30/07/2025
TOMBAN’NY TOETRY NY ANDRO | 31 Jolay 2025
1️⃣ Ny Maraina :
Hanorana malefaka miatoato any amin’ny faritra Atsinanan’ny Nosy manontolo, manomboka any Sava hatrany Taolagnaro. Handrahona na hanjombona mety harahina erika manify any Alaotra Mangoro, ny ilany atsinanan’i Sofia sy Afovoan-tany. Handrahona mety harahina orana tandrifindrahona ny morontsirak’I Melaky. Ho maina kosa amin’ny ankapobeny any an-kafa.
2️⃣ Ny Tolakandro :
Hitohy hatrany ny orana miatoato any Sava, Ambatosoa, Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana ary Taolagnaro. Ho maloca amin’ny ankapobeny izay mety harahina erika manify any Alaotra Mangoro, ny ilany Atsinanan’i Sofia sy afovoan-tany. Handrahona miandalana any Melaky, Bongolava ary Menabe. Handrahona vitsy na hibaliaka ny masoandro any amin’ny faritra sisa.
3️⃣ Ny Maripana :
Antsiranana 20/31, Ambato/Zaka 11/17, Ambatolampy 5/17, Ikongo 15/23, Nosy-Be 17/30, Moramanga 10/18, Antsirabe 5/18, Ivohibe 15/17, Sambava 20/28, Maroantsetra 18/26, Mandoto 11/23, Ihosy 14/22, Antalaha 18/28, Nosy Boraha 20/27, Miandrivazo 16/31, Farafangana 16/24, Antsohihy 20/31, Fenoarivo Est 19/26, Morondava 16/32, Vangaindrano 15/24, Bealanana 13/21, Tsi/Didy 13/24, Manandriana 10/17, Morombe 20/33, Mahajanga 18/33, Fenoarivobe 14/22, Ambositra 9/17, Toliara 17/29, Ambato Boeni 19/32, Miarinarivo 11/21, Ifanadiana 9/17, Ampanihy 13/24, Besalampy 21/33, Antananarivo 10/18, Mananjary 16/24, Bekily 13/24, Maintirano 20/28, Anjozorobe 9/17, Fianarantsoa 9/17, Tsihombe 15/22, Maevatanana 20/32, Toamasina 17/28, Ikalamavony 12/25, Betroka 13/23, Kandreho 17/28, Mahanoro 16/28, Manakara 17/23, Taolagnaro 15/22.
🔑 Météo Madagascar