RADIO FTV Antsohihy

RADIO FTV Antsohihy 107 Fm, Koragño Baka aaa

Vokam-panadianana BEPC 2025
10/07/2025

Vokam-panadianana BEPC 2025



Festival Dona Bé andiany fahatelo, efa amboary sahady ny programme fa hiavaka ity ay.....
10/07/2025

Festival Dona Bé andiany fahatelo, efa amboary sahady ny programme fa hiavaka ity ay.....

Efa ho avy raha ity ay mihomana aby atsika havako aby ay fa hafana raha ity, efa manomboka misy vahiny tonga eto antsohi...
07/07/2025

Efa ho avy raha ity ay mihomana aby atsika havako aby ay fa hafana raha ity, efa manomboka misy vahiny tonga eto antsohihy hamonjy festival Dona be aleo mahita toy izay tantarainy namako ay....

Avy raha ity ay, akory anao....??    Andramo tsao tournao koa izeo..Pub_radio_ftv_antsohihy
28/06/2025

Avy raha ity ay, akory anao....??
Andramo tsao tournao koa izeo..
Pub_radio_ftv_antsohihy

Misaona ny kanto Malagasy      ⚫⚪Tra-doza tao amin`ny fidinana Ambohinahasondrotra, tsy lavitra Ambohimena kaominina Amn...
22/06/2025

Misaona ny kanto Malagasy

⚫⚪Tra-doza tao amin`ny fidinana Ambohinahasondrotra, tsy lavitra Ambohimena kaominina Amnbinanifango, androany alahady 22 jona 2025 atoandro.Traktera ity rehefa hamonjy fodiana nitondra sono sy ireo mpanakanto tany Bemahetsaka ka 2 no maty tsy tra-drano, misy ny maratra mafy. Ny fantatra hatreto maty i Sofia Goma sy ny mpandihiny vavy iray raha toa ka maratra mafy ireo namany sasany sy ny mpanakanto Tsatsa izay efa manaraka fitsaboana eny amin' ny hopitaly.

Nisy olana ara-teknika ilay traktera teo am-pidinana ka tsy voafehin`ny mpamily.

Izahay ekipan' ny Radio Fanilo Tsara Vintagna Samy Jao Antsohihy dia mampahery ireo niharan-doza sy mitondra fiononana feno ho amin`ny havan`ireo maty.
Ao Amphi Mandritsara ambony no iaretan-tory ny nofomangatsiakan'i Sofia goma sy Olivia.



Tahaka izao hita amin' ny sary eto ambany izao ny renivohitran' ny faritra SOFIA.Ao anatin' ny fahadiovana no misy ny fa...
13/06/2025

Tahaka izao hita amin' ny sary eto ambany izao ny renivohitran' ny faritra SOFIA.

Ao anatin' ny fahadiovana no misy ny fampan-drosoana, samy vaky vava avokoa ny vahoakan' ny Antsohihy fa tena niova amin' ny endriny vaovao no maha te honinana ny tananantsika, indrindra fa izao ankatokon' ny fankalazana ny fetim-pirenena izao dia ny 26 jona moa izany.

Etona dia ankasitrahina feno Atoa Goverinoran' ny faritry Sofia Jeneraly Lylyson rené de Rolland sy Rtoa ben'ny tanàna HARINOMENJANAHARY Vanessa sy ireo mpitandro filaminanana izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany.

Entanina eto ihany koa isika vahoaka mba samy hahay hanaja ny fahadiovana sy ny fananana hiombonan-tsika ity mba haharitra fa tsy andalo fotsiny ihany izany. Behazo sahady ireo zanakantsika mba hahay hanaja ny fananana hiombonana sy ny fahadiovana eny rehetra eny.



ANTSOHIHY : ho fampan-drosoana ny distrika misy antsika dia hisy ny fifaninana fokontany madio, izay karakaran' i Rtoa b...
10/06/2025

ANTSOHIHY : ho fampan-drosoana ny distrika misy antsika dia hisy ny fifaninana fokontany madio, izay karakaran' i Rtoa ben'ny tanan'Antsohihy,izany hoe izay fokontany madio indrindra no mahazo loka vola mitentina 400.000ar na 2.000.000fmg.

"Ao anatin' ny fahadiovana no misy ny fandrosoana, anao mandroso, zah mandroso antsika jiaby miaraka mientana ho an' ny tananantsika.
Nb: manomboka androany atalata 10 jona 2025 ny fifaninana ka ny talata 24 jona 2025 ny valin' ny fifaninana.



🎉🎉Mankalaza ny tsingerin-taona nahaterahiny anio alatsinainy faha10 jona 2025 i Atoa Tsialiva Romuald, izy moa no tale m...
10/06/2025

🎉🎉Mankalaza ny tsingerin-taona nahaterahiny anio alatsinainy faha10 jona 2025 i Atoa Tsialiva Romuald, izy moa no tale misahana ny Radio Fanilo Tsara Vintana Samy Jao ankehitriny no sady teknisianina ao ihany koa.
♦️🎉 Izahay ekipan' ny Radio Fanilo Tsara Vintana dia faly
miarahaba ary mirary soa anao hatrany hitombo fahasalama sy hery hahavita be amin' ny adidy sy andraikitra izay sahaninao.



𝐆𝐑𝐎𝐔𝐏𝐄𝐌𝐄𝐍𝐓 𝐆𝐍 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 : FIFAMINDRAM-PIBAIKOANA TEO AMIN'NY 𝐊𝐎𝐋𝐎𝐍𝐄𝐋𝐘 𝐇𝐀𝐉𝐀𝐓𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐋𝐀𝐈𝐊𝐎𝐓𝐎 VAOVAO SY NY KOLONELY TEO ALOHA LY...
05/06/2025

𝐆𝐑𝐎𝐔𝐏𝐄𝐌𝐄𝐍𝐓 𝐆𝐍 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀 : FIFAMINDRAM-PIBAIKOANA TEO AMIN'NY 𝐊𝐎𝐋𝐎𝐍𝐄𝐋𝐘 𝐇𝐀𝐉𝐀𝐓𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐋𝐀𝐈𝐊𝐎𝐓𝐎 VAOVAO SY NY KOLONELY TEO ALOHA LYS ODON

🛑 Tontosa anio alakamisy faha-6. Jona 2025‚ teo ambany fiahian’ny Jeneraly Tsitambala Nixor - Lefitry faharoa ny komandy ny Zandarimariam-pirenena Malagasy izay natrehin' ireo Solombavambahoakamiisa 03 voafidy tato amin’ny faritra Sofia‚ ny Governora Faritra‚ ny Préfet sy Ben’nytanàna ary tompon'andraikitra ara-panjakana sy tsy miankina amin’ny fanjakana maro ny lanonana ara-miaramila‚ famindram-pibaikoana teo amin’ny Kolonely Lys Odon Randriamidona - komandy ny vondron-tobim-pileovana Sofia taloha sy Kolonely Hajatiana Ralaikoto - komandy ny vondron-tobim-pileovana Sofia vaovao.Tazana ihany koa ireo manamboninahitra Jeneraly sy manamboninahitra maro nanontrona ny fotoana.

🛑Nandritran' izany ihany koa ny fanolorana ny medaly VOLAFOTSY hoan’ireo Kolonely 02 sy medaly “bronze” hoan’ireo komandy ny tobim-paritry Zandary maro.



Vatican :Ny Kardinaly Monseigneur Robert Francis Prevost no mandimby an' i Papa François.     ✔️Nivoaka ny setroka fotsy...
08/05/2025

Vatican :Ny Kardinaly Monseigneur Robert Francis Prevost no mandimby an' i Papa François.

✔️Nivoaka ny setroka fotsy avy tao amin’ny Conclave androany alakamisy faha-8 ny volana aprily 2025,izay manambara fa misy papa voafidy .Ny Papa Leon XIV no lehiben’ny Eglizy Katolika maneran- tany vaovao ,izy moa dia teratany amerikana ary 69 taona ny tenany.

✔️Araka izany izy no lany ho papa faha-267 no sady Filoham-panjakana ao VATICAN ary filoham-piangonana katolika maneran- tany.
Koa miarahaba ny mpino katolika maneran- tany rehetra amin' izao fahazahoana Papa vaovao izao.



Ireo ampahan' ny sary fanamboaran-dalàna sy fanadiovana ny tampon-tanana Antsohihy izay efa vita ,mbola ho avy ho an' ny...
29/04/2025

Ireo ampahan' ny sary fanamboaran-dalàna sy fanadiovana ny tampon-tanana Antsohihy izay efa vita ,mbola ho avy ho an' ny fokontany sasany.

Lalàna mandeha eny amin' ny seranam-piaramanidina (pista)

Ambedrana lalàna mandeha eny amin' ny Totale sampan-dalàna CEG sy parcage ny bus

Haute ville ambadikin' ny tranom-barotra tsy miavona

Mbola mitohy hatrany ny ezaka izay tarihin' ny Rtoa ben'ny tananan' Antsohihy, koa manentana atsika rehetra samy ho sarotiny sy hiaro, hitandro ny fahadiovan' ny tanana na ihany koa ny fokontany izay misy antsika aby, fa ao anatin' ny fanadiovana no misy ny fandrosoana.



Antsohihy :Miroso hatrany ny asa fanadiovana ny tampon-tanana izay tarihin' ny Rtoa ben'ny tanana.📌 Iray amin' ireo vin...
26/04/2025

Antsohihy :Miroso hatrany ny asa fanadiovana ny tampon-tanana izay tarihin' ny Rtoa ben'ny tanana.

📌 Iray amin' ireo vina izay napetrany: Antsohihy milamina ,madio sy mandroso no tanjona"ka teny amin'ny haute ville ao amin' ny lavaka be ambadikin' ny tranom-barotra tsy miavona no nanatontosaina izany anio asabotsy faha26 aprily2025 nanomboka tamin'ny 2ora sy sasany teo ny asa fanadiovana izany.

📌Koa velom-pisaorana ny amin' izany asa fanadiovana izany moa ry zareo avy ao amin'ny fokontany haut ville ka ho hentitra sy ho sarotiny izy ireo ny amin' ny fanasaziana ho an' ireo izay minia tsy manara-dalàna ka aoka isika samy hitandrina ary matoky ny fahendrentsika tsirairay ry zareo avy eo anivon' ny " commune Urbaine Antsohihy".



Address

Haute Ville Antsohihy
Antsohihy
407

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when RADIO FTV Antsohihy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category