26/06/2025
Eveka Mpanampy vao notendrena ho an'ny Diosezin’Antananarivo
Notendren’ny Papa LéonXIV ho EVEKA MPANAMPY AO AMIN’NY DIOSEZIN’ANTANANARIVO i Mompera RANDRIANIFAHANANA MAMIARISOA MODESTE, ary nomena ny fiketrahana episkopalin’i Giocondiana.
Toy izao ny momba an’i Mompera RANDRIANIFAHANANA Mamiarisoa Modeste
Izy dia teraka tamin’ny 17 jona 1967 tao Fiakarana Ambohitrimanjaka
Zanak’i Randrianifahanana Georges (efa maty) sy Ravaoarisoa Élisabeth (efa maty)
Nohamasinina ho diakra ny 7 aogositra 1996 tao Ambohipo (Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra no nanamasina)
Nohamasinina ho pretra ny 6 septambra 1997 tao Amparibe – Mahamasina. Ny Teny manentana azy dia «Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.», (Joany 2,5)
Zanaka faha 11 amin’ny 14 nateraky ny ray aman-dreniny izy. 12 mianadahy izy ireo no velona ankehitriny (ny faralahy dia tsy azo raha vao teraka, koa izy izany no farany amin’ny lahy fa manan-jandry mirahavavy)
Ireto avy ny lalam-piofanana narahany
Ambaratonga fototra : 1973-1978 sekolim-panjakana ao Miadana Ambohitrimanjaka, nahazo ny CEPE
Ambaratonga faharoa : 1978-1982 CEG Anosisoa Ambohimanarina , nahazo ny BEPC
Lisea : 1983 - 1987 Seminera Zandriny Ambohipo, nahazo ny Bakalorea série C
Fanompoam-pirenena ivelan’ny Tafika: 1987- 1988tao amin’ny CNaPS Ampefiloha
Seminera Propedetika : 1988-1989 Ambohipo.
Philosophat : 1989-1992 à Antsirabe
Régence 1992-1994 tao amin’ny Seminera Zandriny Ambohipo
Théologat : 1994-1998 tao amin’ny Institut Catholique de Madagascar - Ambatoroka.
Toy izao avy ireo iraka nampanaovina azy :
1996-2003 : Aomonien’ny diosezy ho an’ny FET
1997-2003 : Aomonien’ny diosezy ho an’ny Vaomiera Litorjika
1998-2003 : Rektera lefitra ary avy eo rekteran’ny Seminera Propedetika
2003-2017 : voairaka Fidei Donum tany amin’ny Diosezin’i La Réunion (Administrateur tao Hell-Bourg ny taona 2003 hatramin’ny 2005 ; vikera tao Trous-Bassins ary avy eo curé ny taona 2005 hatramin’ny 2007 ; curé tao Entre- Deux tamin’ny taona 2007hatramin’ny 2017)