19/08/2024
Salama daholo🎙️
💯Hizara fikafika kely hatsara vokatra itsika androany💯
👉Voaloany: safidy feon-kira & tonony & feony👍
Mila mahay manavaka tsara ny gadona rehetra aloa ny artist, hoe inona no ataonao (afro beat sa dance hall sa drill sa sns...). Mahay arrangement, hoe tokony eto ny couple iray, eto ny refrain, eto ny tokony fampidirana, eto no malalaka kely.
Tonony sy feony, mandraisa feo maromaro fa kosa ilay azony vavanao voaloany aza ariana mihintsy raha tsy tena mahita mahafa-po hafa anao; eo amin'ny tonony indray evité-o ny "tsy maintsy", azavaiko, satria "tsy maintsy" fehezan-teny izao no manaraka an'izao dia atao zay atafidirany anaty temps na kely aza ka lasa miazakazaka be anao manonona ilay tonony. Izany hoe mila mitady teny mitovy evitra amin'iny anao ka ho tafiditra amin'ilay temps sy mipetrapetraka tsara amin'ny feon-kira ary ny gadona.
👉Faharoa: repetition & fiomanana👍
Tena mila atao repetition matotra tsara avy any an-trano (tsy andro iray fa andro maromaro) satria tokony ho zatra an'ilay feo ny corde vocal anao mba tsy ho sarotra ny hamoanao azy rehefa hiditra studio amizay.
Homanina tsara hoe izy no hiantefany hafatra: viavy sa lehilahy sa izy roa sa ho any olona rehetra sa ho any tanora ihany na ho any olon-dehibe. Mila manana cible anao mba tsy andiso fanantenana anao ny vokatra avy eo hoe tsy tafita amin'ny zaza ohatra nefa ny zavtra nomenao ho ana tanora.
👉Fahatelo: filirony na background na swing👍
Anaty arrangement ihany mo izany ity, hoe aiza no tokony asiana secondage, aiza no tokony asiana feo manamafy, inona no tokony apetaka any anatinatiny any, tsy manelingelina ve, mifanaraka tsara ve? Ireo fanontaniana maro be ireo tokony voavalinao, FA, kosa ambarako eto, tsy voatery asiana zavatra maro ny hira vao tafavoaka amin'olo raha raisiko ohatra ny hiran'i Ceasar- Repela (izay anisany nahalasa anazy, tsy izy iany fa misy mpihira maro ) tsisy back, tsisy secondage, tsisy swing maro be fa tafita ny afatra, milamina ny feony sns...
👉Fahaefatra: Prise vocal👍
Efa nozaraiko tato ny alcool vs voix ato https://www.facebook.com/share/p/f19CVJrUtC3Y3wYo/?mibextid=oFDknk fa manampy an'io, tsisy magie na miracle ny aty , izay zavatra efa nomaninao no averinanao eo fa kosa mety misy fanatsarana kely na fanitsiana kely (mety hisy fa tsy voatery koa).
Concetration, tena ilaina be. Tsara raha tsy mitondra namana ka sao miomeme fahatany ny zavatra ataonao ny diany eo. Ny track tsy maintsy misy koa fa manana anao fahatokisan-tena satria zavatra efa naverimberinao tany aminao ilay izy; ny artist sy ny producteur ary ny studio tsy afaka misaraka fa zavatra iray ihany io ka tsy tokony hisy fahataorana (mitovy amin'ny samy iray trano ka tsisy andrara anao raha te handefa ny Tv anareo ohatra anao). Mpihira anao dia hamoaka hira ny dianao dia efa vononana amin'izay anao tsisy sakasakana ny hanohoanao zay avy any aminao any.
👉Fahadimy: Instruction kely👍
Mahaiza mandray toromarika na fanitsiana rehetra indrindra mahay mihaino feo proposition omena anao. Mampiasa sofina tsara, mandray dia mamerina aloa, mandray dia mamerina alao fa tsy manaiky fotsiny tonga dia alefa nefa ilay feo tsy mbola hainao tsara ( ho any olona mora mandray iny tsy olana)
*Mbola misy maro be fa ireo aloa no voasoratro androany.
🚨🚨🚨N.B: Tsara raha olona mahay note no sady mavoafehy feo maro ny tompona studio andehananao satria miantoka be ny fivoany hiranao iny☑️