Toujours Marikitry Vahoaka

Toujours Marikitry Vahoaka Asa fo mikoragna !

ATRIAKASA HO FANOVANA LALÀNA MIFEHY NY JONO SY TOE-KARENA MANGA  Natomboka ny 3 Desambra 2025 teto Antsiranana ny atrika...
04/12/2025

ATRIAKASA HO FANOVANA LALÀNA MIFEHY NY JONO SY TOE-KARENA MANGA

Natomboka ny 3 Desambra 2025 teto Antsiranana ny atrikasa momba ny fanovana ny lalàna 2015-053 sy 2018-026. Tanjona: hanatsara ny fitantanana ny jono sy ny toe-karena manga.
Nanamafy ny Minisitra CHAN Kit Waye Jacob fa ho entina eny anivon’ny ministera ny soso-kevitra avy amin’ny mpisehatra rehetra mandritra ny atrikasa, izay hifarana ny 5 Desambra.
Nanotrona izany ny VPAN ANTSIRANANA IBRAHIM Issa Charles dit Bora Reglage
Dano TOMBOFENO
SERASERA NY VPAN ANTSIRANANA

TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

04/12/2025

Atrikasa fikaonan-doha ho fanovana ny Lalàna 2015-053 sy 2018-026 mifehy ny jono sy ny fampamokarana ny atirano.
kabariny VPAN Antsiranana Bora Reglage nandritra ny fanokafana ofisialy androany 4 décembre

TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

Teto amin'ny place musique no nitandrignesany VPAN ANTSIRANANA  Bora Reglage fitairagnan-dro dockers ao amin'ny port mak...
02/12/2025

Teto amin'ny place musique no nitandrignesany VPAN ANTSIRANANA Bora Reglage fitairagnan-dro dockers ao amin'ny port makasiky ny fandaminagna ny asa mba samby hahazo tombotsoa ny olo fa indrindra ny vahoaka ny Diego momba resaka laoko thon androany 02 décembre 2025 hariva izao.
TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

28/11/2025

🚨 15 Décembre 2025. Io ny date namezany ENELEC atsika vahoakany Diégo-Suarez hamahany ny problème ny Jiro.
Eto atsika jiaby samby mizaha. Fa izy koa mbola tsy voa vaha ny olagna, fin d'année atsika mitaky fagnafoanagna ny contrat niaragna amin'ny société tsy mahavita ny asany.

27/11/2025

Koragna nataon'ny VPAN ANTSIRANANA Bora Reglage manoloana ny minisitrin'ny angovo momba ny olana ny jiro sy rano eto Antsiranana.

📍Fihaonana manokana  Efa manomboka amin’ny fotoana anoratanay izao ny fihaonanan’ireo Solombavambahoaka sy ny Minisitry ...
27/11/2025

📍Fihaonana manokana

Efa manomboka amin’ny fotoana anoratanay izao ny fihaonanan’ireo Solombavambahoaka sy ny Minisitry ny Angovo, miaraka amin’ireo mpiray antoka amin’ny JIRAMA.
🎯 Tanjona: Mitady vahaolana maharitra amin’ny olana mahazo ny sehatry ny angovo, indrindra ny herinaratra eto madagasikara ka tazana ihany koa VPAN ANTSIRANANA IBRAHIM Issa Charles dit Bora Réglage

✅ Nitarika fivoriana tao amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena androany 26 Novambra 2025 ny VPAN Antsiranana,  Bora Reg...
26/11/2025

✅ Nitarika fivoriana tao amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena androany 26 Novambra 2025 ny VPAN Antsiranana, Bora Reglage
➡️ Nandinika sy nankato ny ordre du jour ny fivoriana.
🗣️ Tsiahivina fa mitodika hatrany aty Antsiranana ny saintsain’ity solombavambahoaka ity, indrindra manoloana ny olana amin’ny herinaratra, ary miezaka mitady vahaolana maharitra.
TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

Vohemar – Loza vokatry ny trondro misy poizina: 5 no maty  Niseho tao amin’ny Fokontany Antsahatopy, Kaominina Fanambana...
22/11/2025

Vohemar – Loza vokatry ny trondro misy poizina: 5 no maty

Niseho tao amin’ny Fokontany Antsahatopy, Kaominina Fanambana, Distrikan’i Vohemar ny tranga nahafatesana olona 5 tamin’ireo 15 nihinana trondro misy poizina.

Tonga nitsapa alahelo sy nankahery ireo fianakaviana manamanjo ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, niaraka tamin’ny VPAN Bora Reglage sy solombavambahoaka voafidy tao Vohemar androany 22 novambra 2025.

Taorian’izany dia nitsidika ireo niharam-boina mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hôpital Salfa Vohemar ihany koa izy ireo. Nentiny niaraka tamin’izany ny fanampiana ara-bola, fanafody, ary mpitsabo manampahaizana manokana momba ity tranga ity.

SAMBAVA – ATRIK’ASA LAVANILA  Tanterahina eto Sambava, ao amin’ny Hôtel Capricorne, ny Atrik’asa nasionaly momba ny lava...
21/11/2025

SAMBAVA – ATRIK’ASA LAVANILA

Tanterahina eto Sambava, ao amin’ny Hôtel Capricorne, ny Atrik’asa nasionaly momba ny lavanila mandritra ny 21-22 Novambra 2025.

Tamin’ny 10 ora maraina no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy izany, notarihin’ny Minisitra ny Varotra, notronin’ny solontenan’ny Présidence.

Ity atrik’asa ity dia mikendry ny hitadiavana vahaolana maharitra ho an’ny sehatry ny lavanila eto Madagasikara. Anisan'ny nanotrona izany i VPAN ANTSIRANANA Bora Reglage

17/11/2025

-Famahana ny olana ny jiro sy rano eto Antsiranana
-continuité de l'état amin’ny fanatsarana ny tanàna eto Antsiranana
-fanatsarana ny fomba fiasa eo amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena
-subvention Hoan'ny kaominina manerany faritanin’i Antsiranana
Ireo no anisan'ny nisongadina tamin'ny lahateny nataon'ny VPAN ANTSIRANANA Bora Reglage tao amin'ny efitrano malalaka ny Antenimieram-pirenena androany 17 novambra 2025.

Antsiranana II – 13 Novambra 2025  Nampahery ny fianakavian’Itompokolahy Nasser Ahmed, Solombavambahoaka teo aloha, ny s...
13/11/2025

Antsiranana II – 13 Novambra 2025

Nampahery ny fianakavian’Itompokolahy Nasser Ahmed, Solombavambahoaka teo aloha, ny solontenan’ny Antenimierampirenena notarihin’ny Filohan’ny Lehiben’ny Faritany Antsiranana, Atoa IBRAHIM Issa Charles dit Bora Reglage . Fanehoana firaisankina sy fanajana ity fitsidihana ity ho an’ny fianakaviana sy ny mponina.

11/11/2025

Délestage eto Antsiranana
Niantso ny mpitondra fanjakana hijery ny olana izay misy eto amintsika i VPAN ANTSIRANANA Bora Reglage

Address

Palais Faritany/Première Étage Porte 44/45
Antsiranana
201

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Toujours Marikitry Vahoaka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share