Aboaho Ankiaka

Aboaho Ankiaka ABOAHO ANKIAKA - NATAO HIZARANA VAOVAO MARINA SY IREO TSARA HO FANTATRA ARY KOA HIALANA VOLY.

🔥‼️𝐉𝐋𝐘 𝐋𝐘𝐋𝐘𝐒𝐎𝐍 𝐒𝐘 𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄 𝐋𝐄𝐊𝐀𝐑𝐀𝐍𝐘 : 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐏𝐀𝐈𝐊𝐀𝐃𝐘 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀‼️➡️ Vory maro tao ...
02/10/2024

🔥‼️𝐉𝐋𝐘 𝐋𝐘𝐋𝐘𝐒𝐎𝐍 𝐒𝐘 𝐃𝐄𝐏𝐈𝐎𝐓𝐄 𝐋𝐄𝐊𝐀𝐑𝐀𝐍𝐘 : 𝐍𝐀𝐌𝐄𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐏𝐀𝐈𝐊𝐀𝐃𝐘 𝐌𝐈𝐀𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐇𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐋𝐄𝐌𝐀𝐍𝐀‼️

➡️ Vory maro tao amin’ny kaominina Anjiamangirina Distrika Antsohihy ny Komity ny DINA Anjiamangirina - Ambalafaminty - Ambodisakogna sns‚ nihaona tamin’ny Governoran'ny faritra Sofia sy Depiote LEKARANY‚ nikaon-doha momba ny fampandriana ny fahalemana.

☑️ Tapaka teto hiara-hientana ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka amin’ny fandrasaina andraikitra. Napetraka ny paikady miaraka izy ireo ho famongorana ny asan-dahalo fa indrindra ny fanafihana sy ny halatr'omby izay mamparary ny vahoaka.

✅ Tazana niatrika ny fotoana ny komandy ny vondron-tobim-paritra Antsohihy sy Port Bergé. Andrasana ny vokatry ny dinika niraisana.
______________________________
Aboaho Ankiaka ©️JDR NEWS
www.presse-aboahoankiaka.mg
(sary indrana)

17/12/2023
🇲🇬✨ 𝐍𝐎𝐑𝐎𝐓𝐈𝐍𝐀 𝐇𝐀𝐑𝐈𝐒𝐒𝐈𝐀𝐇 : 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐒𝐒 & 𝐌𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝟐𝟎𝟐𝟒 𝐀𝐍𝐘 𝐄𝐔𝐑𝐎𝐏𝐀❣️🤍 Tanora Malagasy avy...
03/09/2023

🇲🇬✨ 𝐍𝐎𝐑𝐎𝐓𝐈𝐍𝐀 𝐇𝐀𝐑𝐈𝐒𝐒𝐈𝐀𝐇 : 𝐇𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐀𝐍𝐉𝐀𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐈𝐒𝐒 & 𝐌𝐈𝐒𝐓𝐄𝐑 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝟐𝟎𝟐𝟒 𝐀𝐍𝐘 𝐄𝐔𝐑𝐎𝐏𝐀❣️

🤍 Tanora Malagasy avy ao Befandriana avaratra - Faritra Sofia i Norotina Harissiah Andriamampianina, fa monina sy mipetraka any ivelany sady mitady ravinahitra any.

❤️ Anisany ireo mandray anjara amin’ny fifaninana Miss & Mister Malagasy 2024 any Europa‚ izay tanterahina ny 04 Novambra 2023 izao ao “Savigny -le-temple” ao Frantsa izy.

💚 Izy araka izany no misolontena ny faritra Sofia amin’io fifaninana io ka miantso isika rehetra fa indrindra ny zanaky ny faritra Sofia izay eto Madagasikara sy any ivelany mba hanohana azy amin’ny lafiny rehetra mba azahoana fandresena amin’ny fifaninana ho ataony.

👉https://www.facebook.com/profile.php?id=61550807306326 io ny pejy facebook‚ afaka anarahantsika azy. Ireto manaraka ireto kosa Instagram sy Tiktok.

-> 𝙄𝙣𝙨𝙩𝙖𝙜𝙧𝙖𝙢 : 𝙝𝙖𝙧𝙞𝙖𝙖𝙝__
> 𝙩𝙞𝙠𝙩𝙤𝙠 : @𝙝𝙖𝙧𝙞𝙨𝙨𝙞𝙖𝙝111

⭐️ Ato kosa miditra raha hamandrika toerana mialoha ( réservation ) amin’io fotoana io : https://bit.ly/FinaleMissMisterMalagasy2024.

✨🇲🇬
Harissiah, Candidate Miss Malagasy 2024

🌿✨ DREDD SOFIA : NAMALY NY ANTSO ARY NANEHO FAHAVONONA AMIN’NY FITANTANANA SY FIAROVANA ARY FIKARAKARANA NY ATIALAN’I BO...
09/05/2023

🌿✨ DREDD SOFIA : NAMALY NY ANTSO ARY NANEHO FAHAVONONA AMIN’NY FITANTANANA SY FIAROVANA ARY FIKARAKARANA NY ATIALAN’I BORA SY NY ATIALAN’ANJIAMANGIRINA NY ONG VIMA‼️

🌳🐿️ Namaly ny antso nataon’ny Governoran’ny faritra Sofia sy Talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy‚ naneho fahavonony amin’ny fitantanana sy fikarakarana ary fiarovana ny atiala ao Bora ( ao anatin’ny kaominina Anjalazala sy Ambodimandresy ) sy ny atiala ao Anjiamangirina ( ao anatin’ny kaominina Anjiamangirina - Anahidrano ary tonga hatrany Ankerika ) ny ONG VIMA izay tarihin’ny Rtoa Andriazanatany Frederika Banks.

🌿🦜 Natao androany 08 Mey 2023 tao amin’ny Maison des élus Antsohihy‚ ny dinik’asa‚ fankan-kevitr’ireo Ben’ny tanàna amin’ny kaominina voakasika mba afahana manatsara sy mikarakara ary miaro ireo atiala‚ tsy ho ripakin’ny doro tanety sy tetik’ala fa ho rakotr’ala tanteraka. Hisy ny fidinana ifotony iarahana amin’ireo manampahefana ary andrasana aorian’izay ny fanapahan-kevitra ny manampahefana raha mahafeno fepetra tokoa izy ireo amin’io tolotra nomen’ny tompon’andraikitra io.

✅ Tafiditra ao anatin’ny velirano faha-10 ny filoham-pirenena izao ezaka atao amin’ny fiarovana ny tontolo iainana izao. Isaorana izy ireo tamin’ny famaliana ny antso natao‚ mandeha ny fanarahamaso sy soro-dalana afahana mamantatra raha tena mahafeno fepetra tokoa izy ireo amin’ny fitantanana ny ala arovana. Mialohan’ireo sampandraharaha handray an-tànana ny fiarovana sy fikarakarana ny atiala amin’ny toerana misy atsika dia tokony atsika no saro-piaro voalohany amin’izany sady adidy amin’ny maha olom-pirenena atsika rahateo ny fiarovana sy fikarakarana ireo atiala any toerana misy atsika mba tsy ho ripaka. Allô atsika hagnamafy firaisankina‚ fihavanagna‚ hagnano soroko miara-milanja sy tongotro miara-mamindra amin’ny fiarogna sy fikarakaragna atiala sy ny tontolo iainagna misy atsika ho fanehoagna fitiavan-Tanindrazagna marigny‚ hoy Dr Manantsoa Clermond - Talem-paritry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovain-jafy Sofia‚ nanentana olon-drehetra hiaro sy handray andraikitra amin’ny fikarakarana ny atiala sy ny tontolo iainana.
______________________________
Aboaho Ankiaka © JDR News
www.presse-aboahoankiaka.mg

🔥‼️ FAROUK : NOSABORIN’NY ZANDARY TAO MAHAJANGA ARY NALEFA ATY ANTSOHIHY‼️➡️ Ny alin’ny sabotsy 22 April 2023 teo no fan...
25/04/2023

🔥‼️ FAROUK : NOSABORIN’NY ZANDARY TAO MAHAJANGA ARY NALEFA ATY ANTSOHIHY‼️

➡️ Ny alin’ny sabotsy 22 April 2023 teo no fantatra voasabotry zandary avy ao amin’ny sampana misahana heloka bevava Mahajanga i Farouk ‚ Tovolahy mpandraharaha sy tia manao asa soa ‚ manampy olona sahirana eto Antsohihy.

❌ Tsy mbola fantatra mazava izay tena hanenjehana azy fa araka ny loharanom-baovao dia misy fitoriana maromaro avy any Mahajanga ‚ nataon’olona avy aty Antsohihy izay tonga tao amin’ny zandary misahana heloka bevava aty Sofia ka izao niroso tamin’ny fisamborana azy izao ny zandary.

❌ Tsy rariny ary tamin’ny fomba tsy mendrika ny fihetsika nataon’ireo nisamborana azy ka namparatra ny tànany araka ny fitarainana nataony fianakaviany . Nalefa aty Antsohihy mba hatao famotorana sy fanadihadiana moa izy ‚ efa niala tao Mahajanga omaly marainan’ny 24 April 2023 . Nijanona tao Mampikony rehefa ariva sy maizina ny andro ary nanohy ny diany ‚ mandeha aty Antsohihy ny maraina teo ‚ araka ny vaovao voarainay . Zandary 04 no miaraka aminy ao anaty fiara fitateram-bahoaka.

❌ Talohan’izao fisamborana azy izao dia nisy fiparitahan’ny fifampiresahana miafana ‚ nifanaovan’olona roa ‚ izay mirakitra teti-dratsy momba ny hanapahan-dohan’ilay zandry ( Farouk ) sy ny Tonia mpampanoa lalàna ao fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy . “ Ok voaray . Fijeriko azy aloha tehamely reo samy ao ihany satri misy le dossie noforoniny lery momba le zandry noteneniko anao iny , avy majunga avy any mihitsy namelezany azy .... Hendasitsika izy refa te hivadibadika eo. Ny azy moa zandry iny no tiany omena atsika tapahana loha ary nentsika tête ny procureur no ilaintsika. Efa samy ok” ‚ hoy ny ampahany amin’ilay fifampiresahana miafana nisy nanaparitaka io.

⛔ Ankoatran’ireo fitoriana izay efa any amin’ny zandary sy voalaza any amin’ny PAC ireo dia misy fitoriana hafa ihany koa ketrehin’olona eto Antsohihy amin’izao mba hamelezana mafy an’i Farouk.

⏰ Ao anaty fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra sy manampahefana misahana izany no hamantarana ny marina momba ity raharaha ity fa hatreto dia miahiahy ny fianakaviana ‚ amin’ny mety nisiany teti-dratsy ateraky ny lonilony ary fialonana an-davanandro ‚ hamotehana ity Tovolahy zanak’izy ireo ity no anton’izao rehetra izao . Arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny.
______________________________
Aboaho Ankiaka © JDR News
www.presse-aboahoankiaka.mg
( Tahirin-tsary )

20/03/2023

🚨‼️ HAFATRA AVY AMIN’NY VAIAVIN’ANTSOHIHY‼️🚨
______________________________
Aboaho Ankiaka © JDR News
www.presse-aboahoankiaka.mg

🔥‼️SITENY RANDRIANASOLONIAIKO : MANOMBOKA ATAHORANA ARY MIRONA MANARAKA AZY IREO TOFOKA SY DISO FANANTENANA AMIN’NY FITO...
12/03/2023

🔥‼️SITENY RANDRIANASOLONIAIKO : MANOMBOKA ATAHORANA ARY MIRONA MANARAKA AZY IREO TOFOKA SY DISO FANANTENANA AMIN’NY FITONDRANA MIJORO ANKEHITRINY‼️

➡️ Tandindin-doza ny fihavanana Malagasy ary manomboka very hasina ny soatoavina izay mampiavaka an’i Madagasikara amin’ny firenena maro noho ny fampahantrana sy fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy ka very tanteraka ilay hoe « Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana » ‚ mivakivaky ary misara-bazana ny vahoaka noho ny antony maromaro fa indrindra ampirafesiny politika fandetehana ny firenena amin’ny lalina ka tsy maintsy mijoro isika rehetra mba hamaha izany rehetra izany.

➡️ « Nampahantraina ny seha-pamokarana rehetra (vanille, girofle, letchi…) noho ny fanaovan’ny olom-bitsy ampihi-mamba amin’ireo vokatra fanondrana ; simba tanteraka ny làlana ; manjaka ny tsy fandriampahalemana ; mikorosy fahana ny fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka ; manjaka ny kolikoly amin’ny sehatry ny fananan-tany, ny fifamoivozana, ny jono, ny fitsarana… » ‚ hoy ny feo nivoaka tao Fenoarivo Atsinanana ‚ nitantara ny maharary azy ny vahoaka nandritra ny MIHAVA TOUR ( MIHaino Atsika Vahoaka ) ‚ nataony SITENY Randrianasoloniaiko ‚ nontronon’ireo Solombavambahoaka namany izay diso fanantenana ka tofoka tanteraka amin’ny fitondrana mijoro ankehitriny.

✅ Tsikaritra fa miha maro ny olom-pirenena resy lahatra amin’ny fanarahana SITENY ‚ Niantso ny firotsahan-kofidiany ho Filoham-pirenena rahateo izay rehetra nandray fitenenana ka manomboka mihorohoro ireo mpanao politika sy ireo mikasa hirotsa-kofidiana ho Filoham-pirenena mahita ny hetsika ataon’i Siteny ary efa mandeha ny fandotoana ‚ mba hankahalany vahoaka azy.
______________________________
Aboaho Ankiaka © JDR News
www.presse-aboahoankiaka.mg
( Sary Indrana )

04/03/2023

🔴‼️ PROFESORA TEHINDRAZANARIVELO DJACOBA : TSY ILAIN’NY MPITONDRA INTSONY VE IZANY NY VATON’NY ZANAKIN’NY FARITRA SOFIA⁉️

✅ Araho anatin’ity horonam-peo sy sary ity ny fanehoan-kevitra mafonja nataon’ny Profesora Tehindrazanarivelo Alain Djacoba ‚ Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
www.presse-aboahoankiaka.mg

02/03/2023

🔥‼️ FAMETRAHANA BIF ( Birao Ifotony Fananan-tany ) SOFIA : Naneho ny heviny ireo solontenan’ny olom-boafidy ato amin’ny Faritra ‚ Ben’ny tanàna sy ny Solombavambahoaka . Marihina fa 39 kaominina amin’ny 120 mandrafitra ny faritra Sofia no afaka misitraka izany hatreto.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
www.presse-aboahoankiaka.mg

👮‼️ FAMONGORANA TAMBAZOTRAN’NY TANORA MADITRA ANTSOHIHY : MANDRAY NY ANDRAIKINY NY POLISY‼️♦️ Betsaka ireo mitaraina ver...
02/03/2023

👮‼️ FAMONGORANA TAMBAZOTRAN’NY TANORA MADITRA ANTSOHIHY : MANDRAY NY ANDRAIKINY NY POLISY‼️

♦️ Betsaka ireo mitaraina very vola ‚ voarava eny an-tsena ary misy andiana Tanora maromaro mifampitoratoraka arivariva ka miteraka tebiteby eo anivon’ny fiarahamonina . Mivorivory ambodi-tranon’olona izy ireo midoroka zava-mahadomelona ( mifoka paraky ‚ sigara ‚ rongony ‚ misotro toaka ) . Mpianatra eny amin’ny EPP ‚ KOLEJY sy LYSEA miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ‚ Tovovavy sy Tovolahy tombana ho 12 taona ka hatramin’ny 20 taona izy ireo ‚ mivorivory eny amin’ny toerana mangingina sy takona tsy betsaka olona . Manodidina ny mosquée Ambalabe Ouest sy any amoron-drano Ambavan’Antsohihy ...no tena ahitana azy ireo matetika.

♦️ Velontaraina ireo Ray aman-dReny sasany fa tsy laitrany fananarana intsony ny zanany naterany izay taomin’ireo namany amin’ny fanaovan-dratsy ka ranomaso sisa atelina mba miataintaina lava tsy ho tratra eny am-panaovana asa ratsy ka ho afoy tanteraka .

« Ny ditry sy fidorohana zava-mahadomelona misesisesy tahaka izao no miteraka FORÔSY ka tsy maintsy fongorina haingana izany mba tsy hitatra lavitra » ‚ hoy ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena nitondra fanazavana.

➡️ Mandray ny andraikiny manoloana izany ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ‚ misambotra sy manadihady ary mandray fepetra manoloana ireo Tanora efa tratra ‚ mba ho fananarana.

📷 Sary azo nandritra ny fisamborana androany 02 Mars 2023 tokony ho tamin’ny 10 Ora maraina teo ‚ natambatra amin’ny sarin’ireo zatovovavy mifoka sigara sy rongony azon’ny mpanao gazety ny andron’ny Journée des écoles - 22 Febroary 2023 teo.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
www.presse-aboahoankiaka.mg

🔥‼️ZAIKABEN’NY VEHIVAVY - 08 MARS ANTANANARIVO : NANDEFA SOLONTENA NY FARITRA SOFIA‼️♦️ Miisa 21 ireo delegasionina miar...
01/03/2023

🔥‼️ZAIKABEN’NY VEHIVAVY - 08 MARS ANTANANARIVO : NANDEFA SOLONTENA NY FARITRA SOFIA‼️

♦️ Miisa 21 ireo delegasionina miaraka amin’Atoa Abdallah Mohamed Narcisse Talem-paritry ny mponina sy fiahiana ara-tsosialy hamonjy ny zaikaben’ny vehivavy 08 Mars 2023 ao Antananarivo . Nihainga androany 01 Mars avy eto Antsohihy izy ireo ka ny Jeneraly Lylyson ‚ Governoran’ny Faritra Sofia no niantoka ny saran-dalana sy vatsin-dalan’ireo mpizaika.

✅ Samy nakana solontena avokoa isakin’ny distrika 07 mandrafitra ny faritra Sofia . Ny sasany miara-mihainga avy eto Antsohihy ‚ ny sasany kosa raisina eo Port Bergé sy ao Mampikony ‚ araka ny fanazavana.

♦️ Tazana teny amin’ny biraon’ny Faritra‚ niatrika ny fihaingana ny Talem-paritra misahana ny fotodrafitrasa sy fandrosoana ato amin’ny Faritra Sofia sady nisolotena ny Governora.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
www.presse-aboahoankiaka.mg

28/02/2023

🔥‼️ DEPIOTE DJAOSERA IRÉNÉE : Nahatsiaro tena voafitaka ary nitanisa ny fahadisoam-panantenany amin’ny tsy fahombiazan’ny fitondrana mijoro ankehitriny . Natao anjorom-bala ny zanaky ny Faritra Sofia kanefa mba anisan’ireo nandany sy nametraka fitondrana mijoro ankehitriny ‚ hoy izy.
_____________________________
Aboaho Ankiaka ® JDR News.
www.presse-aboahoankiaka.mg

Address

Antsohihy
Antsohihy

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Aboaho Ankiaka posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Aboaho Ankiaka:

Share