DREN Vakinankaratra

DREN Vakinankaratra IREO VAOVAO MAHAKASIKA NY FANABEAZANA ETO AMIN'NY FARITRA VAKINANKARATRA

🛑Tonga nitsidika ny EPP Ambohibary, CISCO Antsirabe II, ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, ny Talem-paritry ny F...
13/09/2025

🛑Tonga nitsidika ny EPP Ambohibary, CISCO Antsirabe II, ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Vakinankaratra ary ireo ekipa avy ao amin'ny PAM sy ny FSRP nijery ifotony ny fanatanterahana ny fampisakafoana an-tsekoly ny zoma 12 septambra 2025.

▶️Tanjona ny hanampiana ara-tsakafo ireo ankizy mba hampifantoka azy kokoa amin'ny fianarana ka hahatsara ny voka-panadinana ary hamporisika ireo ray aman-dreny handefa ny zanany an-tsekoly.

▶️Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny Minisiteran'ny fambolena sy fiompiana no nanatontosana ity tetikasa ity.

✳️Notanterahina ny alakamisy 11 septambra 2025 tao amin'ny biraon'ny DREN Vakinankaratra sy CISCO Antsirabe II ny fanolo...
12/09/2025

✳️Notanterahina ny alakamisy 11 septambra 2025 tao amin'ny biraon'ny DREN Vakinankaratra sy CISCO Antsirabe II ny fanolorana ara-pomba ofisialy ny "vitrine préscolaire" avy amin'ny tetikasa IEPPE na Investir dans l'Education et la Protection de la Petite Enfance ary iarahana amin'ny Action Éducation.

▶️Nandritra io fotoana io no nanolorana sy nampahafantarana ireo fitaovana entina hanatsarana ny fampianarana sy hanaovana ny tombana mahakasika ny "bien-être" an'ireo zaza madinika any an-tsekoly.

▶️Ankoatra ireo fitaovana dia efa nisy ihany koa ny fampiofanana ireo mpampianatra ao anatin'ny FEFFI izay nomen'ny Action Éducation sy ny fanentanana mahakasika ny "éducation parentale".

▶️Nanokatra ny fotoana tamin'ny fomba ofisialy ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Vakinankaratra.

10/09/2025

âśł Indro ny rohy ahitana:

â–¶ Ny tondrozotra mahakasika ny fikarakarana ny fidirana an-tsekoly 2025-2026

▶ Ny lisitra sy ny sandan'ny "caisse école" sitrahan'ny sekolim-panjakana tsirairay manerana ny Nosy

08/09/2025

✳️✳️Nampiharina nanomboka ny zoma 29 aogositra 2025 ny fifanarahana mahakasika ny tetikasa « Transformation de l’Accès et de l’Apprentissage à Madagascar » (TALIM) sy ny « Accord de don du GPE ».

▶️Lany tsy nasiam-panitsiana teny anivon'ny Antenimiera roa tonta izany.

▶️Voarain’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fanambarana fa manan-kery ny TALIM ny 4 septambra 2025 ka hiroso amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.

▶️Ny tetikasa TALIM dia miompana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana amin’ny alalan’ny fanatsarana ny politikan’ny fampianarana, ny fizarana boky ho an’ny mpianatra, ny fampisakafoana an-tsekoly ary ny fananganana trano fianarana.

🛑Notanterahina ny talata 02 septambra 2025 ny fametrahana ny talen'ny lisea manara-penitra Faravohitra, CISCO Faratsiho,...
04/09/2025

🛑Notanterahina ny talata 02 septambra 2025 ny fametrahana ny talen'ny lisea manara-penitra Faravohitra, CISCO Faratsiho, Andriamatoa RANDRIANARISON Faliarivony Andry Barijaona.

🛑Niatrika fiofanana mikasika ny "Formation des encadreurs pour les préscolaires" tao Faravohitra ny eo anivon'ny CISCO A...
03/09/2025

🛑Niatrika fiofanana mikasika ny "Formation des encadreurs pour les préscolaires" tao Faravohitra ny eo anivon'ny CISCO Antsirabe II, nanomboka ny talata 02 septambra 2025.

▶️ Miara-misalahy amin'izany ny Tetikasa Anjara sy ny "Action Éducation".

▶️ Haharitra roa andro ny fiofanana ary ireo Lehiben'ny ZAP sy ny Talen-tsekoly voakasiky ny tetikasa no misitraka izany.

▶️ Nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny Lehiben'ny CISCO Antsirabe II.

✳️ Notontosaina ny sabotsy 30 aogositra 2025 tao amin'ny Kianja Vélodrome Antsirabe ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy...
01/09/2025

✳️ Notontosaina ny sabotsy 30 aogositra 2025 tao amin'ny Kianja Vélodrome Antsirabe ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny "Rentrée Mifampitsinjo" ho an'ny DREN Vakinankaratra ka haharitra telo andro izany.

▶️Hetsika fanomezan-tanana ny ray aman-dreny hiatrehana izao fidiran’ny mpianatra taona 2025-2026 izao, hahafahana misitraka fihenam-bidy goavana 50% amin’ny fitaovam-pianarana rehetra.

▶️ Nanatrika izany ny Governoran'ny Faritra Vakinankaratra, ny Préfet, ny Ben'ny tanànan'Antsirabe I, ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena sy ireo Talem-paritra eo anivon'ny sampan-draharaha samihafa eto Vakinankaratra ary ireo olo-manan-kaja maro.

28/08/2025

✳️Eo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblikan'i Madagasikara sy Ramatoa vadiny dia ho tanterahina ao amin’ny Vélodrome An...
27/08/2025

✳️Eo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblikan'i Madagasikara sy Ramatoa vadiny dia ho tanterahina ao amin’ny Vélodrome Antsirabe ny hetsika "Rentrée Mifampitsinjo" ny sabotsy 30 aogositra ka hatramin’ny alatsinainy 01 septambra 2025.

▶️Hetsika fanomezan-tanana ny ray aman-dreny hiatrehana izao fidiran’ny mpianatra taona 2025-2026 izao, hahafahana misitraka fihenam-bidy goavana 50% amin’ny fitaovam-pianarana rehetra ho an'ireo mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana 2025-2026 : CEPE-BEPC-Bakalorea.

▶️ Ireo izay liana amin'izany dia iangaviana hitondra ny karinem-pokontany sy ny "bulletin de note" farany.

25/08/2025
🛑 Notontosaina ny herinandron'ny alatsinainy 11 aogositra 2025 tao amin'ny EPP Ambohimandroso, ny fanofanana ireo mpampi...
15/08/2025

🛑 Notontosaina ny herinandron'ny alatsinainy 11 aogositra 2025 tao amin'ny EPP Ambohimandroso, ny fanofanana ireo mpampianatra rehetra amin'ny ambaratonga fototra eo anivon'ny CISCO Antanifotsy.

▶️"Les 4 compétences de bases des enseignants" no lohahevitra novelabelarina nandritry ny fiofanana ary naharitra dimy andro izany.

▶️Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny CISCO sy ny STLM (France) no nanatontosana izany.

🛑Miatrika fiofanana mpampiofana ireo lehiben'ny ZAP sy mpanolotsaina ara-pedagojia, ary talen-tsekoly ao amin'ny CISCO A...
12/08/2025

🛑Miatrika fiofanana mpampiofana ireo lehiben'ny ZAP sy mpanolotsaina ara-pedagojia, ary talen-tsekoly ao amin'ny CISCO Antsirabe II ny alatsinainy 11 aogositra 2025, izay iarahana miasa amin'ny tetikasa ANJARA, ka haharitra 02 andro izany.

▶️Fanamafisana fahaiza-manaon'ireo mpitantsoroka no tanjona amin'izany.

▶️Nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny lehiben'ny CISCO Antsirabe II.

Address

Antsirabe
Antsirabe Afovoany
110

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREN Vakinankaratra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to DREN Vakinankaratra:

Share