Pejy Ofisialy SAVA RADIO Fm 93 Mhz

Pejy Ofisialy SAVA RADIO Fm 93 Mhz SAkaizan'ny VAhoaka
"NY TOMBONTSOA IOMBONANA"

16/12/2025

🔴TETIKASA LAMINA 🔴

➡️Tontosa ny talata 16 Desambra 2025 tao amin'ny efitrano malalaky ny Paroasy Md Charles Ambatomena Fianarantsoa ny famaranana ny tetikasa lamina andiany faha 4 taona 2024-2025 ary ihany koa ny fanomezana marim-pakasitrahana hoan'ireo mpianatra nofanin'ny tetikasa lamina.

➡️Nahafam-po ny vokatra tamin'ity andiany faha-4 ity, zaza manodidina ny 4.000 isa no nisitraka kopia, miisa 1.400 eo ho eo no nahazo tolo-kevitra mahakasika ny Zo sy ny fananan-tany, ary 18 no isan'ireo fitarainana mikasika ny tranga kolikoly.

➡️Ny fampianarana mamaky teny sy manorata ary mikajy, ny ezaka fampananana kopia hoan'ny ankizy tsy manàna taratasy ara-dalana, ny ady amin'ny kolikoly ary indrindra ny fikajiana ny tontolo iainana no isany sehatra ifantohan'ny tetikasa lamina

fans
Pejy Ofisialy SAVA RADIO Fm 93 Mhz
✍️ Odilon Raderandrainy

🔴TSY MANDRY NY TANY🔴Mirongatra ny tranga tsy fandriam-pahalemana eto an-tananan'ny Fianarantsoa tato ato. Vao tsy ela no...
12/12/2025

🔴TSY MANDRY NY TANY🔴
Mirongatra ny tranga tsy fandriam-pahalemana eto an-tananan'ny Fianarantsoa tato ato. Vao tsy ela no nahitana faty olona tao amin'ny fkt Idanda dia nahenoana tranga fanendahana sahady teo anelanelan'ny lalana mampifandray ny Idanda sy Talatamaty ny harivan'ny Zoma 12 Desambra 2025 tokony ho tamin'ny 7 ora hariva. Lehilahy iray hody niala avy ao amin'ny camps Miaramila no nisy 3 lahy mitondra antsy nanakana raha ny filazany.

➡️Raha ny fitantarany dia nisy 3 lahy nanaraka io lehilahy io ka ny 1 tamin'ireo nisintona avy hatrany ny kitapo tao an-damosiny. Taitra ilay tovolahy tratra alina ary namaly ireo mpanakana ka raikitra ny fifan-domana. Soa fa nahay ilay lehilahy araky ny fitantarany ka tsy voan'ilay antsy fa ny akanjony no rovitra ary nahitana ratra nandalovan'ilay antsy ny ila-kibony ary teo amin'ny lohany no voakapoka hazo ary nivonto. Tsy nahazo inona ireo mpanendaka fa vaky nandositra rehefa tsy nahavoa tamin'ilay antsy teny an-tanany.

🔴Koa manaitra ny mpitandro filaminana mba hijery akaiky ireo toerana maro mpampiasa ary ny tompon'andraikitra mba hiezaka hijery ny fomba hanasiana hazavana ireo toerana maizina fa manjary mandry tsy lavo loha ny vahoaka.

➡️Maro ireo Tanàna no misendra olana sahala amin'izao ary isika Ray Aman-dreny dia isany manana adidy sy andraikitra amin'ny fanaraha-maso ny zana-tsika. Hoe makaiza ireny zana-tsika ireny rehefa hariva ? Manao inona ? Ary iza avy no miaraka aminy ?


Pejy Ofisialy SAVA RADIO Fm 93 Mhz
🖋️ Odilon Raderandrainy
fans

😍😍😍
11/12/2025

😍😍😍

11/12/2025

🔴10 DÉCEMBRE 1948 NO NANAOVAN'NY FIRENENA MIKAMBANA NY FANAMBARANA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY ZON'OLOMBELONA
Pejy Ofisialy SAVA RADIO Fm 93 Mhz
Odilon Raderandrainy 🎥

11/12/2025

✝️TOVOVAVY IRAY MPANAO CASH POINT MATY NISY NANDROBA ❗❗

Tovovavy iray monina ao amin'ny fkt Idanda Kaomina ambony vohitry Fianarantsoa mpanao cash point eo ampitan'ny CEG de référence Idanda no nisy Nandroba ny harivan'ny talata 9 Desambra 2025 lasa teo raha iny handeha hody tokony ho tamin'ny 6 latsaka. Namoy ny ainy ilay Tovovavy vokatry ny tsatoka antsy nataon'ireo mpandroba ary lasan'ireo avokoa ny finday sy ny poketra
nisy ny Vola ✝️❗
fans
Odilon Raderandrainy🎥

⚽ Voka-dalao🗓️ Alatsinainy 08 décembre         Pejy Ofisialy SAVA RADIO Fm 93 Mhz  fans
09/12/2025

⚽ Voka-dalao
🗓️ Alatsinainy 08 décembre



Pejy Ofisialy SAVA RADIO Fm 93 Mhz fans

Nodimandry ny Alahady 07 Desambra 2025 tamin'ny 3 ora maraina ny namana mpanao gazety Saholinirina  ao amin’ny Radio Tsi...
07/12/2025

Nodimandry ny Alahady 07 Desambra 2025 tamin'ny 3 ora maraina ny namana mpanao gazety Saholinirina ao amin’ny Radio Tsiry.😥😥

Mankahery ny fianakaviany sy ny namana rehetra mpanao gazety izahay eto amin'ny onjam-peo Sakaizan'ny Vahoaka ary ihany koa Mirary fiononana ho havany rehetra🙏🙏🙏

Pejy Ofisialy SAVA RADIO Fm 93 Mhz
fans

 📻Azonao atao ny mihaino ny Radio Sakaizan'ny Vahoaka 📻 ankehitriny na aiza na aiza toerana misy anao amin'ny alalan’ny ...
06/12/2025

📻
Azonao atao ny mihaino ny Radio Sakaizan'ny Vahoaka 📻 ankehitriny na aiza na aiza toerana misy anao amin'ny alalan’ny Web radio...
www.rtvsava.com
Fm 93 Mhz Sakaizan'ny Vahoaka 📻📻
"NY TOMBONTSOA IOMBONANA"❤️
Pejy Ofisialy SAVA RADIO Fm 93 Mhz
fans

06/12/2025

📻
Azonao atao ny mihaino ny Radio Sakaizan'ny Vahoaka 📻 ankehitriny na aiza na aiza toerana misy anao amin'ny alalan’ny Web radio...
www.rtvsava.com
Fm 93 Mhz Sakaizan'ny Vahoaka 📻📻
"NY TOMBONTSOA IOMBONANA"❤️
Pejy Ofisialy SAVA RADIO Fm 93 Mhz fans

93.0Mhz Radio - Sakaizan'ny vahoaka

03/12/2025

02/12/2025

📻AFAKA FOTOANA FOHY DIA HIVERINA HANARAKA NY ONJAM-PEO 93.0FM ISIKA📻
AZA MIALA LAVITRA🙏

Toy izao ny fahasimbana vokatry ny fangalaran'ny sasany ny fil mitondrany herinaratra ato amin'ny radio ,Izay nohararaot...
29/11/2025

Toy izao ny fahasimbana vokatry ny fangalaran'ny sasany ny fil mitondrany herinaratra ato amin'ny radio ,Izay nohararaotin'ilay tsy mataho-tody tamin'ny fotoanan'ny fatapahan-jiro omaly zoma tamin'ny 15h 30 .Raha ny fahitana azy aloha dia resaka halatra fil Izay misy ireny varahana ao anatiny ireny izao zava-mitranga izao .Noho izany dia mbola tapaka aloha ny fandrenesana n'y radio SAVA mandrampivaha ny olana .Raha ny fahitana azy koa dia lavalava ihany ny fil lasan'ny mpangalatra tao anatin'ireny tyuo mitondra ireny fil any anaty rindrina ireny

Address

Fianarantsoa
301

Telephone

+261345958907

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Pejy Ofisialy SAVA RADIO Fm 93 Mhz posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Pejy Ofisialy SAVA RADIO Fm 93 Mhz:

Share

Category