
07/04/2025
ROMBA 🇲🇬❤️
Inona ny Romba?
Ny Romba dia hazo kely maniry eny an-tanety, tsy dia avo loatra, nefa manankarena fanafody sy tombontsoa ara-pahasalamana.
Ireto avy ny aretina sitranin’ny Romba:
• Fanafody tazo sy tazomahery
• Manala fanaintainana (anti-inflammatoire)
• Manala havizanana
• Mamono otrikaretina (virus & bakteria)
• Manasitrana mycose (olatra)
• Manala rivotra sy fivontosana (antispasmodique)
• Fanafody tsinay sy fivalanana (na misy ra/tsiloly)
• Fanafody vavony
• Fanafody aty
• Manatsara ny fandevonan-kanina
• Manampy amin’ny fitadidiana
• Manasitrana aretin’andoha (migraines)
• Manafa-po amin’ny depression sy stress
• Mampitony saina (tonique nerveux)
• Manadio, manatsara, ary manafana ny tranon-jaza
• Tsara ho an’ireo vehivavy mandeha pertes (mampitombo ny hery maha-vehivavy)
Fomba fampiasana:
• Maka raviny sy tahony sahabo ho iray tanana
• Atao amin’ny rano 1,5 litatra
• Tanehina mandritra ny 5 minitra
• Sotroina 1 kaopy: maraina & atoandro & hariva alohan’ny sakafo
• Azo atao mievoka alohan’ny hatory
• Azo sotroin’ny rehetra
• Tsy voafetra ny faharetany, fa azon’ny olona ajanona rehefa mahatsapa fahatsarana
Tsara ho zaraina amin’ny fianakaviana sy namana.
Mirary fahasalamana ho anao sy ny ankohonanao!
AZA HADINO MANARAKA NY PAGE-TSIKA 👇