Ramson Connect

Ramson Connect We create, we connect. ⚫️🔵
(2)

Ramson Connect : on connecte les jeunes de Malagasy à l’information, à la création et à l’action. 🇲🇬
Des contenus vrais, inspirants et parfois décalés pour une génération qui veut faire bouger les choses.

20/12/2025

Fantatrao ve?
Raha mikrosy 5km vao maraina ianao, dia lasa alavitra be ny tranonareo 🤔

🚨 AZA NY MASO IHANY NO SOKAFANA, FA NY SAINA KOA ! 🚨Fantatry zareo tsara fahalementsika. Hainy ny manindry bouton dia ma...
18/12/2025

🚨 AZA NY MASO IHANY NO SOKAFANA, FA NY SAINA KOA ! 🚨

Fantatry zareo tsara fahalementsika. Hainy ny manindry bouton dia malahelo na tezitra isika. Hainy tsara koa tamin'izany ny mody mamboly olana dia izy ihany no miseho ho mpanavotra mamaha olana avy eo...
Ny tena communication, tsy resaka visibilité fotsiny, fa ilay stratégie entiny, ary io no kapokany zareo teo.

AZA MANAIKY ATAONY FITAOVANA FA :

1️⃣ SOKAFO NY SAINA 🧠
Aza mora mino izay zavatra hita eny rehetra eny, azo mora mitsara. Manaova recoupement.
Raha tsy ianao mihitsy no manana finiavana hikaroka ny marina, dia efa voarebireby ianao izay. ⚠️

2️⃣ RY INFLUENCEURS, TOMPON'ANDRAIKITRA IANAREO🛑
Mba aoka ilay fitadiavana "Likes" fa tena manan-danja be ny TENY. Ny ranty iray tsy voamarina, ao anaty minitra vitsy dia mety hanakorontana ny saim-bahoaka manotolo.

Hafatra ho antsika tanora :
⚫Mieritrereta tsara alohan'ny hizara, na hametraka commentaire/like.
🔵Aza atao kilalao ny hoavin'i Madagasikara.

Aoka ho hendry. Aoka ho mailo. Aoka hisaina. 🇲🇬

TSINGERINTAONA MIAVAKA, OLONA MIAVAKA 🔵Tsy ho ampy raha hiteny fotsiny izahay hoe Arabaina ianao Dr Hasina, ka dia mba m...
16/12/2025

TSINGERINTAONA MIAVAKA, OLONA MIAVAKA 🔵

Tsy ho ampy raha hiteny fotsiny izahay hoe Arabaina ianao Dr Hasina, ka dia mba mamelà anay hiteny kely :

Ianao dia porofo velona fa afaka miainga avy eto Fianarantsoa ary misokatra amin'izao tontolo izao. 🌍🇲🇬

📖 Araka ny teny filamatra entinao : "Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao." (Joba 8:7).

Hitan'ny masonay izany fitomboana izany. Hitanay ny fiovana entinao, mipao-tsatroka izahay 🔵

Amin'izao andro lehibe izao, teny fohy no atolotray : MISAOTRA 🩵

Misaotra anao tsy sasatra mizara, manabe, ary manome fanantenana ho an'ny tanora Malagasy. 🇲🇬

Arabaina ianao amin'izao tsingerintaonanao izao! Ho fitaovana mahery vaika eo am-pelatanan'ny Avo Indrindra hatrany ianao, hitondra fanovana ho an'ny taranaka.

👇🏽 Alefaso ao amin'ny commentaire ny firariantsoantsika ho azy fa mendrika izany izy

Ny vintana ? ❌Asa mafy + Faharetana = Fandresena ✅Tsy misy miracle fa miezaka miatrika na inona na inona, arahina tsiky ...
15/12/2025

Ny vintana ? ❌
Asa mafy + Faharetana = Fandresena ✅

Tsy misy miracle fa miezaka miatrika na inona na inona, arahina tsiky foana

Soraty hoe "TSIKY FOANA ❤️" raha vonona ianao ⬇️

Ny ekipan'ny Ramson Connect dia mirary herinandro mamokatra sy feno tsiky ho anao ⚫️🔵

Mirary alahady sambatra ho anao sy ny ankohonanao 💙
14/12/2025

Mirary alahady sambatra ho anao sy ny ankohonanao 💙

Wow, mafy nareo e ! 💪On est venus en partenaires, on repart inspirés, remplis d'espoir et avec l'assurance que la nouvel...
13/12/2025

Wow, mafy nareo e ! 💪

On est venus en partenaires, on repart inspirés, remplis d'espoir et avec l'assurance que la nouvelle génération Fianaroise va envoyer du LOURD. Pas de timidité, pas d'excuses : ces jeunes ont pris le micro avec une assurance f***e. Le stress ? Ils l'ont mangé au petit-déj avec du menakely. 🥱

Le trio de tête a mis tout le monde d'accord :

🥇 Angelo a tout simplement raflé la mise. Ce gars est un MONSTRE. Il ne monte pas sur scène, il l'envahit. De l'audace, du direct... une présence qui ne laisse personne indifférent.

Le plus fort ? Il est venu en sneakers et sweat pour la compet! 😂 Il a prouvé que la valeur et la capacité, c'est à l'intérieur que ça se passe. TENA MANAO hoa e ✊🏾

🥈 Juste derrière, Tanjona a imposé sa propre cadence. La force tranquille. Tout en finesse et en sang-froid, elle a capté l'attention par son élégance ✨

🥉 Et Faneva... quelle éloquence ! Juste : Wow. Une gestuelle d'actrice, des mots qui percutent, le tout sublimé par cette tenue Malagasy qu'on a adorée. Gasy ka tsara e 🇲🇬

Big up aux architectes de ce succès : L'Accent Bleu de Natacha aux commandes (You nailed it, vraiment !) et GSEN de Johnson Régis. Merci d'avoir créé cet espace.

Ce qu'on retient ? Au-delà de la compétition, c'est cette unité. Voir toute cette jeunesse réunie, vibrer ensemble (et continuer le débat jusqu'à 23h à l'After ! 😉), c'est la plus belle des victoires.

C'est ça la jeunesse qu'on veut voir. Celle qui croit, celle qui ose.

We create, we connect ⚫️🔵

PS : Nisy Lots maro be tao an ! Tsy hoe certificat fotsiny fa tena tsy omby harona mihitsy ary. 🎁

Tanàna maty e! Ville morte e! Ndao resahina...❌Araho ny sary...⚫🔵Mitovy hevitra ve isika ? 🤔Zarao ao amin'ny commentaire...
10/12/2025

Tanàna maty e! Ville morte e! Ndao resahina...❌
Araho ny sary...⚫🔵

Mitovy hevitra ve isika ? 🤔

Zarao ao amin'ny commentaire ny hevitrao 👇

NB : Hevitra no miady fa tsy ny olona 🇲🇬

Mbola miandry ilay "moment parfait" foana ve ianao ? Mety hiandry mandrakizay ianao raha izay...🙂Matetika isika no miten...
08/12/2025

Mbola miandry ilay "moment parfait" foana ve ianao ? Mety hiandry mandrakizay ianao raha izay...🙂

Matetika isika no miteny hoe "Aleo rehefa izao na izao", vao manomboka.
Ny tena sakana voalohany ho anao dia ilay feo mibitsika ao an-tsainao io hoe "Aleo aloha rehefa izao vao...".
Dia tadidio koa hoe : ny tontolo misy anao koa tsy hanome "cadeau" anao mihitsy raha tsy ianao no maka azy. 👌

Tsara ny mijery lavitra. Fa ilaina koa ny mifantoka amin'ny dingana iray azonao atao androany. Ny hetsika kely (action) atao anio dia tsara lavitra noho ny planina goavana be mbola misakoroka be ao an-tsaina ao fotsiny.

Izany indrindra no iainanay ato amin'ny Ramson Connect : rehefa mihidy ny lalana eto Fianarantsoa, tsy dia misy "Opportunités", dia mamorona lalana vaovao, création de contenu digital, dia vao maika hita maneran-tany hoe hay milay ilay Fianarantsoa. 🌎

We create, we connect. ⚫🔵

Raha resy lahatra amin'izany ianao dia soraty ao amin'ny coms hoe "ATOMBOKO" 👇

Samy manana ny faniriany! Samy te hahazo izay mahafinatra azy amin'ity farany taona ity... 🎁✨Ao ny maniry iPhone farany,...
06/12/2025

Samy manana ny faniriany! Samy te hahazo izay mahafinatra azy amin'ity farany taona ity... 🎁✨

Ao ny maniry iPhone farany, ao ny maniry fiadanana... na vary amin'ny anana mafana sy kitoza miaraka amin'ny fianakaviany dia ampy 🍲📸

Mba inona hono ny anao, alefaso ao amin'ny coms sao misy Admirateur(trice) mandefa tampoka...🤭
"All I want for Christmas is..." 👇

Tsy mifampitsaratsara isika an, tonga hitsio hoe MONEY na VADY fa mifampihaino isika 😉

04/12/2025

Vahoaka mitaky fandrosoana fatratra nefa ny sainy mbola tsy vonona amin'izany. Jereo ao anie e 👇⚫️🔵

Ny hevitrao ?
02/12/2025

Ny hevitrao ?

🔴L’Indice mondial de compétitivité des talents (GTCI) 2025, publié par l’Institut européen d’administration des affaires (Insead) et l’Institut Portulans, classe la capacité des pays à gérer leurs talents. Pour cette édition évaluant 135 nations, Madagascar obtient un rang très bas, se positionnant à la 131e place mondiale.

➡️ Pour lire l'article : https://cutt.ly/8tutVbxh

Address

Ampasambazaha
Fianarantsoa
301

Telephone

+261347716678

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ramson Connect posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Ramson Connect:

Share