝙊𝙈𝘼𝙉𝘼𝙉𝘼 𝘼𝙈𝙄𝙉’ 𝙉𝙔 𝙍𝙀𝙎𝘼𝙆𝘼 𝙋𝙊𝙇𝙄𝙏𝙄𝙆𝘼 𝙄𝙇𝘼𝙔 𝙍𝘼𝙃𝘼𝙍𝘼𝙃𝘼𝙍𝘼 𝘼𝙈𝘽𝙊𝙃𝙄𝙈𝘼𝙇𝘼𝙕𝘼

Tsy ela amin’ny zavatra hainy ny mpanao politika – fa avy hatrany dia mijapy , manao « » an’iny raharaha Ambohimalaza iny ! Minia manamaivana ny « faits » - dia ny fisian’ireo niaiky fa tompon’antoka nahafaty ireny tanora maro ireny !

Taorian’ilay fanaovana nataon’ireo tompon’andraikitra ambony voakasiky ny raharaha Ambohimalaza – izay nandeha tamin’ny fahitalavi-pirenena ka nitondran’izy ireo ny porofo, tamin’ny fomba ny toe-java-misy marina manodidina io raharaha io, tokoa, dia namoaka fanambarana politika ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA, androany. Taitra ny rehetra namaky izany satria toa miaro an’ireo ilay fanambarana.

Fantatsika tsara fa nisy ireo olona nanao fiaikena na « aveu » fa nanao ny fanapoizinana ka nahafaty ireny tanora ireny. Efa fanadihadiana lalina sy nandanian’ireo mpanao fanadihadiana isan’ambaratonga ny fahaizany rehetra no nampipoitra izany. Manana mpisolovava azy - ireny olona voarohirohy ireny ary mahalala tsara ny votoatin’ny dossier hiampangana ny olona harovany ny mpisolovavany. Naninona tsy nanontany azy ireo ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ? Fantany tsara koa ny fisian'izany mpisolovava izany ?

Tsy tokony hanaovana « récupération politika » ny fahorian’ny olona. Diso hevitra Marc Ravalomanana raha mihevitra fa hilalao ny « » an’ireo olona efa namoy zanaka, havana ireo mba hahazoana ny fon’ny vahoaka. Efa mazava ny amin’io raharahara Ambohimalaza io : nisy « aveu » nisy « fiaikena » mihitsy fa fanapoizinana niniana natao no nitarika faty olona iny ary nibaboka ny heloka vitany ireo tompon’antoka tamin’izany.
Manana zo hijery an’izany dossier izany tanteraka ny mpisolovava an’ireo olona ireo ary fantany izany matoa ry zareo tsy miteny intsony amin’izao.

📩Et l'information continue sur la presse en ligne LeDéfi.Mg

🔴 𝗔𝗙𝗙𝗔𝗜𝗥𝗘 𝗗𝗘𝗦 𝟱 𝗔𝗩𝗜𝗢𝗡𝗦 𝗟𝗜𝗘́𝗦 𝗔̀ 𝗟’𝗜𝗥𝗔𝗡 : 𝗟’𝗔𝗖𝗠 𝗗𝗘́𝗡𝗢𝗡𝗖𝗘 𝗨𝗡𝗘 𝗙𝗔𝗟𝗦𝗜𝗙𝗜𝗖𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗗𝗘 𝗗𝗢𝗖𝗨𝗠𝗘𝗡𝗧𝗦L’Autorité de l’Aviation Civile de...
26/07/2025

🔴 𝗔𝗙𝗙𝗔𝗜𝗥𝗘 𝗗𝗘𝗦 𝟱 𝗔𝗩𝗜𝗢𝗡𝗦 𝗟𝗜𝗘́𝗦 𝗔̀ 𝗟’𝗜𝗥𝗔𝗡 : 𝗟’𝗔𝗖𝗠 𝗗𝗘́𝗡𝗢𝗡𝗖𝗘 𝗨𝗡𝗘 𝗙𝗔𝗟𝗦𝗜𝗙𝗜𝗖𝗔𝗧𝗜𝗢𝗡 𝗗𝗘 𝗗𝗢𝗖𝗨𝗠𝗘𝗡𝗧𝗦

L’Autorité de l’Aviation Civile de Madagascar ( ) rejette toute implication dans une opération de transfert d’aéronefs vers l’Iran. Elle révèle que la société UDAAN Aviation a illégalement prolongé la validité de certificats provisoires délivrés pour un transfert vers le Kenya, et utilisé ces documents falsifiés à l’étranger, notamment au Cambodge.
✅ Une a été déposée auprès de la justice malgache pour faux et usage de faux.
🤝 L’ACM collabore avec les autorités internationales pour identifier les véritables responsables. ⚖️ Elle réaffirme son engagement pour le respect du droit international et dénonce toute fraude impliquant le registre malgache.

📎 Lire l'article ici :
https://ledefi.mg/affaire-des-cinq-avions-lies-a-liran-lacm-dement-toute-implication-et-depose-plainte-pour-usage-de-faux/

🧰𝗡𝗜𝗧𝗢𝗛𝗬 𝗔𝗢 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗢𝗛𝗜𝗛𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗘𝗧𝗦𝗜𝗞𝗘𝗧𝗦𝗘𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗧𝗔𝗢𝗡'𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗞𝗔𝗠𝗕𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗚𝗩 🔗Ambohi-pihaonan'ireo mpikatroka   ao    ny androany. ...
26/07/2025

🧰𝗡𝗜𝗧𝗢𝗛𝗬 𝗔𝗢 𝗔𝗡𝗧𝗦𝗢𝗛𝗜𝗛𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗘𝗧𝗦𝗜𝗞𝗘𝗧𝗦𝗘𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗔𝗧𝗔𝗢𝗡'𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗞𝗔𝗠𝗕𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗚𝗩

🔗Ambohi-pihaonan'ireo mpikatroka ao ny androany. Tanterahana ao an-toerana ny fanetsiketsehana ireo mpikambana anatin'ny antoko Tgv, ka mandritra izany no hijerena ny fanomezana hery indray ity antoko ity. 𝗥𝗮𝗸𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘃𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗼𝗮𝘀𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻'𝗔𝗻𝘁𝘀𝗼𝗵𝗶𝗵𝘆.

Misy ny hetsika maro tanterahana ary tonga manotrona izany ireo mpitarika manerana ny faritra Boeny sy ny Faritra Sofia. Efa nahavita ny azy koa ny tao Mahajanga sy ny tao Maevatanana. "Manana fototra ijoroana ny antoko Tgv aty. Mbola vonona hamelona izany koa izahay. Antoko matanjaka no tanjona : afaka miatrika sy mijoro manoloana ny zava-misy ara-politika", hoy ireo mpitarika.
Manotrona izany Tia Solofomanga Heriniaina Ben'ny Tanàna Mahajanga , ny sy olomboafidy maro , ny Governora Faritra Sofia

📩Et l'information continue sur la presse en ligne LeDéfi.Mg

🔴 𝗠𝗔𝗥𝗢𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗧𝗥𝗔 : 𝗣𝗟𝗨𝗦 𝗗𝗘 𝟳𝟯 𝟬𝟬𝟬 𝗙𝗔𝗠𝗜𝗟𝗟𝗘𝗦 𝗕𝗘́𝗡𝗘́𝗙𝗜𝗖𝗜𝗘𝗥𝗢𝗡𝗧 𝗗’𝗔𝗜𝗗𝗘𝗦 𝗦𝗢𝗖𝗜𝗔𝗟𝗘𝗦 🔗Lors de sa première visite officielle dans la...
26/07/2025

🔴 𝗠𝗔𝗥𝗢𝗔𝗡𝗧𝗦𝗘𝗧𝗥𝗔 : 𝗣𝗟𝗨𝗦 𝗗𝗘 𝟳𝟯 𝟬𝟬𝟬 𝗙𝗔𝗠𝗜𝗟𝗟𝗘𝗦 𝗕𝗘́𝗡𝗘́𝗙𝗜𝗖𝗜𝗘𝗥𝗢𝗡𝗧 𝗗’𝗔𝗜𝗗𝗘𝗦 𝗦𝗢𝗖𝗜𝗔𝗟𝗘𝗦

🔗Lors de sa première visite officielle dans la région d’Ambatosoa, le président de la République, Andry Rajoelina , a lancé une vaste opération de soutien social en faveur des populations vulnérables du district de .

Au total, 73 000 familles réparties dans 20 communes bénéficieront d’aides directes dans le cadre de cette initiative présidentielle. Rien que pour la journée du 25 juillet, 3 800 foyers ont déjà reçu leurs dotations.

Par ailleurs, des associations féminines du district ont également été appuyées par le président, chacune recevant une enveloppe de 3 millions d’ariary pour renforcer leurs activités économiques et sociales. Cette action s’inscrit dans une démarche plus large de solidarité nationale et de proximité avec les communautés locales. La visite du président Andry Rajoelina,, se poursuit ce samedi, avec d'autres rencontres prévues sur le terrain.

📩Et l'information continue sur la presse en ligne LeDefi.mg

26/07/2025

🧰🧰 𝗞𝗢𝗡𝗚𝗥𝗘𝗦𝗬 𝗔𝗥𝗔-𝗧𝗦𝗜𝗔𝗡𝗦𝗔 𝗔𝗡𝗗𝗜𝗔𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔-𝟯𝟬 : 𝗡𝗔𝗛𝗔𝗭𝗢𝗔𝗡'𝗜 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔 𝗙𝗔𝗠𝗔𝗧𝗦𝗜𝗔𝗠-𝗕𝗢𝗟𝗔 𝗠𝗔𝗛𝗘𝗥𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝟭𝟬 𝗧𝗔𝗣𝗜𝗧𝗥𝗜𝗦𝗔 𝗗𝗢𝗟𝗔𝗥𝗔

🔗Tafiditra ao anatin’ny tombontsoa azon’i Madagasikara tamin’ny fampiantranoana ny fihaonambe iraisam-pirenenan’ny « Sociéte internationale de primatologie » na ny andiany faha 30 ny nahazoana famatsiam-bola mitentina folo tapitrisa dolara mahery. Teo ihany koa ny fahazoana fitaovana hary fomba sy manaraka ny toetrandro hahafahana mikarakara sy miaro ireo « primate »izay efa tandindomin-doza ny anakamaroan’izy ireo . Hanamora ny fandraisana andraikitr’ireo vondron’olona ifotony ihany koa ny fahazoana ireo fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana ireo araka ny nambaran’ny minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy, Max Andonirina Fontaine

📩Et l'information continue sur la presse en ligne LeDefi.mg

🧰𝗡𝗜𝗩𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗡𝗚𝗜𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗕𝗘𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗡'𝗔𝗠𝗕𝗢𝗛𝗜𝗠𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔Manoloana ny tranga niseho nisesisesy teny   dia naneho ny h...
25/07/2025

🧰𝗡𝗜𝗩𝗢𝗔𝗞𝗔 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗡𝗚𝗜𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗕𝗘𝗡'𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔𝗡'𝗔𝗠𝗕𝗢𝗛𝗜𝗠𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔

Manoloana ny tranga niseho nisesisesy teny dia naneho ny heviny ny Ben'ny tanàna - Sedera Rakotoaritsifa. Nanazava izy fa lasa fanarian'ny olona ireny faty hita tao ho ao ireny eny an-toerana. Tsy olona avy eo ny tompon'antoka tamin'ireny fa olona tonga manary faty tety an-toerana.

Efa manao andrimaso moa ny kaomina amin'izao fotoana mba hanamafisana ny fomba ratsy fataon'ny olon-dratsy tahaka ireny. Satria tokoa dia misy manao fanahy iniana ity vohitra masina ity ka mila fepetra.

📩Et l'information continue sur la presse en ligne LeDefi.mg

𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗢-𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗔𝗡𝗔𝗗𝗜𝗢 𝗡𝗬 𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔 𝗦𝗔𝗕𝗢𝗧𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗧𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢 𝗙𝗜𝗟𝗔𝗠𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔  𝗦𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗩𝗔𝗥𝗢𝗧𝗥𝗔Fihetsika mahate hidera ny nasehon'ire...
25/07/2025

𝗡𝗔𝗡𝗢𝗟𝗢-𝗧𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗔𝗡𝗔𝗗𝗜𝗢 𝗡𝗬 𝗧𝗦𝗘𝗡𝗔 𝗦𝗔𝗕𝗢𝗧𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗧𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢 𝗙𝗜𝗟𝗔𝗠𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗠𝗣𝗜𝗩𝗔𝗥𝗢𝗧𝗥𝗔

Fihetsika mahate hidera ny nasehon'ireo sehatra samihafa ao Antsirabe tamin'ny fiaraha-mientana amin'ny fanadiovana ny tsena sabotsy. Ankoatra ireo olompirenena samihafa, dia niara-nifanome tanana ny vondron'ny mpitandro filaminana.

Nampiseho firaisankina ihany koa ny mpivarotra ary niara-nirohotra nandray an-tanana nanao asa fanadiovana.

📩Et l'information continue sur la presse en ligne LeDefi.mg

🧰📍𝗡𝗜𝗦𝗬 𝗡𝗔𝗡𝗗𝗢𝗥𝗢 𝗡𝗬 𝗔𝗟𝗔 𝗔𝗢 𝗠𝗔𝗥𝗢𝗛𝗢𝗚𝗢 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗝𝗔𝗡𝗚𝗔 - 𝗡𝗶𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲 𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗺𝗼𝗻𝗼 𝗮𝗳𝗼 𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗮𝗺𝗼𝗻𝗷𝘆 𝘃𝗼𝗶𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗸𝗼𝗻𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮Nisy nandoro ...
25/07/2025

🧰📍𝗡𝗜𝗦𝗬 𝗡𝗔𝗡𝗗𝗢𝗥𝗢 𝗡𝗬 𝗔𝗟𝗔 𝗔𝗢 𝗠𝗔𝗥𝗢𝗛𝗢𝗚𝗢 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗝𝗔𝗡𝗚𝗔 - 𝗡𝗶𝗳𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲 𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗺𝗼𝗻𝗼 𝗮𝗳𝗼 𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗮𝗺𝗼𝗻𝗷𝘆 𝘃𝗼𝗶𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗸𝗼𝗻𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮

Nisy nandoro ny ala ao faha-2, ao anatin'ny Faritra Boeny. Tsy mbola fantatra sy tsy mbola tra-tehaka ny nahavanon-doza nanao izany.
Nifantoka tamin'ny famonoana afo kosa ny fokonolona ary efa tonga eny an-toerana ny avy ao Mahajanga.
Marihana fa toerana fambolen-kazo ity ity ary efa nahavelom-bolo ny fitsirin'ny hazo izay novolena tao - kanefa dia izao somparan'ny olon-dratsy mpandoro tanindrazana izao.

📩Et l'information continue sur la presse en ligne LeDefi.mg

🧰𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮 : 𝗡𝗔𝗛𝗔𝗭𝗢 𝗖𝗘𝗡𝗧𝗥𝗔𝗟 𝗦𝗢𝗟𝗔𝗜𝗥𝗘 1.5 𝗠𝗚𝗪 - 𝗛𝗔𝗠𝗔𝗛𝗔 𝗡𝗬 𝗢𝗟𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗗𝗘𝗟𝗘𝗦𝗧𝗔𝗭𝗬Nitodi-doha any   ny Filoham-pirenena A...
25/07/2025

🧰𝗗𝗶𝘀𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮 : 𝗡𝗔𝗛𝗔𝗭𝗢 𝗖𝗘𝗡𝗧𝗥𝗔𝗟 𝗦𝗢𝗟𝗔𝗜𝗥𝗘 1.5 𝗠𝗚𝗪 - 𝗛𝗔𝗠𝗔𝗛𝗔 𝗡𝗬 𝗢𝗟𝗔𝗡'𝗡𝗬 𝗗𝗘𝗟𝗘𝗦𝗧𝗔𝗭𝗬

Nitodi-doha any ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina io io rehefa avy nandalo tao .
Tsy misy distrika adino ary dia tonga tao Mananara ny tenany nitokana ny hanampy ny milin'ny Jirama. Manana tanjaka 1,5 Mgw ity parc solaire vaovao ity.

" Ny parc solaire dia fananan'ny fanjakana ka atolotra ho an'ny Jirama. Hamaha ny olan'ny delestazy eto Mananara izy io. Distrika 5 no misitraka ny famatsiambola nanaovana azy io. Tsy misy distrika adino fa ato ampoko i Mananara ", hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Mandeha amin'ny herin'ny masoandro ity ity. " Bye bye delestazy eto Mananara " , hoy kosa ny minisitry ny Angovo.
Tsiahivina fa distrika maro anatin'ny Faritra no tsidihana amin'ity faran'ny herinandro ity. Maro ny fotodrafitrasa tokanana amin'izany.

📩Et l'information continue sur la presse en ligne LeDefi.mg

Address

Antananarivu

Telephone

+261326918543

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when LeDéfi.Mg posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to LeDéfi.Mg:

Share

Category