KL Communication

KL Communication Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from KL Communication, News & Media Website, Tanambao, Fianarantsoa.

🥩💉 . 𝗘𝗳𝗮 15 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗵𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗲𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝗶𝘀𝗼𝘁𝗿𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮, 𝗮𝗿𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗵𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼 𝗵𝗮𝗳𝗮𝘁𝘀𝘆 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗶𝘇𝘆.🍖 Malaza...
05/04/2026

🥩💉 . 𝗘𝗳𝗮 15 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗵𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗲𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝗶𝘀𝗼𝘁𝗿𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮, 𝗮𝗿𝘆 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗶𝗵𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼 𝗵𝗮𝗳𝗮𝘁𝘀𝘆 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗶𝘇𝘆.

🍖 Malaza ny tantaran'ity ranamana iray ity satria dia manana fomba fiainana hafa tsy mitovy amin'ny rehetra. Efa ho 15 taona mahery izy izao no tsy nihinan-javatra hafatsy hena manta sy taova manta ary ra (izay antsoina amin'ny teny anglisy hoe High Meat na Paleolithic Diet farany izay henjana).

🤔 Inona moa no antony nifidianany izany ???

🥩 Tamin'ny fotoana fahatanorany dia narary lava i Derek. Nanana olana tamin'ny fandevonan-kanina izy ary tsy nahatanty sakafo ara-dalàna (vokatry ny tsy fahazakan'ny vatany zavatra maro na allergies). Rehefa nikaroka fomba fisakafoana maro izy dia nahita ny fomba fisakafoan'i Weston Price, izay mamporisika amin'ny fihinanana hena manta. Ka arakin'ny nambarany dia vao avy nihinana hena manta izy dia sitrana ny aretiny ary niverina ny heriny. Henan'omby na ondry no fidiany matetika, tsy andrahoina fa hoanina manta ary misotro ran'ireo biby ireo izy.

⚕️ Ny fijerin'ny mpitsabo azy:
Ny fihinanana hena manta dia mampidi-doza be ho an'ny olona satria ny fihinanana azy dia mety hitondra aretina mafy toy ny Salmonella.

Araho ny Pejy dia zarao mba ho hitan'ny hafa 🙏😊

"L'INVIOLABILITÉ DU DOMICILE": ny mombamomba azy sy ny fetrany. 🔰Ny "inviolabilité du domicile" dia midika hoe tsy azo i...
12/11/2025

"L'INVIOLABILITÉ DU DOMICILE": ny mombamomba azy sy ny fetrany.

🔰Ny "inviolabilité du domicile" dia midika hoe tsy azo idirana ny trano fonenan'ny olona iray raha tsy nisy fifampiresahana manokana taminy, ankoatra ny fetra manokana izay voalazan'ny lalàna.

🔰NAHOANA NY LALÀNA NO NAMETRAKA IO FITSIPIKA IO ? (Ratio Legis)

Samy manana ny antony moa ny firenena rehetra amin'io hevitra fototra io, fa amin'ny malagasy manokana, ny trano fonenana dia anisany heverina fa "masina" ka tsy azo atao ny miditra tsy nahazoana alalana avy amin'ny tompony. Ka izany no tena hevitra mitondra io fitsipika napetraky ny lalàna io.
Voaraoka mitambatra ao amin'io fahamasinan'ny tokatrano io ihany koa ny fiarovana ny fiainana manokan'ny olona tsirairay sy ny maha olona azy izay zo fototra ihany koa.
Tsy azo atao araka izany ny mitsofotsofoka foana any any an-tranon'olona tsy nahazoana alalana.

🔰NY FETRANY ARAKY NY LALÀNA :

Azo atao anefa ny miditra tsy nahazoana alalana avy amin'ny tompon'ilay trano raha misy ireto zavatra manaraka ireto :

1️⃣ Ny fanomezan-dalana omen'ny fitsarana hisava ny trano: rehefa misy fanadihadiana ilàna fisavana trano dia omen'ny fitsarana alalana hiditra ao amin'ny tranon'ilay olona atao fanadihadiana ny mpitandro filaminana raha mahafeno fepetra maromaro izay voalazan'ny lalàna ahafahana manao izany.

2️⃣ Ny tranga "flagrant délit" na "Crime flagrant": mahazo alalana hiditra koa ny mpitandro filaminana rehefa hotratrarina ambodiomby ilay olona voapanga.

3️⃣ Ny tranga vonjy aina na vonjy taitra: azo atao ihany koa ny fidirana an-tranon'olona tsy nahazoana alalana avy aminy raha ilaina amin'ny fanavotana ny ainy, na ny fananany ny fidirana ao.

🔰TANDREMO 🚫: Aza mba misetrasetra, manevateva, mikafara na manao fara-teny, na manao "menace", na ireo karazana faneriterena rehetra, indrindra fa ny mikasin-tanana any an-tranon'olona fa mety tsy hahazoanao rariny mihitsy eo anatrehan'ny fitsarana izany.

11/11/2025

"L'inviolabilité du domicile": ny mombamomba azy sy ny fetrany.
Horesahana manaraka.

"LE DROIT DE SE TAIRE": Zo fototra. 🔰Anisany fiarovan-tena tsara ny fahanginana manoloana ny fanadihadiana izay atao mba...
11/11/2025

"LE DROIT DE SE TAIRE": Zo fototra.

🔰Anisany fiarovan-tena tsara ny fahanginana manoloana ny fanadihadiana izay atao mba hialàna amin'ny famatoran-tena izay mety hahazo. Tsara ho fantatra fa voaray an-tsoratra avokoa izay rehetra lazainao mandritra ny fanadihadiana ka tsy ho afa-miala ianao raha misy teny tsy voahevitra navoakanao.

Teny tsy voahevitra kely fotsiny dia mety hiampangana anao ho nanao heloka raha tsy mitandrina⚠️ ka tandremo ny teny avoka rehefa atao fanadihadiana.
Raha tena mbola tsy vonona ianao hiatrika ny fanadihadiana dia AZA MAMALY mihitsy aloha, AZA MITENY na inona na inona, ZOnao tanteraka izany ✔️.

🔰Andraso ho vonona tsara sy tony tsara ianao vao miteny sy mamaly, tsara raha mahazo aina tsara ianao vao mamaly ny fanontaniana apetraka indrindra raha tsy manana mpisolovava.

🔰NY MAHATSARA NY MANGINA TSY MITENY MANOLOANA NY FANADIHADIANA :

1️⃣ Mba tsy hisian'ny fifanoheran-kevitra amin'izay lazainao rehetra mandritra ny fanadihadiana. Satria ny fifanoheran-kevitra amin'izay lazainao dia mety hanimba ny fiarovan-tenanao mandritra ny fanadihadiana.

2️⃣ Mba tsy hamatoran-tena amin'izay zavatra lazaina.

3️⃣ Mba ahafahanao manomana sy manamafy o***a tsara ny fiarovan-tenanao miaraka amin'ny mpisolovava raha manana.

🔰AMIN'NY FOTOANA MANAO AHOANA NO ILAINA MANGINA TSY MITENY MANOLOANA NY FANADIHADIANA RAHA MBOLA TSY VONONA ?

➡️Amin'ny fiantsoana hatao fanadihadiana voalohany, na io amin'ny fanadihadiana savaranonando na indrindra amin'ny fotoana fitazomana vonjimaika.

🔰TSARA HO FANTATRA: Ny fahanginana dia "stratégie" na fikafika fiarovan-tenana fotsiny ihany. Ny fahanginana maharitra loatra koa anefa dia tsy tsara.

🚫TANDREMO: Ny fomba fiteny malagasy hoe ❌"Manaiky matoa tsy miteny"❌ dia tsy araky ny lalàna velively. Ny fahanginana mandritra ny fanadihadiana dia tsy milaza velively hoe manaiky ny fiampangana ianao.





Ny "IMMUNITE PARLEMENTAIRE": ny mombamomba azy sy ny fetrany. Ny "immunité parlementaire" dia zo manokana omena ireo olo...
10/11/2025

Ny "IMMUNITE PARLEMENTAIRE": ny mombamomba azy sy ny fetrany.

Ny "immunité parlementaire" dia zo manokana omena ireo olom-boafidy ao amin'ny Antenimieram-pirenena dia ny Solombavam-bahoaka.
Io zo io dia omen'ny lalàna azy ireo ho fiarovana sy hampalalaka azy amin'ny asany mba tsy hovoatohitohin'ny fanerena ara-politika sy ara-pitsarana.

Ny "immunité parlementaire" arak'izany dia miaro ireo "député" amina karazana fanenjehana ara-pitsarana rehetra izay mety hanohitohina ny asany amin'ny maha solombavam-bahoaka azy.

🤔AMIN'NY LAFINY INONA NO MIARO AZY IREO NY "IMMUNITÉ PARLEMENTAIRE" ?

🔰Fanenjehana mifandraika amin'ny asany ihany no miaro ny "Immunité parlementaire". Oh: tsy fankatoavana ny asany, na ireo izay karazana fanenjehana mety hisy fifandraisany amin'ny maha député azy.

👉TSY MIARO ny "immunité parlementaire" raha toa ka fandikan-dalàna izay tsy misy ifandraisany amin'ny asa maha député azy no nataony.

👉TSY MIARO ihany koa ny "immunité parlementaire" amin'ny tranga izay antsoina hoe "Crime flagrant" na "flagrant délit".

👉Tsy miaro ny vady aman-janaka na ny havany ihany koa ny "immunité parlementaire" 😊

🔰TSARA HO FANTATRA: Tsy midika akory izany hoe tsy azo toriana ny Député . AZO TORINA tsara mihitsy izy ireo saingy mandalo antanantohatra maromaro vao mahatonga azy ireo hotsaraina.
Anisan'izany ny dingana antsoina hoe "PROCÉDURE DE LEVÉE DE L'IMMUNITÉ".
Izy io dia dingana miendrika fangatahana ataon'ny mpampanoa lalàna amin'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena mba hahafahana manenjika sy mitsara ilay député.
Amin'ny alalan'io fahazoan-dalana avy amin'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena io arak'izany no ahafahana manenjika ireo olom-boafidy voalaza ireo.

👉FANAMARIHANA: Tsy ilaina kosa anefa io fangatahana atao amin'ny filohan'ny Antenimieram-pirenena io raha toa ka misy ny tranga "Crime flagrant" na "flagrant délit".

Référence: La Constitution de la IVè Rèpublique et la loi organique N* 2001-025 fixant l'organisation et le fonctionn

8 Mars 2025
08/03/2025

8 Mars 2025

KL Communication
06/01/2025

KL Communication

Fa maika ho aiza e😏😒, misakafoana aloh e 😆,
12/12/2024

Fa maika ho aiza e😏😒, misakafoana aloh e 😆,

Rejoignez notre équipe ! Envoyez nous un email ou consultez notre page Facebook.
30/10/2024

Rejoignez notre équipe ! Envoyez nous un email ou consultez notre page Facebook.

Address

Tanambao
Fianarantsoa

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when KL Communication posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share