05/08/2026
Fantatrao ve ny Bug de l'an 2000? 🤔
Le Bug de l'an 2000 (Y2K) : la plus grande peur informatique du siècle.
Tany amin'ny faran'ny année 1990, saika niaina tao anaty tebiteby izao tontolo izao. Governemanta, banky, compagnies aériennes, hopitaly, ary na dia centrales électriques aza dia samy natahotra fa mety hiteraka korontana maneran-tany ny fiovan'ny daty tsotra fotsiny.
Tsotra ihany anefa ilay olana.
Nandritra ny taona maro, programmes informatiques maro no nitahiry ny taona tamin'ny chiffres roa monja.
Ohatra ny 1998 lasa 98, ny 1999 lasa 99
Fa rehefa tonga ny taona 2000, dia lasa 00.
Ny fanontaniana dia hoe :
Ho fantatry ny ordinateur ve fa 2000 ilay "00", sa hihevitra izy fa 1900? 🤔
Raha diso ny fandikana an'io daty io, dia mety hiteraka olana maro : calcul diso, compte bancaire voablock, avion tsy afaka miainga, ascenseur tsy mandeha, système any amin'ny hopitaly misy dysfonctionnement.
Io no nantsoina hoe Bug de l'an 2000, na Y2K. (Mety mbola maromaro ianareo no tsy teraka tamin'izany fotoana izany😄)
Nandritra ny taona maro, dia ingénieur an'arivony eran-tany no niasa andro aman'alina nanitsy ireo logiciels.
Nandany centaines de milliards de dollars ireo entreprises sy gouvernements mba hisorohana loza mety hitranga.
Rehefa tonga ny misasakalina ny 1 janvier 2000, dia niandry tamim-pahatahorana izao tontolo izao.
Fa tamin'ny farany...
Tsy nisy catastrophe lehibe nitranga. 😄
Nisy olana madinidinika vitsivitsy ihany, saingy tsy nisy ilay korontana eran-tany natahorana.
Nisy olona nilaza tamin'izay hoe :
"Hay ve ka natahotra fotsiny isika?"
Fa hoy kosa ireo spécialistes :
Raha tsy nisy ireo fanamboarana sy préparation goavana natao talohan'ny taona 2000, dia mety ho tena nisy tokoa ilay catastrophe.
Izany hoe... tsy hoe tsy nisy ilay olana, fa voavaha mialoha izy.
Entreprises maro no nandany vola be hijerena sy hanitsiana ny logiciels-ny.
Nisy olona naka vola be tany amin'ny banque satria natahotra sao tsy mandeha intsony ny système.
Compagnies aériennes maro no nanomana plan d'urgence sao sanatria ka tsy mandeha ny ordinateurs.
Informaticiens maro no nandany ny alin'ny 31 Desambra 1999 tao amin'ny bureau-ny, niandry raha misy problème hiseho.
Tombanana ho mihoatra ny 300 milliards de dollars ny vola lany tamin'ny fisorohana ilay Bug Y2K, ka isan'ny projets informatiques lehibe indrindra teo amin'ny tantara izany.
Ankehitriny, ny Bug de l'an 2000 dia lasa ohatra iray mampiseho fa indraindray, ny loza lehibe indrindra dia voasoroka noho ny fiomanana sy ny asa nataon'ny olona mialoha.
Ary mampahatsiahy antsika ihany koa izy fa indraindray, chiffres roa monja ao anaty daty dia mety hisy fiantraikany amin'izao tontolo izao.
Izany rehetra izany dia mampiseho zavatra iray lehibe : efa tena miankina amin'ny systèmes informatiques isika olombelona.
Banky, hopitaly, avion, fifandraisana, commerce, internet... saika entin'ny informatique avokoa ny fiainantsika andavanandro.
Izany no mahatonga ny sécurité, ny maintenance, ary ny fanomanana mialoha ho tena zava-dehibe, satria indraindray dia détail kely fotsiny no mety hisy fiantraikany amin'ny olona an-tapitrisany eran-tany.