09/08/2026
Anisan'ny niady mafy ho an'ny tetikasa Sahofika ny solombavambahoaka voafidy tao amin'ny distrikan'Antanifotsy, Narson Rafidimanana.
10 taona aty aorina nanalorana ity tetikasa ity ho vahaolana amin'ny delestazy vao nisy nihaino ny antso nataon'ity olom-boafidy ity.
"Ny tsy fijeren'ireo mpitondra tany aloha ny tombontsoan'ny vahoaka no tsy nanatanterahana ny tetikasa Sahofika.
Raha natao laharam-pahamehana manko dia azo antoka fa nahazo tombony ny orinasa Jirama ary tsy maty antoka intsony.
Ity tetikasa ity dia fotodrafitrasa fototra, izay hahafahana manome asa ny vahoaka sy mampidina ny vidin'ny herinaratra ary miala amin'ny fanohanana ara-bola ny Jirama efa mahatratra 700 ka 1 000 miliara Ariary isan-taona, izay tokony hitsinjovana ny vahoaka, ny tantsaha ary ny tanora.", hoy ity depiote ity.
Tsiahivina fa afaka mamokatra herinaratra 205 ka hatramin'ny 300 MW (Mรฉgawatts) ny tetikasa Sahofika hotanterahina ao amin'i Onive, ary mbola afaka hitarina hatrany amin'ny 400 MW noho ity renirano ity tsy mety ritra mandavan-taona.
Vao tamin'ny faran'ny zoma lasa teo no nitsidika ny toerana hananganana ny tobim-pamokarana ao an-toerana ny solontena avy ao amin'ny "Fonds Souverain Malagasy" notarihin'ny filohany, ary notronin'Atoa Narson Rafidimanana.
Ny vola ao amin'ny ity rafitra ity manko no heverina hahetsika hampiodinana ny tetikasa. Resy lahatra amin'izany ny solombavambahoaka noho ny filazany fa volam-bahoaka no miasa ao, ary izany indrindra hoy izy no tokony ilana azy.
Tsy adinony ny nisaotra ny Filohan'ny fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara amin'ny fanetsehana ity tetikasa ity.
Na dia mbola tsy manomboka moa ny famokarana herinaratra dia efa mahazo tombony sahady ny ao Antanifotsy noho ny fanamboaran-dalana efa mandeha any an-toerana, izay manamora ny famoaham-bokatra andaniny, ary misoroka ny fikaram-bidy mihoam-pampana noho ny faharatsian'ny lalana teo aloha ankilany.
Tanora manodidina ny 10 000 koa no hahazo asa amin'ny fanatanterahana ny tetikasa.