Toujours Marikitry Vahoaka

Toujours Marikitry Vahoaka Asa fo mikoragna !

Lany teto anivon'ny Antenimierampirenena anio talata 2 septambra 2026, nandritra ny Fivoriambe notarihin'ny Filoha lefit...
03/09/2026

Lany teto anivon'ny Antenimierampirenena anio talata 2 septambra 2026, nandritra ny Fivoriambe notarihin'ny Filoha lefitra ho an'ny faritanin'Antananarivo Andriamatoa RALAMBOZAFIMBOLOLONA Razafitsimialona Andriantsivoafetra ny volavolan-dalàna laharana faha-016/2026 manome alalana ny fankatoavana ny fifanarahana momba ny fitantanam-bola sy ny fampiasam-bola eo anivon'ny vondrona SADC.

Nosoniavin’i Madagasikara tamin’ny taona 2006 ny fifanarahana na dia mbola tsy niroso tamin’ny fankatoavana izany hatramin’izao. Na izany aza, efa mampihatra ny ankamaroan'ireo fepetra voalaza ao amin’io fifanarahana io sahady i Madagasikara.

Ny fankatoavana azy io araka izany dia ahafahana mamorona tontolo mahasarika ny mpampiasa vola, miaro ny zon’ny mpampiasa vola, manamafy ny fitsipi-pifehezana ara-toekarena ankapobeny ary manavao ny rafitra ara-bola eto amin’ny firenena hifanaraka amin'ny fenitra isam-paritra sy iraisam-pirenena.

Eo amin’ny sehatry ny hetra, ny fampiharana ity fifanarahana ity dia hampiroborobo ny mangarahara sy ny fifanakalozana traikefa, ary hanohana ny fanavaozana sy ny nomerika eo amin’ny fitantanana ny hetra sy ny fadintseranana, anisan’izany ny ady amin’ny hosoka ara-ketra. Eo amin’ny rafitra fandoavam-bola kosa, dia hanampy amin’ny fanavaozana ny fotodrafitrasa ara-bola sy hanamora ny fandoavam-bola miampita sisintany, ka hahatonga izany ho haingana sy azo antoka kokoa.

Ankoatra izany, manokatra fahafahana bebe kokoa ho an’i Madagasikara hiditra amin’ny tsena isam-paritra eo anivon’ny SADC ny fankatoavana ity fifanarahana ity. Tsena iray ahitana mpanjifa manodidina ny 230 tapitrisa izany, izay tombanana ho mitentina 360 miliara dolara. Anisan’ny nandray anjara ihany koa ny VPAN ANTSIRANANA IBRAHIM Issa Charles dit Bora Reglage
TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

Lany teto anivon’ny Antenimierampirenena nandritra ny fivoriambe notarihin’ny Filoha lefitra ho an’ny Faritanin’Antanana...
31/08/2026

Lany teto anivon’ny Antenimierampirenena nandritra ny fivoriambe notarihin’ny Filoha lefitra ho an’ny Faritanin’Antananarivo, RALAMBOZAFIMBOLOLONA Razafitsimialona Andriantsivoafetra, natao ny alatsinainy 31 aogositra 2026 ny volavolan-dalàna laharana faha 038/2026 tamin’ny 01 jolay 2026 manova sy mameno ny fepetra sasantsasany ao amin’ny Lalàna laharana faha 96-029 tamin’ny 06 desambra 1996 novaina sy nofenoin’ny Lalàna laharana faha 98-030 tamin’ny 20 Janoary 1999 momba ny Sata Ankapobeny mifehy ny Miaramila.

Ity volavolan-dalàna ity dia mampitombo roa taona ny fetran-taona andehanana misotro ronono ho an’ireo sokajin’ny zandary sy miaramila samihafa, na maharitra izy ireo na miasa araka ny fifanekena. Raha ny fanazavana nomen’ny avy eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka dia natao ity noho ny hamehana amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana. Miisa 800 eo ho eo ny miaramila sy zandary voakasik’ity volavolan-dalàna ity ho amin’ity taona 2026 ity.
Tazana teto ihany koa ny VPAN ANTSIRANANA IBRAHIM Issa Charles dit Bora Reglage
TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

FIVORIAMBE TAO AMIN’NY ANTENIMIERAMPirenena27 août 2026Notanterahina ny fivoriambe tao amin’ny Antenimierampirenena, iza...
27/08/2026

FIVORIAMBE TAO AMIN’NY ANTENIMIERAMPirenena
27 août 2026
Notanterahina ny fivoriambe tao amin’ny Antenimierampirenena, izay natrehin’ireo Solombavambahoaka sy ireo solontenan’ny Governemanta. Nandritra izany no nankatoavana ny fandaharam-potoana voalohan’ny fivoriana tsy ara-potoana.
Ny fivoriana dia notarihin’ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena misahana ny Faritanin’i Toamasina, Fidèle Razanapiere, ary niaraka taminy ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena misahana an’Antsiranana, IBRAHIM Issa Charles dit Bora Reglage , ary ireo tompon’andraikitra sy Solombavambahoaka hafa.
Ny tanjon’ity fivoriambe ity dia ny handinihana sy handaminana ireo raharaha tokony hodinihina mandritra ny fivoriana tsy ara-potoana.
TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

Zaza maherin’ny 100 no nahazo famorana faobe tao Ambavahibe CR AnketrakabeAntsiranana, 22 Aogositra 2026  Zaza maherin’n...
22/08/2026

Zaza maherin’ny 100 no nahazo famorana faobe tao Ambavahibe CR Anketrakabe
Antsiranana, 22 Aogositra 2026

Zaza maherin’ny 100 no nahazo famorana faobe tao Ambavahibe, ao amin’ny District Diégo II, androany 22 Aogositra 2026.
Natao izao hetsika izao ho fanatanterahana ny fitsinjovan’ny VPAN Antsiranana IBRAHIM Issa Charles dit Bora Reglage ireo mponina, indrindra ireo ankizy, amin’ny alalan’ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana.
Tanteraka izany hetsika izany noho ny fiaraha-miasa tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana DIANA, izay nandray anjara tamin’ny fanatanterahana ny lafiny ara-pahasalamana.
Ankoatra ny maha-zava-dehibe azy eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana, dia maneho ihany koa ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientan’ireo tompon’andraikitra sy mpiara-miombon’antoka amin’ny fanasoavana ny mponina ny famorana faobe.
Zava-dehibe ho an’ny mponina ao Ambavahibe izao hetsika izao, satria manamora ny fahazoan’ireo fianakaviana tolotra ara-pahasalamana, sady manampy amin’ny fanohanana ireo ankizy sy ny ray aman-dreniny.
TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

ANTSIRANANA — Fitokanana ny Bazarikely vaovao, tohana avy amin’ny AFD20 aogositra 2026Notanterahina teto Antsiranana ny ...
20/08/2026

ANTSIRANANA — Fitokanana ny Bazarikely vaovao, tohana avy amin’ny AFD
20 aogositra 2026

Notanterahina teto Antsiranana ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Bazarikely, fotodrafitrasa novatsian’ny Agence Française de Développement (AFD), izay natao hanatsarana ny tontolon’ny varotra sy ny fiainan’ny mponina. Araka ny AFD, isan’ny tanjona amin’ny tetikasa fampandrosoana ny tanàn-dehibe faharoa ny fananganana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa ara-barotra, anisan’izany ny tsena.
Nanatrika ny lanonana ireo tompon’andraiki-panjakana, anisan’izany ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany ary ny Minisitry ny Asa Vaventy. Nisy ihany koa ny fizarana karantany ho an’ireo mpahazo tombontsoa, ka mponina maro tao Antsiranana no tonga nanatrika izany.
Nandritra ny lahateniny, nanasongadina ny olan’ny rano mbola iainan’ny mponina ao Antsiranana ny Solombavambahoaka Claude Emile Sylvain . Nambarany fa olana mila vahana hatrany ny fahazoana rano, satria misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny mponina.
Momba ny herinaratra kosa, naneho fankasitrahana ny fitondram-panjakana ny Solombavambahoaka noho ny fisian’ny fanatsarana sy ny famahana ny olana momba ny fahatapahan-jiro. Na izany aza, mbola naneho ahiahy ihany koa izy mikasika ny fiakaran’ny vidin-jiro, izay manampy trotraka ny fahasahiranan’ny tokantrano.
Nandritra izany, niala tsiny tamin’ny mponina ny Ben’ny Tanànan’Antsiranana Jean Luc Djavojozara noho ny faharetan’ny asa fanamboarana ny Bazarikely. Nambarany fa takatra ny fahasahiranana sedrain’ny mponina sy ny mpivarotra nandritra ny fotoana nanaovana ny asa, saingy izao kosa dia vita ka afaka ampiasaina amin’ny fanatsarana ny sehatry ny varotra eto an-tanàna.
Etsy ankilany, ny Préfet-n’Antsiranana Huberto Dellaris dia nanolotra fisaorana ho an’ny vahoakan’Antsiranana noho ny faharetana sy ny fiaraha-miasa nandritra ny fanatanterahana ny tetikasa. Nisaotra manokana ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka, indrindra ny AFD, tamin’ny fanohanana nahafahana nanatanteraka izao fotodrafitrasa izao.
Ho an’ny mponina, antenaina fa hitondra fanatsarana ny tontolon’ny varotra, hanome toerana mendrika kokoa ho an’ireo mpivarotra ary handray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Antsiranana ity Bazarikely vaovao ity.
Nanome voninahitra izany i VPAN ANTSIRANANA IBRAHIM Issa Charles dit Bora Reglage
TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

FESTIVAL PITIKY 1er ÉDITION 07 AOÛT 2026Efa tonga eto Ambodibonara ny Ambilobe ny VPAN ANTSIRANANA IBRAHIM Issa Charles ...
07/08/2026

FESTIVAL PITIKY 1er ÉDITION
07 AOÛT 2026
Efa tonga eto Ambodibonara ny Ambilobe ny VPAN ANTSIRANANA IBRAHIM Issa Charles dit Bora Reglage hanokatra amin'ny fomba ofisialy ny Festival pitiky andihany voalohany izay karakarain'ny zanaka Ambodibonara, ka amin’ny alalan’ny famorana bojo faobe no nanomboana izany. Nandray ny VPAN tero an-toerana ny lehiben'ny distrikan'i Ambilobe Eugène Rajaofera tazana eto ihany koa ny talem-paritra ny Fahasalamam-bahoaka Manjary Paulin Ramasy
TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

Efa Tonga eto Nosy be, VPAN ANTSIRANANA IBRAHIM Issa Charles dit Bora Bora Reglage, hanokatra amin'ny fomba ofisialy ny ...
05/08/2026

Efa Tonga eto Nosy be, VPAN ANTSIRANANA IBRAHIM Issa Charles dit Bora Bora Reglage, hanokatra amin'ny fomba ofisialy ny Festival Sômarôho andiany faha 13.
TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

Ny VPAN Antsiranana IBRAHIM Issa Charles dit  Bora Reglage dia maneho fisaorana manokana ho an'ny delegasionan'ny tanora...
31/07/2026

Ny VPAN Antsiranana IBRAHIM Issa Charles dit Bora Reglage dia maneho fisaorana manokana ho an'ny delegasionan'ny tanora izay nahavita sy nametraka ny tatitra mahakasika ny fitakiana ny rafitra fédéral nandritra ny Fikaonandoham-pirenena.
Tafita soa aman-tsara ny tatitra avy amin'ny Faritra DIANA, izay maneho ny fandraisan'anjaran'ny tanora sy ny fahavononany hitondra ny feon'ny faritra.
Amin'izany indrindra dia nisaotra manokana ny Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena DIANA Manantafy Dino ny VPAN Antsiranana noho ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana nahafahana nanatanteraka izany adidy izany tamim-pahombiazana.
TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

– Foire MEVA 2026Nosokafan'ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana Andriamadison, teto Antsiranana ny Foire...
29/07/2026

– Foire MEVA 2026
Nosokafan'ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana Andriamadison, teto Antsiranana ny Foire MEVA 2026. Nivoatra avy amin'ny foaram-paritra ilay hetsika ka lasa foara iraisam-pirenena, maneho ny fitomboan'ny fahatokisan'ny mpandraharaha sy ny fivoaran'ny toekarena ato amin'ny Faritra DIANA.
Nankasitrahan'ny Minisitra ny CCI Antsiranana, mpikarakara ny foara, noho ny ezaka nataony. Mandritra ny 4 andro, misy tranoheva 115 ahitana orinasa sy mpandraharaha avy amin'ny faritra maro eto Madagasikara ary avy any Mayotte sy La Réunion.
Ankoatra ny fampirantiana dia misy dinidinika ara-toekarena karakarain'ny EDBM, mikendry ny hampahafantatra ny tontolon'ny fandraharahana ao amin'ny Faritra DIANA sy hanamora ny fifandraisana ara-barotra.
Nambaran'ny Minisitra fa zava-dehibe ny fitsidihana ny faritra mba hahafantarana ny tena zava-misy sy hitadiavana vahaolana mifanaraka amin'izany, araka ny toromarika nomen'ny Filohan'ny Repoblika sy ny Praiminisitra. Nanatrika ny fanokafana ihany koa ireo tompon'andraikitra ambony isan-tsokajiny, anisan'izany ny VPAN ANTSIRANANA IBRAHIM Issa Charles dit Bora Reglage ,Député Claude Emile Sylvain ,Talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana DIANA Marie Thérèse Zarasoa sns .....
TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

Fokontany Namakia nandray ny “Fora zaza Bojo” nokarakarain'ny VPAN Antsiranana Ibrahim Issa Charles dit Bora Reglage Nam...
26/07/2026

Fokontany Namakia nandray ny “Fora zaza Bojo” nokarakarain'ny VPAN Antsiranana Ibrahim Issa Charles dit Bora Reglage
Namakia, 26 Jolay 2026 – Notanterahina androany tato amin'ny fokontany Namakia ny hetsika “Fora Faobe Bojo” nokarakarain'ny VPAN Antsiranana. Tanjona tamin'izany ny hampivondrona ny mponina sy hampiroborobo ny fifampiresahana ary ny fiaraha-miasa amin'ny fampandrosoana ny fokontany.
Nandritra ny hetsika dia nisy ny fifanakalozan-kevitra sy ny fanentanana momba ireo laharam-pahamehana ho an'ny fiarahamonina. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin'ny mponina ireo tompon'andraikitra sy mpandray anjara mba hanatsarana ny fiainam-bahoaka.
Nifarana tamim-pilaminana ny hetsika, ary nankasitrahan'ireo mpanatrika ny ezaka natao tamin'ny fanatanterahana izany.
TOUJOURS MARIKITRY VAHOAKA

Address

Palais Faritany/Première Étage Porte 44/45
Antsiranana
201

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Toujours Marikitry Vahoaka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share