Mizara Fiainana Pejy Ofisialy

Mizara Fiainana Pejy Ofisialy Afaka miantso ihany koa raha toa ka mila vavaka manokana. Toerana, Jesosy Fandresena Ambohimiandrisoa Antsirabe, 100m eo atsimon'ny Santé Plus

Mizara Fiainana, natao hizarana an'i Jesosy Kristy, hitomboana amin'ny finoana Azy ary hampaherezana anao hamaka tsara ny amin'izany, hampaherezana anao ihany koa amin'ireo ady maro isan-karazany izay mety lalovanao.

17/10/2024

Tiako ho fantatrao fa mbola misy fanantenana ny fiainanao
Mandehana amin'ny fiadanana

Vakiteny anio 12 aogositra, ISAIA 48-50.Efa nambaran'Andriamanitra efa ela ny zavatra ho avy mba hahatonga ny olona tsy ...
12/08/2023

Vakiteny anio 12 aogositra, ISAIA 48-50.
Efa nambaran'Andriamanitra efa ela ny zavatra ho avy mba hahatonga ny olona tsy hieritreritra fa ny sampiny na koa zavatra hafa no anton'ny zava-misy ankehitriny. Nefa na dia izany aza dia mbola naditra ihany ny olombelona. Naniraka ny Zanany ny Tompo ho famonjena ny olona rehetra ambonin'ny tany; ho Fitahiana sy Fiainana be dia be ho azy ireo. Aoka isika izay voavonjy hitoetra ao Aminy mandrakariva sy hatoky Azy mba tsy hitoerantsika amin'ny fahoriana.
Mazotoa daholo!

Vakiteny anio 10 aogositra, ISAIA 41-43.Lehibe Jehovah Andriamanitsika, tsy misy azo ampitahaina Aminy na amin'ny saina ...
10/08/2023

Vakiteny anio 10 aogositra, ISAIA 41-43.
Lehibe Jehovah Andriamanitsika, tsy misy azo ampitahaina Aminy na amin'ny saina amam-pahalalàna, na hery. Izy no mitantana ny olony ka mampandresy azy.
Miditra an-tsehatra eo amin'ny fiainantsika Andriamanitra sady mitondra fahazavana ho antsika amin'ny alalan'ny Zanany Lahy tokana, manafaka ny ampahoriana, satria maminy loatra isika olony.
Na dia heloka sy fahotana maro aza no nasetrintsika ny fitiavan'Andriamanitra antsika dia mbola mamindra fo amintsika Izy raha miverina Aminy isika, ary fafainy ny fahotantsika rehetra noho ny amin'ny tenany ihany, fa tsy noho ny amintsika. Fitiavana izany!!!
Mazotoa mamaky, fa tsara ny Tompontsika.

Vakiteny anio 09 aogositra, ISAIA 38-40.Narary mafy i Hezekia mpanjaka, ary rehefa nandre ny tenin'Andriamanitra nampito...
09/08/2023

Vakiteny anio 09 aogositra, ISAIA 38-40.
Narary mafy i Hezekia mpanjaka, ary rehefa nandre ny tenin'Andriamanitra nampitondraina an'i Isaia izy, izay nanambara fa ho faty izy, dia nanao vavaka tamin'ny fony rehetra, nitalaho mba ho velona, ary dia neken'Andriamanitra izany no sady nampitomboina ny andro hiainany.
Nisy namangy izy taty aoriana noho io fahasitranany io ka nahazo fanomezana maro; ary dia nasehony ireto mpamangy, iraka avy any Babylona, ireto ny lapa rehetra tao Jerosalema mbamin'ny fananany. Noho izay fihetsika tsy dia tsara loatra izay nataon'i Hezekia izay dia nambaran'i Isaia taminy fa indray andro any dia tsy maintsy hobaboina hankany Babylona ny fananana rehetra ao amin'ny lapa mbamin'ny taranany sasany.
Fa kosa miditra amin'ny tapany faharoa isika ho an'ny Bokin'i ISAIA izay miantomboka amin'ny filazana ny teny mahafinaritra avy amin'ny Tompo, fampiononana, fanomezan-toky antsika ny halehibeazany. Lehibe sy mahery ny Tompontsika, mahefa ny zavatra rehetra, tsy misy tahaka Azy. Tsinontsinona isika raha mitaha Aminy, tsy azo alahatra Aminy na oviana na oviana, satria asan'ny tanany.
Mazotoa mamaky hatrany.

Vakiteny anio 08 aogositra, ISAIA 36-37.Ny resaka nifanaovan'i Rabsake tamin'ireo ekipan'i Hezekia, raha nikasa hiady ta...
08/08/2023

Vakiteny anio 08 aogositra, ISAIA 36-37.
Ny resaka nifanaovan'i Rabsake tamin'ireo ekipan'i Hezekia, raha nikasa hiady tamin'ny firenen'i Joda ny mpanjakan'i Asyria. Nanamavo an'Andriamanitra tokoa ireto iraka avy any Asyria ireto. Nitaraina tokoa Hezekia noho io tsindry natao azy io; Hezekia nefa natoky an'i Jehovah ka nandefa teny ny Tompo ho azy tamin'ny alalan'ny mpaminany Isaia mba hampatanjaka ny sainy. Nikiry ny hamabo an'i Jerosalema, Joda, ihany Sankeriba, nahery ny vavak'i Hezekia, ka dia nihetsika Andriamanitra ka nomba an'i Hezekia, hany ka maty ihany i Sankeriba.
Tahian'ny Tompo ianao, mirary fahazotoana hatrany amin'ny vakiteny isan'andro.

Vakiteny anio 07 aogositra, ISAIA 32-35.Rehefa mamaky isika dia mahita taratra fa Andriamanitra dia te hanao zava-baovao...
07/08/2023

Vakiteny anio 07 aogositra, ISAIA 32-35.
Rehefa mamaky isika dia mahita taratra fa Andriamanitra dia te hanao zava-baovao tanteraka eo amin'ny tany, ary nampitsimbadika ny zava-misy rehetra Izy mba ahazoan'ny olony miaina sy mitoetra amim-piadanana. Ilay nandrava ny olony kosa dia ho ravain'ny Tompo, avy eo dia hiadana tokoa ny olony satria Izy no miditra an-tsehatra. Ary zavatra mahatalanjona maro no hataony hanehoany ny fitahiany amin'ny olony.
Mazotoa daholo.

Vakiteny anio 06 aogositra, ISAIA 29-31.Fanambaràna ny loza hanjo an'i Jerosalema noho ny fiodinany tamin'ny Tompo ; na ...
06/08/2023

Vakiteny anio 06 aogositra, ISAIA 29-31.
Fanambaràna ny loza hanjo an'i Jerosalema noho ny fiodinany tamin'ny Tompo ; na dia toy ny fahafatesana aza ny loza manjò azy dia hamonjy azy amin'ny heriny Andriamanitra. Mila manakaiky Azy mandrakariva.
Aleo maka saina sy tari-dalana avy amin'i Jesosy hatrany, fa ny tsy nanaovan'Israely izany no nahasimba azy. Fa rehefa miantso an'i Jehovah kosa izy dia hamindrany fo ka ho sitraniny, dia ireo izay nibebaka. Amin'izany dia manomana olona ny Tompo hikarakara ny olony sy hitarika azy amin'ny lalan'ny fahamarinana.
Tahian'ny Tompo daholo!

Vakiteny anio 05 aogositra, ISAIA 25-28.Andriamanitra dia mandringana tanteraka ny fahavalontsika amin'ny heriny lehibe....
05/08/2023

Vakiteny anio 05 aogositra, ISAIA 25-28.
Andriamanitra dia mandringana tanteraka ny fahavalontsika amin'ny heriny lehibe. Izy dia mikasa zava-tsoa mandrakariva ho an'ny olony, fifaliana sy firavoana. Aleo mitoetra matoky sy miandry ny Tompo amin'ny androm-piainana rehetra, fa tena miahy ny olony Izy, mikarakara sy miaro na andro na alina. Ny Tompo dia tsy maintsy manitsy sy manafay ny olony, fa noho ny haben'ny indrafony dia mamela heloka Izy sady tsy mba mahafoy na manary azy ireo. Hazeran'ny Tompo foana ny fireharehan'ny olombelona. Tsy misy tokony ho reharehantsika afa tsy Andriamanitra Tompo irery ihany, Izy Ilay nanao sy nampianatra antsika ny zavatra rehetra. Aoka tsy hitoky sy hifamatotra amin-javatra isika mba tsy ho tratry ny loza any am-parany.
Mazotoa mamaky, tahian'ny Tompo ianao.

Vakiteny anio 04 aogositra, ISAIA 20-24.Ny nataon'Andriamanitra ho fanalambaraka sy fandravana ny Etiopiana sy ny Egypti...
04/08/2023

Vakiteny anio 04 aogositra, ISAIA 20-24.
Ny nataon'Andriamanitra ho fanalambaraka sy fandravana ny Etiopiana sy ny Egyptiana. Nahazo faminaniana ihany koa Isaia ny amin'ny loza nanjò an'i Babylona, Edoma, Arabia, Jerosalema ka nanesorana ilay mpitondra atao hoe Sebna ary nosoloina an'i Eliakima. Rava ihany koa i Tyro, na dia namirapiratra aza, noho ny fireharehany.
Noho ny ditran'ny olombelona ihany koa dia ho ravaina ny tany manontolo, ary Andriamanitra hiady amin'ny devoly sy ny mpanjakan'ny tany. Hatoby anaty lavaka ireo ka hanjaka ety an-tany ny Tompo miaraka amin'ireo loholony, heniky ny voninahiny ny fitoerany.
Mazotoa mamaky daholo.

Vakiteny anio 03 aogositra, ISAIA 15-19.Ny loza nanjo ny firenena Moaba izay nahafongana azy tanteraka. Toy izany koa ny...
03/08/2023

Vakiteny anio 03 aogositra, ISAIA 15-19.
Ny loza nanjo ny firenena Moaba izay nahafongana azy tanteraka. Toy izany koa ny tao Damaskosy, noho ny nanadinoany an'Andriamanitra. Nanaraka azy koa ny Asyriana, hany ka nibebaka sy niverina tamin'i Jehovah ny Etiopiana satria natahotra ny fandringanana ny Asyriana. Nosimbain'ny Tompo ihany koa Egypta ka tena fadiranovana tokoa, ary Andriamanitra ihany no namerina ny fon'ny Egyptiana ho Aminy ka dia nivavaka Taminy ireo, toy izany koa ny Asyriana.

Mazotoa tompoko.

Vakiteny anio 02 aogositra, ISAIA 11-14.Ny amin'Ilay Solofon'i Davida, Izy Ilay mitondra ny fampihavanana. Hamonjy ny ol...
02/08/2023

Vakiteny anio 02 aogositra, ISAIA 11-14.
Ny amin'Ilay Solofon'i Davida, Izy Ilay mitondra ny fampihavanana. Hamonjy ny olony Izy ka hidera Azy ireo. Hamely ny ratsy fanahy kosa izy, haringany amin'ny fomba rehetra ireo.
Mazotoa indrindra tompoko.

Vakiteny anio 27 jolay, MPITORITENY 9-12.Rehefa avy nandinika lalina ny Mpitoriteny dia nahatsapa fa Andriamanitra irery...
28/07/2023

Vakiteny anio 27 jolay, MPITORITENY 9-12.
Rehefa avy nandinika lalina ny Mpitoriteny dia nahatsapa fa Andriamanitra irery ihany no tompon'ny fanapahana rehetra, na ho an'ny olona tsara fanahy na ny ratsy fanahy. Ary samy mbola handao ny tany avokoa ireo na nety ny fiainany tety, na tsy nety. Aoka hianao hiravoravo fotsiny amin'izay anjaranao. Fa tsy izay mahery, na ny manana tombontsoa manokana, no tsy maintsy ho mpandresy ety; samy mety ho tojo ny sampona avokoa ireo.
Na izany aza nefa, dia ny fahendrena no mahalavorary ny raharaha. Aoka tsy ho kamo fa mampikorosy ny hakamoana. Andanin'izany, manàna fahasahiana ary manaova asa isan-karazany.
Farany, ny anjaran'ny olombelona dia ny manaja sy manaiky izay rehetra tari-dalan'Andriamamitra, Izy no mpitantana antsika. Ary izay vitantsika rehetra dia mbola hanadinana antsika any am-parany, eny na ny miafina indrindra aza, na soa na ratsy.
Misaotra ny Tompo ny amin'izay.
Tahian'ny Tompo daholo.

Address

Antsirabe

Telephone

+261331496381

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mizara Fiainana Pejy Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Mizara Fiainana Pejy Ofisialy:

Share

Category