28/08/2022
FAMETRAHANA SAMBOADIN' IREO BEN'NY TANÀNA TANY AMIN'NY DISTRIKA'ANTSIRABE FARITRA VAKINANKARATRA
--------------------------------------------------------------------------
Fanentanana ireo mpandray anjara amin'ny atrikasam-paritra fakan-kevitra handrafetana ny PNDE satria fototra iaingana mba hisian'ny fampandrosoana ifotony sy fitsinjaram-pahefana mifandraika amin'ny zava-misy isam-paritra izany. Mahakasika ireo tompon'andraikitra eny anivon'ny Kaominina, ny Ben'ny Tanàna, ny Lehiben’ny Boriboritany, ny Lehiben’ny Fokontany, dia namafisin'Andriamatoa Minisitra fa izy ireo no antoka voalohany amin'ny fampandehanan-draharaha sy fampandrosoana ny Kaominina ka tokony hitandro lalandava ny asany. Ary ny Fitondram-panjakana dia miahy sy mitsinjo azy ireo hatrany amin’ny alalan’ny tantsoroka maro samihafa ary anisan'izany ny fampiakarana ny fanampiana ara-bola na "subventions de fonctionnement" ho an'ny Kaominina ho 30 tapitrisa Ariary raha toa ka 20 tapitrisa Ariary izany teo aloha.
Eo ihany koa ny fanolorana teo anivon'ny Parlementa tolo-dalàna ho
fiarovana ny Ben'ny Tanàna sy Lehiben’ny Boriboritany eo am-panatanterahana ny asany izay mbola haverina dinihina eny amin'ny Antenimiera roa tonta.
Fanentanana ihany koa ny vahoaka sy ny tompon'andraikitra rehetra momba ny hetsika fanomezana kopian'ny sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena faobe maimaimpoana ho an'ny olom-pirenena feno 18 taona no mihoatra izay hatomboka amin’ny volana septambra ho avy izao. Fanamarinam-pahaterahana ara-panjakana izay hiantombohan'ny fisitrahana zo maro samihafa ny kopian'ny sora-pahaterahana ary betsaka koa ireo zo azo amin'ny fananana karapanondrom-pirenena, ireo no teboka lehibe nandritra kabary izay nataony minisitra ny ati-tany sy fitsinjaram-pahefana Atoa Tokely Justin omaly tany amin'ny distrikan'Antsirabe.
Notanterahina nandritra io fotoana io ny fanomezana mari-boninahitra " Grand officier de l'ordre national" ny Lehiben’ny Distrikan'i Betafo sy ny fametrahana samboadin'ireo Ben'ny Tanàna ao anatin'ny Faritra VAKINANKARATRA.
Ny Faritra VAKINANKARATRA moa dia nandray ny Foara nokarakarain'ny Fikambanan'ireo Ben'ny Tanàna an-tanan-dehibe manerana ny Nosy ( AMGVM) nandritra ny telo andro ka namarana izany tamin'ny fomba ofisialy ny Minisitra Tokely Justin omaly.
©