25/06/2021
"Ankizy misitrana ny zony anatin'ny hamehana ara-pahasalamana"
👉 Tanteraka io teny faneva io nandritra ny nanamarihana ny iray volan'ny ankizy teto amin'ny distrikan'i Moramanga.
Ankoatra ireo hetsika maro tamin'ireo sekoly sy kaominina hafa mantsy dia...
👦👦👦 Ankizy maherin'ny 150 no vita famorana maimaim-poana ka anisan'izany ireo ankizy zanak'ireo tsy manan-kialofana,
👦👦👦 Notolorana baolina sy fanamiana mitovy isan-karazany ireo ankizy voatana eny amin'ny fonjan'i Moramanga mba hisitrahan'izy ireo nu zo hilalao ihany koa,
👦👦👦 Nozaraina kilalao niaraka tamin'ny vatomamy sy biscuit ary arendrina ireo ankizy manana fahasembanana mianatra ao amin'ny EPP Moramanga Ambony.
Ny sampan-draharaha miadidy ny mponina sy ny fiahiana ara+tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy niaraka tamin'ny sampan-draharahan'ny fahasalamam-bahoaka sy ny fampianarana eto Moramanga no nanatanteraka izany izay notarihin'nu solombavam-bahoaka Dr RAJAOBELINA Lova Herizo